FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g94 8/10 p. 30-31
  • Moa ve Tsy Tia Vehivavy ny Apostoly Paoly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Moa ve Tsy Tia Vehivavy ny Apostoly Paoly?
  • Mifohaza!—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo porofon’ny maha-azo inoana ny tenin’i Paoly
  • Ireo vehivavy ao amin’ny taratasin’i Paoly
  • Fitsarana an-tendrony mampiseho tsy fitiavana vehivavy ve?
  • ‘Tokony hangina ny vehivavy’
  • Samy Sarobidy ny Andraikitry ny Lehilahy sy ny Vehivavy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • “Vehivavy izay miasa mafy ao amin’ny Tompo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Timoty — ‘Tena Zanaka Amin’ny Finoana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Nahazo torohevitra avy amin’ny loholona iray i Timoty
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Mifohaza!—1994
g94 8/10 p. 30-31

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Moa ve Tsy Tia Vehivavy ny Apostoly Paoly?

“IREO fampianaran’ny [apostoly] Paoly dia nampiasaina ho fototry ny fitsarana an-tendrony be dia be mampiseho tsy fitiavana vehivavy tao anatin’ny fiangonana kristiana.” Izany no nolazain’i Cecilie Rushton Mpitsara avy any Auckland, any Nouvelle-Zélande, tao amin’ny lahatsoratra iray naroso tao amin’ny Kaonferansa Momba ny Lalàna Mifehy ny Commonwealth natao tany Chypre, teo am-piandohan’ny taona 1993. “Ny Epistiliny ho an’i Timoty”, hoy ny teny nanampiny, “dia mampiharihary ny fiheviny: ‘Tsy mamela azy [ny vehivavy] hampianatra aho na hanjakazaka amin’ny lahy, fa tokony hangina.’ ” — 1 Timoty 2:12, DIEM.

Rehefa nanoratra momba ny anjara asa na ny toeran’ny vehivavy i Paoly, moa ve ny fiheverany manokana fotsiny no nolazaina, sa nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra izy? Raha jerena amin’ny fitambarany, moa ve ireo epistily, na taratasin’i Paoly ahitana taratry ny fitsarana an-tendrony mampiseho tsy fitiavana vehivavy tokoa? Ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana no mihatra ireo tenin’i Paoly ho an’i Timoty voatonona etsy ambony?

Ireo porofon’ny maha-azo inoana ny tenin’i Paoly

Amin’ireo boky 27 ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, dia 14 no nosoratan’i Paoly. Manondro ny fiasan’ny fanahy masina teo aminy ny fahaizany nahagaga niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra maro. Fanampin’izany, izy dia nanambara fa nahita fahitana nahagaga. (1 Korintiana 14:18; 2 Korintiana 12:1-5). Niteraka fatorana akaiky tamin’ny firaiketam-pon-drahalahy nafana teo aminy sy ireo Kristiana niara-belona taminy ny ohatra navelany nampiseho fahafoizan-tena sy fanaovan-javatra tamin’ny fo manontolo ary feno fitiavana. (Asan’ny Apostoly 20:37, 38). Ireo asa sorany, anisan’izany izay nolazainy momba ireo vehivavy, dia mahaforona tapany amin’ny “Soratra rehetra (...) ara-tsindrimandrin’andriamanitra sady mahasoa ho fampianarana”. — 2 Timoty 3:16, NW.

Ireo vehivavy ao amin’ny taratasin’i Paoly

Ahitana porofo be dia be ny amin’ny fankasitrahana sy ny fiheveran’i Paoly an’ireo vehivavy manerana ireo asa sorany. Imbetsaka izy no manisy firesahana ny amin’izy ireo amin’ireo anjara asan’izy ireo samihafa ao amin’ny kongregasiona sy ny fianakaviana. Ao amin’ny iray amin’ireo taratasiny, izy dia nampitaha ireo toetra manintona ananan’ny mpiandry kristiana iray amin’izay asehon’ny reny mitaiza iray. — 1 Tesaloniana 2:7.

Maro amin’ireo anabavy kristian’ilay apostoly, voatonona anarana ao amin’ireo taratasiny, no nahazo teny fiderana nafana avy taminy. Tafiditra tao amin’ireo fampamangiany an’ireo anisan’ny kongregasiona tany Roma ireo fampamangiana nalefa indrindra ho an’ny vehivavy sasany izay ‘nikely aina tao amin’ny Tompo’. (Romana 16:12). Mahakasika an’i Eodia sy i Syntyke, dia nampirisika ireo rahalahy tany Filipy izy mba ‘hanampy azy roa vavy fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny filazantsara izy’. (Filipiana 4:3). Tao amin’ny taratasiny ho an’i Timoty, i Paoly dia niaiky ny amin’ny finoana fakan-tahaka nananan’i Loisa reniben’io tovolahy io sy ny an’i Eonika reniny. — 2 Timoty 1:5.

Ho setrin’izany, misy ve ny filazana ny amin’izay tsapan’ireo anabavy kristian’i Paoly taminy? Soa ihany izy fa nanao teny fanamarinana nahakasika an’i Akoila sy i Prisila, mpivady iray izay nifaneraserany manokana sady akaiky, teny fanamarinana hoe tsy i Akoila ihany fa i Prisila vadiny koa, dia ‘nanolotra ny tenany hamonjy ny ainy’. — Romana 16:3, 4.

Fitsarana an-tendrony mampiseho tsy fitiavana vehivavy ve?

“Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy, ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra.” (1 Timoty 5:1, 2). Moa ve ireo tenin’i Paoly ho an’i Timoty ireo tsy mampiseho taratry ny fanajana tsara an’ireo vehivavy? Nanome voninahitra tamin’ny fatra nitovy an’ireo lehilahy sy vehivavy tao amin’ny kongregasiona kristiana i Paoly. “Tsy misy intsony na Jiosy na Grika”, hoy ny nosoratany, “na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy.” — Galatiana 3:28.

Momba ireo anjara asa nanendren’Andriamanitra ao amin’ny fanambadiana, dia nanoratra toy izao i Paoly: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy no Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.” (Efesiana 5:22, 23; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 11:3.) Eny, tsy mitovy ireo anjara asan’ny lehilahy sy ny vehivavy manambady tsirairay avy, kanefa tsy midika akory izany fa ambany ny iray amin’izy ireo. Mifameno ireo anjara asa, ary ny fanatanterahana ny tsirairay amin’izany dia mahaforona zava-tsarotra izay mampandroso ny fahasambaran’ny fianakaviana raha toa ka resy. Ankoatra izany, ny fampiharan’ny lehilahy manambady ny fahefany amin’ny maha-lohany dia tsy tokony havesatra na tsy hampiseho fitiavana. Nanohy ny teniny toy izao i Paoly: “Ny lehilahy [dia] tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany”, vonona ny hanao sorona lehibe ho azy. (Efesiana 5:28, 29). Tokony hankato ny ray sy ny reny ireo ankizy. — Efesiana 6:1, 2.

Tokony homarihina koa ireo tenin’i Paoly mahakasika ny firaisan’ny mpivady. Tsy nisy fanavakavahana no nanoratan’i Paoly toy izao: “Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin’ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy. Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy.” — 1 Korintiana 7:3, 4.

‘Tokony hangina ny vehivavy’

Mahakasika ireo tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 2:12, voatonona eo amin’ny fehintsoratra fanokafana, moa ve ny fanohanany ny ‘fanginan’ny’ vehivavy avy amin’ny fitsarana an-tendrony mampiseho tsy fitiavana vehivavy? Tsia! Ilay ‘fanginana’ takina dia nifandray tamin’ny fampianarana sy ny fampiharana fahefana ara-panahy tao amin’ny kongregasiona, ka tsy nahakasika ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy nandidian’Andriamanitra voaresaka teo aloha izany.a

Tsy midika izany fa ireo vehivavy dia tsy afaka ny ho mpampianatra ny fahamarinana araka an’Andriamanitra. Nampirisika an’ireo vehivavy anti-panahy i Paoly mba ho “mpampianatra ny zavatra tsara” amin’ireo vehivavy tanora fanahy kokoa. Amin’ny fanarahana ny ohatra navelan’i Eonika sy i Loisa, izay nampianatra an’i Timoty, ireo reny kristiana dia tokony hampiofana an’ireo zanany amin’ireo fomba araka an’Andriamanitra. (Titosy 2:3-5; 2 Timoty 1:5). Amin’izao andro izao, ao amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia vehivavy kristiana ana hetsiny maro no mahita fahafenoana ara-panahy amin’ny fanarahana ny ohatra navelan’i Eodia sy i Syntyke, amin’ny fitoriana ny vaovao tsara ampahibemaso sy amin’ny fanaovana mpianatra lehilahy sy vehivavy. — Salamo 68:11; Matio 28:19; Filipiana 4:2, 3.

Araka izany, inona no holazainao? Moa ve ireo asa soratr’i Paoly, raha jerena amin’ny fitambarany, manamarina ilay fanakianana hoe misy fitsarana an-tendrony mampiseho tsy fitiavana vehivavy?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Momba ilay fitenenana hoe ‘fanekena tanteraka’ ao amin’ny 1 Timoty 2:11 (DIEM ), ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe W. E. Vine dia nilaza toy izao: “Ilay didy dia tsy natao hitarika ho amin’ny fileferan’ny saina sy ny feon’ny fieritreretana, na ny fialana amin’ny andraikitra hanana fahaiza-mitsara zavatra manokana; ilay fehezanteny hoe ‘amin’ny fanekena rehetra’ dia fampitandremana amin’ny fakana an-keriny ny fahefana, toy ny eo amin’ny andininy manaraka, ohatra.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara