Ny Capybara — Fahadisoana sa Biby Mahatalanjona eo Amin’ny Zavatra Noforonina?
AHOANA no ho fihetseham-ponao raha misy miantso anao hoe sampona na donto saina? Faniratsirana hoy angamba ianao? Izany anefa no niantsoan’ilay evaolisiaonista atao hoe Charles Darwin sy ny hafa ahy. Eritrereto fa nisy aza lehilahy iray nilaza fa izaho, hono, dia “fahadisoana teo amin’ny asa famoronana”! Na dia tsy toetrako aza ny hoe tia ady, izany kosa dia tena mba mahatezitra ahy. Noho izany, dia iriko ny hanala tsiny ny tenako. Holazaiko aminao ny amin’ny fisehoako ivelany, ireo zavatra tiako, ary ireo zavatra atahorako — ny lafiny tsara sy ny lafiny ratsy amin’ny tenako. Avy eo, dia afaka mitsara ianao raha fahadisoana tokoa aho na biby iray mahatalanjona eo amin’ny zavatra noforonina.
Vaventy indrindra eo amin’izao tontolo izao
Miala tsiny aho. Taitaitra loatra aho ka hadinoko ny nitonona. Ny anarako dia Atoa Capybara, avy any amin’ny faritra mafana any Amerika Atsimo.a Ny olona mahay miteny espaniola dia miantso ahy hoe carpincho na chigüiro. Ireo dia 2 monja amin’ireo anarana 190 nomena ahy. Fantatra tsara kokoa ho toy ny “biby mpikiky vaventy indrindra eo amin’izao tontolo izao” anefa aho.
Toa fandokafan-tena izany, hoy angamba ianao, nefa tsy izany velively. Mitovitovy habe amin’ny ondry iray aho. Apetraho eo ambonin’ny mizana fandanjana ange aho, dia hihetsika ka hanondro 45 kilao ny fanjaitra. Ny anabaviko kambana amiko dia mahatratra 60 kilao na mahery. Kanefa, manify izy raha oharina amin’ny capybara vavy any Brezila izay faran’izay vaventy indrindra — milanja 90 kilao.
“Tompon’ny tanety lava volo”
Izany lanjanay rehetra izany dia tsy vokatry ny fisesehana sakafo mameno kibo fotsiny akory, satria mpihinan-javamaniry tanteraka izahay, ahitra indrindra indrindra. Indraindray aza izahay dia miraoka ahitra miaraka amin’ny biby fiompy. Amim-panajana, dia niantso anay hoe “tompon’ny tanety lava volo” ireo Amerindiana taloha. Izany tokoa dia filazalazana ara-dalàna kokoa noho ny hoe “sampona”.
Mihinana zavamaniry anaty rano koa izahay, ary raha mbola matory ianareo, dia tsy mahatohitra ny fikepohana voanketsihetsy iray be ranony na tahom-pary mamy iray, na tsimoka vary izahay.
Raha ny marina, na aiza na aiza ahitanareo anay, dia eo am-pitsakotsakoana foana izahay — tsy hoe satria tendàna fa noho izahay biby mpikiky kosa. Tsy mitsahatra maniry mihitsy ny vazanifinay, noho izany, ny hany fomba tsy hampahalava azy dia ny mitsako sy ny mikiky mandritra ny androm-piainanay.
Kanefa, araka ny nosoratan’ireo mpahay biolojia, dia fantatray hoe inona no tokony hotsakoina. Ireo “zavamaniry be proteina” ihany no fantenanay, ary, lazain’izy ireo fa “mahay kokoa noho ny ondry sy ny bitro izahay raha ny amin’ny fanodinana ny ahitra ho proteina”. Iza no nilaza fa donto saina izahay?
Kisoa manan-drantsana miraikitra sy mitapelaka?
Ekeko fa ny fisehoako ivelany dia, aoka atao hoe, miavaka. Maso mivontirika; sofina kely boribory; vavorona mifintina — ireo rehetra ireo miteronterona eo amin’ny lohako lehibe, ka mahatonga ahy hanana endrika toy ny hoe gaga foana. Ny sasany dia milaza fa tahaka ny “bitro voalavo vaventy misy fitoviana kely fotsiny amin’ny lalomena”, hono, aho. Izany dia azoko leferina. Kanefa, izaho dia tsy mitovy hevitra amin’ilay mpanoratra, izay nilaza fa ny lohako fohy efa-joro, hono, dia toa “nosokirin’ny olona iray manavao amin’ny asany, avy tamin’ny vatan-kazo iray tailana”. Izaho manokana, dia aleoko ny hoe: “Endrika mahatsikaiky misy maso kely tahaka ny an’ny kisoa”.
Mazava ho azy fa tsy mpihavana amin’ny kisoa aho, nefa noho ireo tongotro fohy sy ny vatako fonetana tahaka ny barika, dia mitovitovy amin’ny kisoa aho. Ary 200 taona lasa izay, ilay botanista soedoa atao hoe Carolus Linnaeus, dia nandahatra ahy tamin’ny fomba diso koa tao amin’ny sokajin’ny kisoa. Efa mba nahita kisoa manan-drantsana miraikitra sy mitapelaka ve ianareo? Azo antoka fa tsia! Kanefa, izany indrindra no nomen’ny Mpamorona ahy, ary minoa ahy ianareo, fa kinga ireo rantsan-tongotro miraikitra ireo, satria tia rano aoka izany aho. Raha ny marina, dia ny vatako mitovy endrika amin’ny an’ny kisoa sy ny fitiavako rano no nahazoako ny anaram-bosotra hoe kisoan-drano.
Hatavezana mifono tsiambaratelo
Ireo faritra akaikin’ny kamory, farihy, renirano, ary heniheny — tiako kokoa raha voahodidina ala misy kirihitrala matevina — no sahaza ho fonenako. Tsy hoe tia rano fotsiny, fa mila azy io koa aho mba hahavelomana.
Kanefa, telonjato taona lasa izay tany Venezoela, ny fitiavanay rano dia nitondra fahasahiranana ho anay. Ireo Katolika nonina tao dia norarana tsy hihinan-kena nandritra ny Karemy. Azony nohanina anefa ny trondro. Noho izany, mba hanamora zavatra, dia nanambara ny Eglizy katolika fa trondro ny razambeko! Hatramin’io andro io, dia mihinana ny nofonay tsy misy ahiahy mandritra ny Karemy ireo mpino any Venezoela.
Soa ihany fa afa-nandositra ny sasany tamin’ny razambeko. Tamin’ny fomba ahoana? Tsy tamin’ny fihadiana lavaka mba hiafenana tao, toy ny fanaon’ny biby mpikiky hafa. Tsia, fa rehefa matahotra kosa izahay dia misitrika any anaty rano, ary milomano mandositra mora foana. Na dia tsy manana ireo toetra mampiavaka ireo zavaboary hafa mivelona any anaty rano aza ny vatako, dia mpilomano faran’izay mahay aho. Nahoana? Izao no tsiambarateloko.
Noho ny hatevin’ny taviko, ny lanjan’ny vatako dia mavesatra kely kokoa noho ny rano. Hevero kely ange, ny mpikaroka iray dia nanoratra fa raha mbola any anaty rano aho, dia manana ny fihetsehana mahafinaritry ny mpandihy ballet iray ary ny fihetsehana ataoko, hoy izy, dia nampahatsiahy azy zavatra mirindra sy mahafinaritra! Samy hafa tanteraka amin’ilay hoe “fahadisoana teo amin’ny zavatra noforonina” izany.
Rehefa miatrika zava-tsarotra aho, ny tongotro misy rantsana miraikitra sy mitapelaka dia mitondra ahy haingana — lavitra an’ireo fahavaloko. Mahavita milomano lavitra aho, misitrika ao anaty rano mandritra ny minitra maromaro. Avy eo, amim-pitandremana, dia miakatra avy ao aho, tsy mamoaka afa-tsy ny vavoroko, ny masoko, ary ny sofiko — toy ny ataon’ny lalomena mihitsy. Sarotra amin’ireo fahavaloko, toy ny alika dia, jaguar, voay, karazam-bibilava lehibe mpanapotsitra atao hoe anaconda, ary ny olona, ny manamarika ny vavoroko eo anivon’ny zavamaniry ao anaty rano. Etsy an-kilany, noho ny fanimboloako tena maranitra, dia mora ren’ny oroko ny fofon’ireo biby mpihaza ahy.
Koa satria mahavakivaky sy mandratra haingana ny hoditro ny fidanihana amin’ny masoandro, dia miaro ahy amin’ny hainandro koa ny fijanonako ao anaty rano. Noho ny voloko mivolon-tsokola manopy mena mankamin’ny volondavenona manify, dia mamela ny hoditro ho hita izany. Noho izany, mba hihazonana ny hafanan’ny tenako ho ara-dalàna, dia mijanona misitrika tsotra fotsiny ao anaty rano aho, na mihosina ao anaty fotaka, amin’ny fandrakofana tanimanga ny vatako.
“Ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampinonoana”
Mba miakatra an-tanety ve izahay? Tsy maintsy mankeny fara faharatsiny ny reny mba hiteraka. Aorian’ny fitondrana vohoka eo amin’ny efa-bolana eo ho eo izy, dia miteraka capybara kely roa ka hatramin’ny valo eo, ka milanja mihoatra ny iray kilao eo ny tsirairay aminy. Ny “volony volontany tanora sady malambolambo mamiratra”, hoy ny fanamarihan’ny mpandinika iray, dia mahatonga azy ireo ho tahaka ny “mahay mihaingo kokoa” noho ny ray aman-dreniny. Vao 15 volana dia afaka miteraka ny capybara vavy iray. Mety ho velona folo taona izy ary hanan-janaka 36 fara fahakeliny mandritra ny androm-piainany.
Aorian’ny ora vitsy monja nahaterahany, dia mandeha manaraka ny reniny akaiky ireo zanaka capybara. Sarotra kokoa aminy anefa ny milomano satria malai-miditra any anaty rano izy amin’ny voalohany. Rehefa an-tery no ilatsahan’ilay zanaka capybara mitsorofodrofoka taitaitra ao anaty rano, dia hanandrana hisarangotra amin-dreniny na vavim-biby hafa iray izy, ka hianika eo am-babeny. Vonona hamonjy azy avy eo ny reniny. Arakaraka ny haha-vaventy an’ilay capybara kely kokoa anefa, no hahasarotra ny fiarenany tsy hianjera. Tsy ela dia hikodiadia avy ao am-baben-dreniny izy, ka hilomano irery.
Ny capybara vavy efa lehibe koa dia miara-miasa amin’ny fampinonoana. Ireo reny dia tsy mampinono ny zanany kely manokana ihany, fa ny zaza noana an’ny vavy hafa koa. Nahoana? “Ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampinonoana”, hoy ny fanazavan’ny mpamokatra horonantsary iray momba ny biby dia, atao hoe Adrian Warrent, “dia mety hampitombo ny fahafahana [ireo zaza] ho velona”.
Ny teny farany
Koa satria toetranay ny malemy fanahy, dia biby fiompy mora folahina izahay. Ny mpiompy jamba iray any Suriname aza dia nampiasa capybara iray ho toy ny “alika mpitari-dalana”. Fa ompiana indrindra noho ny henanay, izay lazain’ny sasany hoe matsiro, izahay. I Venezoela, ohatra, dia manana toerana midadasika iompiana an’arivony aminay mba ho sakafo — laza izay mampisalasala ny fahamarinany. Na manao ahoana na manao ahoana, dia manantena aho manomboka izao, fa mankasitraka ahy ianao, tsy noho ny tsiroko fotsiny fa noho ny maha-izaho ahy.
Ahoana àry no hevitrao izao? Moa ve aho fahadisoana sa biby iray mahatalanjona eo amin’ny zavatra noforonina? Mitovy hevitra amin’i Darwin ve ianao sa mitovy hevitra amiko? Mazava ho azy fa tsy hitsara eo amin’ny toeranao aho, nefa tadidio izao: Efa mba diso hevitra i Darwin taloha!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ilay biby lazalazaina eto dia fantatra amin’ny anarana hoe Hydrochoerus hydrochaeris. Misy karazany kely kokoa velona any Panama.
[Sary, pejy 23]
Sampona hoe? Donto saina hoe? Izany marina tokoa! Moa ve tsy mahafinaritra ny mijery anay roa?
[Sary, pejy 24]
Ompiana ny an’arivony aminay mba ho sakafo — laza izay mampisalasala ny fahamarinany