An’iza ny fahadisoana?
“TSY MISY mihitsy maha-ratsy ny fimamoana.” Izany, hoy i Jim Vanderwood, mpikambana ao amin’ny fikambanana miady amin’ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola ao amin’ny fanjakan’i New York, no fiheveran’ny olona maro be. Ary vitsy, indrisy, no handa fa ny fisotroana alkaola tafahoatra indraindray dia anisan’ny singa mahaforona ny fiaraha-monina môderina.
Nandritra ny taona maro, amin’ny ankapobeny, dia niseho ho nilefitra tamin’ny fisotroana alkaola ny olona, eny fa na dia atao hoe tafahoatra aza izany. Nanjary naharatsy endrika io fahalalahana tafahoatra io. “Raiso ho ohatra ny sarimihetsika, hoy Atoa Vanderwood manazava. Tamin’ny fotoana rehetra, dia nitehafana ny lehilahy maherin’ny tantara izay mampianjera ny hafa any ambany latabatra, izy anefa amin’izay tsy mivenan’ny toaka mihitsy ary dia manohy milalao mandray ny toeran’ireo “cow-boy” be herim-po. Aseho ho toy ny fomba hampisehoana ny maha-izy ny tena io fomba fihetsika io. Ahoana no hiadianao amin’izany?”
Araka izany, na atao aza hoe mbola tompon’andraikitra voalohany ihany ireo izay mahatonga loza satria nitondra fiarakodia teo am-pahamamoana, dia tompon’andraikitra ihany koa ny fiaraha-monina moramorainy noho ny fihetsiny tsy ampy fandanjalanjana manoloana ny alkaola.
“Tsy heverina fotsiny ho toy ny fomba fihetsika azo ekena ny fisotroana, fa ampirisihana mafy mihitsy”, hoy ny nasain’i Jim Thompson, manam-pahaizana manokana momba ny fisorohana ny fandikan-dalàna, nomarihina. “Fihetsiketsehana ara-panatanjahan-tena maro no mihodinkodina eo amin’ny indostrian’ny alkaola, ny an’ny labiera indrindra”, hoy ny nohazavainy tamin’ny Mifohaza!. Mandritra ny maro amin’ireny fihetsiketsehana ireny, “ireo filazana dokam-barotra an-televiziona tsara indrindra dia natokana ho an’ny labiera, ka ireo mpilalao kalazalahy amin’izay no miantoka ny fampandrosoana ny fivarotana ireo karazana tian’izy ireo indrindra”.
Niharan’ny ankivy nataon’ny Fikambanana amerikana misahana ny fanapariaham-baovao sy ny Fikambanan’ireo mpanao filazana, antso, fampandrenesana ary tolo-barotra amerikana, ny semineram-pirenena nokarakarain’i Everett Koop, minisitry ny fahasalamana amerikana teo aloha. Noho ny antony inona? Satria tokony hifanakalozana hevitra ao ny amin’ny fahamamoana eo am-pamiliana ary avy eo dia hofaritana ireo andraikitra. Nilaza toy izao ny dokotera Patricia Waller, izay nitarika lamin’asa iray: “Ny zava-misy dia hoe isika [ny fiaraha-monina] no nampiforona izao toe-javatra izao, ary dia adala koa ny olona ka roboky ny fanerena nampiharina taminy efa hatramin’ny taona nahafahany nahatakatra zavatra ao amin’ny televiziona. Manala tena tsy ho tompon’andraikitra amin’izany anefa ny fiaraha-monina ary manantitrantitra fa tsy raharahany izany.”
Mpamily tanora mpanao kitoatoa anio, za-dratsy amin’ny alkaola rahampitso
Ny televiziona, ny sarimihetsika ary ny dokam-barotra no sasantsasany amin’ireo fomba ampisehoana ny alkaola amin’ny endriny manintona, ka mampiditra amin’izany ao amin’ireo saina tanora mora arebireby ity hafatra manaraka ity: ‘Afaka misotro sy ho sambatra ianao.’
“Amin’ny antsalany, dia hahita fisotroana toaka in-75000n’ny vera ao amin’ny televiziona ny ankizy iray raha mbola tsy mahatratra akory ny taona ara-dalàna hahafahany misotro”, hoy ny dokotera T. Radecki, mpikambana ao amin’ny Fikambanana amerikana manohitra ny herisetra ao amin’ny televiziona. Ilay mpanao fikarohana britanika atao hoe Anders Hansen kosa, raha ny aminy, dia nahavita fikarohana momba ireo fandaharana ao amin’ny televiziona alefa any amin’ny Royaume-Uni mandritra ireo ora maha-betsaka ny mpihaino. Nahamarika izy fa ny 71 % amin’ireo fandaharana noforonina dia misy fisehoana an-tsehatra izay isotroana alkaola, amin’ny fiverimberenana mihoatra ny intelo isan’ora amin’ny antsalany. Nanamarika tamin’alahelo ny “fahavitsian’ireo fisehoana an-tsehatra izay ahitana fisotroana alkaola miafara amin’ny tarehin-javatra voafaritra tsara” toy ny lozam-pifamoivoizana na koa famonoana olona izy, ankoatra izany.
Izao no azo vakina ao amin’ny Washington Post, nosoratan’ilay mpanoratra an-gazety atao hoe Colman McCarthy: “Hita taratra ao am-badiky (...) ny somongan’ireo mpanao fanatanjahan-tena taloha lasa mpivaro-toaka mandehandeha ny aloky ny fampielezana dokam-barotra sy fampandrosoam-barotra natao hahasodoka ireo ankizy sy handresen-dahatra ireo mpianatra fa ny fisotroana toaka, be dia be raha azo atao, dia ilaina amin’ny fivelaran’izy ireo eo anivon’ny antokon’olona. Raha inoana ny tenin’ireo tompon-dakan’ny ‘zava-pisotro maivana manan-tsiro tsy manam-paharoa’, dia hoe: raha tsy sotroinao ny toaka, dia tsy ho arakao izay mivoaka.”
Any amin’ny firaisana Sovietika, dia lozam-pirenena ny fahamamoana eo am-pamiliana. Misalasala ny amin’ny hahafahana manova ireo fahazarana ireo ny manam-pahefana sasantsasany any. “Tafiditra amin’ny maha-rosiana antsika izany”, hoy ny tompon’andraikitra iray. Angamba izany tokoa no izy, kanefa maro ihany koa no mahita azy io ho toy ny karazana fialam-boly. Hatreo àry, ireo tanora sy ireo olona mora arebireby dia mitombo ao anatin’ny faritra ahitana fisotroana.
Manazava Atoa Vanderwood fa any Etazonia “ny zava-pisotro dia anisan’ny singa mahaforona ny tontolon’ny tanora. Tsy misaraka amin’ny “base-ball”, ny “bowling”, ny “superbowl”, ary ireo fotoana mahafinaritra ny zava-pisotro. Izay miteny hoe fialam-boly dia miteny hoe alkaola, ary izay miteny hoe alkaola dia miteny hoe fialam-boly”. Manampy toy izao izy: “Mety handalo araka ny fandehan’ny fotoana io vanim-potoana io, raha toa ka tsy nisy fahazaran-dratsy azo ara-psikôlôjia, sôsiôlôjia na ara-batana.” Na izany aza anefa, “izay nampahafantarin’ireo fikarohana antsika, hoy izy namariparitra ho fampitandremana, ary voamarina tsara io fitrangan-javatra io, dia ny hoe izay manomboka misotro tsy misy fahalalana onony eo amin’ny faha-14, 15 na 16 taonany dia mety ho lasa za-dratsy amin’ny alkaola ao anatin’ny herintaona. Ao anatin’ny taona maromaro kosa izany, ho an’ireo izay mihoatra kelin’ny 20 taona”.
Raha izany no izy, tokony hahagaga ve raha toa, any Etazonia, ka ny fitondrana fiarakodia eo am-pahamamoana no antony lehibe indrindra mahatonga fahafatesana eo amin’ireo tanora 16 ka hatramin’ny 24 taona? Tsy misy isalasalana fa mitovy amin’izany ny tarehin-javatra any amin’ny tany maro hafa. Nanatsoaka hevitra avy amin’izany àry ny dokotera Waller fa ireo ray aman-dreny mandray andraikitra izay manandrana mampianatra ireo zanany ny fahalalana onony dia voatery mihevitra ihany koa ny maha-eo ny fiaraha-monina moramorainy izay “mandrirotra ho any amin’ny lalana mifanipaka”.
Araka izany, ireo tanora misotro amin’izao fotoana izao dia mety ho tonga za-dratsy amin’ny alkaola amin’ny hoavy. Mazàna tsy andairan’ny fandaharam-panitsiana izy ireny ka tena loza ho an’ny sarambabem-bahoaka eny an-dalana. Porofo izay nitranga tamin’ity mpamerin-keloka 34 taona ity: Ny fandaharam-panitsiana nanerena azy harahiny dia tsy nahasakana azy tsy himamo indray. Nitondra ny kamiaonetiny izy, niditra ny zotra mifanohitra amin’ny tokony harahina amin’ny arabe iray ary nifandona tamin’ny fiara be nitatitra zatovo. Olona fito amby roapolo — tanora 24 sy olon-dehibe 3 — no maty tao anatin’ny lelafo. Amin’ny ankapobeny, dia miharihary fa mihoatra ny ampahefatr’ireo mpamily tratra eo am-pahamamoana no efa mpamerin-keloka.
Ny alkaola: zava-mahadomelina iray tsy voararan’ny lalàna
Manam-pahaizana manokana maro no miampanga ny alkaola ho zava-mahadomelina iray tsy voararan’ny lalàna, afaka, sahala amin’ireo zavatra hafa, hitarika ho amin’ny fahazaran-dratsy.
Nilaza ny prezidà Bush tamin’ny fivoriana manokana iray natao tao amin’ny Maison-blanche, fa ny fahamamoana eo am-pamiliana dia “mampahosa sahala amin’ny ‘crack (karazana zava-mahadomelina)’ ihany koa, tsy hay vinavinaina toy ny herisetran’ireo ‘gangs’. Ary mamono lavitra eo amin’ireo tanora noho ny ‘crack’ sy ny ‘gangs’ mitambatra”. “Tokony hampianarintsika ny zanatsika fa zava-mahadomelina ny alkaola”, hoy izy nanamafy.
Raha tsy mbola tonga tao an-tsainao mihitsy ny hampitovy ny alkaola amin’ny zava-mahadomelina, dia fantaro fa tsy ianao irery no toy izany. “Olona maro no tsy mahatsapa izany”, hoy ny nohantitranterin’i C. Graziano, tompon’andraikitra amin’ny filaminana an-dalambe. “Na mpisolovava, na dokotera, na mpitsara; tsy misy na iza na iza voaro (...). Mora erỳ tokoa ange ny mahazo alkaola e!” Entana ara-dalàna any amin’ny ankamaroan’ireo tany, amidy malalaka any amin’ny karazana magazay rehetra, izy io. Raha ny amin’ny fanaraha-maso indray, dia mazàna no tena mahalana izany.
Raha jerena eo amin’ny lafiny biôlôjika, dia sakafo ny alkaola, satria manome hery fanorenana ny fisotroana azy. Na izany aza anefa, dia azo kilasina ho anisan’ny zava-mahadomelina ihany koa izy io satria mampihena ny fiasan’ny rafi-pitatitra (système nerveux) fototra. Raha be loatra izy, dia manana vokany mampatory eo amin’ny tena toy ny an’ny “barbituriques (karazana fampatoriana)”. Araka ny filazan’i Jim Vanderwood, noho ny “fiasany eo amin’ny fandaharam-pihetseham-po, izy io dia mampitony ny fihenjanana”. “Mahatonga ho sahisahy ary mandiso ny fanjohian-kevitra izy io. Mahatsapa tena ho mbola vory saina tsara ny tena, kanefa tsy izany no izy.” Io indrindra no maha-loza ny fahamamoana eo am-pamiliana. “Mifampiraharaha amin’olona izay tsy vory saina tsara intsony no sady tsy manana fahaiza-mitsara matsilo momba ireo fahafahana manao zavatra izay tsy miasa tsara intsony ny tena.”
Mpiseho matetika ny hoe manomboka misotro tsy misy fahalalana onony ny olona izay ao anatin’ny toe-javatra sarotra (fisaraham-panambadiana, tsy fananana asa, zava-manahirana ara-pianakaviana) mba hahazakany ny fanerena mihatra aminy. Arahiny amin’izay ilay antsoin’ny Gazety fanadihadiana momba ny alkaola (anglisy) hoe “fomba fihetsika tsy voalanjalanja sy tsy mandray andraikitra, anisan’izany ny fitondrana fiarakodia eo am-pahamamoana”.
Tsy ilaina ho mamo anefa vao hanary ny ampahany amin’ireo fahafahana. Vera iray na roa dia mety ho ampy hanimba ny fahaiza-mitsara ananan’ny mpamily iray, izay mety hahatandidomin-doza kosa ny ainy sy ny an’ny hafa.
Tena lozan’ny fiaraha-monina môderina tokoa ny fimamoana eo am-pamiliana, fiaraha-monina izay nanapoizin-tena tamin’ny fisotro mahafaty, fifangaroan’ny fitadiavana tombony ara-barotra mihoapampana sy ny fahalalahana tafahoatra manoloana ny zavatra iray izay, marina fa tsy voararan’ny lalàna, saingy faran’izay mampidi-doza. Araka izany, fampaherezana inona no azo entina ho an’ireo izay namoy olo-malala noho ny fahamamoana eo am-pamiliana? Moa ve misy marina fanantenana ny hahita ny fiafaran’io toe-javatra mampivarahontsana io?
[Teny notsongaina, pejy 10]
Ny zatovo iray izay misotro be dia be dia mety ho tonga za-dratsy amin’ny alkaola ao anatin’ny herintaona.
[Teny notsongaina, pejy 10]
Ny mpamily iray dia mety hanana ireo fahafahany manao zavatra ho efa tsy miasa tsara intsony na dia tsy voatery ho mamo aza izy.
[Sary, pejy 9]
Ny televiziona dia iray amin’ireo fomba ampisehoana ny alkaola amin’ny endriny manintona.