Manontany ny Tanora Hoe. . .
Ahoana no azoko atao aminy mba tsy hanadalany ahy?
Zazalahy be mpitia indrindra ao an-tsekoly i David. Ary tampotampoka teo, nahavelom-pitsiriritana ny zazavavy rehetra tao an-tsekoly, dia nanjary nahaliana azy ianao! Imbetsaka izy no nangataka anao handany fotoana miaraka aminy, ary dia nanda foana ianao. Kanefa i David dia milaza aminao fa tsy misy mihitsy zazavavy hafa nananany fihetseham-po toy izany ka tsy ta handre ny “tsia” ho valinteny izy. Tsy maniry handratra ny fihetseham-pony ianao, kanefa dia fantatrao hoe inona no mety ho ao an-tsainy. Nahoana izy no tsy afaka ny tsy hanadala anao?
HATRAIZA hatraiza ny tovovavy (ary matetika ny tovolahy amin’izao fotoana izao) dia sahirana noho ireo mpiara-mianatra sy mpiara-miasa izay maneho fitiavana tsy irina amin’izy ireny. Matetika ilay fanangolena dia mitovy amin’ny fanasana mivantana ny hanana fitondrantena maloto eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy. Ahoana no ho fihetsikao raha sendra mitranga aminao izany?
Toy izao no voalazan’ny lahatsoratra iray ao amin’ny Psychology Today: “Raha mampahafantatra amin’ny fomba an-kolaka na amin’ny fihetsehana ara-batana ny lehilahy iray fa maniry hanao firaisana, dia tsy maintsy manohitra avy hatrany ianao. Raha tsy manao izany ianao, ny fahanginanao dia mampirisika azy hanohy.” Koa tsy maintsy manao zavatra àry ianao—nefa inona?
Nahoana no sarotra ny miteny hoe tsia
Niaiky toy izao tamin’ny fomba mivantambantana ihany ny tovovavy iray atao hoe Sherron: “Mandrakariva dia tsy sarotra ny miteny hoe tsia rehefa ratsy tarehy ilay zazalahy.” Ny zava-manahirana dia ny hoe tiantsika rehetra ny fanehoam-piheverana. Ary rehefa avy amin’ny olona deraintsika na hitantsika ho manintona izany, dia tsy mora ny mandà izany. Kanefa manontania tena hoe: ‘Moa ve io olona io mitovy zava-kendrena amiko, mitovy fomba fijery ara-panahy amiko, mitovy fitsipi-pitondrantena amiko?’ (2 Korintiana 6:14) Raha tsia, ny fanekena ny fanangoleny dia mety hametraka anao marina tokoa eo amin’ny lalana mitarika ho any amin’ny loza.
Na dia izany aza, ianao koa dia mety hiatrika fanerena mafy dia mafy mba tsy hiraharaha ny fari-pitondrantenanao ara-pivavahana. Mitantara toy izao ny tanora iray atao hoe Dana: “Ireo zazavavy tao am-piasana dia nanery ahy mba hiara-mandihy amin-dry zareo; manontany izy ireo hoe nahoana aho ny tsy mba mifanerasera amin-jazalahy.” Raha mbola mankany an-tsekoly ianao, ireo mpiara-mianatra dia mety hampirisika anao sahala amin’izany mba hiaraka amin’ny iray amin’ireo zazalahy ao. Ny karazam-panerena toy izany dia afaka hanalefaka mora foana ny fanapahan-kevitrao. Inona no azonao atao mba hampahatanjaka izany?
Manorena faritra mampisaraka
Hoy ny hain-teny tranainy iray, “Aleo misoroka toy izay mitsabo.” Manaiky izany i Marie. Hoy izy: “Ataoko izay hahafantarana fa izaho dia iray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Rehefa fantatr’ireo zazalahy fa manana fari-pitondrantena ambony ianao, dia mety tsy dia hanelingelina anao izy.
Ny fisehoana ivelany mendrika dia mandray anjara lehibe koa amin’ny fisakanana ny fiheverana tsy irina. Nianatra izany ny mpitantan-draharaha iray tany New York rehefa nanomboka nanan-java-nanahirana tamin’ny lehilahy tao amin’ny toeram-piasany. Nanoratra toy izao io vehivavy io: “Na dia nitandrina tsara ny asako aza aho, dia tsy toy izany ny fahitana ahy. Koa nataoko bontana an-katoka ny voloko, ary nanomboka nanao lobaka vita tamin’ny landihazo sy solomaso boribory be ary akanjo mitsatoka tsara aho rehefa mandeha miasa. Maotina erỳ ny fijery ahy, toy ny hoe tonga eto aho mba hiasa, fa tsy hilalao fitia.” Mazava ho azy fa ny fisehoana ivelany toy izany dia mety tsy hilaina ho an’ny toerana misy anao, kanefa izany dia manazava ny ilàna hahazoana antoka fa ny akanjonao sy ny fisehoanao ivelany dia manome fiheverana marina.—1 Timoty 2:9.
Ny fifidiananao namana dia anton-javatra iray lehibe koa. Milaza toy izao ny Baiboly: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala [ara-pitondrantena] dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20) Koa aza miaraka—na mihaino akory aza—olona izay manao vazivazy maloto na mirehareha ny amin’ny nahavitany fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy. Raha manao izany ianao, dia mety hanana fiheverana diso ny aminao ny hafa. Milaza i Erica tanora fa rehefa manomboka mivaona ny resaka, dia milaza amin’izy ireo izy hoe: “Izay no famantarako fa mila ny miala aho,” ary dia fantatr’izy ireo izay tiako haseho.
Aoka ianao ho “mànda”
Indraindray anefa, na dia ny fampahafantarana amin’ny olona fa kristiana aza ny tena dia tsy ampy mba hisakanana ireo lehilahy sasany. (“Mampiova inona anefa ny maha-kristiana anao?” hoy ny fanjohian-kevitry ny tovolahy tapa-kevitra iray. “Ianao dia mbola vehivavy ihany, ary izaho dia mbola lehilahy ihany.”) Ahoana no hiatrehinao ny toe-javatra sahala amin’izany? Diniho tsara ny ohatra ao amin’ny Baiboly momba ilay zatovovavy Solemita. Nila fitia taminy ny iray tamin’ireo lehilahy mpanan-karena indrindra, hendry indrindra, ary mahery indrindra, tetỳ ambonin’ny tany—dia i Solomona mpanjaka. Kanefa, efa raiki-pitia tamin’ny mpiandry ondry tsotra iray avy any amin’ny tanàna nahabe azy izy. Ahoana àry no hahafahany handresy lahatra an’i Solomona mba tsy hanadalany azy?
Voalohany indrindra dia nanana fiheverana mendrika ny amin’ny tenany izy. Hoy izy: “Izaho dia voninkazo eny an-tanety ihany.” (Tonon-kiran’i Solomona 2:1) Ny fananana fanetren-tena mety sahala amin’izany dia tena zava-dehibe satria ny fiasana voalohany ampiasain’ny mpanangoly dia ny fandokadokafana. Nanetry tena loatra ilay Solemita ka tsy voafitaka tamin’izany. Ary rehefa nampiasa fitaoman’ny namana ireo “zanakavavin’i Jerosalema” mba hanandramana hanery azy hanaiky an’i Solomona, dia nampianiana azy ireo izy mba ‘tsy hanaitra na hamoha ny fitiavany, raha tsy efa sitrapony.’ (Tonon-kiran’i Solomona 3:5) Ny famelana ny olona mifandray aminao hahafantatra ny toerana tananao dia mety hanakana toy izany koa ny fisian’ny fanerena sasany avy amin’izy ireny.
Ny tena zava-dehibe indrindra, dia tapa-kevira ilay zatovovavy Solemita mba hanohitra ny fanandramana rehetra nataon’ilay mpanjaka mba hanozongozonana azy. “Mànda aho”, hoy ny nambarany tamim-pireharehana. (Tonon-kiran’ny Solomona 8:10) Tsy maintsy miseho ho tapa-kevitra toy izany koa ianao raha ny amin’ny fanangolena tsy mendrika. Toy ilay Solemita, dia tsy maintsy mianatra mahay milaza hoe tsia ianao. Raha sarotra ho anao ny fanaovana izany, dia mizara milaza hoe tsia amin’ireo toe-javatra tsy dia lehibe loatra. Mizara mijoro amin’izay inoanao. Amin’izay rehefa mitranga ireo toe-javatra lehibe, dia ho tsara fiomanana kokoa ianao mba hanoherana izany.
Tampeno izany lalana izany!
Aoka hodinihina izao ireo fanangolena mahazatra sasantsasany ampiasain’ireo zazalahy sy ny hoe ahoana no tokony ho fijerinao azy:
‘Manao izany ny rehetra.’ Aza mino izany! Ny fanadihadiana iray nataon’ny fikambanana Panned Parenthood dia nanambara fa ny 53 isan-jaton’ireo zazavavy 17 taona any Etazonia dia nandray anjara tamin’ny firaisana tsy madio. Kanefa, mbola misy 47 isan-jato izany ireo tsy nanao izany—anisan’izany ianao! Etsy an-danin’izany, ireo kristiana dia ‘tsy manaraka ny maro’ rehefa voadika ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly.—Eksodosy 23:2.
‘Tsy mato-tsaina ianao.’ Tsy izany velively! Ny olona matotra dia lazaina mazava tsara ao amin’ny Baiboly ho toy “izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.”—Hebreo 5:14.
‘Adidinao amiko izany.’ Tsy manana adidy hanao firaisana na amin’iza na amin’iza ianao—na mpiara-mianatra iray izany, na mpampiasa iray, namana iray, na olon-kafa na iza na iza! Ary tsy misy na iza na iza manana zo hangataka izany.
‘Mba manaova fiainana aloha izao e. Mety ho faty isika rahampitso! ’ Amin’ny maha-kristiana, dia mibanjina ny fiainana mandrakizay isika. Tsy azontsika avela hanimba ny fahasambarana mandrakizay ny fotoam-pahafinaretana fohy iray amin’ny fanaovana firaisana tsy ara-dalàna.—1 Korintiana 15:32-34.
Ireo fanatonana amim-pitaka karazan’izany dia mila valinteny—henjana indraindray—hentitra sy mazava tsara. Ary rehefa mikiry ilay olona, dia mety hilainao ny mieritreritra bebe kokoa ny amin’ny hoe ahoana no hamaliana ilay olona amin’ny fomba mandaitra kokoa. (Ohabolana 15:28) Na inona na inona lazainao, dia asehoy fa ianao dia hentitra amin’ny fandavana ireo fanangoleny; aza mihomehy na menamenatra.
Ankoatr’izany, i Joyce Jillson, mpanoratra, dia nanoro hevitra toy izao: “Raha irinao marina ny hampitsahatra tanteraka ilay raharaha, dia manomboha resadresaka momba ny fivavahana.” Tanora kristiana maro be no nahita ny maha-marina izany. Milaza toy izao ny zazavavy iray: “Na oviana na oviana misy olona manadala ahy dia avoakako Ny Tilikambo Fiambenana.” Eny, iray amin’ireo fiarovana tsara indrindra dia ny fampisehoana mazava ireo zavatra inoanao. Ampahafantaro ilay olona hoe nahoana ianao no mandà ny fanoloran-keviny. Tsy ny maha-olona azy akory no lavinao fa ny fihetsika tiany hatao. Manampy indrindra ny fomba fanjohian-kevitra toy izany raha toa ka tsy maintsy mifanatri-tava aminao isan’andro ilay olona. Raha toa ka maneho fahalianana ihany momba ny hafatra ao anatin’ny Baiboly izy, dia afaka manaraka izany fahalianana izany ny lehilahy iray mpikambana ao amin’ny kongregasiona kristiana.
Mampalahelo anefa fa misy ireo sasany izay tsy mety ho resy lahatra. Ny hany azonao atao dia ny milaza mazava tsara ny toerana misy anao, tsy amim-pitsikitsikiana—ary dia zory ny lalana. Raha mitohy ilay fanorisorenana na sarotra tokoa ho anao ny mandresy ilay toe-javatra, dia resaho daholo amin’ireo ray aman-dreninao ilay raharaha. Mety hanana fanoloran-kevitra sasany izy ireo—na mety hanapa-kevitra ny hanelanelana izy. Amin’ireo fisehoan-javatra sasany, dia mety ho tsy maintsy mandositra mihitsy ny toe-javatra toy izany ianao!—Ampitahao amin’ny Genesisy 39:12.
Tena mety hiaritra vava ratsy na famazivaziana ianao izao ho vokatry ny fijoroanao, kanefa aza kivy. Toy ilay Solemita, dia hahafaly anao ny fiadanan-tsaina avy amin’ny fanaovana izay marina. (Tonon-kiran’i Solomona 8:10) Etsy an-danin’izany, dia tsy ny zazalahy rehetra akory no hanao zavatra manimba. Na dia nolavin’ilay zatovovavy aza i Solomona mpanjaka, dia tsy nieritreritra ny hanisy ratsy azy izy. Raha ny marina, dia nanoratra iray amin’ny hiram-pitiavana tsara indrindra izy, ho fiderana azy! Toy izany koa, hanjary hanaja ny fijoroanao amin-kerim-po ny ankamaroan’ny tovolahy. Ary raha tsy manao izany izy ireo? Dia mifahara tsara hatrany foana toy ilay Solemita. Aoka ianao ho “mànda” fa tsy ho “varavarana” mora vohana. (Tonon-kiran’i Solomona 8:9) Tadidio: Miankina amin’izany ny fahasambaranao mandrakizay sy ny hajan’ny tenanao!
[Sary, pejy 15]
Ahoana no hahafahanao mifandray amin’ireo zazalahy izay tsy manaiky ny “tsia” ho valinteny?