Ireo Faritanàna Feno Trano Tsizarizary — Fiainana Sarotra ao Amin’ny Fisafotofotoan’ny Tanàn-dehibe
Avy amin’ny masoivohonay atsy Afrika
MANDEHA tsy mikiraro amin’ny lalana an-tanàn-dehibe iray atsy Afrika andrefana ilay ankizy mponina ao amin’ny faritanàna feno trano tsizarizary. Miloloha lovia fisaka boribory misy voasary eo amin’ny roapolo eo izy. Akanjo mavo efa tranainy no manarona ny tenany mahia. Tsemboka izy.
Mifaninana amin’ireo ankizy hafa avy amin’ny fianakaviana mahantra, dia eny an-dalana izy mba hivarotra. “Mividiana voasary e!” izany no hikiaka fandre. Mangina kosa ity ankizy ity; angamba noana izy na marary na sasatra fotsiny.
Avy amin’ny lalan-kafa, dia indro ankizivavy roa mpianatra, manao ny fanamiana manga antitry ny sekoly. Samy manao ba fohy fotsy sy kapa fotsy izy roa vavy. Samy mitondra kitapo feno boky. Mavitribitrika erỳ ireo tovovavy mandeha, miresadresaka finaritra. Tsy manamarika an’ilay ankizivavy kely izy ireo, nefa io kosa dia mahamarika azy ireo. Mijery tsara azy ireo amin’ny fijery tsy ahitana fihetseham-po izy.
Ireo mpianatra ireo izao dia ho tonga any an-tranony, izay sady misy ireo kojakoja rehetra ilaina no vita mafy. Nefa rehefa hody any aminy kosa ilay ankizivavy kely, rehefa ho hariva ny andro, dia any amin’ny tontolo iray hafa tanteraka no halehany. Any amin’ny toerana iray be olona misy tranotrano voamboatra amin’ny hazo fisaka sy takela-by, no misy ny fonenany.
Ilay faritanàna feno trano tsizarizary
Eto ny arabe dia lalan-tany masaka kely iray. Mandritra ny vanin-taona be orana, dia mivadika ho fotaka mandrevo izy io. Tery loatra izy io ka tsy azon’ny fiara aleha. Miaraka amin’izany, dia tsy hahita paositry ny polisy, sampan-draharaha mpamonjy trano may, toeram-pitsaboana, mihitsy ianao ao, ary tsy hahita hazo iray ao koa. Eto dia tsy misy taribin’aratra na taribin-telefaonina. Any ambanin’ny tany, dia tsy misy fantsona fanarian-drano maloto na famatsian-drano fisotro.
Hipoka olona ilay toerana. Feo mikotaba sy mihorakoraka no re. Mifangaro amin’ny resaka ny fihomehezana, ny fifamaliana, ny fitomaniana, ary ny hira. Eo ambonin’ny dabilio lava dia misy lehilahy miakanjo fotsy mipetraka sady miresaka. Misy vehivavy mangaro vary, izay mangotraka ao anaty vilany eo ambonin’ny afo kitay. Hatraiza hatraiza dia ahitana ankizy — milalao, matory, miasa, miresaka, mivarotra. Ny ankamaroany, tahaka ilay zazavavy kely mitondra voasary, dia tsy mba hitsidika velively izay atao hoe zoo, na hitaingina bisikilety, na mba handingana ny vavahadin-tsekoly.
Ao amin’ny tany iray, izay ny antsalan’ny halavan’ny androm-piainana dia 42 taona monja, ny olona ao amin’ity faritra ity dia maty tanora kokoa. Ilay ankizivavy kely sivy taona dia efa nanana tombontsoa ny ho velona nihoatra ireo efa-taona voalohany amin’ny fiainany. Nandritra izany fe-potoana izany, dia nety ho faty in-40 ka hatramin’ny in-50 mahery noho ny ankizy iray teraka tany amin’ny firenena mandroso izy. Maro be tamin’ireo ankizy nitovy taona taminy teto no tsy nahatratra ny fahadimy taonany. Raha mba velona elaela kokoa izy, ny mety hahafaty azy mandritra ny maha-bevohoka na eo am-piterahana dia ho avo 150 mahery heny noho ny an’ny vehivavy eoropeana na amerikana tavaratra iray.
Olona an-jato tapitrisany maro no miaina ao amin’ny faritanàna feno mponina mahantra sy trano tsizarizary miitatra haingana dia haingana tahaka ity iray ity. Araka ny tarehimarika nomen’ny Firenena Mikambana, dia olona arivo tapitrisa mahery eo ho eo no mifanizina ao amin’ireo tanàn-dehibe any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana, ary olona 50 tapitrisa no manampy azy ireo isan-taona.
Ny fiainana ao amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana
Moa ve ianao manana faritra mba hahafahanao mitokana, rano an-trano, efitrano fivoahana sy fidiovana ao an-tranonao? Moa ve misy maka ny fakonao? Olona an-jato tapitrisany maro any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana no tsy mba manana ireo zavatra ireo.
Be olona loatra ao amin’ny faritanàna mahantra any amin’ny tanàn-dehibe maro, ka mahazatra ny mahita fianakaviana misy olona folo mipetraka ao amin’ny efitrano iray. Matetika dia latsaka ny iray metatra toradroa no halalahana ahafahany mivelona. Any amin’ny faritanàna sasany ao amin’ny tanàn-dehibe iray any Atsinanana, dia zarain’ny mpanofa maro na dia ireo efitrano kely aza, izay asiana farafara mifanaingina voafefy rarin-tariby mba hahafahana mitokana sy mba ho fiarovana amin’ireo mpangalatra. Any amin’ny tany hafa iray, dia misy ilay atao hoe “fandriana mafana”, izay ahafahana manofa fandriana amin’ny ora, ka azon’ny olona roa na telo atao ny matory mifandimby eo isan’andro.
Araka ny tatitra tamin’ny 1991, fanaon’ny UNICEF (Vola Atokan’ny Firenena Mikambana ho An’ny Ankizy) isan-taona, dia olona arivo tapitrisa eo ho eo maneran-tany no tsy mba manana tahirin-drano fisotro. Olona an-tapitrisany maro no tsy maintsy mividy ny rano ampiasainy amin’ny mpivarotra na manangona izany avy amin’ny renirano na tahirin-drano hafa eny an-kalamanjana. Ao amin’izay ahitana fantsona mamatsy rano, dia indraindray olona mihoatra ny arivo no miady mba hiara-mampiasa raobine tokana eo amin’ny fantsona mijoro.
Tombanan’ny UNICEF ho olona arivo tapitrisa mahery koa no tsy manana fomba ara-pahasalamana hanariana ny diky. Mahazatra ny tsy fisian’ny toerana fivoahana sy fidiovana ho an’ny 85 isan-jato amin’ireo mponina amin’ny faritanàna feno trano tsizarizary. Ao amin’ny ankamaroan’ireo tanàn-dehibe atsy Afrika sy any Azia, voafaoka amin’izany ny tanàna maro misy mponina maherin’ny iray tapitrisa, dia tsy ahitana fitaovana fanarian-drano maloto na inona na inona izany. Mandeha any anaty sakeli-drano, renirano, hady, tatatra, ary any anaty lalan-driaka ny diky.
Zava-manahirana hafa iray koa ny fako. Ao amin’ny tanàn-dehibe any amin’ireo firenena eo an-dalam-pandrosoana, dia 30 ka hatramin’ny 50 isan-jato amin’ny fako no tsy misy mandraoka. Ny faritra mahantra no hadino indrindra. Ny antony iray dia satria ny mahantra dia manary fako kely kokoa ho azo ampiasaina na tadiavin’ireo mpaka fako, na azon’ireo fanjarianasa ahodina indray. Ny antony faharoa dia satria tsy nahazoan-dalana ireo toerana maro nanorenam-ponenana mahantra, ka dia lavin’ireo fitondram-panjakana ny hanome ho azy ireo asa mahasoa fanaony ho an’ny besinimaro. Ny zava-manahirana fahatelo dia ny maha-sarotra sady lafo ny fanaovana asa ho an’ny faritra mahantra maro, noho ny toerany sy ny maha-be olona ao.
Inona no mitranga amin’ny fako? Avela hitoby mandra-pahalòny eny an-dalana, eny an-kalamanjana, ary any anaty renirano na farihy izany.
Loza ho an’ny fahasalamana
Miovaova arakaraka ny toerana ny toe-piainana ratsy ao amin’ireo faritanàna mahantra. Kanefa, saika hita hatraiza hatraiza ireto lafin-javatra telo ireto. Voalohany, tsy vitan’ny hoe tsy misy izay kojakoja rehetra ilaina fotsiny ny trano ao, fa mampidi-doza koa izy ireny. Nanambara toy izao ilay boky hoe The Poor Die Young (Maty Tanora ny Mahantra): “Fara fahakeliny, olona 600 tapitrisa miaina ao amin’ny faritra an-tanàn-dehibe any amin’ny Tany Madinika no mipetraka ao amin’izay azo lazaina hoe trano sy toerana manodidina mampidi-doza ho an’ny fiainana sy ny fahasalamana.”
Amin’ny ahoana ny fonenana tsizarizary no manimba ny fahasalamana? Ny maha-be olona ny faritra mahantra an-tanàn-dehibe dia manampy amin’ny fihanaky ny aretina, toy ny raboka, ny gripa, ary ny meninzita. Ny maha-be mponina koa dia mampitombo ny loza mety hiseho ao an-tokantrano.
Ny tsy fisian’ny rano fisotro madio dia mampitombo ny fifindran’ny aretina entin’ny rano, toy ny tefoedra, ny hépatite, sy ny disanteria. Vokatr’izany koa, dia ao ny aretim-pivalanana, izay mahafaty ankizy iray isaky ny 20 segondra amin’ny antsalany, any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana. Ny tsy fisian’ny rano ampy mba hidiovana sy handroana dia mahatonga ny olona ho mora voan’ny areti-maso sy aretin-koditra. Ary rehefa tsy maintsy mividy lafo ny rano ny olona mahantra, dia kely sisa ny vola tavela ho an’ny sakafo.
Ny rano sy ny sakafo voaloto dia mitondra aretina mampivalana sady mampandoa sy kankana mpivelona ao amin’ny tsinay, toy ny viky fohy, ny viky, ary ny kankam-pisaka na sakoitra. Manintona voalavo, lalitra, ary kalalao ny fako tsy misy maka. Ny rano mihandrona dia toerana fanatodizan’ny moka, izay mitondra ny tazo sy ny filariose.
Tafahitsoka ao amin’ny fahantrana
Ny toetra faharoa mampiavaka ny fiainana ao amin’ny faritanàna feno trano tsizarizary dia ny hoe sarotra aoka izany ho an’ireo mponina ao no ho afa-miala amin’izany. Ny ankamaroan’ireo izay tonga any amin’ny tanàn-dehibe dia olona mpiavy avy any ambanivohitra nentin’ny fahantrana. Noho ny tsy fahafahany manana fonenana sahaza, dia manomboka ary matetika no miafara any amin’ny faritanàna feno mponina mahantra sy trano tsizarizary ny fiainany an-tanàn-dehibe.
Maro be amin’ireny olona ireny no mazoto miasa sady vonona ny hiasa mafy, nefa tsy manan-tsafidy izy ireo afa-tsy ny manaiky asa atao maharitra ora maro amin’ny karama vary masaka. Ireo ray aman-dreny sahirana mafy dia matetika mampiasa ny zanany, toy izay handefa azy any an-tsekoly, ary ireo ankizy tsy nahita fianarana na nahita fa kely, dia tsy manana fanantenana firy ny mba hisondrotra ambonin’ny fari-piainan’ny ray aman-dreniny. Na dia tena kely aza ny vola azon’ireo ankizy, dia matetika izany no tena iankinan’ny ain’ny fianakaviany. Araka izany, ho an’ny ankamaroan’ny mahantra an-tanàn-dehibe, dia tsy misy fanantenana firy hihatsaran’izay manjo azy eo amin’ny fiainana; ny hahavelomana isan’andro no zava-kendreny.
Tsy tiana, tsy irina
Ny toetra fahatelo mampiavaka ny fiainana ao, dia ny hoe tsy azo antoka ny fijanonana ao. Manahirana ny fitondram-panjakana maro ny faritanàna feno trano tsizarizary sy mponina mahantra. Tsy manao zavatra mba hanatsarana ireo faritanàna feno trano tsizarizary, izay tsy mora tanterahina foana, ireo fitondram-panjakana, fa matetika mandefa bolidaozera kosa mba handrodanana azy.
Mety hanamarina ny fanesorana ny faritanàna feno trano tsizarizary ireo fitondram-panjakana, amin’ny filazana fa ilaina izany mba hanomezana endrika tsara ny tanàna, mba hampandosirana ireo mpanao heloka bevava, na mba hampandrosoana indray an’ilay faritra. Na inona na inona antony, dia ireo mahantra no mijaly. Mazàna dia tsy mahita haleha intsony izy ireo ary tsy mba misy fanonerana, na misy fa kely, omena azy ireo. Nefa, rehefa tonga ny bolidaozera mba hanadio ny toerana, dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny miala izy ireo.
Ny anjara asan’ny fitondram-panjakana
Nahoana ireo fitondram-panjakana no tsy manome fonenana mety, misy rano, fanarian-drano maloto, ary mpiasa miadidy ny fakana fako ho an’ny rehetra? Ilay boky hoe Squatter Citizen dia mamaly toy izao: “Maro be erỳ ireo Firenena Madinika tsy ampy loharanon-karena ary tsy manana fahafahana firy hitana toerana tsy miovaova sy mandroso eo amin’ny tsenan’izao tontolo izao, ka azo atao tokoa ny manontany tena ny amin’ny fahavelomany amin’ny maha-firenena manapaka. Sarotra ny hitsikera fitondram-panjakana iray noho ny tsy fahombiazany amin’ny fanomezana ny zavatra ilain’ireo olom-pireneny, rehefa ilay firenena manontolo mihitsy no tsy ampy loharanon-karena toy izany; ka na dia eo ambanin’ny toe-javatra mpiseho mahazatra aza, dia efa misy tsy fahampian’ny loharanon-karena mba hanomezana fahafaham-po ireo zavatra fototra ilaina.”
Any amin’ny tany maro, ny tarehin-javatra ara-toe-karena dia miharatsy. Tamin’ny taon-dasa, ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana teo aloha dia nanao izao tatitra izao: “Ny toerana ara-toe-karena notanan’ny ankamaroan’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana teo amin’izao tontolo izao, dia niharatsy efa hatramin’ny fotoana sasany. (...) Olona an’arivo tapitrisany mahery ankehitriny no miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka.”
Ahoana ny amin’ny fanampiana avy any ivelany?
Nahoana ireo firenena manan-karena no tsy manao misimisy kokoa amin’ny fitondrana fanampiana? Raha niresaka ny amin’ny fiantraikan’ny fanampiana teo amin’ny fahantrana ny Tatitra Momba ny Fampandrosoana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena, dia niaiky toy izao izy io: “Ireo mpanome fanampiana ahitan’ny andaniny roa soa [heverina ho ny 64 isan-jato amin’ny fanampiana rehetra avy any ivelany] (...) dia manome fanampiana noho ny antony maro — ara-politika, ara-teti-piarovana, ara-toe-karena, ary ho fanasoavam-bahoaka. Antony manosika iray monja amin’izany ny fampihenana ny fahantrana, ary mazàna dia tsy izany velively no zava-dehibe indrindra.”
Etsy an-kilany, na dia rehefa manana izay hoenti-manao aza ireo fitondram-panjakana mba hanatsarana ny toe-piainana ratsy misy an’ireo mahantra, dia tsy manao izany foana akory izy ireo. Ny zava-manahirana ao amin’ny firenena maro dia ny hoe, raha tsy maintsy manome fonenana sy ireo sampan’asa ilaina ny fitondram-panjakana eo an-toerana, dia ireo olona ambony ao amin’ny fitondrana no tsy manome ny fahefana na ny hoenti-manao ilay asa.
Ireo ho tanàna rahampitso
Niorina tamin’ireo fironana tamin’am-polony taona maro farany izao, ireo manam-pahaizana dia manombana hoavy mahakivy ho an’ireo mahantra an-tanàn-dehibe any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana. Hitohy, hoy izy ireo, ny fivelaran’ny tanàna haingana be, ary ireo fitondram-panjakana dia tsy ho afaka hanome ho an’ny ankamaroan’ireo mponina an-tanàn-dehibe fantsona mamatsy rano, fanarian-drano maloto, tatatra, lalana voararivato, fikarakarana ara-pahasalamana, ary sampan’asa mikarakara izay ilaina maika.
Hitombo hatrany ny fonenana haorina eny amin’ny toerana mampidi-doza, toy ny ilan-kavoana kisolasola, tany lemaka mora tondraky ny rano, tany voaloto. Hitombo hatrany ny olona hijaly noho ny aretina vokatry ny fisian’ny mponina be loatra sy toe-piainana tsy mahasalama. Hitombo hatrany ny mahantra ao amin’ny tanàn-dehibe, izay hiaina foana eo ambanin’ny fandrahonan’ny fandroahana.
Moa ve izany midika fa tsy misy fanantenana mihitsy ho an’ireo mponina ao amin’ny faritanàna feno trano tsizarizary, tahaka ilay ankizivavy kely mitondra voasary, voalazalaza teo am-piandohan’ity dinidinika ity? Tsia, tsy izany velively!
Akaiky ny fiovana mampientam-po
Ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, dia mampiseho fa hisy fiovana mampientam-po ho amin’ny tsara hitranga — ary izany dia tsy ho ela. Izany fiovana izany dia ho tonga, tsy amin’ny alalan’ny fiezahan’ireo fitondram-panjakan’olombelona akory, fa amin’ny alalan’ny Fanjakan’Andriamanitra, fitondram-panjakana iray any an-danitra izay hifehy ny tany iray manontolo tsy ho ela. — Matio 6:10.
Eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy hihiboka ao amin’ny faritanàna feno mponina mahantra sy trano tsizarizary ratsy sady maloto intsony ireo fianakaviana tia an’Andriamanitra, fa honina ao amin’ny paradisa iray kosa. (Lioka 23:43). Tsy hiaina eo ambanin’ny tahotra ny horoahina foana ireny olona ireny, satria ny Baiboly dia manambara fa “samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy”. — Mika 4:4.
Eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy ho faty tanora ao amin’ny trano tsizarizary ny olona, fa “hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. (...) Fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko”. — Isaia 65:21, 22.
Angamba sarotra aminao ny mino ireo fampanantenana ireo, nefa afaka mahazo antoka ianao fa ho tanteraka izy ireo. Nahoana? Satria tsy mandainga Andriamanitra, ary “tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra”. — Lioka 1:37; Nomery 23:19.
[Sary, pejy 31]
Eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hosoloana toe-piainana paradisa ny fahantrana sy ny faritanàna feno trano tsizarizary