Fitsikerana ny Fifamaliana Iray
ILAIN-DRAMATOA ny mampiseho ny fihetseham-pony. Tian-drangahy kosa ny manome ala olana. Ny fifamaliana an-tapitrisany maro eo amin’ny mpivady hatramin’izay dia mety hanana feo maro samy hafa, nefa matetika izy ireny no fiovaovana amin’ny loha hevitra fototra vitsivitsy monja. Ny fahazoana ny fomba fahitan’ny vadinao zavatra na ny fomba fampitany hevitra samy hafa amin’ny anao dia mety hanampy mba hampihena ireny doro tanety miredareda ireny ho tonga vainafo mamirapiratra ao amin’ny fatan’ny tokantrano sambatra iray.
“Aza tantananao ny fiainako!”
Ny sarin’ilay vehivavy manambady mandidindidy sy mila kisa dia mety ho marina amin’ny toe-javatra misy ny lehilahy maro manambady, izay mahita ny tenany ho voafehifehy mafy amin’ireo torohevitra sy fangatahana ary fanakianana. Manamarika ny fihetseham-po toy izany ny Baiboly rehefa milaza hoe: “Ny ady ataon’ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.” (Ohabolana 19:13). Mety hisy fangatahana hataon’ny vehivavy manambady iray amin’ny vadiny izay toherin’itỳ farany amin’ny tsy famaliana noho ny antony tsy fantatr’ilay ramatoa. Mihevitra izy fa tsy ren’ny vadiny izay nolazainy, ka amin’itỳ indray mitoraka itỳ dia milaza aminy izay tokony hataony izy. Vao mainka henjana ny fanoherany. Vehivavy manambady mila kisa sy lehilahy manambady entin’ny vadiny amin’ny sangany ve? Sa olon-droa tsy nifampiresaka mazava fotsiny?
Amin’ny fomba fijerin’ny vehivavy manambady iray, dia fanehoana tsara indrindra ny fitiavany ny vadiny ny fanolorany torohevitra mahasoa. Amin’ny fomba fijerin’ny vadiny kosa, dia mibaikobaiko azy izy ary te hilaza fa tsy mahay izy. Ho an’ny vehivavy, ny hoe “Aza hadinoina ny kitaponao” dia fanambarana ny fiahiany, amin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa any aminy izay ilainy. Mampahatsiahy an-dralehilahy ny reniny miantso azy eny am-baravarana toy izao kosa izany: “Efa nentinao ve ny satrokao?”
Ny vehivavy manambady vizana iray dia mety hilaza amim-pahalemem-panahy toy izao: “Te hisakafo hariva any amin’ny hotely ve ianao?” izay midika toy izao raha ny tena izy: “Tsy hitondra ahy hisakafo any ivelany ve ianao? Sasatra loatra aho ka tsy ho afaka hahandro.” Nefa mety hanararaotra io fotoana io mba hiderana azy noho ny nahandrony ny vadiny be fandavan-tena ary hanantitrantitra fa aleony ny nahandrony toy izay ny an’ny hafa rehetra. Na mety hihevitra izy hoe: ‘Mitady hifehy ahy izy!’ Ao anatin’izany fotoana izany ihany dia mety hilaza an-dolompo anakampo toy izao ny vehivavy manambady iray: ‘Nahoana no tokony ho izaho foana no hanontany?’
“Tsy tia ahy ianao!”
“Ahoana no ahafahany mieritreritra izany?”, hoy ny vady iray diso fanantenana sy sanganehana miteny mafy. “Miasa aho mba hanomezana ny vola handoavana ny fandaniana ataonay, ary indraindray aza dia mitondra voninkazo ho azy!”
Na dia ilain’ny olombelona rehetra aza ny fahatsapana fa tiana, dia ilain’ny vehivavy manokana ny hahazo toky miverimberina ny amin’izany. Mety tsy hilaza izany amin’ny feo avo izy, nefa ao anatiny ao izy dia mety hahatsapa ho tahaka ny enta-mavesatra tsy irina, indrindra raha manome azy fahaketrahana tsy maharitra ny fadimbolany. Amin’ny fotoana toy ireny dia mety hihataka ny vadiny, amin’ny fiheverana fa tiany ny hanana fotoana sasany hitoerana irery. Aminy kosa, ny hevitry ny fitokanany dia mety ho fanamafisana ny tahotra tsapany ratsy indrindra — tsy tia azy intsony ralehilahy vadiny. Mety handevilevy azy izy, amin’ny fitadiavana hanery azy ho tia sy hanohana azy.
“Inona no tsy mandeha ry malala a?”
Ny fomba handaminan’ny lehilahy ny zava-manahirana iray mampihenjana dia mety ho ny fitadiavana toerana milamina mba hieritreretana momba izany. Mety ho tsapan’ny vehivavy iray ho azy ny fisian’ny fihenjanana, ka hanao zavatra kosa izy amin’ny fiezahana hampirisika azy hiresaka. Kanefa, na dia atosiky ny fikasana tsara aza izany ezaka izany, dia mety hahita izany ho toy ny fitsabahana amin’ny raharahany sy fampietrena azy, ny lehilahy manambady iray. Rehefa mihataka izy mba handinika ny zava-manahirana azy, dia manopy ny masony ao aoriany mba hahita ny vadiny be fandavan-tena mamindra mipitipitika manaraka azy amim-pahatapahan-kevitra. Reny ilay feo be fitiavana mikiry manao hoe: “Ry malala a, tsy maninona ve ianao? Inona no tsy mandeha? Handeha horesahintsika ilay izy.”
Raha tsy misy valin-teny dia mety halahelo ny vehivavy manambady iray. Rehefa manan-java-manahirana izy, dia tiany ny miara-miresaka momba izany amin’ny vadiny. Nefa ilay olon-tiany dia tsy te hizara aminy ny fihetseham-pony. Mety hanatsoaka hevitra izy hoe: “Tsy tia ahy intsony izy.” Koa rehefa mitranga avy ao amin’ny tontolony anaty ilay lehilahy tsy miahiahy amin’ny farany, afa-po amin’ny ala olana hitany, dia mahita koa izy, tsy ilay vady tia be fiahiana nosakanany tsy hiditra tao amin’ny fitadiavany ala olana, fa vady tezitra iray vonona ny hihantsy azy noho ny nanilihany azy.
“Tsy mihaino ahy mihitsy ianao!”
Toa mahatsikaiky ilay fiampangana. Amin-dralehilahy dia toa tsy misy afa-tsy ny mihaino no ataony. Nefa rehefa miresaka ny vehivavy manambady, dia mahatsapa miharihary izy fa voasivana sy voafakafakan’ny ordinatera mitady ala olana matematika ny teniny. Voamarina ny ahiahiny rehefa milaza toy izao ny vadiny eo antenatenan’ny teny ataony: “Maninona fotsiny moa raha...?”
Rehefa miresaka amin’ny vadiny momba ny zava-manahirana azy ny vehivavy manambady iray, matetika tokoa izy no tsy mitady hanome tsiny azy na mitady ala olana. Ny iriny indrindra dia sofina mihaino tsara, izay tsy hihaino ireo zava-misy amin’ny maha-izy azy fotsiny, fa ny fihetseham-pony momba azy io kosa. Avy eo dia tiany, tsy ny hahazo torohevitra, fa ny fanamarinana ny fihetseham-pony. Izany no antony nahatonga ny lehilahy manambady maro tsara fikasa hamelona fipoahana rehefa tsy nilaza afa-tsy izao izy: “Ry malala a, tokony tsy hanao tahaka izao ianao. Tsy dia zava-dehibe loatra izany.”
Matetika ny olona no manantena ny hamakian’ny vadiny izay ao an-tsainy. “Efa hatramin’ny 25 taona no nivadianay”, hoy ny lehilahy iray. “Matoa mbola tsy fantany foana izay tadiaviko hatramin’izao, dia tsy miraharaha na tsy mihevitra ahy izy.” Nanambara toy izao, tao amin’ny bokiny momba ny fifandraisana eo amin’ny mpivady, ny mpanoratra iray: “Rehefa tsy mifampilaza izay tadiaviny ny mpivady ary mifanakiana foana noho tsy nifanaovana zavatra nety teo amin’izy samy izy, dia tsy mahagaga raha manjavona ny toe-tsaina misy fitiavana sy fiaraha-miasa. Maka ny toerany (...) ny ady ho amin’ny fifaninanana, izay aneren’ny mpivady tsirairay ilay hafa mba hanome fahafaham-po izay ilainy.”
“Tsy mahatsapa ny andraikitrao mihitsy ianao!”
Angamba tsy hilaza mivantana toy izany amin’ny vadiny ny vehivavy manambady iray, nefa mety ho te hilaza izany mazava izy amin’ny toe-peony. Ny hoe: “Nahoana ianao no tonga tara loatra?” dia azo heverina ho toy ny fangataham-panazavana. Azo inoana kokoa anefa fa ny fijeriny miampanga sy ny fitehenany kiho dia milaza tsy mivantana amin’ny vadiny hoe: “Ry zazalahy kely tsy mahatsapa andraikitra, nampitaintaina ahy ianao. Nahoana no tsy niantso an-telefaonina? Tena tsy mihevitra ny hafa mihitsy ianao! Simba fotsiny izao ny sakafo hariva!”
Mazava ho azy fa marina ny azy raha ny momba ny sakafo hariva. Nefa raha mitranga ny fifamaliana, tsy mety ho simba koa ve ny fifandraisan’izy ireo? “Mitranga ny ankamaroan’ireo fifamaliana, tsy hoe satria tsy mitovy hevitra ny olon-droa, fa satria, na tsapan’ilay lehilahy fa tsy ankasitrahan-dravehivavy ny fomba fiheviny na tsy ankasitrahan-dravehivavy ny fomba niresahan’ny vadiny taminy”, hoy ny fanamarihan’ny Dr. John Gray.
Mihevitra ny sasany fa tsy tokony hosakanana tsy hiteny malalaka izay tiany ny olona iray any an-tokantrano. Nefa ny mpampita hevitra tsara iray dia mitady izay hahitana marimaritra iraisana sy hahatongavana ho amin’ny filaminana, amin’ny fiheverana ny fihetseham-pon’ilay mihaino azy. Ho azontsika atao angamba ny hampitaha izany resaka izany amin’ny fanolorana rano mangatsiaka eran’ny vera amin’ny vady amin’ny fanipazana izany eny amin’ny tarehiny. Afaka hilaza isika fa ny fahasamihafana dia eo amin’ny fomba fanolorana.
Ny fampiharana ireo teny ao amin’ny Kolosiana 3:12-14 dia hanafoana ireo fifamaliana ary hitarika ho amin’ny tokantrano sambatra iray: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo [“Jehovah”, NW ] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany.”
[Sary, pejy 8]
Miaro ny zava-misy ny lehilahy, miaro ny fihetseham-po kosa ny vehivavy