FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g93 8/10 p. 10-11
  • Ny Aina — Fanomezana Iray Tokony Hankamamina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Aina — Fanomezana Iray Tokony Hankamamina
  • Mifohaza!—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny ankizy — andraikitra sy valisoa
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanalana Zaza?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny anjara asan’ny ray aman-dreny
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
Hijery Hafa
Mifohaza!—1993
g93 8/10 p. 10-11

Ny Aina — Fanomezana Iray Tokony Hankamamina

REHEFA nanome ho an’ny fianakavian’olombelona ny tombontsoa hanan-janaka i Jehovah Andriamanitra, dia fanomezana tokoa no natolony ho azy! Ho tonga ny zazakely iray mahafatifaty, izay ho raisin’ny mpivady sambatra iray mifankatia sady vonona ny hankamamy sy hanolokolo itỳ vokatra kelin’ny fikambanan’izy mivady itỳ. Tsy hisy afa-tsy fifaliana no hiandry ilay fianakaviana raha eo am-pivelarana ny fiainan’ilay zaza.

Nitondra vokany mahatsiravina ho an’ireo zazakely teraka teo amin’ny taranak’olombelona anefa ny fahotan’i Adama sy Eva. Vokatry ny ota, dia nampahorin’ny fanaintainana ara-batana ny renintsika voalohany rehefa niteraka. Ary ny toe-piainana feno fahotana izay nahaterahan’ny zanany dia nahatonga ny fananan-janaka ho zava-tsarotra iray tena lehibe. Noho izany dia tsy mahagaga raha tsy mitondra fifaliana matetika ny hoe mitoe-jaza ao amin’ny tontolo sarotra amin’izao andro izao. Ahoana anefa no fomba fijerin’ny Mpamorona ny zaza mbola any am-bohoka? Nanova izany arakaraka ny fiovaovan’ny fitsipi-pitondran-tena ve izy? Azo antoka fa tsy izany. Tsy niova ny fomba fijeriny sy ny fiahiany ireo zaza mbola any am-bohoka eo amin’izao tontolo izao.

Mampiseho mazava ny Soratra Masina fa mitombo ao an-kibon’ny reny ny olombelona iray manana ny maha-izy azy miavaka. Manomboka eo amin’ny fahatorontoronina ny fiainana. Ny fahatongavana eto an-tany dia mampiseho amin’ny olona fotsiny ilay zaza efa hitan’Andriamanitra. Miresaka ny amin’ny “voalohan-teraka [“izay zaza rehetra manokatra ny kibo”, NW ]” i Ezekiela. (Ezekiela 20:26). Milazalaza “ny varavaran’ny kibon’ineny” i Joba ary miantso ny fahafahan-jaza ho “zaza izay tsy nahita ny mazava akory”. — Joba 3:10, 16.

Mariho ny fiheverana feno fitiavana ananan’i Jehovah Andriamanitra ho an’ilay aina mbola marefo raha eo am-pitomboana ao am-bohoka izy io. Nilaza tamin’i Jeremia toy izao izy: “Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tao an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko”. (Jeremia 1:5). Nilaza toy izao i Davida: “Ny tenako tsy niafina taminao, fony natao tao amin’ny miafina aho, ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho”. (Salamo 139:15, 16). Niantso an’Andriamanitra ho “Izay nanao ahy tany an-kibo” ka nanohy “namorona anay tany am-bohoka” i Joba. — Joba 31:15.

Nefa ahoana ny amin’ny fiahian’Andriamanitra ny reny very hevitra izay bevohoka nefa tsy maniry ilay zaza? Amin’ny persona rehetra, dia ny Mpamorona no mahafantatra tsara ny andraikitra mavesatra entin’ny maha-ray aman-dreny. Raha mifidy ny hitazona ny zanany ny reny bevohoka iray, na dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra aza, noho ny fanajany ny zavatra takin’Andriamanitra, moa ve tsy hitahy azy izy noho ny fanapahan-keviny? Ara-drariny, raha sady afaka no tokony hivavaka aminy ny ray aman-dreny mba hahazoana ny fanampiany eo amin’ny fitaizana zanaka sambatra iray. Ao amin’ny Teniny, dia efa nanome ny torohevitra tsara dia tsara indrindra azo raisina momba ny fitaizana zanaka Andriamanitra. Hitondra voka-tsoa ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ao amin’ny fiainam-pianakaviana. Ny fifaliana sy ny valisoa amin’ny fitaizana zanaka tia an’Andriamanitra dia manan-danja be dia be noho izay mety ho sorona rehetra natao, araka izay azon’ny ray aman-dreny mirehareha ny amin’ny zanany hamarinina.

Hafa ve ny fomba fijerin’i Jehovah zavatra raha toa ilay zazakely vokatry ny fisavihana na vokatry ny fandrian’ny havana akaiky tamin’ny reniny? Na dia heloka natao tamin’ilay reny aza izany, dia tsy tokony homena tsiny ilay zazakely. Ho famaliana ny fampiharana herisetra amin’ny hafa iray fotsiny ny famaranana ny ainy. Azo antoka fa mahafantatra tsara ny ratra ara-pihetseham-po mahazo ireo niharam-pahavoazana toy ireny i Jehovah sady afaka manampy ilay reny sy ilay zaza hiatrika amim-pahombiazana ny voka-dratsiny amim-pahaiza-mandanjalanja.

Ary ahoana raha milaza ny dokotera fa mety hahatandindomin-doza ny ainy ny vehivavy iray raha mitondra ny vohoka hatramin’ny farany izy? Nanambara toy izao ny Dr. Alan Guttmacher: “Amin’izao andro izao, dia saika azon’ny marary rehetra atao ny ho voatsimbina hatramin’ny fiterahana, raha tsy hoe manana aretina mahafaty toy ny homamiadana na leucémie angaha izy, ary raha toy izany aza no izy, dia tsy azo inoana fa hanalava na hamonjy kokoa ny ainy ny fanalana zaza.” Manambara toy izao ny The Encyclopedia Americana: “Koa satria afaka ny ho voatsimbina soa aman-tsara hatramin’ny fiterahana ny ankamaroan’ireo vehivavy, na dia ireo izay manan-java-manahirana lehibe ara-pahasalamana aza, dia vitsy ireo fanalana zaza tokony hatao mba hiarovana ny fahasalaman’ny reny. Atao mba tsy hananana zanaka ny ankamaroan’ireo fanalana zaza.” Noho izany, dia tena mahalana ny tarehin-javatra toy izany. Kanefa, raha mitranga eo am-piterahana izany, amin’izay dia ny ray aman-dreny no tsy maintsy misafidy amin’ny ain’ilay reny na ny amin’ny ain’ilay zaza. Fanapahan-keviny izany.

Misy mahagaga ve amin’ny hoe nametraka torolalana mazava momba ny fampiasana ny fahafahantsika miteraka ilay Mpamorona ny aina? Eo imasony, dia fahotana ny fanaovana izay hisian’ny aina iray izay tsy kasaina hokarakaraina akory, tahaka ny maha-fahotana ny fakana aina iray.

Azo antoka fa hitohy mandra-pahatapitr’itỳ fandehan-javatra itỳ ny ady hevitra momba ny maha-ara-dalàna na tsia ny fanalana zaza. Nefa, raha ny amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny aina, ary koa ho an’ireo izay mankamamy ny lalàny, dia tsy misy zavatra iadian-kevitra velively. Sarobidy ny aina — fanomezana iray tokony hokolokoloina sy hankamamina hatramin’ny fiandohany mihitsy.

[Efajoro, pejy 11]

Fijerena ny Fanalana Zaza Tahaka ny Fijerin’Andriamanitra Azy

AHOANA ny amin’ny zazavavy tanora iray izay mitoe-jaza ivelan’ny fanambadiana ary tsy vonona velively amin’ny andraikitra amin’ny maha-reny? Tokony havela hiteraka ve izy? Tsy miova ny fihetseham-pon’Andriamanitra ny amin’ilay zazakely satria fotsiny hoe tsy nanao zavatra tamim-pahendrena sy tamim-pahadiovam-pitondran-tena ny reniny. Ny fahaterahan’ny zazakely iray dia mety hanampy ilay reniny hahatsapa marina tokoa ny vokatra ara-dalàna nentin’ny fahalotoam-pitondran-tenany, ka amin’izany fomba izany dia hampiraikitra ao an-tsainy fa mampiseho fahendrena ireo lalàn’Andriamanitra. Ny fanafoanana ny vokatry ny fahalotoam-pitondran-tenany dia mety hahatonga azy tsy hahatsiaro ho meloka, na mety hampahasahisahy ratsy azy amin’ny asa maloto ara-pitondran-tena hafa indray.

Raha tsy misy ray mba hiara-mitondra ny enta-mavesatra, dia tsy ho mora ny fitaizana zanaka. Nefa ny fifandraisana mafy orina amin’ilay Raintsika any an-danitra dia afaka manome ho an’ny reny iray ny hery ara-tsaina sy ara-pihetseham-po, ny fanohanana, ary ny fitarihana mba hanaovana izany. Nanome ny kongregasiona kristiana koa izy mba hanampy ireo mitaiza irery ny zanany hanamaivana ny enta-mavesatra entiny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara