Lavin’ny “Fari-pitondran-tena Vaovao” ve ny Fahalalam-pomba?
‘Lozan’izay manao ny ratsy ho tsara, ny maizina ho mazava, ny mangidy ho mamy’. — Isaia 5:20.
NAHITANA fiovana faobe teo amin’ny fanao sy ny fari-pitondran-tena ny taonjato faha-20. Tao anatin’ireo am-polony taona maro nanaraka ireo ady lehibe roa, dia nanjary noheverina tsikelikely ho lany andro ireo zavatra noheverina ho sarobidy teo aloha. Nampiaiky ny maro ireo toe-javatra niova sy ireo tsangan-kevitra vaovao teo amin’ny lafin’ny fitondran-tena sy ny siansan’olombelona fa tsy manan-kery intsony ireo zavatra izay noheverina ho sarobidy teo aloha. Ireo fomba izay nananana fiheverana ambony teo aloha dia nesorina toy ny hoe zavatra nanembantsembana be loatra. Ireo toro lalana ao amin’ny Baiboly izay nohajaina teo aloha dia nolavina toy ny hoe efa lany andro. Mamepetra be loatra izy ireny ho an’ny fitambaran’olona manao ny danin’ny kibony, afaka, voaforon’ny isam-batan’olona faran’izay maoderina eto amin’itỳ taonjato faha-20 itỳ.
Ny taona 1914 no taona nahitana izany fiovana lehibe izany teo amin’ny tantaran’olombelona. Ireo asa soratry ny mpanoratra tantara mahakasika io taona io sy ny Ady Lehibe Voalohany dia feno fanamarihana nataon’izy ireo, izay manambara ny taona 1914 ho taona iray nisehoan’ny fiovana lehibe iray, taona tena manisy marika mampisaraka ireo vanim-potoana eo amin’ny tantaran’olombelona. Nanaraka ilay ady avy hatrany ireo taona 1920 nantsoina hoe “Les années folles” ary niezaka ny hanonitra ny fahafinaretana tsy azo nandritra ireny taonan’ny ady ireny ny olona. Nailika ireo zavatra noheverina ho sarobidy teo aloha sy ireo fameperana ara-pitondran-tena nanorisory mba hanokafana ny lalana ho amin’ny filibana. Naorina tamin’ny fomba tsotsotra ny fari-pitondran-tena vaovao iray, izay nampanaram-po tamin’ny fikatsahana fahafinaretana — tamin’ny fotony dia dingana voalohany ho amin’ny hoe azo atao ny zava-drehetra. Ilay fehezan-dalàna ara-pitondran-tena vaovao dia nitondra niaraka taminy, tamin’ny fomba tsy azo nialana, fiovana teo amin’ireo fomba.
Nanome fanazavana momba izany toy izao ilay mpanoratra tantara atao hoe Frederick Lewis Allen: “Ny vokatra iray hafa nentin’ilay fiovana tanteraka dia tsy vitan’ny hoe nanjary hafa fotsiny ireo fomba, fa — nandritra ny taona vitsivitsy — dia nanjary ratsy. (...) Nandritra io fe-potoana io, ireo vehivavy niandraikitra hotely fisakafoana (...) dia nahita fa tsy niezaka ny hiresaka taminy ireo olona nisakafo tao aminy, na teo am-pahatongavana na teo am-piaingana; nanjary fanao nekena ny ‘fahatongavana tsy nasaina’ tamin’ny fandihizana, nanjary ‘lamody ny tara’ tamin’ireo fanasana, nisy olona nametrapetraka sigara mbola nirehitra, nanaparitaka tain-tsigara teo amin’ny karipetra, tsy nisy fanaovana aza fady. Nampidinina ireo fameperana tranainy, tsy nisy vaovao naorina, ary nandritra izany fotoana izany dia nanaram-po ohatry ny kary an’efitra ireo tsy nahalala fomba. Indray andro any angamba, ireo folo taona nanaraka ilay ady dia mety ho fantatra amin’ny fomba mifanentana hoe ireo folo taonan’ny Tsy Fahalalam-pomba. (...) Raha toa ka tsy nahalalana fomba ilay fe-potoana, dia tsy nahitana fahasambarana koa. Niaraka lasa tamin’ilay fandehan-javatra tranainy ny fitambarana zavatra heverina ho sarobidy izay nanome vidiny sy nanome heviny ny fiainana, ary tsy mora hita ireo zavatra heverina ho sarobidy asolo izany.”
Tsy hita mihitsy ireo zavatra heverina ho sarobidy asolo izay namerina tamin’ny laoniny ny vidiny sy ny hevitry ny fiainana. Tsy niezahana nokarohina izy ireny. Ilay fomba fiaina nanaitaitra hoe azo atao ny zava-drehetra, fomba fiaina tamin’ireo taona 1920 nantsoina hoe “Les années folles”, dia nanafaka ny olona tamin’ireo fameperana ara-pitondran-tena, araka ny nitiavan’ny olona azy indrindra. Tsy nanary ny fari-pitondran-tena izy ireo, fa nanavao izany fotsiny, somary nanalefaka izany. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nantsoin’izy ireo hoe Fari-pitondran-tena Vaovao izy io. Ao amin’izy io, ny tsirairay avy dia manao izay marina eo imasony. Mitady ny tombontsoan’ny tenany izy. Manao izay tiany izy. Manaraka ny lalany manokana izy.
Na izay no fiheverany. Raha ny marina, telo arivo taona lasa izay, dia nilaza toy izao i Solomona Mpanjaka hendry: “Tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ny masoandro.” (Mpitoriteny 1:9). Na dia taloha kokoa aza, nandritra ny fe-potoan’ireo Mpitsara, ireo Isiraelita dia nanana fahalalahana lehibe raha ny amin’ny hoe hankato ny Lalàn’Andriamanitra izy ireo na tsia: “Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Isiraely tamin’izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.” (Mpitsara 21:25). Ny ankamaroan’izy ireo anefa dia niseho ho tsy vonona ny hitandrina ny Lalàna. Tamin’ny famafazana tamin’izany fomba izany, ny Isiraely dia nijinja an-jatony taona maro nisian’ny loza teo amin’ny fireneny. Toy izany koa, ireo firenena ankehitriny dia nijinja taonjato maro nisian’ny fanaintainana sy ny fahoriana — ary mbola ho avy ny ratsy indrindra.
Misy teny hafa iray mampahafantatra ilay Fari-pitondran-tena Vaovao amin’ny fomba voafaritra kokoa, dia ny hoe “relativisme”. Mamaritra azy io amin’izao fomba izao ny rakibolana iray: “Fiheverana iray fa ireo fahamarinana ara-pitondran-tena dia miankina amin’ny isam-batan’olona sy ireo antokon’olona mitana azy ireny.” Raha fintinina, ireo mpanaraka ny relativisme dia manizingizina fa na inona na inona tsara ho azy ireo dia fari-pitondran-tena ekena ho azy ireo. Namelabelatra momba ny relativisme ny mpanoratra iray rehefa nilaza hoe: “Ny relativisme, izay namitsaka ela tao ambany, dia nipoitra tamin’ny naha-filozofia nahazo vahana tamin’ny ‘fe-potoan’ny izaho aloha’ nandritra ireo taona fitopolo; mbola manjaka izy io eo amin’ny fomban’ireo yuppies [tanora mikarama be mandanilany foana] tamin’ireo taona valopolo. Mbola mety hanaiky eo amin’ny molotra ireo zavatra heverina ho sarobidy ara-pomba isika, kanefa eo amin’ny fampiharana, ny mety amiko dia izay tsara amiko.”
Ary mahafaoka ny fahalalam-pomba izany: ‘Raha tiako izany dia hataoko, raha tsy tiako dia tsy hataoko. Tsy hety amiko izany, na dia mampiseho fahalalam-pomba kokoa ho anao aza. Hanimba ny fanindrahindrako ny tenako izany, hahatonga ahy ho toy ny olona malemy, ho tonga kanosa.’ Miharihary fa ho an’ireny olona ireny, izany dia tsy mihatra fotsiny amin’ireo tsy fahalalam-pomba fa amin’ireo lafin-javatra mahafinaritra mora atao aoka izany koa, fanao isan’andro toy ny hoe: ‘Aza fady, Miala tsiny aho, Aza tsiny, Misaotra, Aoka hosokafako ny varavarana, Mipetraha eto amin’ny toerako ianao, Aoka hoentiko ny entanao.’ Izy ireny sy ireo fitenenana hafa dia tahaka ny menaka maivana izay mampisosa sy mahatonga hahafinaritra ny fifandraisantsika amin’ny hafa. ‘Ka ny fampisehoana fahalalam-pomba amin’ny hafa anie’, hoy ny fanoheran’ny mpanaraka ny izaho aloha, ‘dia hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fanarahako sy ny fanomezako taratra ny fisehoako ho voalohany e.’
Manazava ilay sosiology atao hoe James Q. Wilson fa ny mahatonga ny fitomboan’ny tsy fifanarahana sy ny fitondran-tena mendrika ny mpanao heloka bevava dia ny firodanan’izay “asiana firesahana amim-panamavoana ho toy ny ‘fari-pitsipiky ny saranga antonona’ ” ankehitriny, ary manohy toy izao ilay tatitra: “Ny tsy fisian’ireny fari-pitsipika ireny intsony sy ny fitomboan’ny relativisme ara-pitondran-tena dia toa mifandray amin’ny fihabetsahan’ny heloka bevava kokoa.” Azo antoka fa izany dia mifandray amin’ny fironana maoderina handa izay mety ho fameperana tsy anantitranterana ny maha-izy ny tena, tsy maninona na mety hampiseho tsy fahalalam-pomba izany na hanafintohina. Izany dia araka ny nilazan’ny sosiology iray hafa, i Jared Taylor, azy toy izao: “Nizotra tsy an-kiato avy tamin’ny fifehezan-tena ho amin’ny fanantitranterana ny maha-izy ny tena ny fitambaran’olona misy antsika, ary olona maro no mandà ireo zavatra heverina ho sarobidy lany andro ho toy ny mamepetra.”
Mahatonga anao ho mpitsara ny fitondran-tenanao manokana ka tsy hiraharaha ny fiheveran’olon-kafa, anisan’izany ny an’Andriamanitra, ny fanarahana ny relativisme. Manapa-kevitra ho an’ny tenanao ny amin’izay tsara sy izay ratsy ho anao ianao, tsy misy hafa amin’izay nataon’ireo olon-droa voalohany tao Edena rehefa nanda ny didin’Andriamanitra izy ireo ary nanapa-kevitra ho an’ny tenany ny amin’izay tsara sy izay ratsy. Namitaka an’i Eva ilay Menarana mba hihevitra fa raha tsy nankato an’Andriamanitra izy ka nihinana ilay voankazo voarara, dia ho tonga araka izay nolazainy taminy toy izao ny tarehin-javatra: “Hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” Koa naka tamin’ilay voankazo i Eva ka nihinana ary avy eo dia nanome an’i Adama tamin’izany, ka nihinana izy io. (Genesisy 3:5, 6). Ny fanapahan-kevitr’i Adama sy i Eva hihinana dia fanapahan-kevitra nampidi-doza ho azy ireo ary nitondra loza amin’antambo ho an’ireo taranany.
Taorian’ny nanaovana famintinana lava momba ny fandraisana kolikoly hita teo amin’ireo mpanao politika, mpandraharaha, mpanao fanatanjahan-tena, mpahay siansa, olona iray nahazo loka Nobel, sy mpitondra fivavahana iray, dia nilaza toy izao ny mpandinika iray tamin’ny lahateny nataony teo anatrehan’ny Sekoly Harvard Momba ny Fandraharahana: “Inoako fa mahita eto amin’ny tanintsika isika ankehitriny izay fidiko hantsoina hoe fiovan’ny toetra, famoizana an’izay noheverina araka ny lovantsofina, tamin’ny alalan’ny sivilizasiona tandrefana, ho ireo fameperana anaty sy fahatsaran-toetra anaty izay nisakana antsika tsy hampanaram-po ireo fironantsika voajanahary mampiseho fahambanian-tsaina.” Noresahiny ny amin’ireo “teny izay efa tsy hahazatra rehefa tononina eto amin’izao faritra manodidina izao, teny tahaka ny hoe herim-po, haja, adidy, andraikitra, fangorahana, fahalalam-pomba — teny izay efa tsy hampiasaina intsony”.
Tamin’ireo taona 60, teny amin’ireo faritry ny oniversite, dia nipoaka ny raharaha iadian-kevitra sasany. Maro no nanantitrantitra fa ‘tsy misy Andriamanitra, maty Andriamanitra, tsy misy zavatra misy heviny, tsy misy ny fari-pitsipika ambony, tsy misy heviny tanteraka ny fiainana, tsy afaka mandresy ny maha-tsinontsinona ny fiainana ianao raha tsy amin’ny fikatsahana ny tombontsoan’ny tena amin’ny fanaovana vivery ny aina’. Ireo hippies dia nihevitra izany ho toy ny filazana hoe mahazo mandeha amin’izay, ka nirotsaka izy ireo mba handresy ny maha-tsinontsinona ny fiainana tamin’ny ‘fitrohana cocaïne, fifohana marijuana, fanaovana firaisana malalaka, sy fitadiavana fiadanan-tsaina manokana’. Tsy nahita izany fiadanan-tsaina izany na oviana na oviana izy ireo.
Avy eo dia nisy ireo fihetsiketsehana ho fanoherana tamin’ireo taona 60. Mihoatra noho ny lamody niserana fotsiny, izy ireny dia noraisin’ny kolontsaina amerikana nahazo vahana tamin’izay ary nitarika ho amin’ny fe-potoan’ny Izaho Aloha tamin’ireo taona 70. Araka izany, isika dia niditra tao amin’ny fe-potoana izay nantsoin’i Tom Wolfe, ilay mpanao fitsikerana ara-tsosialy, hoe “ny fe-potoan’ny Izaho Aloha”. Izany dia niova niandalana hiditra ao amin’ireo taona 80, izay antsoin’ny sasany amim-panamavoana hoe “taona volamenan’ny faniriana mihoa-pampana”.
Inona no ifandraisan’izany rehetra izany amin’ny fahalalam-pomba? Izany dia momba ny fametrahana ny tenanao eo amin’ny toerana voalohany, ary raha mametraka ny tenanao eo amin’ny toerana voalohany ianao, dia tsy afaka milefitra mora foana eo anatrehan’ny hafa, tsy afaka mametraka ny hafa eo amin’ny toerana voalohany, tsy afaka mampiseho fahalalam-pomba amin’ny hafa. Amin’ny fametrahana ny tenanao eo amin’ny toerana voalohany, dia mety hanaram-po amin’ny endrika iray isehoan’ny fivavahana amin’ny tena ianao, raha ny tena izy, fivavahana amin’ny Izaho Aloha. Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly ny olona iray izay manao izany? Ho toy ny “olona manana faniriana mihoa-pampana — izany hoe mpanompo sampy”, izay mampiseho “fitsiriritana, izay fanompoan-tsampy”. (Efesiana 5:5, NW; Kolosiana 3:5, NW ). Iza moa ny tompoin’ireny olona ireny raha ny marina? “Ny kibony no andriamaniny”. (Filipiana 3:19). Ny fomba fiaina ankoatra ny efa mahazatra sady maharikoriko izay nofidin’ny olona maro ho mety ara-pitondran-tena ho azy ireo sy ireo vokatra mitondra loza amin’antambo, mahafaty, entin’ireny fomba fiaina ireny dia tsy manao afa-tsy ny manaporofo ny fahamarinan’ny Jeremia 10:23 hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.”
Nahatsinjo mialoha izany rehetra izany ny Baiboly ary nanambara mialoha an’izany ho toy ny lafiny fampitandremana ny amin’ny “andro farany”, araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5, New English Bible toy izao: “Tsy maintsy miatrika izao zava-misy izao ianao: Ho fotoan-tsarotra ny vanim-potoana faran’itỳ tontolo itỳ. Tsy ho tia afa-tsy ny vola sy ny tenany ny olona; hiavonavona sy hirehareha ary hiteny ratsy izy ireo; tsy hanana fanajana ray aman-dreny, tsy hanana fankasitrahana, tsy hanana fitiavam-pivavahana, tsy hanana firaiketam-po voajanahary; tsy ho azo ahodina amin’ny fankahalany izy ireo, ho mpanaratsy, tsy hahonon-tena sy ho lozabe, tsy hahalala ny hatsaram-po rehetra, ho mpamadika, ho mpanao vivery ny ainy, hibontsina noho ny fizahozahoana. Izy ireo dia ho olona hametraka ny fahafinaretana eo amin’ny toeran’Andriamanitra, olona izay hihazona ny endrika ivelan’ny fivavahana, saingy ho fandavana maharitra ny fisian’izy io. Halaviro ny olona tahaka ireny.”
Nihataka lavitra an’izay namoronana antsika — araka ny endrik’Andriamanitra sy nitovy taminy — isika. Mbola ao amintsika ireo toetra mety hiseho, dia ny fitiavana, ny fahendrena, ny rariny, sy ny hery, saingy efa nanjary tsy voalanjalanja sy niova. Aseho eo amin’ny fehezanteny farany ao amin’ilay andinin-teny ao amin’ny Baiboly voatonona eo ambony ny dingana voalohany eo amin’ny lalan’ny fiverenana: “Halaviro ny olona tahaka ireny.” Mitadiava faritra manodidina vaovao izay hanova ireo fihetseham-ponao anaty mihitsy aza. Hahitana fianarana mba hahatratrarana izany zava-kendrena izany ireo teny feno fahendrena nosoratan’i Dorothy Thompson, taona maro lasa izay, tao amin’ny The Ladies’ Home Journal. Ny teniny nalaina dia manomboka amin’ny filazana fa mba handresena ny ditran’ny tanora, dia tena ilaina ny hitaizana ny fihetseham-pon’ny tanora fa tsy ny fahaizany ara-tsaina.
“Ny ataony sy ny fihetsiny raha mbola ankizy dia mamolavola be indrindra ireo hataony sy fihetsiny rehefa olon-dehibe. Tsy atosiky ny atidohany anefa izany fa atosiky ny fihetseham-pony. Manjary izay ampirisihana azy sy anazarana azy mba ho tiany, hoderainy, hivavahany, hankamaminy, sy hanaovany sorona, izy. (...) Amin’izany rehetra izany ny fahalalam-pomba dia mitana toerana lehibe, satria ny fahalalam-pomba dia tsy inona fa ny fampisehoana fiheverana ny hafa. (...) Aseho taratra eo amin’ny fitondran-tena ivelany ireo fihetseham-po anaty, kanefa mandray anjara amin’ny fambolena ireo fihetseham-po anaty koa ny fitondran-tena ivelany. Sarotra ny hahatsapan-tena ho te hiady raha mbola mitondra tena amim-piheverana. Mety ho fisehoana ivelany fotsiny ny fahalalam-pomba eo am-piandohana, kanefa mahalana izy ireny no mijanona ho toy izany.”
Nahamarika koa izy fa, raha tsy tena maningana, ny hatsaram-po sy ny faharatsiana “dia tsy volavolain’ny atidoha fa ny fihetseham-po” ary “ireo mpanao heloka bevava dia tsy tonga olona toy izany avy tamin’ny fanamafisana ireo lalan-dra, fa avy tamin’ny fanamafisana ny fo”. Nasongadiny fa ny fihetseham-po no mifehy ny fitondran-tenantsika matetika kokoa noho ny saina ary ny fomba nanazarana antsika, ny fomba itondrantsika tena, na dia terena aza eo am-boalohany, dia misy heriny mitaona eo amin’ny fihetseham-po anaty ka manova ny fo.
Kanefa, ny Baiboly no manan-tombo amin’ny fanomezana ilay fitsipika mandrisika mba hanovana ny maha-izy anaty ny fo.
Voalohany, Efesiana 4:22-24: “[Tokony, NW ] hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka (...) [Tokony, NW ] hohavaozina kosa hianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary [tokony, NW ] hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.”
Faharoa, Kolosiana 3:9, 10, 12-14: “[Esory, NW ] ny toetra taloha mbamin’ny asany, ary [mitafia] ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy. Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa [fatorana mampiray tanteraka, NW ] izany.”
Hoy ilay mpanoratra tantara atao hoe Will Durant: “Ny fanontaniana lehibe indrindra amin’izao androntsika izao dia tsy hoe ny kominisma mifanandrina amin’ny fikatsahana ny tombontsoan’ny tena, na i Eoropa mifanandrina amin’i Amerika, na ny Atsinanana mifanandrina amin’ny Andrefana aza; izany dia hoe: na afaka ho velona tsy misy an’Andriamanitra ny olona na tsia.”
Mba hananana fiainana ahitana fahombiazana, dia tsy maintsy manaraka ny toroheviny isika. “Anaka, aza manadino ny lalàko; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; fa andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao. Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana; afehezo eo am-bozonao izany, ary soraty eo amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka, ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona hianao. Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao”. — Ohabolana 3:1-6.
Rehefa dinihina tokoa, dia tsy zavatra manembantsembana be loatra ireo fahalalam-pomba mampiseho hatsaram-panahy sy fiheverana nianarana nandritra ny taonjato maro niainana, ary ireo toro lalana ao amin’ny Baiboly momba ny fomba fiaina dia tsy lany andro velively fa hiseho ho fanampiana amin’ny famonjena mandrakizay ny taranak’olombelona. Raha tsy misy an’i Jehovah, dia tsy ho afaka hanohy ny ho velona izy ireo, satria ‘ao amin’i Jehovah no misy ny loharanon’aina’. — Salamo 36:9.
[Teny notsongaina, pejy 11]
Misy heriny mitaona eo amin’ny fihetseham-po anaty ka manova ny fo ny fomba itondrantsika tena, na dia terena aza eo am-boalohany
[Efajoro, pejy 10]
Fahalalam-pomba Tsy Misy Tsininy eo Am-pisakafoana Izay Azon’ny Olona Alain-tahaka Tsara
Indreo vorona antsoina hoe Bombycilla cedrorum, vorona tsara tarehy, mahalala fomba, tena mahay mifandray, miara-manao fanasana eo amin’ny kirihitra lehibe iray feno voaroy masaka. Milahatra manaraka sampan-kazo iray izy ireo mihinana ireo voankazo, kanefa tsy amin-katendana velively. Mifampita miverimberina voaroy iray amin’ny vavany izy ireo, mandra-pihinan’ny iray azy io amim-pahalalam-pomba amin’ny farany. Tsy manadino ny “zanany” mihitsy izy ireo, ka tsy mety reraka mitondra sakafo, dia voaroy miampy voaroy, mandra-pahavokin’ireo vava noana rehetra.
[Sary nahazoan-dalana]
H. Armstrong Roberts
[Sary, pejy 8]
Milaza ny sasany hoe: ‘Ario any ny Baiboly sy ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena’
[Sary, pejy 9]
“Maty Andriamanitra”
“Tsy misy heviny ny fiainana!”
“Fohy ny ‘marijuana’, trohy ny ‘cocaïne’”
[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]
Havia: Life; Havanana: Grandville