Ny Zava-manahirana Lehibe Momba ny Fanalana Zaza — Ny Famonoana Zaza 60 Tapitrisa ve no Fanafodiny?
VERY hevitra sady matahotra ary mitomany ny tovovavy iray 15 taona, mijery ilay ankizilahy sakaizany lasa nandeha, tofoka. Niantso azy hoe adala izy io noho izy bevohoka. Ilay tovovavy kosa nihevitra fa nifankatia izy ireo.
Feno famoizam-po ny vehivavy iray nahafantatra fa bevohoka ny zanany fahenina indray izy. Tsy miasa ny vadiny, ary mandry fotsy isan’alina ireo ankizy. Ahoana no hahafahan’izy ireo hamelona zaza hafa iray indray?
“Tokony tsy ho nitranga tamin’ny fotoana ratsy toy izao izany”, hoy ny fanazavan’ny vehivavy iray mihaingo be tamin’ny dokoterany. Vao nahazo ny diplaomany tamin’ny naha-enjeniera azy izy ary teo am-panombohana ny asa nofidiny hatao vaovao. Variana tanteraka amin’ny asany amin’ny maha-mpisolovava azy ny vadiny. Aiza no hahitan’izy ireo fotoana hikarakarana zazakely iray?
Samy hafa tanteraka ny fomba fiainan’ireo olona ireo ary miatrika zava-manahirana lehibe samy hafa izy ireo, nefa mitovy ny fanafodiny fidin’izy ireo: ny fanalana zaza.
Iray amin’ireo raharaha iadian-kevitra mafana indrindra tao anatin’ireo folo taona farany ny fanalana zaza, ary mandrehitra ady hevitra mafana eo amin’ny sehatry ny politika, ny fiaraha-monina sy ny fitsaboana ary ny teolojia. Any Etazonia, dia manao fihetsiketsehana ho an’ny zon’ny zaza mbola any am-bohoka ireo mpanohitra ny fakana aina. Ny antokon’ireo mpomba ny fahafahana misafidy kosa dia manantitrantitra ny amin’ny fototra ara-dalàna hajaina fatratra momba ny fahafahana sy ny zon’ny vehivavy hanapa-kevitra ny amin’izany. Ireo mpanohitra ny fakana aina dia manohitra ireo mpomba ny fahafahana misafidy any amin’ny fifidianana, any amin’ny fitsarana sy any amin’ny eglizy ary eny amin’ny arabe mihitsy aza.
Olona an-tapitrisany maro misalasala no tafiditra ao anatin’ny ady, voazarazara noho ny fanaporofoan-kevitra mirehitra aroson’ny andaniny avy. Ny fitenenana mihitsy hoe “mpomba ny fahafahana misafidy” sy hoe “mpanohitra ny fakana aina” dia nofidina tamim-pitandremana mba hitaomana an’ireo misalasala. Amin’izao vanim-potoana anindrahindrana ny fahafahana izao, iza no tsy hiandany amin’ny fahafahana misafidy? Nefa koa, iza no tsy hiandany amin’ny fahafahana miaina? Manevaheva ireo fanantonana akanjo ny antokon’ireo mpomba ny fahafahana hisafidy mba hampisehoana amin’ny fomba manaitra ny saina ny fahafatesan’ireo vehivavy nampahorina izay niaritra fanalana zaza tsy azo antoka sady tsy ara-dalàna. Mihazona ireo tavoara fasiana ireo tsaika nalana kosa ireo mpanohitra ny fakana aina, ho toy ny fampahatsiahivana manjombona ny amin’ireo zaza tany am-bohoka an-tapitrisany maro maty.
Voalazalaza amin’ny fomba mety izany loza lehibe mitera-pahafatesana izany, ao amin’ny bokin’i Laurence H. Tribe hoe Ny Fanalana Zaza: Ny Fifandonan’ireo Tsy Milefitra (anglisy). “Misy olona maro izay afaka mihevitra avy hatrany ny maha-olombelona miavaka tsara ny tsaika, ka manome vidiny lehibe indrindra azy sady mitomany azy. Zara izy ireny raha mahita ilay vehivavy mitondra azy ao am-bohoka sy ny toe-javatra mahonena misy azy io. (...) Misy olona maro hafa koa izay afaka mihevitra avy hatrany ilay vehivavy bevohoka sy ny vatany, izay mitaraina mafy mba hananany zo hifehy ny ho fiainany. Zara izy ireny raha mihevitra ilay tsaika ao an-kibon’izany vehivavy izany ary tsy mihevitra mihitsy ho toy ny tena misy ny fiainana mety ho navela hananany.”
Raha mihamafy hatrany izany ady hevitra momba ny maha-ara-dalàna na tsia ny fanalana zaza izany, dia zaza mbola any am-bohoka 50 tapitrisa ka hatramin’ny 60 tapitrisa no ho faty eo an-tany fiadiana ho an’ny zo, amin’itỳ taona itỳ.
Aiza no iandanianao amin’io raharaha iadian-kevitra mampihetsi-po io? Ahoana no hamalianao ireto fanontaniana tena lehibe ireto: Moa ve zo fototry ny vehivavy iray ny manapa-kevitra? Voamarina ve ny fanalana zaza eo ambanin’ny toe-javatra rehetra? Amin’ny fotoana toy inona no manomboka ny fiainana? Ary ny fanontaniana lehibe indrindra, na dia mahalana aza no anaovana azy, dia hoe: Ahoana no fomba fijerin’ilay Mpamorona ny aina sy ny fitondrana vohoka ny fanalana zaza?
Manana tantara efa ela ny fanalana zaza. Tany Grisia sy Roma fahiny dia fanao nahazatra ny fanalana zaza. Tany Eoropa, nandritra ny Moyen Age sy ny Renaissance, dia noheverina fa azo natao izany mandra-pahavelona, izany hoe, mandra-pahatsapan’ilay reny fa mihetsiketsika ny tsaika ao am-bohoka. Tonga ny revaolisiona teo amin’ny lahy sy ny vavy sy ny vokany — zaza tsy nirina an-tapitrisany maro.
Nanamarika ny fipoiran’ny fihetsiketsehana ho an’ny zon’ny vehivavy ireo taona 1960, ka tamin’izany dia ilay nantsoina hoe zo hiteraka na tsia no vato fototra. Ny sasany mitaky ny zo hanala zaza ho an’ireo tonga bevohoka noho ny fisavihana na noho ny fandrian’ny havana akaiky taminy na rehefa tandindomin-doza ny fahasalaman’ilay reny. Ny haitao ara-pitsaboana dia nahafahana nahita izay mety ho fahavoazan’ilay zaza hatrany am-bohoka sy ny hoe ho lahy sa ho vavy izy. Miorina amin’ny faminavinana ratsy ataon’ny dokotera iray dia faranana ny fiainan’ny zaza mbola ao am-bohoka. Mety ho feno ahiahy ny amin’ny hisian’ny fahasembanana eo amin’ny zazakely koa ireo vehivavy maherin’ny 40 taona.
Any amin’ireo tany mahantra, dia mihevitra ireo vehivavy maro izay tsy manana fahafahana hampiasa fomba tsy mampiteraka, fa tsy ho afaka hamelona zaza fanampiny izy ireo. Ary amin’ny fanitarana ny hevitry ny hoe fahafahana misafidy, dia mifidy ny fanalana zaza ny vehivavy bevohoka sasany satria mihevitra izy ireo fa tsy tonga amin’ny fotoana mety fotsiny ny maha-bevohoka azy na satria fantany fa lahy na vavy ilay zaza mbola ao am-bohoka, ka tsy iriny izy io.
Maro ny fanaporofoan-kevitra mafana naroso tamin’io ady mba hahalalana hoe amin’ny fotoana toy inona no manomboka ny fiainana io. Vitsy no misalasala ny amin’ny maha-sela velona ilay atodiaina lonaka. Ny fanontaniana dia hoe velona amin’ny maha-inona izy io? Tambatsela fotsiny ve ilay atodiaina lonaka? Sa olombelona izy io? Hazo oaka ve ny voan’oaka? Noho izany, persona iray ve ny tsaika iray? Manan-jo manokana ve izy io? Tsy misy farany ny fifandirana momba ny teny. Mahazendana tokoa raha ao amin’ny hopitaly iray ihany, dia angamba hiasa amin-kerim-po mba hamonjena ny ain’ny zazakely iray tsy tonga volana ireo dokotera ary anefa etsy an-daniny izy ireo dia hamarana ny fiainan’ny tsaika iray mitovy taona amin’io! Mety hanome lalana azy ireo hamono ny zazakely iray ao am-bohoka ny lalàna, fa ho famonoana olona izany raha tsy ao an-kibo ilay zazakely.
Ny fitakiana mafy indrindra re ho an’ny fanalana zaza ara-dalàna dia avy amin’ireo vehivavy “afaka” maoderina, izay manana fahafahana malalaka hampiasa ireo fomba tsy mampiteraka mba hisakanana voalohany ny fananahana. Mafana fo izy ireo mitaky izay antsoina hoe zony hiteraka na tsia, kanefa raha ny marina dia efa nampiasa ny fahafahany hitoe-jaza sy hanana anaka izy ireo. Ny zo hanafoana izany fananahana izany no tena iriny. Inona no fanamarinana omeny? “Vatako itỳ!” Nefa izany ve no tena izy?
Manambara Ny Fanalana Zaza — Torolalana ho An’ny Vahoaka Momba Ireo Zava-manahirana (anglisy), fa amin’ireo telo volana voalohany maha-bevohoka, “dia tena mora esorina ilay tambatsela bitika mitsiloly”. Azo heverina tokoa ho toy ny “fanesorana vongana tambatsela” sa “fisakanana ny vokatry ny fahatorontoronina” ve ny fanalana zaza? Sa kosa ireo fitenenana nohamamina ireo natao mba hahatsara ny tsiro mangidin’ny fahamarinana sy mba hampanginana ny feon’ny fieritreretana tsy mandry?
Izany tambatsela tsy irina izany dia aina iray mitombo sy miroborobo sady feno, manana ny fitambarana kromozoma azy manokana. Toy ny tantaran’ny tena manokana ara-paminaniana, izy io dia milaza ny tantaran’ny maha-izy ny olona tsirairay amin’ny an-tsipiriany eo am-piforonana. Nanazava toy izao ny profesora A. W. Liley, mpanao fikarohana malaza momba ny tsaika: “Ara-biolojia, dia tsy azontsika atao ny hanaiky ny fomba fijery ilazana fa taova mitohy amin’ilay reny fotsiny ilay tsaika. Araka ny zenetika, dia olona miavaka ny reny sy ny zaza manomboka eo amin’ny fahatorontoronina.”
Fihetsika tsy misy fahatsapana andraikitra
Kanefa, na dia mora aza ny fahafahana manala zaza, dia maro no tsy mahatsapa mihitsy ny ilana hitandremana raha ny amin’ny fananana anaka tsy irina. Aleony mifidy ny fanalana zaza mba ho fiarovana amin’izay rehetra mety ho “zavatra tsy nampoizina” mitranga.
Asehon’ny antontan’isa fa mitranga aloha kokoa ny taona fahamaotiana tamin’izao taonjato izao. Noho izany dia afaka mitoe-jaza ireo ankizy tanora kokoa. Moa ve izy ireo nampianarina ny andraikitra mavesatra miaraka amin’io tombontsoa io? Manary ny maha-virijiny azy ny Amerikana lahy sy vavy amin’ny antsalany eo amin’ny faha-16 taonany eo, ary 1 amin’ny 5 no manary izany alohan’ny 13 taona. Manana saikim-pitia any ivelany na nanao izany tamin’ny lasa, ny ampahatelon’ireo lehilahy sy vehivavy manambady. Mahita ireo vonona hampiasa azy eo anivon’ireo manana firaisan’ny lahy sy ny vavy amin’ny olona maromaro, ny fanalana zaza. Tsy misy hafa amin’ny fitakiana atao tsindraindray mba hanao izay haha-ara-dalàna ny fivarotan-tena ho fisakanana ny fielezan’ny SIDA, dia toy izany koa fa ny fanaovana ny fanalana zaza ho ara-dalàna dia mety nahatonga azy io ho azo antoka kokoa ara-pitsaboana, nefa nahatonga fiforonan’ny toe-piainana mahavokatra izay ahafahana sady itomboan’ny fahasimbana ara-pitondran-tena izany.
Niharam-pahavoazana noho ny herisetra sa noho ny toe-javatra?
Mahaliana ny manamarika fa asehon’ireo fandinihana hoe mitranga mahalana dia mahalana ny fananana anaka vokatry ny fisavihana. Ny fanadihadiana iray natao tany Minneapolis, any Etazonia, tamin’ireo olona 3 500 niharan’ny fisavihana dia tsy nahitana na dia iray taminy aza bevohoka. Tamin’ireo fanalana zaza 86 000 natao tany Tsekoslovakia teo aloha, dia 22 monja no natao noho ny fisavihana. Araka izany, dia ampahany kely monja amin’ireo izay mitady hanala zaza no manao izany noho ny fisavihana sy ny nandrian’ny havana akaiky taminy.
Ahoana ny amin’ireo faminavinana mampahatahotra momba ireo zazakely sampona sady misy fahavoazana raikitra hatrany am-bohoka? Vao misy soritra voalohany ny amin’ny tsy metimety dia mailaka ny mampirisika ny fanalana zaza ny dokotera sasany. Azon’izy ireo antoka tanteraka ve ny famantarana izany? Ray aman-dreny maro no afaka manamarina fa mety ho tsy marim-pototra ny faminavinana mampahatahotra toy ireny, ary manan-janaka sambatra sady salama izy ireo ho porofon’izany. Ny hafa, izay manan-janaka heverina ho sembana dia sambatra tokoa amin’ny maha-ray aman-dreny azy ireo. Raha ny marina, dia 1 isan-jaton’ireo mitady hanala zaza monja any Etazonia no manao izany satria nilazana izy ireo fa mety hisy fahavoazana sasany amin’ilay tsaika.
Kanefa, tao anatin’ny fotoana izay namakinao an’itỳ lahatsoratra itỳ, dia zazakely mbola any am-bohoka efa ho an-jatony maro no maty. Aiza no mitranga izany? Ary amin’ny ahoana no voakasika ny fiainan’ireo olona tafiditra amin’izany?
[Teny notsongaina, pejy 4]
Ilay reny: “Vatako itỳ!”
Ilay zazakely: “Tsia! Vatako itỳ!”