Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana no Ahafahako Miala Amin’ny Fiainana Roa Sosona?
“Tsy niraharaha izay zavatra rehetra nolazain’ny ray aman-dreniko aho”, hoy i Ann nitsotra.a “Nikomy aho ary nanomboka nandainga tamin’izy ireo. Nilaza tamin’izy ireo aho fa handeha hiantsena, nefa nifamotoana tamin’ankizilahy raha ny tena izy.”
NANANA fiainana roa sosona i Ann, ary tsy ela dia tsy ny ray aman-dreniny ihany no tsy noraharahainy fa ny feon’ny fieritreretany voataiza araka ny Baiboly koa. I Ann mantsy dia nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy niafina tamin’ilay ankizilahy niarahany. Mahatsiaro toy izao i Ann: “Niezaka nandroaka tanteraka an’i Jehovah tsy ho ao an-tsaiko aho.” Kanefa, tsy ela izy dia voatery niatrika ny zava-misy mampieritreritra fa “izay afafin’ny olona no hojinjany”. (Galatiana 6:7). Bevohoka i Ann. “Tiako tamin’ny foko rehetra ny zanako”, hoy izy, “tsy misy olona tokony ho voatery handalo izao fanandraman-javatra izao anefa. Sady tsy manambady no tsy tokan-tena.”
Moa ve ianao, amin’ny fomba sasany, nanjary voafandrika tao anatin’ny fiainana roa sosona — amin’ny fanafenana ny tena maha-izy anao amin’ny ray aman-dreninao sy amin’ireo namana kristiana? Angamba ianao mandehandeha etsy sy eroa fotsiny miaraka amin’ireo namana any an-tsekoly, izay fantatrao fa tsy tian’ny ray aman-dreninao. Na angamba ianao latsaka ao amin’ny fitondran-tena ratsy lehibe kokoa, toy ny fifohana sigara, fanaranam-po amin’ny zava-pisotro misy alkaola, na firaisana alohan’ny fanambadiana. Na ahoana na ahoana, toy ny tamin’i Ann, resaka fotoana fotsiny dia tsy maintsy hiseho ny vokany lehibe.b
Na dia izany aza no miseho, dia tsy mahasakana velively ny tanora sasany amin’ny fahazarany mikomy izany toe-javatra izany. Izy ireo dia tahaka ilay lehilahy mijery ny tarehiny eo amin’ny fitaratra ka “miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny”. (Jakoba 1:23, 24). Manantena izahay fa tsy karazan’izany ianao. Angamba efa nanomboka nandinika ny tenanao ianao — ary tsy mahafinaritra anao izay hitanao. Maniry hiova ianao. Hitanao ny ilana hiovana. Ny fanontaniana dia hoe: Ahoana no hiovana?
Ny dingana voalohany — Fibebahana
Voalohany, dia tsy maintsy manao fanapahan-kevitra mazava ianao mba hiova. Mampirisika toy izao ny Asan’ny Apostoly 3:19: “Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo [“Jehovah”, NW]”. Mihoatra noho ny asa ataon’ny saina fotsiny anefa ny fibebahana. Ny hoe “mibebaka” dia midika hoe “mahatsapa nenina, alahelo fatratra, na fahoriana noho izay nataon’ny tena”. Nampirisika toy izao i Jakoba mpanoratra ao amin’ny Baiboly: “Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo. Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo [“Jehovah”, NW]”. (Jakoba 4:9, 10). Ahoana no ahafahanao mahatsapa alahelo amin’ny zavatra izay nahafaly anao ny nanao azy hatramin’izao? Eritrereto ny maha-ratsy azy io. Eritrereto hoe tamin’ny fomba ahoana izy io no nampalahelo an’Andriamanitra. Eritrereto ireo zava-manahirana nentin’ny fanaonao niafina ho anao sy ireo lainga voatery nolazainao mba hanafenana azy io. Tadidio fa halan’Andriamanitra ny famitahana! (Salamo 5:6, NW). Afaka manampy anao hanary ny fitondran-tena ratsy ny fieritreretana lalina an’ireo toe-javatra ireo ao an-tsaina sy ao am-po.
Tsy ampy fotsiny anefa ny mahatsapa alahelo momba izay nataon’ny tena. Ny lehilahy tanora iray atao hoe Robert, izay nidoroka niafina tamin’ny zava-mahadomelina, dia niaiky toy izao: “Nijaly aho tao anatiko. Fantatro ny ratsy sy ny tsara. Kanefa, nanohy nanana fiainana roa sosona aho.” Ilaina àry ny fanaovan-javatra amin-kerim-po! Ao amin’ny 2 Tantara 7:14, dia lazain’Andriamanitra fa raha “hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tava[ny] ary hiala amin’ny ratsy fanaony” ny mpanota, “dia hihaino any an-danitra [ny tenany] ka hamela ny helony”.
‘Ny fitadiavana ny tavan’Andriamanitra’ dia midika ho fanatonana azy ao amin’ny vavaka, fitsorana aminy ny fahadisoana natao, ary fangatahana famelana aminy. Mety tsy ho mora ny manao izany, nefa tsy misy isalasalana fa hahatsapa fanamaivanana lehibe ianao rehefa manao toy izany. Nilaza toy izao ny mpanao salamo: “Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra noho ny fitarainako mandrakariva. Fa efa navesatra tamiko andro aman-alina ny tànanao (...). Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko.” — Salamo 32:3-5.
Filazana amin’ny ray aman-dreninao
Misy olon-kafa tokony hahalala momba ireo zava-manahirana anao. Nefa iza moa izany? Nitsotra toy izao ny zatovo iray atao hoe Brian: “Ny iray amin’ireo fahadisoana lehibe indrindra nataoko dia ny firesahana ireo zava-nanahirana ahy tamin’ireo izay lazaina fa sakaizako, fa tsy tamin’ny reniko izay Kristiana. Natahotra ny hiresaka taminy aho noho izay noeritreretiko fa ho fihetsiny, koa nitodika tany amin’ireo sakaizako, izay nitarika ahy fotsiny hanalavitra kokoa hatrany ny fahamarinana, aho.” Aza manao fahadisoana tahaka izany. Atolory ny ray aman-dreninao tia an’Andriamanitra ny fonao. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 23:26.) Manana zo izy ireo hahafantatra izay nataonao. Ny toko faha-2 amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra dia mirakitra fanoloran-kevitra maromaro ny amin’ny fomba fanatonana ny ray aman-dreninao amin’io lafiny io.c
Mazava ho azy fa tsy afaka ny hanampo ianao hoe ho faly aminao izy ireo noho ianao nandainga taminy. Manam-pitiavana tsy miova ho an’ny zanany anefa ny ray aman-dreny. Ilay mpanoratra atao hoe Clayton Barbeau dia nanao izao fanamarihana izao: “Tsy hoe hanary ianao izy ireo satria nanao fahadisoana na tafiditra tao anatin’ny fahasahiranana ianao. Nisy ankizy bevohoka, voan’ny aretina azo amin’ny firaisana, nanaram-po tamin’ny zava-pisotro misy alkaola na zava-mahadomelina na tafiditra tamin’ny fahasahiranana hafa ary nilaza mialoha fa hihorohoro sy hahatsiaro rikoriko ary hamotika ny zava-drehetra ny ray aman-dreniny rehefa handre ny fahadisoan’izy ireo. Nefa rehefa nilaza ny zava-nanahirana azy tamin’ny ray aman-dreniny izy, dia nahita azy ireo namihina azy na nisakambina azy, sady nilaza hoe: ‘Eny àry, tena tojo fahasahiranana ianao, ary tsy maintsy jerentsika izay azo atao mba hamoahana anao amin’izany.’” Eny, rehefa nihena ny hamafin’ny fahatairana sy ny fahatezerana teo am-boalohany, ny ankamaroan’ny ray aman-dreny dia miezaka hanampy. Vao mainka marina izany rehefa matahotra an’Andriamanitra ny ray aman-dreny! Ny zavatra ahiny lehibe indrindra dia ny handaminana ny raharaha, fa tsy ny hampahamenatra na ny hampalahelo anao. (Ampitahao amin’ny Isaia 1:18, NW.) Amin’io lafiny io, dia mety handamin-javatra koa izy ireo mba hiresahanao amin’ireo loholon’ny kongregasiona. — Jakoba 5:14, 15.
Marina fa hisy famaizana mendrika sasany tsy maintsy hozakainao avy amin’ny ray aman-dreninao ary angamba fameperana henjana kokoa sasany. Nefa, raha ny marina, izany dia hanampy anao tsy ho latsaka indray ao amin’ireo fahazaranao taloha. Ambonin’izany, ny fifanazavana amin’ny ray aman-dreninao ary ny fahitana ny fiahiany feno fitiavana dia mety hanova ho tsara ny fomba fiheveranao azy ireo. Hatramin’izao angamba dia mbola sosotra noho ireo fitsipika sy fameperana omen’izy ireo ianao. Niaiky toy izao ny ankizivavy iray atao hoe Paulette: “Sarotra ny mandray torohevitra sy torolalana avy amin’ny ray aman-drenin’ny tena. Nefa nanjary tsapako fa andraisan’ny tena soa sy fahasambarana maharitra izy ireny.”
Fiova-namana
Mahalana no manaraka fiainana roa sosona amin’ny nahim-pony ny tanora iray. Mety ho nampirisika anao tamin’ny fikomiana ny maro tamin’ireo namanao! Mba hanalavirana ny fiverenana indray amin’ny fiainana miafina, dia tokony hanova ireo namanao ianao. Hoy ny mpanao salamo: “Tsy miara-mipetraka amin’ny olon’ny tsy fahamarinana aho; ary tsy miditra miaraka amin’ireo izay manafina ny maha-izy azy aho.” (Salamo 26:4, NW). Tsy mora ny manapaka ny fiarahana amin’ireo sakaiza taloha. Tahaka ilay mpanao salamo, dia mety hilainao ny hivavaka toy izao: “Vonjeo aho ho afaka amin’ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka.” (Salamo 43:1). Manaova zavatra mifanaraka amin’izany vavaka izany, amin’ny filazana amin’ireo namanao taloha fa efa niova ianao ary tapa-kevitra ny hanao izay mahitsy. Aza tonga mpianatr’i Jesosy amin’ny mangingina fa lazao amin’ny hafa kosa ny finoanao. (Ampitahao amin’ny Jaona 19:38.) Mazàna ireo naman-dratsy dia hitady namana hafa haingana.
Manaraka izany, dia ilainao ny manolo ireo naman-dratsy amin’ny namana mampandroso. Tsy ampy ve ireo tanora matahotra an’Andriamanitra? Eritrereto àry ny amin’i Jeremia mpaminany, izay nilaza toy izao: “Izaho tsy nipetraka na nifaly teo amin’ny fivorian’ny mpikorana, nitoetra irery aho noho ny fihazonan’ny tànanao ahy”. (Jeremia 15:17). Tsara kokoa ho anao ny hitoetra irery toy izay hiaraka amin’ny tanora izay hahatonga anao ho malemy ara-panahy. Azo atao anefa mazàna ny mahita tena namana raha manao fiezahana ianao. I Tammy, ohatra, dia nanomboka niaraka tamin’ny zanak’olo-mpiray tam-po taminy, izay mpitory ny filazantsara manontolo andro. “Nanjary tena nifandray akaiky izahay mirahavavy”, hoy i Tammy, mahatsiaro. “Tamin’ireo andro tsy fianarana, dia niara-nivoaka taminy tamin’ny asa fitoriana aho. Izany dia nanampy ahy hitondra fiovana teo amin’ny fiainako.”
Nefa “ny tena fiarovana tsara indrindra”, hoy ny tanora alemanina iray, “dia ny feon’ny fieritreretana tsara, izay vokatry ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra.” Ny zatovovavy iray, izay latsaka tao amin’ny fananana fiainana roa sosona, dia niaiky toy izao: “Tsy namboly fifandraisana akaiky mihitsy tamin’i Jehovah Raiko aho.” Tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fianarana manokana, dia nanomboka nanao fiovana izy. “Manana fifandraisana amin’i Jehovah tsy azon’iza na iza esorina amiko aho izao”, hoy izy faly erỳ. Afaka ny hanana fifandraisana akaiky toy izany amin’Andriamanitra koa ianao. Hitarika sy hanohana anao izy, na dia rehefa hitanao aza fa sarotra ny manova ny fahazaranao taloha. Milaza toy izao ny amin’ny mpanompo mahatokin’Andriamanitra iray ny Salamo 37:24: “Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.” Eny, noho ny fanampian’i Jehovah dia afaka miala amin’ny fananana fiainana roa sosona ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany.
b Jereo ireo lahatsoratra “Manontany ny Tanora hoe (...)” eo aloha.
c Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Teny notsongaina, pejy 23]
“Niezaka nandroaka tanteraka an’i Jehovah tsy ho ao an-tsaiko aho”
[Teny notsongaina, pejy 23]
Tsy maintsy manao fanapahan-kevitra mazava ianao mba hiova
[Sary, pejy 24]
Hazavao amin’ireo namanao taloha fa efa niova ianao ary tsy hiaraka amin’izy ireo intsony amin’ny fanaovan-dratsy