Avy Amin’ny Mpamaky
Ny Fangatahana Andro Lava Nosoratana tamin’ny fomba azo ampiharina sy feno hatsikana ilay lahatsoratra hoe “Ny Fangatahana Andro Lava — Ilay Mpangalatra Fotoana” (Jolay-Septambra 1995). Teo am-pamakiana azy io aho dia nanjary nihomehy irery, satria nanana ilay fahazarana faran’izay ratsy nangataka andro lava aho.
F. B. H., Brezila
Mpangataka andro lava foana aho teo amin’ny ankabeazan’ny fiainako, koa fanazavana tonga tamin’ny fotoana nilako azy indrindra izy io. Voasoratra tamin’ny fomba tsara izy io, ary mikasa ny hampiasa ilay fanazavana aho mba hanampiana ny tenako handamina tsara kokoa ny fotoanako. Matetika aho no naniry hanoratra taratasy fisaorana noho ireo lahatsoratra maro samy hafa saingy tsy nahavita izany mihitsy. Izao aho dia nahatontosa izany tamin’ny farany!
M. H., Etazonia
Teo am-pamadibadihana ny pejin’ilay gazety aho no nahamarika ilay lahatsoratra. Namaky ilay teny fampidirana aho, nieritreritra ny hamaky ny sisa amin’ilay lahatsoratra, any aoriana. Hoy anefa ireo teny fanokafana hoe: “Aoka aloha! Aza apetraka itỳ lahatsoratra itỳ!” Takatro ankehitriny fa namela ny tenako hangalarana fotoana aho noho ny fangatahana andro lava.
A. E., Italia
Mpanjaitra aho, ary fomba fiainako teo aloha ny fangatahana andro lava. Nataoko tsirambina ny fanaovana lisitra, ny fanankinana tamin’ny fotoana nety, sy ny fiomanana ho amin’ny fiatoana. Izao anefa aho dia nianatra nampihatra ireo fanoloran-kevitrareo, ka mahatsapa ireo valisoa aho.
S. N., Nizeria
Andro Farany Amin’ny maha-evanjelisitra manontolo andro ahy, dia tiako ny hisaotra anareo noho ireo gazetintsika. Teo am-pamakiako ireo fitohitohizan-dahatsoratra nasongadina tao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Aprily 1995, hoe “Vivons-nous les derniers jours?”, dia hoy aho anakampo: ‘Mazava sy mivantana ary be sary tsara mihitsy izany raha lahatsoratra!’ Tena nanampy mba hahatakarana ny zava-misy tamin’ny fomba mazava tokoa ilay firafitra sy ny famoahana sary faran’izay kanto ary ireo fanazavana ny sary, ka nahatonga an’ireo lahatsoratra ho mora vakina sy mora azo. Nahafinaritra erỳ ny nanolotra gazety toy iny tamin’ireo mpiara-monina!
J. B., Etazonia
Zona Namaky ilay lahatsoratra navoakanareo hoe “Le zona: une maladie douloureuse” (22 Aprily 1995) aho. Telo andro taorian’izay aho dia voan’ny tandomerina, izay nisy nitoviana akaiky tamin’ilay filazalazana ny zona tao amin’ilay lahatsoratra navoakanareo. Nankany amin’ny dokotera aho ka nilaza taminy fa nihevitra aho fa voan’ny zona. Araka ny nampoiziko, dia nilaza tamiko izy fa “tena mahira-tsaina” aho — marina ny famantarana aretina nataoko! Koa satria hita aloha ilay aretina, hoy izy, dia ho voatsimbina amin’ny fanaintainana be dia be izay mahazo ny ankamaroan’ireo mararin’ny zona aho. Misaotra noho ilay lahatsoratra navoakanareo!
K. B., Etazonia
Matriochka Misaotra noho ilay lahatsoratra navoakanareo hoe “Matriochka: une drôle de poupée!” (22 Aprily 1995) Teo am-pamakiako azy io dia nanaitra ahy ny fomba nanoratana azy. Kanto erỳ ireo sary! Efa nanintona ahy io saribakoly io hatramin’ny fahakeliko, saingy tsy nisy zavatra fantatro momba ny niandohany. Izao aho dia tsy maintsy hampiaiky olona mba hividy iray ho ahy!
M. T., Italia
Fanalana Zaza Nitana ny saiko ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ny Fanalana Zaza — Io ve no Vahaolana?” (Jolay-Septambra 1995). Efatra amby roapolo taona lasa izay, fony aho bevohoka teo amin’ny faha-15 taonako, dia nahatsapa ireo fihetseham-po maro nitovy tamin’ny an’ireo zazavavy voatonona ao amin’ilay lahatsoratra aho. Nampirisika ahy hanala zaza ny rain’ilay zaza, kanefa nanapa-kevitra ny hiteraka ilay zanako aho. Naniry ny hanomezako an’ilay zaza hatsangan’olona ny pretranay. Tsy nandia ny tokonam-baravaran’ny Eglizy Katolika intsony mihitsy aho! Nanohana anefa ny ray aman-dreniko. Nanomboka nieritreritra ny hanome fitaizana ara-panahy mafy orina ho an’ny zanako aho. Rehefa tonga tao an-tranonay ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanaiky fampianarana Baiboly aho ary tsy ela dia natao batisa. Amin’izao andro izao aho dia manambady amim-pahasambarana. Ary ny zanako lahy? Manompo any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Mihoron-koditra aho mieritreritra ny amin’ilay zavatra azo nisafidianana voalohany — ny fanalana zaza. Tsy io no vahaolana!
G. J., Etazonia