FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/4 p. 12-15
  • Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitadidiana anaran’olona
  • Ny fomba hitadidiana lisitra
  • Fitadidiana an’izay novakinao
  • Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao!
    Mifohaza!—2009
  • Ny Fomba Hanatsarana ny Fitadidianao
    Mifohaza!—1992
  • Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ampitomboy ny Fitiavana Mianatra
    Mifohaza!—2004
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/4 p. 12-15

Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao

“Maty arika be mihitsy aho.” Efa niteny toy izany ve ianao? Raha izany no izy, dia aza mamoy fo. Misy fanoloran-kevitra mahasoa vitsivitsy sy ezaka kely afaka mitondra fihatsarana mahagaga. Aza hamaivanina ny fahaizan’ny atidohanao. Mahazendana ny fahaizany.

AHOANA no anatontosan’ny atidoha an’ireo zava-bitany mahavariana? Tato anatin’ireo taona faramparany dia nodinihina akaiky kokoa mbola tsy nisy toy izany mihitsy ny atidoha. Na dia mitombo aza anefa ny fahatakarana lalina azy io, dia mbola tena kely ihany no fantatsika raha ny amin’ny hoe ahoana marina no fomba anatanterahan’ny atidoha ireo zavatra ataony.

Tsy mazava ny hoe amin’ny fomba ahoana no ianarantsika sy itadidiantsika fanazavana, kanefa eo am-piezahana hanazava an’io zava-miafina io ireo mpanao fikarohana. Tombanana ho 10 000 tapitrisa ka hatramin’ny 100 000 tapitrisa ny selan-kozatra, na neronina, ao amin’ny atidoha, tafiditra amin’ny fianarana sy ny fitadidiana. Misy fifandraisana avo iray alina heny amin’izany anefa, fara fahakeliny, eo amin’ireo neronina. Ny teoria iray dia hoe arakaraka ny anatanjahana an’ireo fifandraisana, na sinapsa, amin’ny alalan’ny fampiasana azy, no itrangan’ny fianarana.

Arakaraka ny ihalehibiazantsika no mety hihenan’ny fahaizan’ny saina; mety hiadana ny fihetsitsika. Tsy mihavao ny selan’ny atidoha, ary miharihary fa mamoy tsy an-kiato sasany amin’izy ireny ny olon-dehibe. Arakaraka ny habetsahan’ny fampiasantsika ny atidohantsika anefa no mety hitsimbinantsika ny fahaizan’ny saintsika ho ela kokoa.

Misy akony eo amin’ny atidoha ny toe-tsaintsika. Manatsara ny fiasan’ny atidoha, na firy taona isika na firy taona, ny fomba fijery manantena fiafaran-javatra tsara sy ny fomba fijery falifaly. Mety hahasoa ny fihenjanana sasany, kanefa manakantsakana ny fomba fiasa mandaitran’ny atidoha ny fihenjanana maharitra sy tafahoatra. Afaka manampy mba hanamaivanana ny fanerena amin’ny saina ny fampiasan-tena.

Na dia mety hampahery aza izany, dia mbola mety hanadino zavatra lehibe ihany isika, na firy taona isika na firy taona. Afaka mihatsara ve isika? Ny lafiny iray manahirana ny ankamaroan’ny olona dia eo amin’ny fitadidiana ny anaran’ny olona mihaona amintsika.

Fitadidiana anaran’olona

Misy fanoloran-kevitra tsotra vitsivitsy afaka manampy anao be dia be hitadidy tsara kokoa ny anarana. Manampy ny fanehoana fahalianana amin’ilay olona. Zava-dehibe amin’ny olona iray ny anarany. Matetika isika no tsy mahatadidy ilay anarana satria tsy voaraintsika tsara hatramin’ny voalohany ilay izy. Koa rehefa ampifankahalalaina aminy ianao, dia ataovy azo mazava tsara ilay anarana. Angataho ilay olona hamerina azy io na hanonona ireo litera tsirairay aminy mihitsy aza, raha tena ilaina izany. Ampiasao imbetsaka ao amin’ny resadresaka ataonao ilay izy. Rehefa manao veloma ianao, dia lazao ny anaran’ilay olona. Ho gaga ianao fa hanampy ireo hevitra vitsy ireo.

Ny fanoloran-kevitra hafa iray izay afaka mampitombo bebe kokoa ny fitadidianao anarana dia ny fampifandraisana ny anaran’ny olona iray amin-javatra azonao alaina sary ao an-tsainao. Raha afaka mampihetsika ilay sary ianao, dia hanampy kokoa izany.

Ohatra, sahirana ny olona iray nitadidy ny fanampin’anaran’ny olom-pantatra iray tsy dia akaiky azy loatra, izay atao hoe Ndranto. Koa rehefa nahita io olona io izy, dia nieritreritra ny amin’ny hevitry ny teny hoe “ranto”, izay hoe: “fandehanana any an-tany lavitra hikaro-java-tsoa”. Naka sary an-tsaina an’ilay lehilahy nandranto fianarana tany andafy izy. Nandaitra foana izany; tonga haingana tao an-tsainy ilay anarana hoe Ndranto.

Anarana maro no mety tsy hisy heviny aminao, koa hilainao ny hanolo azy amin’ny teny iray izay mitovy amin’ilay anarana. Tsy maninona raha tsy tena mifanandrify tsara amin’ny fanononana ilay anarana ilay teny anoloanao azy. Ho afaka hahatsiaro tsara kokoa ilay anarana avy amin’ilay fampifandraisana ny fitadidianao. Rehefa mamorona ny teny sy ny sary ao an-tsaina anao manokana ianao, dia mety ho lalina kokoa ilay filentehany ao an-tsaina.

Ohatra, nampifankahalalaina tamin-Rtoa Andrianary Clairette ianao. Mety hosoloanao hoe andriana sy kilarinety izany. Maka sary an-tsaina andriana iray mitsoka kilarinety ianao.

Ilainao ny mizatra amin’izany amim-pahazotoana mandritra ny fotoana kelikely, fa tena mandaitra izany. Manazava io fomba fitadidiana io ao amin’ilay bokiny hoe How to Develop a Super-Power Memory (Ny Fomba Hampitomboana Fitadidiana Mandaitra), i Harry Lorayne, ary nampiasa azy io tamin’ny fisehoan-javatra ampahibemaso maro izy. Hoy izy: “Matetika aho no nampifankahalalaina tamin’ny olona zato ka hatramin’ny roanjato tao anatin’ny dimy ambin’ny folo minitra na latsaka izany, kanefa tsy nanadino na dia anarana tokana monja aza!”

Ny fomba hitadidiana lisitra

Ahoana no azonao anatsarana ny fahaizanao mitadidy lisitra zavatra tsy misy ifandraisany? Ny fomba tsotra iray dia antsoina hoe fomba fampitohizana. Toy izao no fomba fiasan’izy io: Mamorona sary an-tsaina mazava iray ho an’ny zavatra tsirairay ao amin’ilay lisitra ianao ary avy eo dia mampifandray ilay sary ho an’ilay zavatra voalohany amin’ilay sary ho an’ilay zavatra faharoa, avy eo dia ataovy toy izany koa ilay zavatra faharoa sy fahatelo, ary dia toy izany hatrany.

Ohatra, tsy maintsy mividy zavatra dimy any amin’ny supermarché ianao: ronono, mofo, ampola (ampoule), tongolo, sy gilasy. Manomboha mampitohy ny ronono amin’ny mofo. Alao sary an-tsaina ny hoe mampidina ronono avy ao amin’ny mofo. Na dia mety ho somary mahatsikaiky aza ilay sary, dia hanampy handentika ao amin’ny fitadidianao an’ireo zavatra izany. Afa-tsy izany koa, dia miezaha hampihetsika an’ilay sary ao an-tsaina izay ahitana anao mampidina ilay ronono.

Aorian’ny fampifandraisana ny ronono amin’ny mofo, dia mifindrà eo amin’ilay zavatra manaraka, dia ilay ampola. Mety hampitohy an’ilay mofo amin’ilay ampola ianao amin’ny fakana sary an-tsaina ny tenanao manandrana mampiditra ilay mofo eo amin’ny fitoerana ampola iray. Avy eo dia ampifanohizo amin’ilay ampola ilay tongolo amin’ny fakana sary an-tsaina ny tenanao mamofy ampola lehibe iray sady mitomany eo am-panaovana izany. Mazava ho azy fa tsara kokoa raha ianao ihany no mamorona ilay fampifandraisana. Afaka mampifandray ireo zavatra farany ve ianao, dia ny tongolo sy ny gilasy? Angamba ianao afaka maka sary an-tsaina ny tenanao mihinana gilasy misy tongolo!

Jereo raha mahatsiaro ilay lisitra ianao. Avy eo dia tsapao ny fitadidianao amin’ny lisitra iray anao manokana. Ataovy lava araka izay tianao ilay izy. Tadidio fa mba hanaovana ilay fampifandraisana ho mora tadidina kokoa, dia afaka manao azy io ho mampihomehy na mahatsikaiky na tafahoatra mihitsy aza ianao. Miezaha mampihetsika ilay sary, ary soloy zavatra hafa ny zavatra iray.

Mety hanohitra ny sasany hoe maka fotoana lava kokoa noho ny fianarana tsianjery fotsiny an’ilay lisitra io fomba fitadidiana io. Kanefa, maka fotoana lava kokoa ny manazava azy io noho ny mampiasa azy. Rehefa manana fahazarana ianao, dia hamorona fampifandraisana haingana, ary ny fahatsiarovanao, ary koa ny hafainganam-pianarana, dia ho tsara lavitra noho ny raha miezaka hianatra tsy misy fomba fitadidiana ianao. Rehefa nisy olona 15 nangatahina hitadidy lisitra nisy zavatra 15 nofidina kisendrasendra amin’ny tsy fampiasana fomba fitadidiana, dia 8,5 tamin’ny antsalany no isan’ny zavatra tadidiny. Rehefa nampiasa ilay fomba fampitohizana zavatra ampifandraisina amin’ny sary ao an-tsaina tamin’ny lisitra hafa io antokon’olona io ihany, dia nahatadidy 14,3 tamin’ny antsalany. Mazava ho azy fa raha mitadidy ny hitondra lisitra an-tsoratra an’ireo zavatra ireo ianao rehefa mandeha miantsena, dia hahatadidy 15 ianao — 100 isan-jato!

Fitadidiana an’izay novakinao

Amin’izao vanim-potoan’ny fanazavana maro dia maro izao, ny lafiny hafa iray izay ilan’ny ankamaroantsika fanampiana dia eo amin’ny fianarana amin’ny fomba mandaitra. Ny fianarana dia tena ilaina any an-tsekoly, eo amin’ny fandraharahana, ho amin’ny fihatsaran’ny tena, sy eo amin’ny fiomanana ho amin’ny fandaharan-teny ampahibemaso. Fanampin’izany, ny Kristiana iray dia tsy maintsy manokana fotoana ho amin’ny fianarana manokana ny Baiboly. — Jaona 17:3.

‘Sahirana anefa aho mitadidy izay nianarako’, hoy angamba ianao. Inona no azo atao? Afaka manampy anao hitadidy izay novakinao ny fianarana mandray soa faran’izay betsaka avy amin’ny fotoana ianarana. Indro misy fanoloran-kevitra sasany.

Rehefa mianatra ianao, dia zava-dehibe ny fahaizan’ny tenanao mandamin-javatra. Ataovy mora raisina ny boky, ny fitaovam-panoratana, sy ny taratasy. Miezaha hianatra ao anatin’ny toerana mahafinaritra iray tsy misy fanelingelenana firy sy misy fahazavana mety tsara. Vonoy ny radio sy ny televiziona.

Manàna fotoana hianarana tsy tapaka. Ho an’ny sasany, ny fianarana isan’andro mandritra ny fotoana fohy dia mety handaitra kokoa noho ny fampiasana fotoana lava indray mandeha. Tsara ny hizarana ny fotoananao ho ampahany. Aza mianatra tsy an-kiato mandritra ny adiny roa, fa mety ho tsara kokoa ny hizarana ilay fotoana ho fe-potoana maharitra 25 ka hatramin’ny 40 minitra avy, misy fiatoana fohy minitra vitsivitsy eo anelanelany. Nasehon’ny fikarohana fa mandray anjara amin’ny fitadidiana tsara kokoa izany.

Farito hoe zavatra inona no tianao hodinihina mandritra ilay fotoana ianaranao. Manampy amin’ny fifantohana izany. Alohan’ny hanombohana boky iray, dia makà minitra vitsivitsy mba hijerena azy mialoha. Jereo ny lohateny. Diniho ireo loha hevitra ao anatiny, izay mamintina an’ilay boky. Avy eo dia vakio ny sasin-teny na ny teny fampidirana. Mety ho voambara ao ny zava-kendren’ilay mpanoratra sy ny fomba fijeriny.

Alohan’ny hanombohana hamaky toko iray, dia jereo mialoha ilay izy. Jereo ireo lohatenikely, sary, sarintany, famintinana, sy fehintsoratra fanokafana sy famaranana. Topazo maso ny fehezanteny voalohany amin’ny fehintsoratra tsirairay. Matetika ireny fehezanteny ireny no mirakitra ny fanjohian-kevitra lehibe indrindra. Ataovy izay hahazoana ny hevitra ankapobe. Manontania tena hoe: ‘Inona no tian’ilay mpanoratra hoporofoina? Inona no azoko raisina avy amin’itỳ boky itỳ? Inona avy ireo fanaporofoan-kevitra lehibe indrindra?’

Zava-dehibe ny fifantohana. Tokony ho revo tanteraka ianao. Ilay fanalahidiny dia ny fanaovana ny fotoana ianaranao ho velombelona araka izay azo atao. Velomy ny hafanam-po, amin’ny fandinihana an’ireo lafiny azo ampiharina amin’ilay fanazavana. Makà sary an-tsaina. Ampiasao ireo vavahadin-tsaina amin’ny fakana sary an-tsaina ny fofona sy ny tsiro ary ny fitsapana raha mety amin’izany ilay zavatra vakina.

Rehefa nahatakatra ny hevitra fonosin’ilay boky ianao, dia vonona handray an-tsoratra. Afaka manafaingana ny fahatakaranao hevitra sy ny fahatsiarovanao an’ilay fanazavana ny fandraisana an-tsoratra mandaitra. Tsy voatery ho fehezanteny manontolo ny fandraisana an-tsoratra fa tokony ho teny na fitambaran-teny fototra kosa izay manampy anao hahatsiaro ireo hevitra lehibe indrindra.

Ny fahatakarana an’ilay fanazavana dia tsy voatery hidika hoe ho afaka hahatsiaro ny zavatra rehetra amin’ilay izy ianao amin’ny hoavy. Ny marina dia izao: ao anatin’ny adiny 24 nianarana, dia mety ho hadino ny hatramin’ny 80 isan-jaton’ilay fanazavana, fara faharatsiny, mandritra ny fotoana voafetra. Toa mahakivy izany, kanefa mety ho azo indray ny sasany na ny maro amin’izany 80 isan-jato izany amin’ny alalan’ny fijerena indray ilay zavatra novakina. Aorian’ny fotoam-pianarana tsirairay, dia avereno jerena ilay izy mandritra ny minitra vitsivitsy. Raha azo atao, dia avereno jerena indray iray andro atỳ aoriana, avy eo herinandro atỳ aoriana, avy eo iray volana atỳ aoriana. Mety hanampy anao handray soa faran’izay betsaka avy amin’ilay fotoana ianaranao sarobidy sy hitadidy izay novakinao, ny fampiharanao an’ireo hevitra ireo.

Koa aza hamaivanina ny fahaizan’ny atidohanao. Azo hatsaraina ny fahaizanao mitadidy zavatra. Nanisy firesahana ny amin’ny atidoha ho “ny zavatra be kojakojany indrindra hitantsika hatramin’izao eo amin’izao rehetra izao misy antsika”, ny mpahay siansa iray. Izy io dia porofo iray ny amin’ny fahendrena sy ny hery mahatahotr’ilay Mpamorona azy, dia i Jehovah. — Salamo 139:14.

[Kisary, pejy 15]

Mba hitadidiana lisitra, dia ampiasao ilay fomba fampitohizana: Mamoròna sary an-tsaina iray ho an’ny zavatra tsirairay. Avy eo dia ampifandraiso amin’ilay sarin’ny voalohany ilay faharoa, dia toy izany hatrany

Lisitry ny zavatra hovidina:

1. Ronono 1 sy 2 mifampitohy

2. Mofo 2 sy 3 mifampitohy

3. Ampola 3 sy 4 mifampitohy

4. Tongolo 4 sy 5 mifampitohy

5. Gilasy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara