FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g92 8/1 p. 15-16
  • Ny herin’ny resadresa-poana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny herin’ny resadresa-poana
  • Mifohaza!—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny resadresa-poana sarotra toherina — Nahoana?
    Mifohaza!—1992
  • Ny resadresaka — Nahoana izy io no manimba?
    Mifohaza!—1990
  • Inona no dia Maha Ratsy ny Miresaka Olona?
    Mifohaza!—1999
  • Inona no Hataoko Raha Misy Mifosa Ahy?
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—1992
g92 8/1 p. 15-16

Ny herin’ny resadresa-poana

NIELY eran’ity tanàna kelin’i Angletera ny famonoan-tenan’ilay vehivavy tanora. Ny mbola manaitra kokoa dia ny fanatsoahan-kevitry ny fitambarana mpitsara hoe: ‘Novonoin’ireo resadresa-poana manimba izy.’ Miharihary fa ny resadresa-poana manimba dia nandoto ny anarana sy ny lazan’ilay vehivavy tanora, ka nitarika azy hamono tena. — Fandinihana ny tsaho sy ny resadresa-poana (anglisy.), nataon’i Ralph Rosnow sy Gary Alan Fine.

Na dia mahalana aza no mampivarahontsana ohatra izany ny vokany, dia tsy misy isalasalana fa ny resadresa-poana dia manana hery mampahatahotra. Fomba fanao hifanomezana fanazavana mahasoa izy io, nefa koa dia nampangaina ho mahatonga fikorontanam-bahoaka, fisaratsarahan’ny fianakaviana ary fahasimban’ny asa.

Anisan’ireo loza hafa lazaina fa aterany ny tsy fahitan-tory, ny fahorian-tsaina ary ireo tsy fahalevonan-kanina. Angamba efa nisy andro nahitanao fahavoazana noho ny resadresa-poana. Afa-tsy izany koa, ny mpanoratra atao hoe William Jones dia nampahafantatra fa eo amin’ny sehatry ny raharaham-barotra “dia tsy maintsy manaiky ianao fa mandritra ny asanao dia hisy hanandrana ny handefona ivoho anao.”

Ny resadresa-poana manimba dia melohina saika hatraiza hatraiza. Eo amin’ireo “Indiens séminoles” (Fikambanan’ireo Indiana monina any Floride) any Etazonia, dia ampitovina laharana amin’ny lainga sy ny halatra ny “firesahana zava-dratsy na momba an’iza na momba an’iza”. Ao amin’ny fikambanam-piaraha-monina iray atsy Afrika andrefana, ireo mpandehandeha manely tsaho dia manao izay hahatapaka ireo molony, izay hamonoana ho faty azy ireo mihitsy aza. Raha ny marina, nandritra ny Tantara, dia niezahana ny hampitsaharana ny resadresa-poana.

Teo anelanelan’ny taonjato faha-15 sy ny faha-18, tany Angletera, tany Alemaina, ary tatỳ aoriana kely, tany Etazonia, dia matetika no nampiasaina ny akalana fanitrihana “Harrap’s” fametrahana ny olo-meloka mba hanaovana izay hahamenatra ireo mpanely tsaho sy hampirisihana azy ireo hiala amin’ny resadresa-poana manimba. Ilay fanasaziana dia ny famatorana ilay olo-meloka eo ambonin’ny seza ary ny fandentehana azy imbetsaka ao anaty rano.

Nanjavona efa hatramin’ny ela ny akalana fanitrihana fametrahana olo-meloka, toy izany koa ny boloky hazo famatorana ny tanana aman-tongotry ny olo-meloka sy ny hazo famatorana azy ireo mba hanalana baraka azy, kanefa ny ady atao mba hanoherana ny resadresa-poana dia mbola mitohy hatramin’izao androntsika izao. Araka izany, nandritra ireo taona 60, ireo manam-pahefana amerikana dia nanorina foibe atao hoe: “mpanara-maso ny tsaho”, notendrena mba hiadiana amin’ny tsaho izay mety hanimba ny tombontsoan’ny fanjakana. Sampan-draharaha maro mitovy amin’izany no niasa tany Irlandy avaratra sy tany Angletera. Misy aza lalàna manohitra ireo fampielezana resadresa-poana manimba izay mikendry ny hitondra fahavoazana ho an’ny fikambanana sasany mikarakara vola.

Na dia eo aza izany fiezahana rehetra izany, dia mbola maharitra ihany ny resadresa-poana manimba. Tsy hoe velona fotsiny izy, fa mitombo koa. Mandraka ankehitriny, dia tsy misy mihitsy lalàna na fomba fanaon’ny olona tonga tamin’ny fanakanana ny vokany manimba. Misy hatraiza hatraiza izy io: eo amin’ny mpifanolobodirindrina, any amin’ny birao, ao amin’ireo magazay, ao amin’ireo lanonan-takariva, eo anivon’ny fianakaviana. Tsy manisy fiavahana eo amin’ireo firazanana, ireo kolontsaina sy ireo sivilizasiôna izy io, ary mandroso ao amin’ny fari-piaraha-monina rehetra. Nilaza ny manam-pahaizana manokana iray fa “saika mahazatra toy ny miaina ny manao resadresa-poana”, ary koa hoe ny resadresa-poana ‘dia mitsatoka lalina ao amin’ny toetra mampiavaka ny olombelona.’

Marina fa ny resadresa-poana dia matetika no mampiseho ny lafiny ratsy indrindra amin’ny toetra mampiavaka ny olombelona, izay faly amin’ny fanamatrohana ireo laza, amin’ny fanolanana ny fahamarinana ary amin’ny fanapotehana fiainana. Kanefa, tsy ny resadresa-poana mihitsy akory no ratsy. Misy maha-tsara ny resadresaka. Raha izany no izy, raha tiana ny hisoroka ny fanaovan-dratsy amin’ny hafa, na ny tsy ho anisan’ireo hiharam-pahavoazana, dia zava-dehibe ny hamantarana hoe aiza no mijanona ny resadresa-poana tsy manimba ary hoe aiza no manomboka ny resadresa-poana manimba.

[Sary, pejy 16]

Any amin’ny tany sasantsasany, dia nampiasaina ny akalana fanitrihana mba hanomezana fananarana ireo mpanely tsaho

[Sary nahazoan-dalana]

Historical Pictures Service

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara