Manontany ny Tanora Hoe...
Moa ve Andriamanitra Mamaly ny Vavaka Ataoko?
“MILA ny mahafantatra aho raha mamaly ny vavaka ataoko i Jehovah”, hoy i Sandra, ankizivavy 11 taona, “satria tsy azoko antoka fa manao izany izy. Mahafantatra tanora maro hafa manan-java-manahirana mitovy amin’izany aho”. I Alyssa, 15 taona, dia nanan-java-manahirana mitovy amin’izany momba ny vavaka, indray mandeha. “Matetika aho no nahatsapa fa niresaka tamin’ny tenako”, hoy ny fiekeny.
Araka ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana Gallup tamin’ny 1988, dia 87 isan-jato tamin’ny zatovo tany Etazonia no efa nivavaka tamin’ny fotoana iray na hafa, nefa latsaky ny antsasany no nanao izany tsy tapaka. Toa mihevitra ny sasany fa tsy novaliana akory ny vavaka nataony. Indraindray angamba, dia mihevitra koa ianao fa tsy misy mihaino ny vavaka ataonao. Manome toky antsika anefa ny Baiboly fa rehefa misy olona mivavaka amim-pahatsorana sy amim-pinoana, dia mihaino ilay “Mpihaino vavaka”! (Salamo 65:2). Nefa ahoana no ahafantaranao fa tsy hoe mihaino fotsiny izy — mihaino amim-pahalalam-pomba fa tsy manao zavatra firy na tsy manao na inona na inona akory ho valiny?
Rehefa avy niantso an’Andriamanitra ho ilay Mpihaino vavaka ny mpanao salamo, dia nilaza toy izao: “Zava-mahatahotra no ataonao amin’ny fahamarinana ho valin’ny vavakay, Ry Andriamanitry ny famonjena anay ô”. (Salamo 65:5; ampitahao amin’ny Salamo 66:19, 20). Nahoana àry no mahatsapa ny sasany fa tsy novaliana ny vavaka nataony?
Ireo zavatra misakana ny vavaka
Ny antony dia mety ho ny tsy fahampian’ny fifandraisana marina amin’Andriamanitra. Miahiahy ny amin’ny tena fisiany ny tanora sasany. Ny hafa mino, nefa mihevitra azy ho toy ny persona lavitra sy tsy miraika. Manjary fara famonjena amin’ny toe-javatra mahamaika mampamoy fo ny vavaka. “Mino an’Andriamanitra aho”, hoy ny filazan’ny tovolahy katolika iray. “Rehefa mahita fahasahiranana aho, rehefa mila fanampiana, dia mangataka ny fanampiany foana.” Ny tovovavy hafa iray dia nanambara tsy niolakolaka hoe: “Mivavaka fotsiny aho indraindray rehefa misy zavatra tena iriko.”
Kanefa, dia tokony ho fanehoana finoana, fanajana fatratra, fifikirana, ary fitokiana ny vavaka — fa tsy fanehoana famoizam-po na faniriana feno fitiavan-tena fotsiny. Ary tsy ampy ny mivavaka noho ny fiheverana fa angamba misy Andriamanitra. “Izay manatona an’Andriamanitra”, hoy ny Baiboly, “dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy”. (Hebreo 11:6). Izay misalasala dia tsy afaka ny hanampo fa hovaliana ny vavaka ataony. (Jakoba 1:6-8). I Jehovah dia mihaino ireo izay tonga amin’ny fahalalana azy sy amin’ny fitiavana azy; tsy amin’ny toe-javatra ilana fikarakarana maika ihany izy ireo vao mivavaka. Araka ny ampirisihan’ny 1 Tesaloniana 5:17, dia ‘tsy mitsahatra mivavaka’ izy ireo, na araka ny anambaran’ny American Translation azy, dia “tsy miala amin’ny fivavahana mihitsy” izy ireo.
Mampalahelo anefa ny milaza fa tonga amin’ny fahalalana an’i Jehovah ny tanora kristiana sasany, nefa tsy tena namatotra fisakaizana taminy. (Salamo 25:14). Mihavitsy sy mihamahalana ny vavaka ataony, mihamangatsiaka, ary amin’ny farany dia tsy valiana. Moa ve marina izany raha ny amin’ny vavaka ataonao? Raha izany no izy, dia “manatòna an’Andriamanitra” amin’ny fahatongavana amin’ny fahalalana azy. (Jakoba 4:8). Ilay tanora atao hoe Alyssa, voalaza tetsy aloha, dia nanana fisalasalana momba an’i Jehovah. Nefa, ny fianarana manokana ny Baiboly dia nikosoka tsikelikely ny fisalasalany ary nanampy azy hamatotra fifandraisana tamin’Andriamanitra.
Ny fihetsika sy ny fitondran-tenan’ny olona iray koa dia mety ho zava-misakana lehibe amin’ny vavaka ataony. Nilaza toy izao ilay mpanao salamo: “Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo [“i Jehovah”, NW ]”. (Salamo 66:18; Ohabolana 15:29). Ho azo inoana ve ny hanantenana ny hamalian’Andriamanitra ny vavaka ataonao raha manao ireo zavatra manafintohina azy ianao — raha mampiasa zava-mahadomelina, mifoka sigara, mihaino mozika mampietry, na manana fitondran-tena maloto eo amin’ny lahy sy ny vavy? Azo antoka fa tsy hanao izany izy. Noho izany, i Jehovah dia mandà ny vavaka ataon’ireo izay manana fiainana roa sosona, “manafina izay maha-izy azy” amim-pihatsarambelatsihy. (Salamo 26:4, NW ). Izay olona “mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony” ihany no henoiny. (Salamo 15:1, 2). Koa raha mahatsapa ianao fa miresaka amin’ny tenanao rehefa mivavaka, dia diniho ny fiainanao. Angamba mila manao fiovana sasany ianao.
Fampiasana ny vavaka amin’ny fomba tsy mety
Karazan-javatra inona no azonao angatahina amin’Andriamanitra? Nanome toky antsika toy izao i Jesosy: “Fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny anarako izany”. (Jaona 16:23). Izany ka teny mampitsiriritra tokoa — na inona na inona hoe! Moa ve Andriamanitra vonona hanatanteraka izay fanirianao rehetra, toy ny lazaina fa ataon’ny karazana fanahy tsara atao hoe génie? Moa ve izy hanatanteraka ny fangatahanao rehetra, na dia ireo tsinontsinona aza? Ora vitsy monja talohan’ny nahafatesany tao anatin’ny fanaintainana no nilazan’i Jesosy an’ireo teny ireo. Azo antoka fa tsy momba ny raharaha tsinontsinona no tao an-tsainy! Noho izany, dia mampitandrina antsika amin’ny vavaka tsy mety ny Jakoba 4:3. Toy izao no voalaza ao: “Mangataka hianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin’ny filanareo.”
Maro be amin’izao andro izao no mampiasa amin’ny fomba tsy mety ny tombontsoa hivavaka. Nandohalika teo afovoan’ny kianja filalaovana mba hanao vavaka tsianjery isaky ny avy manao lalao ny mpilalao baskety ao amin’ny sekoly iray. Nefa, tena mihevitra ve ianao fa Andriamanitra dia mpankasitraka baskety na hanetry tena amin’ny fisalovanana amin’ny lalao misy fifaninanana? (Ampitahao amin’ny Galatiana 5:26.) Ary ahoana ny amin’ilay vehivavy izay, araka ny filazany, dia mivavaka ho an’ny kiraro? “Indraindray, dia tsy nisy afa-tsy kiraro iray na roa sisa antonona ny tongotro ao amin’ny fivarotana kiraro iray”, hoy izy, “ary raha tsy manam-bola indrindra aho amin’izay, dia mangataka amin’Andriamanitra mba ho mbola eo izany amin’ny fiverenako hividy azy”. Zavatra iray ny mivavaka rehefa misy zavatra ilaina — ary zavatra hafa tanteraka ny hanantenana hiantsenan’Andriamanitra ho antsika.
Tahaka izany koa, dia tsy hety — ary zava-poana — ny hivavahana amin’Andriamanitra mba tsy hiharan’ny famaizana na ny fifehezana mendrika ny tena. (Hebreo 12:7, 8, 11). Tsy hovalian’Andriamanitra toy izany koa ny fangatahanao aminy hahazo naoty tsara amin’ny fanadinana iray, izay tsy nanaovanao fanomanana firy na tsy nanaovanao fanomanana mihitsy. — Ampitahao amin’ny Galatiana 6:7.
Vavaka “araka ny sitrapony”
Ny apostoly Jaona dia nanazava hevitra iray lehibe momba ny vavaka tamin’izao teny izao: “Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy”. (1 Jaona 5:14). Ny vavaka fakan-tahaka nampianarin’i Jesosy (Rainay izay any an-danitra) dia mampiseho ny sasantsasany amin’ireo zavatra azo ampidirina amin’ny vavaka toy izany. Izy dia nivavaka ho an’ 1) ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra, 2) ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, 3) ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra, 4) ny fanomezana izay zavatra ilaina ara-nofo sy ara-panahy, ary 5) ny fanampiana mba tsy ho latsaka ao amin’ireo fandrik’i Satana. — Matio 6:9-13.
Ao amin’io vavaka modely io dia misy foto-kevitra maro be azo atao antom-bavaka. Ny 1 Petera 5:7 tokoa dia mampirisika ireo Kristiana mba ‘hametraka amin’Andriamanitra ny fanahiany rehetra; fa Izy no miahy azy ireo’. Midika izany fa mety ny hivavahana saika momba ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika. Moa ve ianao tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra, toy ny hoe taranja-pianarana inona no hofidinao? Mangataha ny fahendren’Andriamanitra. (Jakoba 1:5). Moa ve ianao nanao fahadisoana mampiseho tsy fahamatorana? Mangataha àry ny famelan’Andriamantra. — Isaia 55:7; 1 Jaona 1:9.
Kanefa, tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataonao ianao. Diniho ny ohatry ny tanora atao hoe Clint. Tonga mpitory ny filazantsara manontolo andro izy rehefa nahavita ny fianarany. Nandritra ny volana maro dia tsy nahita olona liana amin’ny fianarana ny Baiboly mihitsy izy. Noho izany, dia nataony antom-bavaka izy io. Tsy niandry olona hianatra Baiboly hilatsaka avy any an-danitra anefa izy. Nanohy tamim-pahazotoana nandray anjara tamin’ny fanompoana isan-trano izy, ary tamin’ny farany dia nahita olona maromaro ihany, vonona hianatra ny Baiboly.
Ny fomba famalian’ Andriamanitra vavaka
Indraindray dia ny hoe mivavaka mihitsy no mahasoa. Ny tanora iray atao hoe Sandy dia nitolona tamin’ny zava-manahirana ny amin’ny fikasikasihana ny faritra maha-vavy azy (masturbation). Hoy izy: “Ny fivavahana sy ny fangatahana ny fanampian’i Jehovah dia manampy ahy, satria fantatro fa rehefa avy mangataka ny fanampiany aho mba tsy hikasikasika ny faritra maha-vavy ahy, dia ho tsara kokoa ho ahy ny tsy manao izany.”
Indraindray, anefa, dia toa mitarika ny fisehoan-javatra Andriamanitra mba hamaliana vavaka. Indray mandeha, ny tanora atao hoe Ken dia tokony handeha hankany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanao ny anjarany, dia lahateny fohy iray miorina amin’ny Baiboly. Nampalahelo anefa fa tsy nisy olona afaka nitondra azy ho any. Nivavaka momba izany tamin-kafanam-po izy. Minitra vitsy taorian’izay, ny zokiny vavy, izay mahalana no mamangy azy, dia tonga. Na dia tsy liana tamin’ny fivavahan’i Ken aza io anabaviny io, dia nitondra azy. Valim-bavaka ve izany? Angamba. Na inona na inona toe-javatra, dia mety foana ny hisaorana an’Andriamanitra rehefa mitondra soa ho antsika ny tarehin-javatra. Nampirisika toy izao i Paoly: “Misaora amin’ny zavatra rehetra”. — 1 Tesaloniana 5:18.
Aza manantena anefa fa hamaly ny vavaka ataonao amin’ny fomba mahatalanjona sasany Andriamanitra. Tsy tokony hohazavaina ho toy ny fihariharian’ny sitrapon’Andriamanitra avokoa ny fisehoan-javatra madinika rehetra. Mazàna ny vavaka ataontsika dia valiana amin’ny fomba tsy dia mora hita: Mamaky zavatra ao amin’ny Baiboly isika na zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly; manome torohevitra misy fahendrena ho antsika ny ray aman-dreny na ny Kristiana iray. Ekena fa mety hilaina ny fahaiza-manavaka mba hamantarana tokoa hoe inona ny sitrapon’Andriamanitra ny amintsika. Mazàna dia manjary voalamina ny zavatra amin’ny farany.
Eny, izany dia mila fotoana! Aza manantena hahazo valim-bavaka amin’Andriamanitra amin’ny fotoana heverinao fa tokony hanaovany izany. “Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fanginana”, hoy ny nosoratan’i Jeremia. (Fitomaniana 3:26). Ankoatra izany, dia tsy omena antoka hahazo ny valim-bavaka tianao kokoa ianao. Ny apostoly Paoly dia nangataka tamin’Andriamanitra intelo mba hanesorana ilay zava-manahirana nantsoiny hoe “tsilo tamin’ny nofo”. Nolavin’Andriamanitra izany. (2 Korintiana 12:7-9). Tsy nanary ny fankasitrahany ny fanomezana ny amin’ny vavaka anefa i Paoly, fa nanohy nandeha mahitsy tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Izy no nanoratra toy izao: “Mahareta amin’ny fivavahana.” (Kolosiana 4:2). Noho izany, dia “mangataha hatrany, (...) mitadiava hatrany, ary (...) dondòny hatrany”. (Matio 7:7, NW ). Amin’ny fanaovana toy izany, dia hanatona akaiky kokoa an’Andriamanitra ianao, ary mety hahazo valim-bavaka tokoa.
[Sary, pejy 15]
Tsy tokony ho fangatahana tsinontsinona momba ny zavatra ara-nofo ny vavaka