“Paoma Iray Isan’andro Hanina dia Tsy Hila Dokotera”
JEREO ireto paoma mena mahafinaritra ireto. Moa ve tsy toa maha-te hihinana izy ireo? Azo antoka fa izany no izy — ary tsy isalasalana fa noho ny antony tsara. Natao handray anjara amin’izay mahatsara sy mahasalama tsara anao ny paoma. Amin’ireo karazany maro amin’ny voankazo mahasoa atao sakafo, dia ny paoma no iray amin’ireo loha laharana. Araka izany, dia mitaona anao hitondra soa ho an’ny tenanao izy.
Anisan’ny fianakavian’ny raozy (rosacées) ny hazo paoma, toy ny poara, ny kaontsy, ny aubépine, sy ny sorbier. Feno zava-mamy ny tsiron-kazon’ireo hazo rehetra ireo. Manana loko maitso, mavo, sy mena maro samihafa, miaraka amin’ny tsiro manomboka amin’ny marikivy ka hatramin’ny mamy, ireo voankazony mamerovero.
Maneran-tany dia paoma eo anelanelan’ny 17 ka hatramin’ny 18 tapitrisa taonina no vokarina isan-taona. Any Etazonia, dia tokony ho ny antsasany no hanina amin’izao. Ny sisa dia ampiasaina mba hanaovana karazan-javatra toy ny paoma marihitra, ranom-boankazo, paoma nandrahoina sy nohamamina, karazana kaonfitira amin’ny ranony, toaka, sidira (cidre), tarte sy mofomamy hafa, vinaingitra, sy divay. Any Eoropa dia atao sidira sy divay ary toaka ny ampahany lehibe amin’ny vokatra. Amin’ny vokatra rehetra maneran-tany, dia tokony ho ny ampahefany no atao sidira.
Mialoha be ny hahazoantsika tsirony amin’ilay voankazo ao am-bavantsika anefa, dia fahafinaretana ho an’ny masontsika ny mijery hazo paoma mamelana tanteraka. Voaravaka voninkazo fotsy misy sisiny mavokely sady maro aoka izany izy io, hany ka raha lasa paoma izy rehetra, dia tsy hahazaka ny havesarany ilay hazo. Mazàna ny oram-baratra aloha iray amin’ny fahavaratra dia hampihintsana ny sasany amin’ireo voninkazo.
Fambolena paoma
Maniry tsara indrindra ny hazo paoma ao amin’ny Fehivorintany Ivo (zone tempérée). Ary nambolena hatramin’ny fahagolan-tany izy io. Voatonona inenina ao amin’ny Baiboly ny hazo paoma sy ny paoma.a Nankafy azy io ny Romana, ary tamin’ny fandreseny ara-tafika maro be, dia nampiditra ny fambolena karazana paoma samihafa nanerana an’i Angletera manontolo sy ny tapany hafa tamin’i Eoropa izy ireo. Nitondra masombolim-paoma sy hazo paoma niaraka taminy avy tany Angletera ireo mpanjana-tany amerikana tany am-boalohany.
Tamin’ny alalan’ny fanandramana be dia be, dia nanatsara ny karazam-paoma tamin’ny alalan’ny fampiteraham-boa ireo mpamboly maro nifandimby. Izany anefa dia tsy fanaovan-javatra haingana. Mety handany hatramin’ny 20 taona ny famokarana karazam-paoma vaovao iray azo amidy. Amin’izao andro izao anefa, noho ny faharetan’ireo mpamboly, dia manana karazana maro be amin’ny paoma be ranony sy miloko samihafa izay azo isafidianana, isika.
Fanangonana
Manomboka amin’ny Jolay na Aogositra ny fotoan’ny paoma any amin’ny Ila Bolan-tany Avaratra. Tsy azo tahirizina ela anefa ny karazana masaka voalohany, toy ny James Grieve na ny Transparent. Tokony hohanina haingana izy ireo, na hohanina amin’izao na andrahoina. Kanefa, izy ireo dia mandranitra ny fahazotoan-komantsika ho amin’izay hanaraka: paoma Golden, paoma varimasaka, paoma reinette, paoma mamy — raha tsy hanonona afa-tsy vitsivitsy monja amin’ireo karazany an’arivony maro isika.
Tokony hangonina amin’ny toetr’andro maina ny paoma. Tokony hotazana amim-pitandremana izy mba tsy ho simba ny rantsana vaovao sy ny raviny. Rehefa tena masaka ny paoma, dia hampiala mora foana an’ilay voankazo eo amin’ny sampaho ny fanodinana azy kely. Zava-dehibe ny hitandremana mba tsy hisaraka amin’ilay paoma ny tangozany, satria hiteraka fahavoazana, hanimba ny fotoana haharetan’ilay voankazo izany.
Tokony havela eny am-potony ela araka izay azo atao ireo karazana masaka aoriana kokoa — raha mamela izany ny toetr’andro. Raha toa ka ngolin’ny hatsiaka mamanala tonga aloha ireo paoma eny am-potony, dia tokony hahemotra ny fiotazana mandra-pisindan’ny fanala. Mahazaka hatsiaka ambany kely kokoa noho ny zero degre ny paoma, miankina amin’ny ambaratongam-pahamasahany sy ny zava-mamy ao anatiny, kanefa rehefa avy ngolin’ny hatsiaka sy nisindan’ny fanala izy, dia tsy azo tahirizina. Tokony hamboarina haingana ho ranom-boankazo, handrahoina, na hatao vinaingitra izy; tsy azo mainina izy.
Fitahirizana
Lafiny miavaka iray mahaliana amin’ny paoma ny hoe miaina izy. Mandray oksizena avy amin’ny rivotra izy ary mamoaka roanôksida-na karibônina, sy rano koa. Noho izany, arakaraka ny mampahafana ny manodidina no mampanary rano sy mampikainkona azy haingana kokoa. Amin’ny alalan’ny fiainana no andraisany fofona avy amin’ny manodidina azy koa. Noho izany, dia tsara indrindra ny hitahirizana azy irery amin’ny maripana tokony ho dimy degre Celsius.
Hahatonga ny paoma tsy hitana ny tsirony voalohany ny fitahirizana azy ao anaty lakaly miaraka amin’ny ovy. Ambonin’izany, dia tokony hotahirizina misaraka ireo karazany samy hafa. Ary tsara indrindra raha fonosina mitsitokantokana ao anaty taratasy ireo paoma. Mampiadana ny fahaverezan-drano sy mampihena ny loza entin’ny fanimban’ny eo akaikiny izay mihalo, izany.
Hasarobidiny ara-pahasalamana
Voalaza hoe “paoma iray isan’andro hanina dia tsy hila dokotera”. Na dia tsy izany foana aza no mitranga, dia tena manana an’io laza tsara io ny paoma. Nahoana? Noho ireo zavatra misy ao anatiny izay mety hahasoa ny fahasalaman’ny tena.
Trano kely fitahirizana otrikaina tena ilaina ny singana paoma tsirairay. Rehefa masaka izy, dia misy vitamina B1, B2, B6, C, sy E ao anatiny. Manolotra karazana zava-mamy, toy ny deksitrozy sy ny friktozy ary ny sakarozy, koa izy. Ny fitambaran’ny asidra ao aminy no mahatonga ilay tsirony. Fanampin’izany, dia misy raha mineraly maro ao anatiny, toy ny kalsioma, ny manezioma, ny potasioma, sy ny hafa, ary koa pectine sy fibre. Tokony ho ny 85 isan-jaton’ny paoma dia rano.
Ny raha hafa hita ao amin’ny paoma dia ny etilenina, izay miasa indrindra amin’ny maha-mpifehy voajanahary ny fitomboana ka mampandroso ny fahamasahan’ilay voankazo. Azo ampiasaina amin’ny fomba tsara io raha miendrika gaza io raha manana voatabiha manta na zavokà mafy ianao. Apetraho ao anaty harona taratasy miaraka amin’ny paoma masaka vitsivitsy izy ireo, ary dia ho masaka haingana kokoa.
Koa satria manana hasarobidiny ara-pahasalamana ny paoma, dia zava-dehibe ny hahafantarana ny fotoana sy ny fomba hihinanana azy ireo. Voalohany indrindra, dia tokony ho masaka izy. Ary tsara kokoa ny tsy hihinanana paoma mangatsiaka; avelao hipetraka kelikely hahazo ny hafanan’ny efitrano izy. Zava-dehibe koa ny hitsakoana azy tsara.
Mahaliana fa manana toetoetra izay voalaza fa mahasoa amin’ny fanadiovana ny rafi-pandevonan-kanina ny paoma. Ireo toetoetra ireo ihany dia manampy amin’ny fitsaboana ny fitohanana sy ny aretim-pivalanana.
Teny fampitandremana
Mety ho bobongolo ny paoma, ary koa ny voankazo hafa. Noho izany, dia mifanentana ny fitandremana sasany. Mety hahatonga ny tena ho tsy metimety sy handoa ny poizina vokatr’izany. Noho izany, dia aoka ianao ho maodimaody amin’izay bobongolo, ary esory, tsy ilay tapany bobongolo ihany, fa ny ampahany manodidina ilay faritra simba koa, satria mirona hihanaka ilay poizina.
Na dia izany aza, dia mandray anjara amin’izay mahasalama tsara anao ny paoma. Koa raha tianao ny “tsy hila dokotera”, dia miezaha àry hihinana paoma iray isan’andro!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hazo paoma: Tonon-kiran’i Solomona 2:3; 8:5; Joela 1:12. Paoma: Ohabolana 25:11; Tonon-kiran’i Solomona 2:5; 7:9.
[Sary, pejy 14]
Mahafinaritra ny maso ny mijery hazo paoma mamelana tanteraka