FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/3 p. 27
  • Tonga Namonjy ny Voantay Afrikanina!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tonga Namonjy ny Voantay Afrikanina!
  • Mifohaza!—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Voantay
    Mifohaza!—2014
  • Taim-boromailala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Diky, Tay
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Bibikely Tsara Tarehy toy ny Firavaka
    Mifohaza!—2004
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/3 p. 27

Tonga Namonjy ny Voantay Afrikanina!

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY AFRIKA ATSIMO

TAONJATO roa lasa izay, fony nampidirina voalohany tany Aostralia ny omby, iza moa no nanampo ireo olana lehibe haterak’izany teo amin’io tany io?

Rehefa nandeha ny fotoana, ireo kijana dia nanjary rakotry ny tain’omby niparitaka teny rehetra eny, ka nisakana ny fitomboan’ny ahitra tamin’ny toerana sasany na nahatonga ny ahitra ho tsy azon’ny omby nohanina. Tamin’ny farany ireo antontana tain’omby dia nanjary toeram-panatodizana midadasika ho an’ireo lalitra nanorisory. Raha ny marina, araka ny tatitra iray tao amin’ny gazety Africa — Environment & Wildlife, tamin’ireo taona 1970 ilay olana dia nahatratra “krizy ara-toe-karena sy ekolojika goavana”. Natao ny kajy fa “tany kijana maherin’ny roa tapitrisa hektara no nitsahatra tsy namokatra isan-taona (...), satria nitirozenina be dia be no tsy tafaverina tamin’ny nofon-tany noho ireo tain’omby tsy voalevina, ary nanjary niely izaitsizy ny lalitra”.

Inona no tsy nety? Eto Afrika ny voantay dia manadio ara-dalàna an’ireo saha amin’ny fomba haingana sy mandaitra. Mahalonaka ny nofon-tany ny tain’omby voalevina ka mahatonga azy io ho feno hirika kokoa, ary, noho izany, dia manatsara ny fitomboan’ny zavamaniry. Amin’izany fomba izany, dia voafehy hatrany ireo karazana lalitra manimba ary fongotra ireo atody mivelona amin’ny tain’omby, ka misakana ny fiparitahan’ny aretina ateraky ny bakteria.

Kanefa, ny tsy takatr’ireo mpanorim-ponenana tany am-boalohany tany Aostralia dia ny hoe tsy niasa afa-tsy teo amin’ny tain’ny biby tera-tany, izay taim-biby kely sady mafy no kiboribory kely, ny voantay aostralianina, ka tsy nahazaka ny tain’omby be, malemilemy.

Inona no tokony hatao? Fanafarana voantay avy tany amin’ny tany hafa! Ilay sokajy afrikanina (izay misy karazana tokony ho 2 000), ohatra, dia mahazaka taim-biby malemilemy ngezabe, toy izay alatsaky ny elefanta. Ho an’ireo voantay ireo, dia tsy olana velively ny fanesorana tain’omby. Toy inona moa anefa ny hamaroan’ireo voantay ilaina mba hanatontosana ilay asa! Manao tatitra ny Africa — Environment & Wildlife fa tao amin’ny valam-pirenena iray, dia “voantay 7 000 no hita teo amin’ny antontany iray monja tamin’ny tain’elefanta”, ary tao amin’ny vala hafa iray, dia “22 746 (...) no voangona avy tamin’ny antontany iray nilanja 7 kg tamin’ny tain’elefanta, tao anatin’ny adiny 12”. Alao sary an-tsaina fotsiny ange ireo voantay tsy hita isa nilaina mba hamahana ilay olana nampidi-doza tany Aostralia e!

Soa ihany fa mihatsara tokoa ny tarehin-javatra amin’izao fotoana izao — noho ny fanampian’ny voantay afrikana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara