Manontany ny Tanora Hoe...
Filalaovana Amin’ny Fahalotoam-pitondran-tena — Inona no Maha-ratsy izany?
“Indray andro, sendra nitsidika ahy ilay ankizilahy niarahako, mba hoe hijery televiziona fotsiny, tamin’ny fotoana tsy naha-tao an-trano ny reniko”, hoy i Laura nahatsiaro.a “Tamin’ny voalohany izy dia nihazona ny tanako fotsiny. Avy eo, tampoka teo dia nanomboka nikasikasika ahy tamin’ny faritra hafa izy. Natahotra aho ny hilaza taminy mba hampitsahatra izany; nihevitra aho fa ho sosotra izy ka handeha.”
I LAURA sy ilay ankizilahy niarahany, araka izany, dia nanomboka nandeha tamin’ny lalana izay nitarika azy ireo lalindalina kokoa ho amin’ny fitondran-tena tsy mendrika. Ny fifanorohana feno fahamaimaizana dia nitarika ho amin’ny fanaovan-javatra tsy mendrika mbola ratsy kokoa aza. Vitsy anefa no tsy hankasitraka ny fitondran-tena toy izany eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Asehon’ireo fanadihadiana fa ny ankamaroan’ireo tanora any Etazonia dia efa nanao firaisana teo amin’ny faha-19 taonany! Ny fifanorohana lalina sy ny fanafosafoana ny faritra miafina kokoa eo amin’ny tena mihitsy dia heverina tsotra fotsiny ho fanalana andro tsy manimba. Misy tanora sasany mirehareha momba ny hoe lasa lavitra izy ireo tamin’ny fikasikasihany ny faritra maha-lahy sy maha-vavy.
Mampalahelo anefa fa tafiditra tamin’ny fanaovana fitondran-tena tsy mendrika toy izany ny tanora kristiana sasany. Toa mihevitra izy ireo fa raha mbola “tsy manao firaisana” dia tsy misy zavatra ratsy ataony.
Fahavoazana ara-panahy
Tsy marina velively izany. Melohin’ny Baiboly ireo izay mampiseho fahasahisahiana ratsy eo amin’ny fifandraisany amin’ny tsy lahy na tsy vavy tahaka azy. Izay heverin’ny sasany hoe fifanafosafoana sy fifanorohana “tsy manimba” fotsiny dia mety hifanitsy amin’ny antsoin’ny Baiboly hoe fahalotoana, fijejojejoana, na fijangajangana mihitsy aza. Izany dia fahadisoana lehibe izay mety hitarika ho amin’ny fandroahana avy ao amin’ny kongregasiona kristiana. — Galatiana 5:19, 21.
Tsy tokony horaisina amin’ny fomba maivana àry ny filalaovana amin’ny fahalotoam-pitondran-tena. Izany dia ‘fahalotoan’ny nofo sy ny fanahy’ — zavatra izay mety hitondra fahavoazana lehibe eo amin’ny fifandraisanao amin’Andriamanitra. (2 Korintiana 7:1). Amin’ny farany izany dia mety hahatonga ny sainao mihitsy ho “simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy”. (2 Korintiana 11:3). Ny tanora iray izay voatarika hanao fitondran-tena maloto, na mitarika olon-kafa iray hanao izany, dia tsy ho afaka hampiseho tsotra fotsiny “fitiavana [kristiana] avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy”. — 1 Timoty 1:5, 19.
Mety hahita alahelo ara-pihetseham-po izay olona lasa lavitra loatra amin’ny fanehoam-pitiavana. Araka ny ampahatsiahivin’ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazetiboky Seventeen antsika, izany dia satria “mety ho lasa lavitra sy tafahoatra toy ny amin’ny firaisana mihitsy (...) ny fomba samy hafa mety hifampikasikasihan’ny olona”. Na dia mety hanaitaitra ara-batana aza ny fifanorohana sy ny fifanafosafoana, dia mety ho hitan’ny ankizivavy indrindra ho mamela tsy fahafaham-po ara-pihetseham-po ao aminy ny fanaovana izany. Manao izao fanamarihana izao ny Gazety Momba ny Fanambadiana sy ny Fianakaviana (anglisy): “Milaza ireo vehivavy fa mahatsapa tahotra, fahatsiarovan-tena ho meloka, tebiteby, sy fahasanganehana ary rikoriko mihitsy aza.”
Fitiavana ve izany?
Diniho ny fitantaran’ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana toko faha-7, momba ny fitaoman’ny vehivavy janga iray ny tovolahy iray. Io vehivavy ratsy fitondran-tena io dia niteny tamin’ilay tovolahy toy izao: “Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ny andro, aoka ho feno fahafinaretana amin’ny fitiavana isika.” Tsy isalasalana fa hitan’itỳ tanora itỳ ho nanintona ny hoe tiavina. Nefa raha ny marina, ilay vehivavy janga dia ‘namitaka azy hanao firaisana tamin’ny teny maro, nitaona azy tamin’ny fandroboan’ny molony’. Tsia, tsy tena nanam-pitiavana an’ilay tovolahy izy; client fotsiny izy. Nohararaotin’ilay vehivavy janga hatramin’ny farany izy. — Ohabolana 7:18-21.
Amin’ny fomba mitovy amin’izany, dia tanora maro — indrindra ireo ankizivavy, no hararaotina amin’izao andro izao. Ireo ankizivavy indrindra mazàna no tsy maintsy resena lahatra mba hihoa-pefy. Araka ilay boky hoe The Compleat Courtship nosoratan’i Nancy Van Pelt, dia “nambaran’ny fandinihana iray fa ny hevitra miely patrana aroson’ny [ankizilahy] dia hoe: ‘Raha tia ahy ianao dia havelanao hikasikasika anao bebe kokoa aho.’ ” Nomarihin’ilay mpanoratra fa nampiasain’ny lehilahy “efa hatramin’ny fahagolan-tany” io hevitra io.
Tena mampiseho fitiavana anao ve anefa ny olona iray izay hitarika anao hanao fitondran-tena maloto sy melohin’ilay Andriamanitra Tsitoha? Tsia, araka ny Tenin’Andriamanitra. Mampahatsiahy antsika io boky io fa ny tena fitiavana dia “tsy manao izay tsy mahamendrika”. (1 Korintiana 13:4, 5). Nanao izao fanontaniana izao i Nancy Van Pelt mpanoratra: “Raha mahazo izay tadiaviny izy, inona no porofo hanananao fa tia anao izy rehefa vita izany rehetra izany? Azo inoana kokoa fa nampiasa anao izy.” — Ampitahao amin’ny 2 Samoela 13:15.
Rehefa manery ny ankizivavy iray mba handika ny fampiofanana sy ny fieritreretana kristiana azony ny ankizilahy iray, dia porofoiny fa diso izay mety ho fihamboany rehetra fa tia marina io ankizivavy io izy. Ary raha milaza ny tenany ho Kristiana ilay ankizilahy, dia porofoiny fa diso izany filazany izany. Ny ankizivavy izay tsy manohitra fa manaiky izany fampitahorana izany dia hararaotina, ampiasaina, ambanina ny fahamendrehany sy ny lazany. Mbola ratsy kokoa aza fa nanao asa maloto izy, angamba fijangajangana mihitsy aza, izay fandikana miharihary ny lalàn’Andriamanitra. — 1 Korintiana 6:9, 10.
Marina fa amin’ny nahim-pony no hanaovan’ny ankizivavy sasany izany. Nefa ny fifanekena hanao zavatra ratsy dia tsy mahatonga azy io ho tsara. “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany”, hoy ny Ohabolana 14:12.
Simba ny fifandraisana
Mety hihevitra ny sasany fa manatsara ny fifandraisana ireo fanehoam-pitiavana ara-nofo. Kanefa, tsy manamafy ny fifandraisana ny fisehoana ho sahisahy ratsy tafahoatra eo amin’ny lahy sy ny vavy. Mampihem-bidy azy io izany. Fara fahakeliny indrindra, dia mandrava ny fifanajana sy ny fifampitokiana izany. “Taorian’izany dia naharikoriko ahy ilay ankizilahy”, hoy ny fieken’ny ankizivavy iray izay nanao fitondran-tena maloto.
Ny tsy fifehezan-tena mandritra ny fiarahana alohan’ny fanambadiana dia mety mbola hisy vokany tsy manorina na dia aorian’ny fanambadian’ny olon-droa aza. Ny fifehezan-tena, ny faharetana sy ny tsy fitiavan-tena no fanorenana ho amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy mahafa-po ao anatin’ny fanambadiana. (1 Korintiana 7:3, 4). Nandritra ny fiarahana alohan’ny fanambadiana anefa, ny sasany dia nanao ho fahazarana ny ho resin’ny faniriana feno fitiavan-tena, tsy niraharaha ny fifehezan-tena, ary ninia tsy nifampihevitra ny fihetseham-pon’ny andaniny avy. Mety hahatonga ny fanambadiana hanana fiantombohana ratsy izany.
Rehefa miantomboka ny fifanorohana sy ny fifampikasikasihana feno fahamaimaizana, dia mazàna tapaka ny fifampiresahana misy heviny. Ny fifampiresahana mitokana ilaina — momba ny tanjona, ny zavatra irina, sy ny fihetseham-po — dia soloan’ny fihetsika manaitaitra ny fahamaimaizana tsy voahevitra. Mampitandrina toy izao ny Ohabolana 15:22 (NW ): “Tsy mahomby ny drafitra raha tsy misy fiaraha-midinika mangina”. Koa satria tsy nametraka fanorenana mafy orina ho an’ny fanambadiany nandritra ny fiarahany talohan’ny fanambadiana ny mpivady maro, dia miaritra fahadisoam-panantenana lehibe sy fahatsiarovan-tena ho meloka rehefa mivady amin’ny farany.
Vonoy ny fanirian-dratsy
Hevitra hafa iray tokony hoheverina ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ao amin’ny Kolosiana 3:5 manao hoe: “Vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana dia fanompoan-tsampy izany”. Tsy mampitony ny “fanirian-dratsy” ny fifanorohana sy ny fifanafosafoana fa vao mainka manaitra izany kosa. Ny tovolahy iray atao hoe Jack dia niaiky izay nitranga teo amin’izy sy ilay fofombadiny: “Tamin’ny voalohany izany dia fifanorohana tsotra. Nefa nanaraka izany dia nanjary fifanorohana feno fahamaimaizana sy fanafosafoana lalina, indray mandeha aza saika tonga tamin’ny fijangajangana mihitsy. Fantatro fa zava-dratsy tsy araka ireo fari-pitsipik’i Jehovah no nataonay.”
Ny ankizivavy iray atao hoe Vera, izay nanao fitondran-tena tsy mendrika tahaka izany koa, dia niaiky fa ny fifanorohana sy ny fifanafosafoana dia nahatonga azy haniry ny “hanao firaisana”. Indraindray dia izany indrindra no mitranga. Asehon’ny Baiboly fa manadonto ny feon’ny fieritreretana ny fahotana. (Hebreo 3:13). Rehefa manjary sahisahy ratsy ny olona iray, dia mety hitombo ny fanaovana zava-dratsy. Ny dingana mandroso iray eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy dia mitarika ho amin’ny hafa iray. “Alohan’ny hahatsapanao izany”, hoy ny fieken’i Laura (voaresaka teo am-piandohana), “dia tafiditra amin’ny fifanafosafoana lalina ianao. Ary fotoana kely fotsiny ato aoriana dia tafiditra amin’ny fijangajangana ianao. Izany no nitranga tamiko.”
Mampalahelo fa izany no nitranga tamin’ny tanora hafa maro be. Mampitandrina toy izao ny ohabolana iray fahiny: “Mahatondra afo ao an-tratran’akanjony va ny olona, ka tsy ho may ny akanjony?” (Ohabolana 6:27). Miharihary ny valiny. Ary ho an’ny tanora kristiana, dia tokony hihevitra amim-pahamaotinana izao fampitandremana omen’Andriamanitra izao izy ireo: “Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.” — Galatiana 6:7.
Ankoatra izany, dia manambara toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).” (Efesiana 5:5). Araka izany, dia misy vokany lehibe ny filalaovana amin’ny fahalotoam-pitondran-tena ary mety hamoizan’ny Kristiana iray ny fanantenany fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra mihitsy aza. — Apokalypsy 22:15.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany.
[Teny notsongaina, pejy 27]
Mampihem-bidy ny fifandraisana ny fahasahisahiana ratsy eo amin’ny lahy sy ny vavy
[Sary, pejy 26]
Hanampy anao hanalavitra ny toe-javatra mety hahitan-doza ny fanaovan-javatra mahasoa miaraka amin’ny antokon’olona