Ireo Kilalao Afrikana Tsy Vidim-bola
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Sierra Leone
Tsy manao afa-tsy kilaoty volon-tany efa vasoka ny ankizilahy kely iray, mandeha moramora mitarika ny kamiao keliny — boatina sardinina iray efa harafesina. Miavosa ao anatin’ilay fiarany ny antontam-batokely iray.
Eo amin’ny arabe indray, dia misy andian-jazalahikely tsy mikiraro, manao baolina kitra. Ilay baolin’izy ireo anefa dia bolam-borodamba iray voageja mafy. Vato no tsato-kazon’izy ireo.
Erỳ lavidavitra erỳ kosa, dia misy zazavavikely iray telo taona mamihina ny saribakoliny — tapa-kazo maina iray mifono lamba malefaka menamena.
Zavatra fahita mahazatra izany any amin’ireo tany afrikana. Kanefa, mety ho toa hafahafa amin’ireo mpamaky izay miaina any amin’ireo firenena mandroso izany. Angamba ianao mino (araka ny nampirisihan’ny taozava-baventy mpanao dokambarotra mba hinoanao) fa zavatra natao ho fividy ny kilalao. Taloha elan’ny vanim-potoanan’ireo zavatra fanao kilalao novokarin’ny ozinina anefa dia ireo ankizy ihany no nanamboatra ny kilalaony. Ary eto Afrika dia mbola misy tokoa ny fomba tia mamorona nentim-paharazana.
Kilalaon’ankizilahy
Hatramin’ny andro fahagola no efa liana mafy tamin’ny aotomobilina ny ankizilahy. Nilalao sarety kely ireo ankizilahy grika sy romana. Ary tsy mahagaga raha mbola mahaliana sy manintona ny fitiava-mamoron-javatry ny ankizilahikely ny fitaterana miorina amin’ny haihetsika (mécanique).
I Abraham, ankizilahy mpianatra ganeana, dia mikapa rantsana voaniho amin’ny antsy lava iray. Anamboarany kamiao kely iray izany. Kapila nodidiana avy tamina plastika nariana ny kodiarany.
Any Lesotho, ny ankizilahy iray atao hoe Chepa dia manamboatra Land-Rover iray amin’ny kapoakan-dabiera sy tariby. Vakiny hivelatra ilay kapoaka, fisahiny ilay izy, didiany araka ny refiny, ary aforiny amin’ny lasitra tariby iray mba hahazoana ny vatan’ilay fiara. Ny tampony sy ny fanambanin’ilay kapoakan-dabiera dia azo atao kodiaran’io aotomobilina io.
Eny, kapoaka, zozoro, baoritra, tariby, sy volotsangana, no anamboaran’ny ankizilahy afrikana fiaramanidina, aotobisy, bisikilety, kamiao, trakitera, fiara, sy lakana. Ary tsy misy hoe roa mitovy izany!
Fanamboarana fiara tariby
Angamba aseho amin’ny fomba tsara indrindra io fahaiza-mamoron-javatra io amin’ilay antsoina hoe fiara tariby. Izany dia aotomobilina vita amin’ny tariby tsy miasa intsony sy kapoaka vifotsy.
Voalohany anefa, dia tsy maintsy mahita ireo kojakoja ilay mpanamboatra fiara tariby. I Tamba, ohatra, dia miala ao an-trano vao maraina be mba hanombohany ny fikarohany. Ny mpifanila trano iray dia manome azy fanantonan’akanjo tranainy vitsivitsy — tena mety ho an’ny rikarika (châssis) sy ny vatan’ilay fiara. Misy fanariam-pako iray ahitana taribin’aratra. Misy vodin-kapoaka mirefy valo santimetatra azo atao kodiarana. Ary eny an-dalana mody i Tamba dia mahazo lalana haka tariby matevina iray mirefy 1,2 metatra avy tamin’ny fefy rava iray.
Tonga izao ny dingana fanaovana ny drafitra. Rehefa avy nanao sary tsotsotra tamin’ny fanoritana manga iray teo amin’ny baoritra iray i Tamba, dia vonona ny hanomboka ilay tena fanamboarana. Mampiasa ny tandran’i Dada izy hoenti-manapaka sy mamoritra ary mamatotra ireo fanantonan’akanjo araka ilay drafitra. Rehefa vita ilay rafitra, dia ampiany teza (axe) sy kodiarana vodin-kapoaka. Avy eo vao ny pitsopitsony — varavarana, fanambaniny, seza, sisin’ny varavaram-pitaratra, makarakara (grille), fiaro dona, sy jiro. Mazava ho azy fa hanana kojakojany vitsivitsy koa ny fiaran’i Tamba, toy ny vakim-pitaratra kely iray sy karipetra ho an’ny fanambaniny. Fonom-batomamy tantera-pahazavana no atao “fitaratra” ho an’ireo varavarankely.
Tonga izao ny fotoana hametahana ny vy lava mampiodina ny kodiarana, izay mandalo amin’ny tafo ary mihoatra ny tampon’ilay fiara mihitsy, hatreo amin’ny haavon’ny valahana. Amboarin’i Tamba ho family ny tendron’io, ka izany dia mba hamela azy “hamily” ilay fiarany amin’ny fanosehana azy io. Ny fotoana lany tamin’ilay fanamboarana ve? Roa andro. Tonga anefa izao ilay tena kilalao — ny familiana ilay izy! Ataon’i Tamba eo amin’ny family ny tanany, manosika ilay fiara izy ary mampivily azy io amim-pahakingana miala ireo vato misakana. Ary ho an’ny familiana amin’ny alina, dia misy ankizilahy sasany manisy jiro anoloana mandeha amin’ny vatoaratra, izany hoe ampolan-jiro fanao am-paosy.
Saribakoly afrikana
Nantsoina hoe “ny zavatra fanao kilalao tranainy indrindra ho an’ny taranak’olombelona” ny saribakoly. Samy hafa tanteraka amin’ny karazany vidina eny amin’ny magazay anefa ny saribakoly afrikana.a Alao sary an-tsaina ange, ohatra, ny saribakoly akondro iray e! Malaza eo amin’ireo ankizivavy afrikana tandrefana izany. Rehefa avy manao sarina maso roa sy vava ary orona eo amin’ilay voankazo izy ireo, dia mampiakanjo tsara an’ilay saribakoly. Ny ankizivavy sasany aza mibaby ny zanany — tsy misy hafa amin’i Neny!
Ny ankizivavy afrikana tatsimo koa dia mahay ny fomba fanamboarana “zazakely” sahala amin’izany avy amin’ny babin-katsaka. Ampiana tsorakazo izany mba ho tanany sy tongony. Poti-boro-damba vitsivitsy dia efa lasa akanjo. Ary tsara harandrana ny volon-katsaka.
I Cynthia, ankizivavy iray avy eto Sierra Leone, dia mandeha mitety mpanjaitra, manangona tapa-damba mba hanaovana karazana saribakoly hafa koa. Izany ilay atao hoe zazakely bemiray na saribakoly vori-damba. Mindrana hety sy fanjaitra ary kofehy any amin’ny reniny izy, ary mandidy ilay lambany sy manjaitra ilay saribakoliny hitambatra. Poti-damba madinika maro no atao sesika na zairina ho tarehiny.
Fotoana miovaova
Tao anatin’ireo taona faramparany anefa, dia nahita fibosesehan’ireo kilalao vitan’ny ozinina, mora vidy avy any Extrême-Orient i Afrika. Atỳ Afrika Andrefana, ohatra, dia azo vidina mora, 770 FMG ny saribakoly plastika. Koa satria mateza izy ireny ary mitovy kokoa amin’ny tena zazakely, dia matetika ireo ankizivavy no mifidy azy ireny toy izay ny saribakoly babin-katsaka na ny saribakoly vori-damba.
Ny zatovovavy iray antsoina hoe Saffie dia mivarotra zazakely bemiray nomena endrik’olona eo ambony talantalana amoron-dalana iray ao Freetown, renivohitra feno olona mifamahofahon’i Sierra Leone. Ny vidin’izy ireny dia 5 000 FMG eo ho eo monja. Iza no mpividy eo aminy? Miaiky toy izao i Saffie: “Izany dia ireo mpizaha tany amerikana sy eoropeana indrindra, izay mitady zazakely bemiray izao. Aleon’ny ankizy afrikana kosa zazakely plastika.”
Moa ve anefa ireo ankizilahy tena tia tokoa ny kilalao amidy eny amin’ny mpivarotra? Nandany herinandro maninjitra ny ankizy iray 13 taona atao hoe Raymond nanamboarana kamiao tariby iray voakaly tsara. “Raha misy manome anao kilalao vitan’ny ozinina ho takalon’ny kamiaonao”, hoy izahay nanontany, “horaisinao ve ilay izy?” Namaly avy hatrany izy hoe: “Mazava ho azy! Mitovy kokoa amin’ny tena izy tsinona iny.”
Eny, mamoy ny lazany ny aotomobilina amboarina any an-trano nony nanjary tondraka ireo fiara kilalao vitan’ny ozinina. Milaza toy izao i Patricia Davison ao amin’ny gazetiboky Zava-kanto afrikana (anglisy): “Toa ny toe-piainana ara-tsosialy sy ara-toe-karena ratsy fahita any amin’ny fitambaran’olona mamokatra ireny kilalao ireny no nandrisika an’io fisehoan’ny fitiavana mamoron-javatra io ary, mifamadika amin’izany, fa mety ho voasakan’ny fahatondrahana ara-nofo izy io.”
Araka izany, moa ve haka ny toeran’ireo kilalao natao tanana atỳ Afrika amin’ny farany ireo kilalao vitan’ny ozinina? Ny fotoana no hilaza azy. Mahaliana ny manamarika fa misy fikambanana maromaro manerana an’i Afrika manandrana mitana ireo kilalao amboarina any an-trano nentim-paharazana amin’ny fanohanana ireo fifaninanana manamboatra kilalao. Ankoatra izany, dia misy tranombakoka manangona santionany amin’ireny fahaiza-manao ireny ho amin’ny fampisehoana. Na dia izany aza, rehefa omena safidy ireo ankizy dia saika mifidy mandrakariva ny kilalao vitan’ny ozinina toy izay ny zavatra noforoniny.
Angamba mampalahelo izany satria tsy sahala amin’ireo karazany vidina eny amin’ny magazay ny kilalao amboarina any an-trano fa mandrisika ny fitiavana mamoron-javatra, ny fahitana hevi-baovao, ny fahaiza-miavo-tena, ny fahaizana zava-kanto, sy ny fakana sary an-tsaina. Kilalao ny fanaovana azy ireny ary miafara amin’ny fahatsapana ho nahavita zavatra. Ary ho kely dia kely ny vola lany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ireo sarivongana afrikana nosokirina avy tamin’ny hazo, izay nifandray matetika tamin’ny fivavahana sy ny spiritisma teo aloha, dia mahalana vao ampiasain’ireo ankizy afrikana ho zavatra fanao kilalao. Mbola nilaza tamin’ny Mifohaza! koa Atoa H. U. Cole, talen’ny Tranombakok’i Sierra Leone any Freetown, fa noho ny fitaoman’ny Tandrefana, dia ampiasaina betsaka kokoa ho haingon-trano ny sary toy izany.
[Teny notsongaina, pejy 27]
Taloha elan’ny vanim-potoanan’ireo zavatra fanao kilalao novokarin’ny ozinina anefa dia ireo ankizy ihany no nanamboatra ny kilalaony