Ny Fiheveran’ny Baiboly
Mivady ara-dalàna sa manao tokantranomaso — Inona no tsara?
“RAHOVIANA isika no hivady?” Vao 35 taona lasa monja izay, io fanontaniana io dia nety ho nosaintsainin’ireo olon-droa nifankatia izay efa nifamofo. Amin’izao andro izao anefa, dia azo antoka kokoa ny hipoiran’izany fanontaniana izany eo amin’ny olon-droa izay efa manao tokantranomaso. Niova ny zava-drehetra, ary toy izany koa ny fihetsika mahakasika ny fanambadiana. Inona no tsara kokoa: Manambady ara-dalàna sa miara-monina toy ny mpivady amin’olona nofidinao?
Asehon’ny fandinihana fa any Brezila, Frantsa, Soeda, Etazonia, ary any amin’ny tany maro hafa, ny fanaovana tokantranomaso dia lamaody. Mety hifanaraka amin’ny fomba amam-panao maoderina angamba izany, saingy tsy vaovao velively. Ny vaovao angaha dia ny fihetsika manoloana an’io fanao io. Izay noheverina fa fiainana tao anatin’ny fahotana taloha, dia alana tsiny na eken’ny maro ho fanao mety tsara amin’izao fotoana izao.
Fanaovana tokantranomaso — Misy tombony ve?
Misy olona sasany manohana ny hevitra fa azo ekena ny fifanarahana hiray trano toy ny mpivady satria izy io dia mamela ireo olon-droa hifankahalala tsara alohan’ny hidirana ao anatin’ny fatorana maharitra kokoa ao amin’ny fanambadiana. Ny tombony hafa asongadin’ny sasany dia ireto: Mamela ireo olon-droa hampihena ny fandaniana amin’ny fizarana ny hofan-trano izany; mahatonga azy ireo tsy hiankin-doha amin’ny ray aman-dreny; manome azy ireo fisakaizana ilaina, anisan’izany ny firaisana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Milaza ny olon-droa efa zokinjokiny tsy mpivady ara-dalàna fa amin’ny fanaovana tokantranomaso, dia tsy hamoy ny vola fanampiana omen’ny fanjakana izy ireo.
Na dia izany aza, ny hevitra lehibe iray manohitra ny fanaovana tokantranomaso dia izao: Na ny andaniny na ny ankilany dia samy afaka mamarana ilay fifanarahana amin’ny fotoana rehetra, amin’ny fandehanana mivoaka ny trano fotsiny. Raha ny marina, ilay gazety frantsay mivoaka isan’andro hoe Le Monde dia nanao tatitra fa any Soeda sy any Nôrvezy, ny antsasak’ireo fifandraisana eo amin’ny olona manao tokantranomaso dia tsy maharitra roa taona akory, ary rava ao anatin’ny dimy taona latsaka ny 60 ka hatramin’ny 80 isan-jato aminy.
Fanambadiana ara-dalàna — Ilay fomba tsara kokoa
Ireo izay manohana ny maha-mety ny fifanarahana hiray trano toy ny mpivady dia mety hilaza ny amin’ny taratasy fanamarinam-panambadiana ho toy ny “poti-taratasy” fotsiny, zavatra izay tsy misy vidiny tena lehibe eo amin’ny fiainana. Io fihetsika io dia ambara an-kolaka koa eo amin’ireo sombin-tantaram-piainan’olona aseho ao amin’ny televiziona sy any amin’ny sinema, ary koa eo amin’ny fiainana manokan’ireo olo-malaza. Noho izany, dia aoka isika izao handinika ny tena vidin’io “poti-taratasy” io.
Rehefa miditra ao anatin’ny fiarahana manao raharaham-barotra iray ianao, na mividy sombin-tany, na mampisambo-bola olona, nahoana ianao no mametraka ireo fepetra amin’ny fanekena an-tsoratra ary manamarina izany any amin’ny fanjakana mihitsy aza? Ny antony iray dia satria nisy fanekena nifanaovan’ny andaniny sy ny ankilany, ary ho tombontsoan’ny andaniny roa no nanoratana ireo fepetra amin’ilay fanekena. Raha maty, ohatra, na tsy hita, na very tadidy fotsiny ny andaniny iray, dia mbola manan-kery ara-dalàna ihany ireo fepetra amin’ilay fanekena. Marina koa izany eo amin’ny fanambadiana ara-dalàna. Raha sendra maty ny iray amin’ny mpivady, na izy roa, ny lalàna any amin’ny ankamaroan’ny tany dia manao fandaharana ho an’ireo mpikambana mbola velona amin’ilay fianakaviana. Izany anefa mazàna dia tsy misy ao amin’ny fifanarahana hiray trano toy ny mpivady. Io fanekena io no mahatonga ny tsy fitoviana eo amin’ny fanaovana tokantranomaso sy ny fanambadiana ara-dalàna. Ary ny taratasy fanamarinam-panambadiana dia fampahatsiarovana ho an’ireo olon-droa ny amin’io fanekena hifankatia sy hifanaja ary hifampikarakara amim-pitiavana io ary ny amin’ny maha-ara-dalàna ny voadim-panambadiana.
Nilaza izany toy izao ny vehivavy manambady iray: “Mety ho lamaody antitra angamba ny ahy, kanefa mahatonga ahy hahatsapa tsy fananana ahiahy kokoa ny fanekena ho amin’ny fanambadiana.” Naveriny izay nambaran’Andriamanitra fony Izy nanakambana tao amin’ny fanambadiana ireo olombelona roa voalohany: “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.”a (Genesisy 2:24). Firaisana tsy manam-paharoa re izany! Araka izany, dia tsy mety hisy ny “nofo iray” raha tsy ao anatin’ny fifandraisana iray feno, tsy mizarazara, ara-dalàna, maharitra mandritra ny androm-piainana manontolo — fa tsy any an-toeran-kafa na aiza na aiza.
Milaza anefa ny olona sasany fa izy ireo dia mahafantatra olon-droa manao tokantranomaso kanefa dia manana fifandraisana mafy.
“Aoka hanam-bady izy”
Ny Baiboly dia manome ny antony tsara indrindra ho an’ireo olon-droa mba tsy hanaovany tokantranomaso. “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra”, hoy ny Hebreo 13:4. Tsy misorona ny Baiboly milaza amin’ny fomba tsotra fa ny firaisan-trano toy ny mpivady ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna dia fijangajangana. Inona anefa no tiana holazaina amin’ny hoe “fijangajangana”? Ny rakibolana iray dia milazalaza azy ho “firaisan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny olombelona ankoatra ny firaisan’ny lehilahy amin’ny vadiny”. Tsy maintsy arahina ity torohevitry ny Baiboly ity mba hananantsika fieritreretana madio: ‘Sitrapon’Andriamanitra ny hifadianareo ny fijangajangana’. — 1 Tesaloniana 4:3.
Ahoana anefa raha misy mahita zava-manahirana eo amin’ny fifehezany ny filany eo amin’ny lahy sy ny vavy? Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny maimay.” Ary hoy indray izy: “Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny [maha-virjiny azy, NW ], (...) aoka hanam-bady izy.” (1 Korintiana 7:9, 36). Mariho fa tsy nilaza i Paoly hoe ‘aoka hanao izay tiany izy ireo ka hanao tokantranomaso’ fa “Aoka hanam-bady izy”.
Izany akory tsy midika hoe ny fanambadiana dia tokony hoheverina ho fomba hanomezana fahafaham-po ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy fotsiny. Tokony hifankafantatra alohan’ny hanambadiany ireo olon-droa. Ahoana anefa no ahafahanao manao izany raha tsy miray trano? Ny fifaneraserana mendri-kaja dia manome fahafahana ampy ho an’izany. Tokony hofaritanao izay antenainao avy amin’ny fanambadiana sy avy amin’ny ho vadinao. Inona no zavatra ilainao ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy? Moa ve ilay olona eritreretinao fa mety ho tonga vady, hanampy anao hahazo izany? — Matio 5:3, NW.
Rehefa avy nandinika izay voalaza etsy ambony ianao, dia hanaiky tsy misy fisalasalana fa eo amin’ireo lalana roa — manao tokantranomaso sa manambady ara-dalàna — dia ilay farany no tsara kokoa. Ireo olon-droa miray trano ao anatin’ny fanambadiana ara-dalàna dia manao izany tsy misy heloka na tahotra, ary mahazo ny fanajan’ny havana aman-tsakaiza izy ireo. Tsy hitondra holatra ara-pihetseham-po noho izy teraka tany ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna ny zanak’izy ireo. Ary ny tena zava-dehibe, dia mampifaly an’i Jehovah ny olon-droa toy izany satria maneho fanajana an’ilay fandaharana momba ny fanambadiana nataony.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny teny hebreo hoe da·vaqʹ (“miraikitra”) “dia manana heviny hoe mifikitra amin’olona eo amin’ny firaiketam-po sy fahatokiana.” (Theological Wordbook of the Old Testament). Amin’ny fiteny grika, izy io dia teny mitovy fiaviana amin’ilay teny midika hoe “mandraikitra amin’ny dity”, “mandraikitra amin’ny simenitra”, “mampiray mafy”.
[Sary, pejy 18]
Fampakaram-bady tamin’ny taonjato faha-16
[Sary nahazoan-dalana]
Fampakaram-badin’ny tantsaha, nataon’i Pieter Bruegel ilay Zokiolona, tamin’ny taonjato faha-16
With kind permission of the Kunsthistorisches Museum, Vienna