FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g95 8/7 p. 31
  • Ilay Famakiloha Tokan-tsofina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Famakiloha Tokan-tsofina
  • Mifohaza!—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Mason’ny Patsabe Famakiloha
    Mifohaza!—2010
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2010
  • Sofina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fihainoana, Fandrenesana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Mifohaza!—1995
g95 8/7 p. 31

Ilay Famakiloha Tokan-tsofina

Taonjato maro lasa izay, ireo angano grika dia nilazalaza ny amin’ireo Cyclopes mahatahotra, goavam-be toka-maso izay nipetraka tany amin’ny tany lavitra be iray. Tsy nisy afa-tsy tao amin’ny saina tia namoromporon’ny olona ihany ireny sampona ratsy tarehy ireny.

Kanefa, vao haingana ireo mpahay siansa dia nahita, tamin’ny fomba tsy nampoizina, zavaboary tokan-tsofina maro be — teo ambanin’ny masony mihitsy. Izany dia ny famakiloha.

Nahoana no tsy fantatra raha tsy vao izao ny tsiambaratelon’ny famakiloha? Nihevitra hatramin’ny ela ireo mpahay siansa fa tsy maintsy ho marenina ny famakiloha, satria tsy mamoaka feo na mamaly ny feo, tahaka ny ataon’ireo bibikely hafa. Mbola mampisafotofoto bebe kokoa izany ny hoe ny sofin’ny famakiloha dia tsy eo amin’ny lohany, eo amin’izay anampoizanao azy. Manazava ny gazetiboky Natural History fa ny sofiny dia “loaka lalina iray, tokony ho iray milimetatra ny halavany”, eo amin’ny fanambanin’ny vatan’ny famakiloha.

Tsy somary manahirana ve ny tsy fananana afa-tsy sofina tokana eo amin’ny toerana sarotra inoana toy izany? Isika olombelona dia mampiasa ny sofintsika roa mba hamantarana ny toerana iavian’ny feo iray. Toa afaka mivelona tsy misy an’izany fahaizana izany ny famakiloha. Natao mba hampitandremana azy ny amin’ireo fisehoan-javatra mahatandindomin-doza ny aina ny taovam-pandrenesany. Manana mpamantatra sonar (mampiasa onjam-peo mba hamantarana ny fisian’ny zavatra iray) efa raikitra ao aminy ny famakiloha.

Afaka maharay feo ultrasonique (onjam-peo manana hatetika mihoatra noho izay ren’ny olombelona), indrindra fa ny feo avoakan’ny ramanavy eo am-pihazana bibikely tahaka ny famakiloha, ny sofin’ny famakiloha. Manao tatitra ny Natural History fa nahita famakiloha nirifatra haingana ireo mpahay siansa rehefa nanatona ny ramanavy iray, izany dia noho ny taovam-pandrenesana matsilo ultrasonique ananan’ilay famakiloha. Kanefa ahoana no ahafahan’ilay famakiloha mandositra ramanavy, izay afaka manidina avo telo na efatra heny haingana kokoa noho io rembiny io?

Rehefa voarain’ilay famakiloha ilay famantarana loza ultrasonique — mazàna rehefa ao anatin’ny faritra tokony ho 10 metatra ilay ramanavy — ao anatin’ny iray segondra, dia milatsaka ambany be izy. Toa manao izany izy amin’ny finiavana mitambotsotra, fomba fiady fiarovana mitovy amin’izay ampiasain’ireo mpanamory fiaramanidina mpiady maoderina. Raha ny marina, dia nanome fanazavana ny Natural History fa ny famakiloha dia “manolotra lesona ambony raha ny amin’ny stratejian’ny ady ana habakabaka”.

Ahoana no nianaran’ny famakiloha ‘stratejia ambony amin’ny ady ana habakabaka’? Iza no namolavola ny fitaovam-pandrenesany ultrasonique? Azo antoka fa ny valiny lojika dia izay nomen’i Joba patriarika: “Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tànan’i Jehovah?” — Joba 12:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara