FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g92 8/4 p. 3-5
  • Fanesorana mpiasa — Ilay nofy ratsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanesorana mpiasa — Ilay nofy ratsy
  • Mifohaza!—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fa inona no nitranga?
  • Ireo vokany
  • Tsy Fananana Asa — Nahoana?
    Mifohaza!—1996
  • Nahoana no misondrotra toy izao ny vidim-piainana?
    Mifohaza!—1990
  • Tratran’ny Olana Ara-bola
    Mifohaza!—2011
  • Ilay Loza: Ny Tsy Fananana Asa
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1992
g92 8/4 p. 3-5

Fanesorana mpiasa — Ilay nofy ratsy

“Tsapako ho toy ny nianjera teo ambonin’ny lohako ny lanitra. Tsy fantatro intsony hoe aiza moa aho.” — Ny vehivavy talen’ny orinasa “télématique” iray, 44 taona.

“Mihozongozona ny fatokian-tena. Tsaroana ho tsy ilaina ny tena.” — Ny tompon’andraikitra ara-bola iray, 38 taona.

“Fa karazana rafitra ara-toe-karena inona ity noforonintsika, manao sorona ny olona rehefa eo amin’ny fara tampon’ny fahaizany izy ireo?” — Ny tonia iray ao amin’ny orinasa mpanao akanjo, 47 taona.

NY ZAVA-NANJO niombonan’ireo tonia telo ireo? Nandalo ny horohoron’ny fanesorana mpiasa ny tsirairay avy taminy.

Voamarikao ve ny taonan’izy ireo? Raha heverina amin’ny fanandraman-javatra ananany, dia tsy isalasalana fa nihevitra ho nanana tombony sasany amin’ny tsy fananana ahiahy eo amin’ny asa izy ireo. Ankoatra izany dia teo amin’ny vanim-potoana iray eo amin’ny fiainany amin’ny maha-mpiasa azy izay heverin’ny maro ho mahaliana indrindra eo amin’ny lafin’ny vola izy. Tsy nanakana azy ireo tsy hahita ny tsy fananana asa nihatra taminy tamin’ny fomba tampoka sy tsy nampoizina izany. “Nilazana aho mba hampirina ny biraoko ary hitondra ny entan-keliko”, hoy ilay talen’ny orinasa “télématique”, nahatsiaro. Voaroaka aho; dia vita teo iny.

Fa inona no nitranga?

Tsy fisehoan-javatra iray vaovao akory ny fihilangilanana ara-toe-karena. Tany maro no efa nandalo vanim-potoana azo lazaina hoe niroborobo narahina fiharatsiana na fitambotsorana. Ny fotoam-pitotonganana toy izany koa dia voamarika tsy ela izay naneran-tany, efa talohan’ny ady tao amin’ny Hoala persika, ary mampiseho ny mety ho faharefon’ny toe-karena, eny fa na dia aorian’izay atao hoe taom-piroboroboana aza. Olona maro, ny sasantsasany vao voalohany, no nahatsapa fa mety hotandindomin-doza ny asany sy ny fidiram-bolany.

Nisy vokany ratsy tokoa teo amin’ny asa ireny tsy fandrosoana ara-toe-karena ireny. Voatery nampihena araka izay azo natao ny vola laniny ny orinasa ka nanaisotra mpiasa maro indray niaraka. Voakasika na dia ireo tany manankarena sady mandroso aza; nisy fotoana nahitana tsy an’asa 25 tapitrisa tao amin’ireo Fanjakana mpikambana amin’ny Fandaminana misahana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana ara-toe-karena.

“Saiky isan’andro dia maharay antso an-telefaonina avy amina namana izay vao nesorina tamin’ny asany tany amin’ireo orinasa lehibe aho”, hoy ny mpandravaka trano iray. “Ny ankamaroan’ireo orinasa iarahako miasa dia nahita ny vola amin’ny raharaham-barony nihena ho antsasany sisa tao anatin’ny herintaona.”

Singa iray mahaforona ny tontolon’ny mpiasa tsotra hatrany ny fanesorana mpiasa. Kanefa hatramin’ilay fotoam-piharatsiana farany teo dia mihamaro hatrany ireo mpiasa birao mamoy koa ny toerany. “Ireo no asa be voninahitra, hoy i Dan Lacey, talen’ny filazana Workplace Trends, asa ahafahana mividy trano any amin’ny faritanàna tsara sy manana fiarakodia roa.”

Maro tamin’ireny asa ireny no nofoanana tato anatin’ireo taona faramparany, ka namela ireo olona nesorina “hitambesaran’ny fisamboram-bola momba ny trano, ankizy madinika, trosa mavesatra ary hoavy mihamanjavozavo hatrany”, hoy ny Newsweek.

Ireo vokany

Iharam-pahavoazana roa sosona ilay mpiasa nesorina: ny voalohany ara-bola, ary ny faharoa ara-toe-tsaina. Miharihary ilay voalohany; noho ny fihenan’ny vola miditra dia tsy maintsy hihevitra indray ny fari-piainany izy. Kanefa manana ny fiantraikany koa eo amin’ny lafin’ny toe-tsaina ny tsy fananana asa.

Tsy mitovy intsony, ohatra, ny fahitan’ny tanora amin’izao fotoana izao ny tsy fananana ahiahy eo amin’ny asa. Lasa zavatra ara-dalàna ny tsy fananana asa miverimberina tsy tapaka. Nanamarika ny Wall Street Journal fa ireny vanim-potoana maha-tsy an’asa miverimberina ireny dia nanova tanora britanika maro ho “zatovo mandavantaona”.

Eo amin’ireo izay nesorina rehefa avy nanana asa nateza nandritra ny taona maro, ny voka-dratsiny ara-toe-tsaina dia hafa koa ny halaliny. “Ny hoe nesorina tamin’ny asa, dia tsy hoe namoy karama fotsiny, fa manary ny ampahany amin’ny maha-izy ny tena koa”, hoy ny fanazavan’i Neil Lewis, psikôlôgy (mpandinika toe-tsaina).

Raha ny marina, ireo psikôlôgy dia nahamarika fa mahatonga fikorontanan-tsaina toy ny amin’ny fahafatesan’ny olon-tiana iray na ny fisaraham-panambadiana ny fanesorana amin’ny asa. Mandimby ny dona ny hatezerana, avy eo ny alahelo, izay vao tonga ny fanekena hiaritra. “Ny sasany miala amin’ny dona mankamin’ny fanekena hiaritra ao anatin’ny roa andro, hoy Atoa lewis; ho an’ny hafa, dia mitaky herinandro maromaro izany, raha tsy amam-bolana mihitsy aza.”

Manana fironana kokoa ho latsaka amin’ny fahazaran-dratsy amin’ny alkaola na amin’ny zava-mahadomelina ireo izay tratran’ny fanesorana amin’ny asa. Famantarana fikorontanana ara-toe-tsaina hafa iray izany. Hita mihitsy aza, fa nisy tsy an’asa, izay tonga nahery setra tamin’ny fianakaviany na nandao ny vadiny noho ny famoizam-po. “Tsy maintsy hiseho any ho any io famoizam-po io, hoy ny fanazavan’i Stephen Pilster-Pearson, tompon’andraikitra amin’ny fanampiana ireo mpiasan’ny oniversiten’i Wisconsin (Etazonia), ary mazava ho azy fa iray amin’ireny toerana ireny ny tokantrano.”

Mbola tafahoatra kokoa ihany ny fihetsiky ny olona iray nahazo diplôma tao amin’ny oniversiten’i Hong-Kong tsy an’asa hatramin’ny dimy taona izay. Namono tena tao ambanin’ny fiarandalamby izy.

Miharihary fa tsy voafintina ho raharaha ara-bola ny famoizana asa. Tena ilaina àry izany ny tsy hijanonana eo amin’ny olana ara-bola fotsiny. Mandray anjara ny fihetseham-po faran’izay mahery vaika, mitaky ny hiraisan’ny fianakaviana hina ka hiasany miaraka mba handresena ny fahasahiranana.

[Efajoro, pejy 5]

Faran’ny fitomboana ara-toe-karena ve?

Tamin’ny taon-dasa, dia nampiseho ny fanahiana misy ao amin’ny tontolon’ny vola ny tatitra mihevitra ny toe-javatra ho ratsy, azo maneran-tany. Indreto misy ohatra vitsivitsy:

Frantsa: “Tonga eo amin’ny faran’ny fitsingerenam-piroboroboana lava indrindra teo amin’ny tantarany ny planeta. (...) Raha tsy manana antony tokony hanahiana loatra avy hatrany ireo tany eoropeana (...) noho ny fanampiana tosika ny fampandrosoana nateraky ny fampitambarana an’i Alemaina, dia tsy afaka hanantena ny ho voatsimbina tanteraka izy ireo. (...) Mahita tsara ny fiavian’ny loza ireo tsena.” — Le Monde, Paris.

Brezila: Ny fiharatsiana iray any Etazonia dia “[hisy fiantraikany] tsy azo ihodivirana eo amin’ireo tany mandroso hafa, izay hiteraka ny fihisaran’ny fampivoarana ny fanondranana entana kokoa avy amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana”. — Fôlha de S. Paulo, São Paulo.

Grande-Bretagne: “Tsy hita ho tena manintona koa ny toe-karena britanika noho ny fisondrotan’ny vidin-javatra raiki-tampisaka any aminy, ireo zanabolany avo ary ny fitomboany miadana.” — Financial Times, Londres.

Kanada: “Mihavitsy ireo mpampiasa, ary tsy dia mitady mpiasa firy.” — The Toronto Star.

Alemaina: “Fitoviana amin’ny dona ara-toe-karena nateraky ny solitany tamin’ny 1973 no efa miharihary sahady (...) toy [ny maha-izany] ireo famantarana fiharatsiana.” — Neues Deutschland, Berlin.

Japana: “Amin’izao fotoana izao, ny vidin-trano dia toy ny baomba eo anivon’ny toe-karena maneran-tany ka tso-drivotra kely monja dia ampy hampipoaka azy. Raha avela hipoaka izy ka midina ny vidin-tany, dia tsy hisy vidiny firy intsony ireo fisamborana misy antoka eo amin’ireo tany japone, ka hahatonga ny fipoahana anatin’ireo banky japone izany. Hanaraka izany ny fiharatsiana ara-toe-karena maneran-tany.” — Australian Financial Review, Sydney.

Na dia namelona fanantenana ny hitohizan’ny asa ara-toe-karena maneran-tany indray aza ny nifaranan’ny ady tao amin’ny Hoala persika, teo am-piandohan’ny taona, dia tsy azo lavina fa miharihary ho marefo ny toe-karem-pirenena; miharihary indrindra izany rehefa heverina ny trosa goavana tsy maintsy zakain’ny tany maro sahady.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara