Miarova Tena Amin’ny Varatra!
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY SOEDA
NY VARATRA iray, amin’ny antsalany, dia mety hitondra elektrisite am-polo tapitrisany volts miaraka amin’ny rianaratra an’aliny ampera. Ho fampitahana, ny olik’aratra (circuit électrique) mahazatra ao amin’ny trano iray dia mazàna no tombanana ho 15 ampera.a Inona no azonao atao mba hampihenana ho faran’izay kely ny mety hilatsahan’ny varatra aminao? Mariho ireto fanoloran-kevitra manaraka ireto.
• Raha mbola azo atao koa, dia mankanesa ao an-trano. Na dia ny fiara iray aza dia afaka manolotra fiarovana tsara. Ahoana ny amin’ny hoe ao anatin’ny trano avo be iray? Toerana tsy misy atahorana ny trano avo be iray misy fandribaratra. Ohatra, ny Empire State Building any New York dia mbola mijoro ihany nefa ilatsahan’ny varatra in-25 eo ho eo isan-taona. Kanefa, tsara indrindra ny hanalavirana trano tsy misy zavatra mampifandray ny rianaratra amin’ny tany sady manana tafo vita amin’ny metaly ary ireo toerana akaikin’ny antennes sy ny fefy vita amin’ny metaly.
• Mialà avy eo amin’ny faritra an-kalamanjana, toy ny farihy, ny toerana mangadihady, sy ny toerana filalaovana golf. Mety hampidi-doza koa ny hazo tokana, mijoalajoala. Raha eo amin’ny faritra iray misy hazo maro ianao, dia mialofa eo akaikin’ireo hazo iva indrindra. Raha akaiky amin’ny fomba mampidi-doza ilay oram-baratra sady tsy afaka miala ny faritra iray an-kalamanjana ianao, dia aoka ianao hitakoko eo amin’ny tany ka fihino ny lohalikao. Aza mivalampatra, satria zava-dehibe ny tsy anomezanao afa-tsy kely araka izay azo atao, faritra amin’ny vatanao hilatsahan’ny varatra.
• Na dia rehefa ao an-trano aza, dia afaka mandray fepetra fiarovana ianao. Indro, manaraka eto, misy fanoloran-kevitra vitsivitsy: Miezaha hanalavitra ny fikasihana mpampita elektrisite, toy ny fitoeran’afo vita amin’ny metaly eo amin’ny cheminée sy ny fantson-drano vita amin’ny metaly. Mety ho fahendrena ny mitoetra ivelan’ny fandroana (douche) na ny lakam-pandroana (baignoire), ary miezaha koa tsy hampiasa ny telefaonina. Tsoahy ny prises-n’ny ordinatera, ny televiziona, sy ny fitaovana elektrika hafa, satria mety ho simba izy ireo raha ilatsahan’ny varatra ny trano.
• Raha misy olona nilatsahan’ny varatra, dia tena zava-dehibe ny hanaovana ressuscitation cardio-pulmonaire (famerenana ny fisefo sy ny fitepon’ny fo) eo no ho eo. Milaza ny Profesora Victor Scuka, izay miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fikarohana Momba ny Voltage Ambony ao amin’ny Oniversiten’i Uppsala, Soeda, fa amin’ny tarehin-javatra maro, dia nisy niharam-pahavoazana novelomina indray tamin’ny alalan’ny ressuscitation cardio-pulmonaire, na dia rehefa toa maty aza izy ireo. “Ilay teknika anefa”, hoy ny fampitandremany, “dia tsy maintsy atao avy hatrany mba hisorohana ny fahasimban’ny atidoha.”
Raha tratran’ny oram-baratra ianao, dia hevero ny hanaraka ireo fepetra fiarovana vao avy notononina teo. Amin’izay ianao dia tsy azo inoana fa ho fatin’io fisehoan-javatra manaitra ny maso, mahatahotra io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny ampera iray dia venty (unité) iray andrefesana ny fikorianan’ny elektrisite, ny tahan’ny rianaratra ampiasaina. Manondro ny herin’ny rianaratra ny volt. Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 May 1985, pejy faha-26-27.