FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/7 p. 30-31
  • “Fa nahoana no nalain’Andriamanitra ny zanako?”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Fa nahoana no nalain’Andriamanitra ny zanako?”
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy mampahery no sady tsy ara-baiboly
  • “Raha izany, nahoana no maty ny zanako?”
  • “Fanantenana inona no ho an’ny zanako?”
  • Fandinihana Hevi-diso Momba ny Fahafatesana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Ampio ny Zanakao Hizaka ny Alahelony
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
Hijery Hafa
Mifohaza!—1991
g91 8/7 p. 30-31

Ny Fiheveran’ny Baiboly

“Fa nahoana no nalain’Andriamanitra ny zanako?”

FISEDRANA manimba ho an’izay rehetra mety ho ray aman-dreny ny famoizan-janaka, kapoka mandrivorivo tsy voafafan-teny tsotra. Raha efa niharam-pahoriana toy izany anefa ianao ka manontany tena hoe nahoana no nalain’Andriamanitra ny zanakao, dia fantaro fa ny fahorian-tsainao dia miorina amin’ny hevi-diso izay tsy manao afa-tsy ny manampy trotraka ny alahelonao. Matokia: tsy naka ny zanakao Andriamanitra.

Kanefa, maro no mino ny mifanohitra amin’izany. Toy izany ohatra ity vehivavy tsy laitra nampiononina izay nibanjina tamin’ny maso tsy nipy ny vatam-paty nisokatra nisy ny zanany lahy 17 taona, efa saika solan’ny fitsaboana izay tokony ho nahasitrana azy tamin’ny homamiadana. Nitodika tany amin’ny mpamangy iray izy, niteny tamin’ny feo nangovitra hoe: “Nantsoin’Andriamanitra i Tommy.” Izany no ninoany noho ny niangonany nandritra ny taona maro tany amin’ny fivavahana katolika. Na ireo protestanta koa aza, dia mihevitra efa hatramin’ny ela an’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’ny ankizy. Araka izany, ilay mpanao fanavaozana malaza atao hoe Jean Calvin dia nitoloko tamin’ny alalan’izao teny izao ny amin’ny nahafaty ny zanany vao roa herinandro: “Tena nampitondra ratra mangidy anay tokoa ny Tompo tamin’ny nakany ny zanakay menavava.”

Araka ny angano jiosy iray tamin’ny Andro Fahagola, dia maty nandritra ny fotoana tsy naha-teo azy ny zanakalahy kamban’ny raby iray. Rehefa tafaverina tao an-tranony izy ka naniry hahita ireo zanany lahy, dia nilaza izao fanjohian-kevitra izao taminy ny vadiny: “Raha nampindramina anao ny vatosoa roa sarobidy ka nilazana ianao fa ho afaka hifaly amin’izany raha mbola mitana azy koa, handa ve ianao rehefa hangatahin’ny tompony aminao indray izy ireo?” “Tsia dia tsia tokoa!” hoy ny navalin-dralehilahy. Tamin’izany teny izany, dia nasehon’ny vadiny azy ireo zaza roa maty ary hoy fotsiny izy: “Nalain’Andriamanitra ireo vatosoany.”

Tsy mampahery no sady tsy ara-baiboly

Moa ve ny Mpamorona dia tena tsy mifaditra ovana tokoa toy izany ka manao izay hahafaty araka ny sitrapony ny ankizy iray, kanefa mahafantatra fa hanorotoro ny fon’ireo ray aman-dreniny izany? Tsia, tsy ny Andriamanitry ny Baiboly velively no hanao izany. Araka ny 1 Jaona 4:8, “Andriamanitra dia fitiavana”. Mariho fa tsy nolazaina hoe manana fitiavana Andriamanitra na koa hoe be fitiavana izy, fa hoe fitiavana kosa izy. Mahery aoka izany ny fitiavany, tena madio, tena tonga lafatra ary mamonto tsy misy toy izany ny maha-izy azy sy ny asany ka nanjary ara-drariny ny hiresahana an’Andriamanitra ho toy ny fisehoan’ny fitiavana mihitsy. Tsy Andriamanitra mamono ny ankizy mba ‘hakany ny vatosoany’ izy.

Mifanohitra amin’izany kosa fa maneho amin’ireo ankizy fitiavana mahery sy tsy mitady tombony Andriamanitra. Jesosy Kristy, izay na ny teniny na ny asany dia samy nanome taratry ny maha-izy ny Rainy, dia niseho ho tena nafana tamin’ireo ankizy, ary naneho fiheverana manokana azy ireny. Tamin’ny fisehoan-javatra iray, dia nisakambina ny iray tamin’izy ireny izy ary nampianatra ireo mpianany fa tokony hanahaka ny fahatsorana sy ny fanetren-tenan’ny ankizy izy ireo. (Matio 18:1-4; Marka 9:36, MN). Taonjato maro talohan’izay, dia efa nampianatra ny vahoakany hihevitra ireo zanany ho sarobidy, hanabe azy ireny, hampianatra azy ary hitaiza azy mifanaraka amin’izany, i Jehovah. (Deoteronomia 6:6, 7; Salamo 127:3-5). Maniry ny hahatafakambana ireo fianakaviana ao anatin’ny fiainana Andriamanitra, fa tsy ny hisaratsarahany amin’ny fahafatesana.

“Raha izany, nahoana no maty ny zanako?”

Maro no mihevitra fa, noho ny maha-Tsitoha azy, dia tokony ho ao ambadiky ny zava-mitranga rehetra eto ambonin’ny tany Andriamanitra, anisan’izany ny fahafatesan’ny ankizy. Kanefa, tsy ara-drariny io fanjohian-kevitra io. Rehefa namoy indray niaraka ireo zanany folo tao anatin’ny loza i Joba, dia nino fa i Jehovah no nahatonga io loza nahatsiravina io taminy. Tsy fantany izay ambaran’ny Baiboly amintsika kosa, dia ny hoe: ny fahavalon’Andriamanitra iray, ny voary mahery noho ny olombelona antsoina hoe Satana, no tena tompon’andraikitra tamin’ilay toe-javatra ary nampijaly an’i Joba izy mba hanerena azy handa ny finoany an’ilay Mpamorona azy. — Joba 1:6-12.

Toy izany koa, ny ankamaroan’ireo mpiara-belona amintsika dia tsy mahatsapa velively hoe hatraiza ny halehiben’ny fitaoman’i Satana eto amin’ity tontolo ity. Manambara ny Baiboly fa i Satana, fa tsy i Jehovah, no filohan’izao fandehan-javatra efa simba izao. Araka ny ilazan’ny 1 Jaona 5:19 azy, “izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” Tsy tokony hoheverina ho tompon’andraikitra amin’ireo fisehoan-javatra mampivarahontsana mitranga etỳ amin’izao tontolo izao etỳ i Jehovah. Raha tsorina, dia tsy naka ny zanakao izy.

Midika ve àry izany, fa i Satana no naka azy? Tsia; na azo atao angamba hoe, tsy izy mivantana. Tany Edena, ny olona dia nankeo ambanin’ny fanapahan’i Satana rehefa nikomy tamin’Andriamanitra. Tamin’izany no namoizan’ny tenany sy ny zanany rehetra ilay fanomezana: ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahasalamana tonga lafatra. (Romana 5:12). Noho izany, isika dia miaina ao anatin’ny fandehan-javatra lavitra an’Andriamanitra, ao anatin’ny tontolo iray izay tsy maintsy hiatrehantsika ilay antsoin’ny Baiboly hoe: “fotoana sy sampona [fisehoan-javatra tsy ampoizina, MN]”, ireo fivadibadihan-javatra mazàna mampivarahontsana eo amin’ny fiainana. (Mpitoriteny 9:11). “Mamitaka an’izao tontolo izao” i Satana. (Apokalypsy 12:9.) Ny zavatra voalohany imasoany dia ny hampiodina ny olona hiala amin’Andriamanitra. Mampiely lainga mahatsiravina momba azy àry izy, ka ny iray amin’ireny dia ny hoe mampiasa ny fahafatesana Andriamanitra mba hanesorana zanaka amin’ireo ray aman-dreniny.

“Fanantenana inona no ho an’ny zanako?”

Toy izay hanendrikendrika an’Andriamanitra, ireo ray aman-dreny mana-manjo dia tokony hitady ny fampaherezana homeny ao amin’ny Baiboly. Nanakorontana ny sain’ny ray aman-dreny maro ny fivavahan-diso raha ny amin’ny toe-javatra misy ireo zanak’izy ireo maty sy ny toerana misy azy ireny. Ny lanitra, ny afobe, ny afo fandiovana, ny limby, ireny “toeram-pitodiana” samy hafa ireny dia manomboka amin’ny tsy azo takarina ka hatramin’ny mampivarahontsana. Manazava kosa anefa ny Baiboly fa tsy mahatsiaro tena ireo maty, tsy misy azo anoharana tsaratsara kokoa ny toe-javatra misy azy ireo ankoatra ny torimaso. (Mpitoriteny 9:5, 10; Jaona 11:11-14). Noho izany, dia tsy mila ny manahy ny amin’izay manjo ireo zanany aorian’ny fahafatesana ireo ray aman-dreny, toy ny tsy hanahian’izy ireo rehefa mahita azy ireny renoky ny torimaso lalina. Niresaka ny amin’ny fotoana izay ‘hivoahan’ny olona rehetra any am-pasam-pahatsiarovana’ mba hiaina indray i Jesosy, ary izany dia ao amin’ny tany tonga paradisa. — Jaona 5:28, MN, 29; Lioka 23:, MN.

Marina aloha, fa tsy manala ilay lafiny mampivarahontsana amin’ny fahafatesana io fanantenana kanto io. I Jesosy aza mba nigogogo nitomany tamin’ny nahafatesan’i Lazarosy sakaizany (...) kanefa izy hanangana azy tamin’ny maty minitra vitsivitsy taorian’izay ! Fara faharatsiny mba fantatsika fa tsy hoe tsy maintsy ho varo-tsy mifody hatrany akory ny fahafatesana. Tsy tia ny fahafatesana na i Jesosy na i Jehovah Rainy. Ny Baiboly dia manondro azy io ho ny “fahavalo farany” ary milaza izy fa tokony “hofoanana” izy io. (1 Korintiana 15:26, MN.) Ao amin’ilay Paradisa ho avy, rehefa ho navalon’ny lasa ny fanapahan’i Satana, dia hanjavona mandrakizay ny fahafatesana. Hotakina aminy amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty ireo tsy manan-tsiny novonoiny. Amin’izay rehefa hifankahita indray ireo ray aman-dreny sy ireo zanaka, dia ho afaka hiteny amin’izay isika hoe: “Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao?” — Hosea 13:14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara