Ny Tontolontsika Miova — Inona no Tena Miandry Antsika Amin’ny Hoavy?
MBA hahafahan’ny tontolontsika hiova ho amin’ny tsara, inona avy moa ireo safidy mivelatra eo anoloantsika? Ny iray amin’izany dia ny finoana fa ireo mpanapaka sy mpitondra eo amin’izao tontolo izao amin’ny farany dia hanjary olona tia ny hafa ka hanomboka hitarika ny olombelona ho eo amin’ny lalan’ny fifandeferana sy ny fahatakarana ny fomba fihevitry ny hafa ary ny fiadanana.
Izany dia finoana fa ho fongotra ny fanindrahindrana foko na firenena, ka hosoloana fihetsika mihevitra ny firenen’ny hafa, izay afaka mitondra fifanarahana eo amin’izao tontolo izao.
Izany koa dia finoana fa ireo mpitantana ny toe-karena kapitalista dia hanaiky fa ny fitiavana tombony fotsiny dia fitsipika tsy mety eo amin’ny tontolo iray feno olona tsy an’asa sy tsy manan-kialofana ary vidim-panafody mavesa-be.
Tsy izay ihany, fa izany koa dia finoana fa ireo mpamokatra fitaovam-piadiana eo amin’izao tontolo izao dia hanomboka haniry tontolo misy fandriampahalemana ka hanefy ny sabany ho fangady.
Izany koa dia finoana fa ireo mpanao heloka bevava eo amin’izao tontolo izao, anisan’izany ireo lehiben’ny Mafia, ireo filohan’ireo andian-jiolahy mpanao heloka any amin’ireo tany tatsinanana ary ireo raindahiny amin’ny zava-mahadomelina any Amerika Atsimo, dia hibebaka ka hihatsara toetra tampoka eo!
Raha lazaina amin’ny teny hafa, izany dia fitokiana amin’ny nofinofin’olombelona — nofy tsy azo tanterahina. Raha tsy mampiditra an’Andriamanitra ao amin’izany isika, dia ho ao anatin’ny tarehin-javatra iray mitovy amin’izay nolazalazain’ilay mpanoratra tantara atao hoe Paul Johnson ao amin’ny bokiny hoe A History of the Modern World. Nanoratra izy fa ny iray tamin’ireo zava-dratsy fototra nitarika ho amin’ireo “tsy fahombiazana sy loza mahatsiravina” amin’izao taonjato misy antsika izao dia “ilay finoana feno hambo fa ho hain’ny lehilahy sy ny vehivavy ny handamina ireo zavatra saro-pantarina rehetra eo amin’izao rehetra izao amin’ny alalan’ny sain’ny tenany, tsy misy fanampiana avy any ivelany”. — Ampitahao amin’ny Isaia 2:2-4.
Misy safidy marim-pototra iray anefa, raha ny amin’ny fahitana fiovana ho amin’ny tsara. Izany dia ny finoana fa ilay Mpamorona ny tany, ilay Tompon’ny fonenantsika, ilay Tompomarika Lehibe, i Jehovah Andriamanitra, dia hisalovana amin’ny raharahan’ny olombelona mba hamonjena ny asan’ny tanany. Ny tantaran’ny Baiboly dia mampiseho fa efa nandray anjara Andriamanitra tamin’ny lasa mba hampandrosoana ny fikasany. Ary ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia manondro fa tsy ho ela izy dia handray anjara indray mba hanatanterahana ny fikasany tany am-boalohany ho an’ny olombelona sy ny tany. — Isaia 45:18.
Loharanom-panazavana azo itokiana tsy manam-paharoa
Ilay Loharanom-pahalalana marina tsy manam-paharoa momba izay tena miandry ny olombelona amin’ny hoavy dia voalazalaza amin’ireto tenin’i Isaia, mpaminany ao amin’ny Baiboly, ireto: “Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory”. — Isaia 46:9-11.
Nahoana i Jehovah Andriamanitra no tokony hanana fahalalana mialoha ny amin’ireo zavatra hiseho ka hisy fiantraikany eo amin’ny olombelona? Mamaly izany toy izao indray koa i Isaia: “Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.” Voalaza ao amin’ny Baiboly ireo hevitr’Andriamanitra momba ny hoavin’ny olombelona. — Isaia 55:9.
“Fotoan-tsarotra tsy mora setraina”
Inona no nambaran’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, mialoha, ho an’ny taranaka misy antsika? Nampitandrina toy izao i Paoly, apostoly kristiana: “Fa aoka ho fantatrao izao, fa amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” (2 Timoty 3:1, NW ). Hatramin’ny 1914 sy ny Ady Lehibe Voalohany, dia miaina ao amin’ny fotoana mihasarotra hatrany isika. Ny fitiavan-tenan’ny olona sy ny faniriany mihoa-pampana ary ny hetahetam-pahefany dia nitarika azy hampihatra halozana miharatsy hatrany, tsy amin’ireo olona tahaka azy ihany fa amin’ny natiora koa. Ny tsy firaharahan’ny olombelona ny tontolo iainany dia loza mandrahona ny fahafahan’ny zanany sy ny zafikeliny hiaina amin’ny hoavy.
Io loza lehibe io dia nasongadin’i Vaclav Havel, prezidàn’i Tsekoslovakia taloha, izay nanoratra momba ny toe-piainana any amin’io tany io. Raha ny marina, ireto teniny ireto dia azo ampiharina amin’ny tany manontolo: “Ireo dia tsy inona fa vokatry ny (...) zavatra ataon’ny olombelona amin’ny tany, amin’ny natiora, amin’ny olombelona hafa, amin’ny fiainana mihitsy. Ireo dia vokatry ny (...) hambon’ny olona maoderina, izay mino fa ny tenany dia mahatakatra ny zava-drehetra sy mahafantatra ny zava-drehetra, izay miantso ny tenany ho tompon’ny natiora sy izao tontolo izao. (...) Izany no fisainan’ny olona izay nanda tsy hanaiky na inona na inona (...) ambony noho ny tenany.”
Nanoratra toy izao i Al Gore, notononina teo aloha: “Miaiky aho fa olona maro no namoy ny finoany ny amin’ny hoavy, satria saika amin’ny lafiny rehetra amin’ny sivilizasiona misy antsika, isika dia manomboka mitondra tena toy ny hoe tsy azo antoka aoka izany ankehitriny ny hoavintsika, ka ho fanehoana fahendrena kokoa ny tsy hifantohana afa-tsy amin’izay ilaintsika ankehitriny sy amin’ireo zava-manahirana antsika amin’izao fotoana izao.” (Earth in the Balance). Toa tena fihetsika manjaka hatraiza hatraiza ny fanampoizana ny fiafarana ratsy indrindra momba ny hoavy.
Ny antony iray nahatonga io tarehin-javatra io dia ny fahatanterahan’ireo tenin’i Paoly manaraka manao hoe: “Ny olona ho tia ny tenany, ho tia vola, ho mpieboebo, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay hankasitraka, hivadika, tsy hanana firaiketam-po voajanahary, tsy ho azo ifampiraharahana, ho mpanendrikendrika, tsy hanana fifehezan-tena, ho lozabe, tsy hanam-pitiavana izay tsara, ho mpamadika, ho mafy hatoka, ho matin-kambo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, hanana endriky ny fifikirana amin’Andriamanitra kanefa hita fa handa ny heriny; ary ireo dia ialao.” — 2 Timoty 3:2-5, NW.
Zavatra azo fidina tsara kokoa
Kanefa Andriamanitra efa nikasa fa ny tarehin-javatra eto amin’ity tany dia hiova — ho amin’ny tsara. Nampanantena izy fa hitondra “lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana”. (2 Petera 3:13). Mba hamerenana indray ilay toe-piainana paradisa ho amin’ity tany voaloto ity, dia tsy maintsy ‘hanimba izay manimba ny tany’ aloha i Jehovah Andriamanitra. (Apokalypsy 11:18). Ahoana no hetezan’izany?
Mampiasa teny ara-panoharana ny Baiboly ka mampiseho fa tsy ho ela Andriamanitra dia hanome fo ireo foto-javatra ara-politika, anisan’izany ny Firenena Mikambana, mba handringanana ny fahefana sy ny lazan’ilay hery ratsy indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona angamba — ny fitaoman’ny fivavahana izay miteraka fanindrahindram-pirenena sy fisaratsarahana maneran-tany.a Araka ny hevitr’i Martin van Creveld, ao amin’ny bokiny hoe The Transformation of War, dia “toa manana antony hanampoizana isika fa ireo fihetsika sy finoana ary firehetana tsy amin’ny antony eo amin’ny fivavahana dia handray anjara lehibe kokoa amin’ny fandrisihana ho amin’ny ady noho ny tamin’ireo 300 taona farany, any amin’ireo tany tandrefana fara faharatsiny”. Angamba noho ny fitsabahany amin’ny politika, ny fivavahana dia hijaly eo an-tanan’ireo hery ara-politika ihany. Kanefa, ireo hery ireo dia hanatanteraka tsy fidiny ny sitrapon’Andriamanitra. — Apokalypsy 17:16, 17; 18:21, 24.
Asehon’ny Baiboly manaraka izany fa avy eo Andriamanitra dia hampitodika ny sainy ho amin’ireo foto-javatra ara-politika mpanararaotra sy toy ny biby amin’ny fandehan-javatra lon’i Satana, ary hampiditra azy ireo amin’ny adiny farany, ny adin’ny Haramagedona. Aorian’ny fanesorana an’ireo fandehan-javatra ara-politika tsy misy fiantrana sy ny lehibeny, dia i Satana, dia hisokatra ny lalana ho an’ilay fandehan-javatra vaovao feno fiadanana nampanantenain’Andriamanitra.b — Apokalypsy 13:1, 2; 16:14-16.
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitory isan-trano momba ireo fiovana ho avy ireo efa hatramin’ny 80 taona eo ho eo izao. Nandritra izany fotoana izany koa izy ireo, dia nahita sy niharan’ireo fiovana maro nentin’ny olombelona. Nandia ny fanaovana azy tany amin’ireo tranomaizina sy toby fitanana nazia noho ireo fotopoto-pitsipiny miorina amin’ny Baiboly, izy ireo. Nandia ireo zava-miseho mahafadiranovana sy mampijaly eo amin’ny fiainana any amin’ny faritra maro atsy Afrika izy ireo, anisan’izany ireo ady an-trano sy fifamelezana ara-poko. Niaritra fanenjehana teo an-tanan’ny ankamaroan’ireo fandehan-javatra ara-politika sy ara-pivavahana izy ireo noho ny fialanalanany sy ny asa fitoriany amin-jotom-po. Kanefa, na dia teo aza izany rehetra izany, dia nahita ny fitahian’Andriamanitra tamin’ny asa fampianarany naneran-tany izy ireo. Hitany tokoa fa nitombo ka nahatratra efatra tapitrisa sy sasany eo ho eo amin’izao 1993 izao ny isan’izy ireo izay an’arivony vitsivitsy tamin’ny 1914.
Antony tokony hanampoizana ny fiafarana tsara indrindra
Tsy manaiky ho resin’ny fanampoizana ny fiafarana ratsy indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah, fa manampo ny fiafarana tsara indrindra kosa. Izany dia satria fantany fa tsy ho ela dia hitranga ny fiovana tsara indrindra sy lehibe indrindra eto ambonin’ny tany. Ireo fisehoan-javatra nanomboka tamin’ny 1914 dia nanatanteraka ireo faminaniana nomen’i Jesosy, ka manamarika ny fotoan’ny fanatrehany tsy hita maso rehefa avy nandray fahefana ao amin’ilay Fanjakana izy. Ankoatra izany, izy ireo koa dia manondro fa isika izao dia miaina amin’ny fotoan’ny farany ho an’ny “fandehan-javatra vaovao mikorontana ho an’izao tontolo izao” mety hovolavolain’ny olombelona. Io no anarana ilazalazan’ny mpanoratra frantsay iray ireo fahatsinjovan-javatra momba ny hoavy tsy ho ela, ao amin’ny gazety Le Monde. Hoy i Jesosy: “Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” — Lioka 21:7-32.
Mora iharan’ny vokatr’ireo fahalemen’ny toetra maha-olombelona io “fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao” io — fanirian-daza, hetahetam-pahefana, faniriana mihoa-pampana, fandraisana kolikoly ary tsy rariny. Ny tontolo vaovaon’Andriamanitra kosa dia manome antoka fa hisy ny rariny. Momba azy, dia hoy tokoa ny voasoratra: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” — Deoteronomia 32:4.
Ny “fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao” araka ny olombelona dia vonona handray izay nantsoin’i McGeorge Bundy, manam-pahaizana amerikana momba ny raharaham-bahiny, hoe “fihetseham-po tery momba ny fanindrahindram-pirenena ampiasain’ireo mpanao ronono an-tavy”. Nanohy ny teniny toy izao izy: “Fantatsika tsara avy amin’ny tantara fa ny tsy fahombiazana ara-toe-karena sy ara-tsosialy dia afaka manome hery ho an’ny olona manana fomba fisaina tafahoatra toy izany. Fantatsika koa fa, na inona na inona mitranga, dia mampidi-doza ny fanindrahindram-pirenena toy izany.”
Ny tontolo vaovaon’Andriamanitra anefa dia manome antoka fa hisy fifanarahana sy fiadanana eo amin’ny olona avy amin’ny foko sy ny firenena rehetra. Izany dia satria hampianarina ireo lalan’i Jehovah momba ny tsy fizahan-tavan’olona sy ny fitiavana izy ireo. Naminany toy izao i Isaia: “Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” (Isaia 54:13). Ary hoy i Petera, apostoly kristiana: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” — Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
Tsy isalasalana fa hisy fiovan-javatra goavana hitranga amin’ny hoavy tsy ho ela eo amin’ity tontolo fantatsika ity. Kanefa, ireo fiovana lehibe indrindra, ireo fiovana haharitra sady hitondra soa, dia ireo izay nampanantenain’Andriamanitra fa hoentiny, ary “tsy mahay mandainga” izy. — Titosy 1:2.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso dia ampahafantarina ao amin’ny Baiboly ho i “Babylona lehibe, renin’ny mpijangajanga”, mpanjakavavy iray voaloton’ny fandatsahan-dra, izay ‘efa nitehika tamin’ny lanitra’ ny fahotany. (Apokalypsy 17:3-6, 16-18; 18:5-7). Mba hahazoana fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba ny hoe iza i Babylona Lehibe, dia jereo ny boky L’humanité à la recherche de Dieu, pejy faha-368-371, natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Mba hahazoana fanazavana amin’ny an-tsipiriany kokoa momba ireo zavatra hitranga voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly ireo, dia jereo ny boky Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, toko faha-30-42, natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., tamin’ny 1988.