Fahafahana Amin’ny Tsy Fananana Asa — Amin’ny Fomba Ahoana ary Rahoviana?
TAHAKA ny Mpamorona azy, ny olona dia afaka mahita fifaliana eo amin’ny asa, izay faritana ara-drariny hoe “fanomezan’Andriamanitra”. (Mpitoriteny 3:12, 13; Jaona 5:17). Afaka manome antsika fahasambarana sy mahatonga antsika hahatsiaro tena ho mahasoa sy ilaina, ny asa mahaliana iray. Azo antoka fa tsy misy olona maniry hamoy asa, na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho hakelin’ny fankafizany azy io. Ankoatra ny hoe miantoka karama, ny asa andraisan-karama dia manome eo amin’ny fiainan’ny tena, firindrana sy zava-kendrena ary fahatsapana ho manana ny maha-izy ny tena. Tsy mahagaga raha mazàna “ireo tsy an’asa no maniry asa mihoatra noho ny zava-drehetra”.
Eo am-pikarohana asa
Araka ny efa hitantsika, dia tena mifamahofaho ny tarehin-javatra eo amin’ny tsenan’ny asa. Vokatr’izany, dia misy fomba mandaitra maro hitadiavana asa. Na iza na iza manan-jo hahazo ny fanampian’ny fitondram-panjakana ara-bola an’ireo tsy an’asa, dia afaka mampiasa izany izy any amin’izay misy izany; ary any amin’izay azo ampiharana azy, dia azon’izy ireo atao ny misoratra anarana any amin’ny biraon’ny fitadiavana asa ka mampiasa an’ireo fanampiana atolotra. Mahita asa amin’ny famoronana asa tena ny hafa. Tokony haneho fitandremana anefa izy ireo. Matetika ireo miasa tena dia tsy maintsy manao fandaniana be eo am-boalohany izay mety ho tsy mora efaina. Tena ilaina koa ny mahafantatra sy ny manaja ireo lalàna momba ny haba sy ny hetra — izay zavatra tsy mora atao any amin’ny tany sasany! — Romana 13:1-7; Efesiana 4:28.
Mba hahitana asa, dia nataon’ny sasany ho ezaka manokana ny fahitana asa, ka nanokan-tena ho amin’izany tamin’ny fomba voalamina sy tamim-paharetana izy ireo. Nanoratra tany amin’ny kompania mitady mpiasa ny hafa, na nametraka filazana tao amin’ireo gazety eo an-toerana — ny sasany amin’ireo dia manao pirinty maimaim-poana filazana fitadiavana asa — izy ireo. Matetika ny Mifohaza! no nanome torohevitra mahasoa sy azo ampiharina momba io foto-kevitra io — ho an’ny tanora sy ny olon-dehibe koa.a — Jereo ireo faritra voafefy, pejy faha-11.
Tsy maintsy mahay mifanaraka amin’ny toe-javatra ianao — vonona hanao ny karazan’asa rehetra, anisan’izany ireo asa izay tsy voatery ho tianao. Milaza ireo manam-pahaizana fa anisan’ireo zavatra anontaniana voalohany any amin’ny fanadinadinana an’ireo mitady asa ny fanandraman-javatra tamin’ny asa teo aloha sy ny halavam-potoana tsy niasana. Tsy famantarana tsara ho an’izay mety ho mpampiasa anao ny famoizana ny fahazarana amin’ny asa.
Manana fahafahana tsara kokoa hahita ny asany voalohany ny olona iray izay nandany tamim-pahendrena ny fotoanany tany an-tsekoly mba hahazoana fahaizana. “Ny tsy fananana asa”, hoy i Alberto Majocchi, mpampianatra momba ny siansan’ny fitantanam-bola, “dia miantraika eo amin’ireo mpiasa tsy manana fahaizana indrindra indrindra.”
Ny maha-zava-dehibe ny fanohanana ara-pihetseham-po
Anton-javatra lehibe iray ny fomba fijery manorina. Zava-dehibe mampiavaka ny fahitana asa amin’ny tsy fahitana asa izy io. Ireo tsy an’asa dia mankasitraka be dia be ny fanohanana ara-pihetseham-po, izay manampy azy hanalavitra ny fitokanana irery na ny tsy firaharahana. Manampy koa izy io mba handresena ny famoizana ny fananana ny hajan’ny tena izay mety hateraky ny fampitahana ny tena amin’ny hafa izay tsy namoy ny asany.
Mety tsy ho mora ny mihafy amin’ny vola kely. “Noho izaho nitebiteby, dia hitako ho sarotra ny nampiasa tsara ny fotoana teo am-pelatanako”, hoy i Stefano. “Nahatonga ahy hihenjana be ilay tarehin-javatra”, hoy ny tsaroan’i Francesco, “hany ka nanomboka ho be fanakianana ny sasany tamin’ireo mpinamana be tamiko aho.” Eo no miditra an-tsehatra ny fanohanan’ny fianakaviana. Mitaky fahaizan’ny mpianakavy rehetra hifanaraka amin’ny toe-javatra mba hampihenana ny haitraitra, ny tsy fahampian’ny fidiram-bola. Milaza toy izao i Franco, voaroaka teo amin’ny faha-43 taonany taorian’ny niasana ho an’ny kompania iray ihany nandritra ny 23 taona: “Raha vantany vao voaroaka aho, ny vadiko dia nanorina sady loharanom-pampaherezana lehibe.” Velom-pankasitrahana ny vadiny indrindra indrindra i Armando noho ny “fahamalinany lehibe eo amin’ny fiantsenana”. — Ohabolana 31:10-31; Matio 6:19-22; Jaona 6:12; 1 Timoty 6:8-10.
Afaka manampy antsika hihazona toe-tsaina manorina sy tsy hanadino ireo zava-tsarobidy lehibe kokoa ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Ireo nadinadinin’ny Mifohaza!, voatonona etsy ambony, dia nanovo fanomezan-toky mampionona avy ao amin’ny Baiboly. Nahatonga azy ireo hahatsiaro ho akaiky kokoa an’Andriamanitra izany. (Salamo 34:10; 37:25; 55:22; Filipiana 4:6, 7). Ny fananana fifandraisana akaiky dia akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra no zava-dehibe indrindra, satria mampanantena izy hoe: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”. — Hebreo 13:5.
Na tsy an’asa ny olona iray na miasa, dia mampirisika ny rehetra mba hamboly toetra mahasoa ho amin’ny fiainana andavanandro ny Tenin’Andriamanitra. Tsy mahagaga raha tadiavina sy ankasitrahana amin’ny maha-mpiasa manao ny marina ny Vavolombelon’i Jehovah indraindray. Manaraka ny torohevitry ny Baiboly mba hazoto sy ho azo ianteherana, fa tsy ho kamo, izy ireo. — Ohabolana 13:4; 22:29; 1 Tesaloniana 4:10-12; 2 Tesaloniana 3:10-12.
Fahafahana amin’ny fanelohelon’ny tsy fananana asa
Ao ambadiky ny tsy fisian’ny asa, dia misy antony fototra — ny fitiavan-tena sy ny fierenan’ny olombelona. Araka ny lazain’ny Baiboly, ‘ny olona dia manapaka ny namany ka mampiditra loza aminy’. — Mpitoriteny 8:9.
Ilay olana, dia ny tsy fananana asa — sy ireo olana hafa koa — dia hovahana amin’ny alalan’ny fanesorana ny fitondran’olombelona, izay eo amin’ny “andro farany” ho azy ankehitriny. (2 Timoty 3:1-3, NW ). Ilaina ny tontolo iray izay ho tena vaovao tokoa. Eny, tontolo iray izay hahafahan’ny fitambaran’olona marina hiaina sy hiasa eo ambanin’ny fanapahana araka ny rariny sy ny hitsiny, tontolo izay tsy hisian’ny fierenana intsony. (1 Korintiana 6:9, 10; 2 Petera 3:13). Izany no antony nampianaran’i Jesosy ny olona hivavaka mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra ary mba hatao eto an-tany ny sitrapony. — Matio 6:10.
Milazalaza ara-paminaniana ny fanafoanana ny sasany amin’ireo olana lehibe indrindra mahazo ny olombelona ny Tenin’Andriamanitra, ka mampiseho mazava tsara toy izao ireo vokatra hoentin’izany Fanjakana izany: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; (...) ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany. Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka”. (Isaia 65:21-23). Hanjavona tsy ho ela ho mandrakizay ny fanelohelon’ny tsy fananana asa. Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa momba ny vahaolana atolotr’Andriamanitra, dia mifandraisa, aza fady, amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Mifohaza! tamin’ny Janoary-Martsa 1995, pejy faha-16-18; No. 2/1992, pejy faha-6-10; 22 Aprily 1983 (frantsay), pejy faha-17-19; sy 8 Septambra 1982 (frantsay), pejy faha-3-8.
[Efajoro, pejy 11]
Famoronana Asa ao An-trano
• Fiandrasana zaza, fikarakarana ankizy
• Fivarotana legioma na voninkazo ambolen’ny tena
• Fanjairana sy fanovana ary fanamboarana akanjo
• Asa ho an’ny orinasa andraisan-karama araka izay vita
• Fanaova-mofo sy fanomanana sakafo
• Fanjairana rako-pandriana sy fanaovana korise (crochet) ary fanaovana ba; fanaovana makrame, fanefena tanimanga; asa tanana hafa
• Famonosana seza
• Fihazonana bokim-bola, fitendrena milina fanoratana, asa atao amin’ny ordinatera ao an-trano
• Famaliana telefaonina
• Fanaovam-bolo
• Fandraisana olona omen-tsakafo na fonenana ao amin’ny tena, ka andoavany vola
• Fametahana adiresy sy famenoana valopy avy amin’ireo mpanao dokam-barotra
• Fanasana sy fampangiranana fiara (mitondra an’ilay fiara ao aminao ny client)
• Fikojakojana biby ompiana an-trano sy fitondrana azy mandehandeha
• Fanamboarana hidin-javatra simba sy fanaovana lakile (trano fiasana ao an-trano)
• Azo apetaka maimaim-poana na amin’ny vidiny ambany eo amin’ny tabilao fametahana filazana ao amin’ny supermarché na fivarotana, ny dokam-barotra amin’ny ankamaroan’io asa io
[Efajoro, pejy 11]
Famoronana Asa any Ivelan’ny Trano
• Fiandrasana trano (rehefa manao vakansy ny olona ka maniry ny hikarakarana ny tranony)
• Fanadiovana: fivarotana; birao; trano sy fitambaran-trano aorian’ny fanorenana, aorian’ny hain-trano, aorian’ny fialan’ny olona; asa an-trano (ao an-tranon’ny hafa); varavarankely (birao sy tranon’olona)
• Fanamboarana ny simba: karazana fitaovana elektrika rehetra ao an-tokantrano (misy boky momba ny fanamboarana ny simba mora arahina any amin’ireo tranomboky)
• Asa madinidinika: fametahana takela-kazo na metaly eo amin’ny rindrina ivelany amin’ny trano; fanorenana karazana lalimoara kely, varavarana, fidirana mitafo; fandokoana; famefena; fanafoana
• Asa ao amin’ny toeram-pambolena: fambolena na fijinjana, fiotazana voankazo
• Fanatsarana ny endriky ny tokotany sy fikarakarana zavamaniry ao anatin’ny: birao, banky, faritra fametrahana fiara sy tokotany anatiny amin’ny fivarotana, efitrano fiandrasana
• Fitantanana trano sy tany: mpiandry tanàna, mpiandraikitra trano (tafiditra amin’izany indraindray ny fonenana maimaim-poana)
• Fiantohana, trano sy tany
• Fametahana sy fanadiovana karipetra
• Fizarana gazety (olon-dehibe sy ankizy), fanaterana zavatra hafa: dokam-barotra, taratasy isan-karazany avy amin’ny biraon’ny tànana
• Famindrana entana amin’ny fifindran-trano, fitahirizana entana
• Fanatsarana ny endriky ny tokotany, fandrantsanana hazo, fikarakarana ny tokotany rakotra bozaka, fikapana hazo
• Mpamily aotobisin-tsekoly
• Fakana sary (sarin’olona sy zava-miseho ampahibemaso)
• Jono ho an’ny mpanjono
• Asa takalo: fanakalozana fanamboarana fiara simba amin’ny asa momba ny elektrisite, fanakalozana fanjairana amin’ny asan’ny mpametaka fantson-drano, sns.
[Sary, pejy 10]
“Ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.” — Isaia 65:22