FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g93 8/1 p. 25-27
  • Inona no Mahatonga Ireny Ranomaso Rehetra Ireny?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Mahatonga Ireny Ranomaso Rehetra Ireny?
  • Mifohaza!—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana isika no mitomany?
  • Ireo ranomaso hafa
  • Indray mipy maso
  • Zava-mahagaga ny Ranomaso
    Mifohaza!—2014
  • Inona no Azo Ianarana avy Amin’ny Ranomason’i Jesosy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Sarobidy Amin’i Jehovah ny Ranomasonao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • “Ataoko Vaovao ny Zava-drehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Mifohaza!—1993
g93 8/1 p. 25-27

Inona no Mahatonga Ireny Ranomaso Rehetra Ireny?

OVIANA ianao no nitomany mafy farany? Moa ve izany ranomasom-pifaliana sa ranomason’alahelo? Noho ny fahombiazan’ny tena manokana sa noho ny tsy fahombiazana mahatorotoro fo? Noho ny fanamaivanana sa noho ny fahadisoam-panantenana? Noho ny fahaterahan’ny zanaka iray sa noho ny fahafatesan’ny vady, noho ny fahatsiarovana mahafinaritra sa noho ny fahatsiarovana mampangirifiry, noho ny fahatongavan’ny sakaiza tiana iray sa noho ny fanaovam-beloma azy? Amin’ny tarehin-javatra mifanohitra dia misy fihetseham-po samy hafa, kanefa matetika dia aseho amin’ny fomba tena mitovy izany — amin’ny ranomaso.

Nahoana tokoa isika no mitomany rehefa azon’ny fihetseham-po mafy? Moa ve misy asany izany? Sa kosa tsy tena ilaina ny ranomaso?

Nahoana isika no mitomany?

Tsy misy afaka manome valin-teny raikitra. Ny olombelona sy ny biby dia mamokatra karazana ranomaso roa: Ireo ranomaso tena ilaina, na amboarina tsy mitsahatra izay manamando ny maso, ary ireo ranomaso tonga ho azy mipotraka haingana rehefa tairin’ny zavatra avy etỳ ivelany ny maso. Fa raha ny amin’ny fandatsahana ranomaso noho ny fihetseham-po, ny fitomaniana, dia ny olombelona irery ihany no toa manana azy — sady saro-pantarina.

Ilay mpikaroka atao hoe William Frey dia nanipy hevitra fa ny fitomaniana vokatry ny fihetseham-po dia manamaivana ny tena tokoa amin’ireo hoe zavatra misy poizina be loatra, toy ny ataon’ny voa, ny tsinay, ny havokavoka, ary ny mason-koditra. Ilay bokiny hoe Crying — The Mystery of Tears (Ny Fitomaniana — Ny Zava-miafin’ny Ranomaso), dia milazalaza ny fikarohana nataony, izay nampitaha ny ranomaso vokatry ny zavatra manaitra iray (toy ny tongolobe), tamin’ny ranomaso vokatry ny fihetseham-po (avy amin’ny fijerena horonantsary mampalahelo). Ireo ranomaso vokatry ny fihetseham-po dia misy harihitra proteina be dia be kokoa — eo amin’ny 24 isan-jato eo ho eo. Tsy mazava anefa ny antony; nefa rehefa mihetsi-po isika, dia toa mamorona karazana ranomaso izay samy hafa amin’ny karazana ranomaso vokatry ny fanairana ny tenantsika.

“Mitomany toy ny vehivavy iray aho. Ny masoko, ny masoko dia mipotrapotra-dranomaso”, hoy ny nosoratan’i Jeremia mpaminany. (Fitomaniana 1:16, NW ). Mitomany mihoatra noho ny lehilahy marina tokoa ve ny vehivavy? Araka ny tarehimarika, dia manao izany tokoa izy ireo — eo amin’ny inefatra matetika kokoa noho ny lehilahy (in-5,3 isam-bolana raha oharina amin’ny 1,4 isam-bolana ho an’ny lehilahy). Araka ny filazan’i William Frey, dia mitovitovy ny habetsahan’ny ranomaso alatsaky ny zazakely lahy sy vavy, na dia andro na herinandro maromaro atỳ aorian’ny fahaterahana aza vao latsa-dranomaso noho ny fihetseham-po ilay zazakely. Amin’ireo taona maha-zatovo anefa, dia manomboka tsapa ny fahasamihafana. Mety ho avy amin’ny fitaomana eo amin’ny fiaraha-monina izany. Nefa, hita amin’ny fatra mitovy ao amin’ny ankizy lahy sy vavy hatramin’ny fahafolo taona, ilay hormonina atao hoe prolaktinina (mpandotso ny nono). Eo anelanelan’ny faha-13 sy ny faha-16 taona, dia mitombo io fatra io ao amin’ny vehivavy.

Hita ao amin’ny ranomaso ny prolaktinina. Mitombo ao amin’ny vatana koa izy io rehefa ao anatin’ny fihenjanana ny tena. Araka izany, rehefa eo anatin’ny fihenjanana, dia mora mitombo kokoa ao amin’ny vehivavy noho ny ao amin’ny lehilahy ny fatran’ilay hormonina. Moa ve izany no mahatonga ny vehivavy ho mora mitomany matetika kokoa noho ny lehilahy? Mino ny Dr. Frey fa ny fitomaniana vokatry ny fihetseham-po dia fiezahan’ny tena hanana fifandanjana simika indray. Ireo hormonina tokoa dia mety hanentana ny fitomaniana ary araka ny heviny, dia izany no mahatonga antsika hahatsiaro tena ho tsaratsara kokoa matetika rehefa avy nitomany.

Ny fikarohana hafa nataon’ilay mpitsabo aretin-tsaina atao hoe Margaret Crepeau dia nahitana fifandraisana teo amin’ny fitanana ranomaso tsy ho latsaka sy ny “taha ambony nisy heviny tamin’ny fikorontanana anaty nifandray tamin’ny fihenjanana, tahaka ny ulcère sy ny colite izany”. (Seventeen, May 1990). Nahita porofo manohitra izany anefa ny mpikaroka hafa. Nanao tatitra ny gazety Health fa ny dokotera Susan Labott sy Randall Martin dia nandinika ireo olona mitomany matetika sy ireo tsy mitomany firy. Ny vokatry ny fikarohana nataony dia nampiseho fa tsy nihena noho ny fitomaniana ny fihenjanana, ary ireo olona mitomany matetika “dia mirona ho be fanahiana sy mora voan’ny fahaketrahana kokoa”. Ny famaranan-kevitra nataony dia ny hoe rehefa “mitarika ny saintsika tsy hihevitra ilay zava-manahirana fotsiny” ny fitomaniana, dia tsy mahasoa. Kanefa, dia mety ho tapany lehibe amin’ny fanekena ny zavatra mampihetsi-po ny fitomaniana, ohatra, rehefa misy olon-tiana iray nodimandry.

Aoka holazaina fotsiny fa mbola saro-pantarina ihany ny mahatonga sy ny zava-kendren’ny ranomaso vokatry ny fihetseham-po.

Ireo ranomaso hafa

Mahafantatra zavatra betsaka kokoa anefa isika momba ny fiasan’ny ranomaso amboarina tsy mitsahatra, ireo izay ao anaty masonao indrindra izao. Tsy ny fanamandoana ny maso fotsiny akory no ataony. Aoka hodinihintsika ny fandehanan’io ranoka mahatalanjona io, toy ny fanamboarana azy, ny fiparitahany, ary ny fivoahany amin’ny rafi-pihary ranomaso.

Ilay fihary ranomaso lehibe indrindra dia hita ao amin’ny lempona eo ambonin’ny zoro ivelan’ny maso. Io fihary toy ny sponjy io, miaraka amin’ny fihary hafa 60, dia manamboatra sarona voaforon’ny sosona telo — tsilolika, tsiranoka, ary menaka.

Ilay sosona anatiny, ny tsilolika, dia mahaforona voho malama mba hahafahan’ny hodimaso mikombona eo amin’ny maso. Ny sosona misy tsiranoka no matevina indrindra amin’izy telo, mirakitra ireo singa maro tena ilaina, ao anatin’izany ny oksizena, izay ilain’ny tapotsimaso indrindra. Fanampin’izany koa, dia misy fatra-na lysozyme ary anzima 11 hafa hita ao amin’ny ranomaso. Ny lysozyme dia bakteria iray mpiady, ny tsara indrindra amin’ny karazany. Mihazona ny maso ho fotsy sy hazava izy io.

Ny zavatra manatsara indrindra ny ranomaso dia entin’ireo fihary 30-n’i Meibomian, teboka kely mavo mitandahatra tokana eo amin’ny hodimaso ambony sy ambany ao an-damosin’ny volomaso. Ireo fihary dia mandotso ny sosona misy menaka, manify erỳ, hany ka tsy manolana ny fahitanao izany; kanefa mihazona ny ranomaso tsy hiharìtra ka tsy manamaisatra ny maso rehefa mipy izany. Raha ny marina, dia misy olona sasany tsy manana tahiry menaka ampy, ka miharìtra haingana kokoa noho ny ara-dalàna ny ranomasony.

Indray mipy maso

Indro izao ny hodimaso, mamafa haingana, mamoaka ny haron-tsinga mety, ary mamelatra amin’ny fomba mitovy ireo sosona telo eo amin’ny maso. Tomombana ny fifanatonan’ny hodimaso ambony sy ambany mba handomana ny maso iray manontolo ao anatin’ilay rano mampitony.

Inona no mitranga amin’ireo ranomaso efa nampiasaina? Ny fandinihana akaiky ny maso dia hampiseho lavaka bitika eo amin’ny tetamaso, atao hoe fivoahan-dranomaso, izay manary ny ranomaso mihoatra ao amin’ny fantsona iray mitondra ho amin’ny kitapon-dranomaso. Avy ao ny ranomaso dia midina any ivohon’ny orona sy ny tenda, izay itrohan’ny fono mitsiloliloly azy. Ny fipin’ny maso dia mahatonga ny kitapon-dranomaso hiasa toy ny paompy, izay manosika ny ranomaso hiditra ao amin’ilay fantsona ka mampidina azy.

Rehefa manomboka mitomany ianao, dia angamba manakimpikimpy ho azy ny masonao haingana kokoa ianao, amin’ny fampiasana izany paompy izany haingana kokoa mba hamoahana ny ranomaso mihoatra. Kanefa, rehefa manomboka tondraka ny ranomasonao, dia miasa be loatra ilay paompy; mitobaka ranomaso ilay kitapon-dranomaso ao amin’ny lempona ao amin’ny orona, ka mikoriana amin’ny orona ny ranomasonao. Ary angamba koa aza ianao izao haka mosara satria ny ambin-dranomaso dia mipotraka avy amin’ny hodimaso ary mijoy sy mirotsaka eo amin’ny takolaka.

Noho izany, na inona na inona manesika azy ireo — fiderana am-pahatsorana, fanevatevana manindrona, ny maha-lokilokin’ny hehy na famelezan’ny fahaketrahana, fahombiazana miezinezina na fahadisoam-panantenana mafy — dia misy tahirin-dranomaso vonona haneho ny fihetseham-ponao.

[Efajoro, pejy 26]

Fanampiana ho An’ireo Manana Maso Mena

Efa matetitetika ihany ianao no nahatsapa ilay mangirifiry sy mamasipasika ao amin’ny maso iny. Inona no mahatonga azy io? Mena ny maso rehefa manjary miitatra ireo lalan-dra madinika ao amin’ny fono manarona ny tapotsimaso.

Mety ho ny tsy fahampian-dranomaso no mahatonga izany. Ny olona miasa mandritra ny ora maromaro eo anoloan’ny ordinatera na mamaky pejy vita pirinty dia tsy mipy maso firy. Ny tahan’ny fipy maso ara-dalàna dia in-15 eo ho eo isa-minitra. Rehefa mamaky teny, mamily fiara, na tsy maintsy mifantoka amin’ny fomba hafa ny tena, dia mety hidina intelo ka hatramin’ny inenina isa-minitra eo ho eo izany, ka mahatonga ny fahamainana sy ny fangirifiriana. Manoro hevitra hanao ilay atao hoe fiatoana mba hanapiazana maso ireo dokotera ary ny mba hampiasana fanafody hatete fampitonena maso.

Rehefa mifoha ianao, dia ho voamarikao fa saika menamena ny masonao, izany dia noho ny fihenana be dia be amin’ny famoahana ranomaso ao amin’ny haizina ary mandritra ny torimaso.

Ny fanafody sasantsasany dia mety hampiadana ny fiasan’ny fihary ranomaso, toy ny ataon’ny fandroson’ny taona. Ny fidiran’ny otrikaretina na ny fivontosan’ny hodimaso noho ny tsy fahazakan-javatra, ny toetr’andro faran’izay mafana na faran’izay mangatsiaka, na ireo zavatra mandoto dia mety hahatonga ny fahamenan’ny maso.

Ny takaitra, ny tsy fiasan’ny hodimaso na ny fihary tsara noho ny ratra na kilema hatrany am-bohoka, dia mety hisakana ny fandrakofan’ny ranomaso tanteraka ny maso, na mety tsy hahavoalanjalanja ny haron-dranomaso.

Ary farany, dia olona an-tapitrisany maro no mijaly noho ny aretina tahaka ny syndrome-n’i Sjögren, fikorontanana entin’ny mpisetra tena (auto-immunisation) izay mamely ny fihary ranomaso, fihary rora, fihary tavy, ary ireo fihary hafa, ka mahatonga ny fahamainan’ny maso sy ny vava ary ny hoditra.

Inona no azonao atao raha raiki-tampisaka ao aminao ny fahamainan’ny maso? Ankehitriny dia azo ampiasaina malalaka ny ranomaso tsy vita nanahary atete na amin’ny endriky ny bokotra, ary koa ireo solomaso manokana, izay misy mihidy tsy tantera-drivotra apetaka manodidina ny maso, ka mampiadana ny faharitran’ny ranomaso. Na dia tsy mahafinaritra aza ireo toe-javatra ireo, dia mahalana kosa izy ireo no mitondra ho amin’ny fahajambana. Kanefa, raha tsy voatsabo ny fahamainan’ny maso mitaiza dia mety hanimba ny tapotsimaso, noho izany, dia zava-dehibe ny hanatonana mpitsabo mba hahazoana torohevitra.

[Efajoro, pejy 27]

“Ataovy ao An-tavoahanginao ny Ranomasoko”

Toy izany no nosoratan’i Davida mpanao salamo, nitalaho mafy tamin’Andriamaniny mba hijery ny fahoriana lalina nianjady taminy. (Salamo 56:8). Eny, na dia ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky aza dia voatosika hitomany rehefa tao anatin’ny tarehin-javatra nahavaky fo teo amin’ny fiainany.

Alao sary an-tsaina ange ny fangirifirian’i Davida Mpanjaka nitomany tamin’ny nahafatesan’i Amnona sy Absaloma zanakalahiny e, ary tamin’ny nahafatesan’i Jonatana sakaizany nahatoky sy i Saoly Mpanjaka. (2 Samoela 1:11, 12; 13:29, 36; 18:33). Rehefa nandroba ny tanànan’i Ziklaga ny Amalekita ka namabo ny vady aman-janak’i Davida sy ireo lehilahy maheriny, dia “nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany intsony” izy ireo. — 1 Samoela 30:4.

Lehibe aoka izany ny fahoriana rehefa nodimandry i Jakoba sy i Mosesy, ka firenena manontolo mihitsy no nitomany azy ireo nandritra ny andro maromaro. (Genesisy 50:3, NW; Deoteronomia 34:8, NW ). Nampiakatra dradradradran’alahelo tonga hatrany an-tsofin’i Jehovah koa ireo babo sy ireo nampahorina. (Joba 3:24; Salamo 137:1; Mpitoriteny 4:1). Ny boky manontolon’ny Fitomaniana ao amin’ny Baiboly, dia hira mitory alahelo nosoratan’i Jeremia nitomany. — Fitomaniana 1:16; 2:11, 18; jereo Ft 1:1, NW, fanamarihana ambany pejy.

Tsy mariky ny fahalemena velively akory ny fitomaniana, fa fanehoana voajanahary ny fihetseham-po mahery kosa. Araka izany, na dia i Jesosy, izay lehilahy tanteraka aza, dia voatosika hitomany. Indray mandeha, dia nitomany ny tanànan’i Jerosalema izy ary nitomany indray rehefa nahita ilay fianakaviana nana-manjo sy ireo sakaizan’i Lazarosy izay nodimandry. (Lioka 19:41; Jaona 11:33-35). Ireny ranomason’alahelo nalatsaky ny mpianakaviny sy ny sakaizany ireny anefa, dia niova haingana ho ranomasom-pifaliana, rehefa niantso ilay sakaiza tiany hivoaka avy tao am-pasana i Jesosy. — Jaona 11:41-44.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara