FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/6 p. 11-13
  • Lalitra Tsetse — Ozona ho An’i Afrika Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lalitra Tsetse — Ozona ho An’i Afrika Ve?
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Miremby ra izy io
  • Mamono biby izy io
  • Mamono olona izy io
  • Teny iarovana azy
  • Ny Fahaizan’ny Lalitra Manidina
    Nisy Namorona Ve?
  • Olana Mihalehibe ny Aretina Afindran’ny Bibikely
    Mifohaza!—2003
  • Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2006
  • Lalitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/6 p. 11-13

Lalitra Tsetse — Ozona ho An’i Afrika Ve?

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY NIZERIA

NIFINDRA vao haingana nankany amin’ny faritra ambanivohitra iray atỳ Afrika Andrefana izahay. Nanodidina anay ny ala tropikaly. Indray tolakandro dia nankao amin’ny kabine ny vadiko ary nikiakiaka hoe: “Misy fihitra ato!”

Nitsipika nivoaka ny kabine ilay lalitra ka niditra tao amin’ny efitra fidiovana. Naka haingana fanafody famonoana bibikely aho ka nanenjika azy, sady nakatoko ny varavarana. Tsy hita na taiza na taiza ilay lalitra. Tampoka teo dia nanidina teo amin’ny tarehiko ilay izy. Nanafika ahy ilay izy! Nikapokapoka ny tanako, nefa tsy nahomby tamin’ny fiezahako hikapoka hampilatsaka azy io. Nifioka nankeny amin’ny varavarankely ilay izy. Nisakana azy tsy ho afa-nandositra ny makarakara vy. Nipetraka teo ilay lalitra.

Nokendreko sy notifiriko tamin’ilay fanafody famonoana bibikely ilay lalitra. Raha ny ara-dalàna, ny tifitra mivantana toy izany dia hahafaty eo no ho eo, saika na bibikely inona na bibikely inona. Fa tsy itỳ lalitra itỳ. Niala teo ilay izy ka nanohy nisamoimoina nanerana ilay efitra fidiovana.

Mafy itỳ zavatra itỳ! Natoky aho fa handaitra ilay fanafody famonoana bibikely ka hilatsaka amin’ny tany tsy ho ela ilay lalitra. Tsy nianjera anefa ilay izy. Rehefa nipetraka avy eo ilay izy, dia nofafazako fanindroany. Niala indray izy.

Fa lalitra mafy inona àry itỳ? Nahafaty azy, rehefa ela ny ela, ny fitifirana nivantana roa hafa.

Nanaovako ny solomasoko dia nodinihiko tamim-pitandremana ilay zavaboary. Lehibe kokoa noho ny lalitra an-trano ilay izy, na dia tsy lehibe toy ny fihitra aza. Nifanapaka teo an-damosiny ny elany, ka nanome azy bika mahitsy kokoa noho ny lalitra mahazatra. Nisy taova fitsentsefana iray lava toy ny fanjaitra avy teo amin’ny faritry ny vavany.

Niantso ny vadiko aho ka nanao hoe: “Tsy fihitra itỳ, fa lalitra tsetse.”

Ilay fifandonana dia nampiaiky ahy lalina fa sarotra ny miezaka hamongotra ilay lalitra eto amin’ny faritra onenany eto Afrika, faritra misy 11,7 tapitrisa kilaometatra tora-droa, velarana lehibe kokoa noho ny an’i Etazonia. Nahoana no ta handripaka azy ny olona? Fiampangana telo no natontona taminy. Fiampangana voalohany:

Miremby ra izy io

Misy karazany 22 samy hafa ny lalitra tsetse. Mipetraka any atsimon’i Sahara eto Afrika avokoa izy rehetra. Izy rehetra, na lahy na vavy, dia miboboka ran’ny biby manana hazon-damosina, ka mitsentsitra ra hatramin’ny intelon’ny lanjany, avy amin’ny kaikitra iray monja.

Hanim-py ho azy ny biby mihinam-bilona maro isan-karazany — na ny tera-tany eto Afrika na ireo tsy toy izany. Manaikitra olona koa izy ireo. Ilay kaikitra dia ratra lalina, itsentsefana ra, sady mangirifiry no manaintaina. Mangidihidy sady maharary koa ilay izy. Mivonto ilay izy.

Havanana amin’ny asany ny lalitra tsetse. Tsy mandany fotoana misamoimoina manodidina ny lohanao izy. Afaka manidina toy ny bala mikendry olona iray izy ary misy fomba ampiatoany ny fandehany ka mipetraka mora aoka izany eo amin’ny tarehy izy, hany ka tsy re akory. Afaka manao toy ny mpangalatra izy ireo; indraindray dia tsy fantatrao fa nangalatra ra izy raha tsy efa lasa — rehefa tsy misy azonao atao afa-tsy ny manombana ny halehiben’ilay fahavoazana.

Mazàna izy ireo dia mankeo amin’ny nofo mihanjahanja. (Toa tia ny hatoko izy ireo!) Indraindray anefa, dia manapa-kevitra ny handady miakatra ny tongo-pataloa na ny tanan’akanjo izy alohan’ny hanindronana lalan-dra. Na raha mifidy izany izy, dia afaka manaikitra ivelan’ny akanjo — izany dia tsy olana ho an’ny bibikely iray izay afaka mandoaka na dia ny hoditra mafin’ny tokantandroka aza.

Ampangain’ny olona ho tsy vitan’ny hoe kinga saina fotsiny, fa fetsy koa, ny lalitra tsetse. Indray mandeha, rehefa niezaka hamono iray tamin’ny fanafody famonoana bibikely aho, dia nanidina nankao amin’ny lalimoarako ilay izy ka niafina tao amin’ny short fitondrako milomano. Roa andro tatỳ aoriana, rehefa nanao ilay short aho, dia nanaikitra ahy indroa ilay izy! Indray mandeha koa, dia nisy lalitra tsetse niafina tao amin’ny poketran’ny vadiko. Nitondra ilay poketra tany amin’ny birao iray izy, ary rehefa naka zavatra tao amin’ilay poketra, dia nanaikitra ny tanany ilay lalitra. Avy eo ilay izy dia nanidina nanerana ilay efitrano, ka niteraka fisaritahana teo amin’ireo mpiasan’ilay birao. Nijanona tamin’ny asany ny olona rehetra mba hanandramana hikapoka azy io.

Koa ny fiampangana voalohany ny lalitra tsetse dia hoe mpitsentsitra ra manaikitra manaintaina izy io. Fiampangana faharoa:

Mamono biby izy io

Misy karazana lalitra tsetse sasany mamindra aretina ateraky ny katsentsitra bitika antsoina hoe trypanosomes. Rehefa mitsentsitra ny ran’ny biby iray izay manana ilay aretina ny lalitra tsetse, dia mitelina ra misy an’ireo katsentsitra. Mitombo sy mihamaro ao anatin’ilay lalitra izy ireny. Rehefa manaikitra biby hafa iray ilay lalitra, dia mifindra avy amin’ilay lalitra mankao amin’ny ran’ilay biby ireo katsentsitra.

Trypanosomiase ilay aretina. Ilay karazany miseho amin’ny biby dia antsoina hoe nagana. Ny katsentsitry ny nagana dia miroborobo ao amin’ny ran’ny biby maro tera-tany eto Afrika, indrindra fa ny antilope, ny buffalo, ny lambo, ny céphalophes, ny réduncas, sy ny phacochères. Tsy mamono an’ireo biby ireo ilay katsentsitra.

Mandripaka biby fiompy tsy tera-tany eto Afrika — rameva, alika, ampondra, osy, soavaly, ramole, omby, kisoa, sy ondry — anefa ireo katsentsitra. Araka ny gazetiboky National Geographic, ny nagana dia mamono biby fiompy telo tapitrisa isan-taona.

Nianatra ny fomba hanalavirana an’ireo faritra maha-betsaka indrindra ny lalitra tsetse ireo mpiandry biby fiompy, toy ny Masai any Afrika Atsinanana, kanefa mahatonga izany ho tsy azo atao indraindray ny hain-tany sy ny tsy fisian’ny kijana. Nandritra ny hain-tany vao haingana iray, dia nisy fianakaviana efatra izay niara-niompy ny biby fiompiny 600, namoy biby iray isan’andro noho ilay lalitra. Hoy i Lesalon, zokiolona eo amin’izy ireo: “Izahay Masai dia olona be herim-po. Mandefona ny liona sy miatrika ny buffalo manafika izahay. Mamely langilangy ny mamba [bibilava misy poizina] mainty sy mifanandrina amin’ny elefanta tezitra izahay. Fa ny amin’ny orkimbai [lalitra tsetse] kosa? Tsy afa-manoatra izahay.”

Misy fanafody hitsaboana ny nagana, kanefa tsy manome lalana ny hampiasana azy ireny ny fitondram-panjakana sasany raha tsy rehefa eo ambany fanaraha-mason’ny mpitsabo biby ihany. Noho ny antony tsara no anaovana izany, satria tsy vitan’ny hoe mamono ilay biby ny fatra tapany, fa miteraka katsentsitra izay mahatohitra fanafody koa. Mety ho sarotra ho an’ny mpiandry biby fiompy any anaty akata ny hahita ara-potoana mpitsabo biby mba hitsaboana an’ireo bibiny miala aina.

Hita ho tsy azo iadian-kevitra ireo fiampangana roa voalohany ny lalitra tsetse — miremby ra sy mampiely aretina izay mamono biby izy io. Mbola misy zavatra hafa anefa. Fiampangana fahatelo:

Mamono olona izy io

Tsy voan’ny trypanosome nagana ny olombelona. Mampita karazana trypanosome hafa avy amin’ny olona iray ho amin’ny olona hafa anefa ny lalitra tsetse. Antsoina hoe aretin-torimaso io karazana trypanosomiase io. Aza mihevitra hoe matory be fotsiny ny olona iray voan’ny aretin-torimaso. Tsy torimaso mahafinaritra ilay aretina. Manomboka amin’ny fahatsiarovana ho tsy metimety sy ny havizanana ary ny fanaviana kely, ilay izy. Aorian’izany dia tonga ny faharendremana mitohy, ny fanaviana be, ny fanaintainan’ny tonon-taolana, ny fivontosan’ny tambatsela, sy ny fitomboan’ny aty sy ny sarakaty. Amin’ny dingana farany, rehefa mitsofoka ao amin’ny rafi-pitatitra foibe ireo katsentsitra, ilay marary dia azon’ny fihasimban’ny saina, ny krizy, ny tsy fahatsiarovan-tena, ary dia maty.

Tamin’ny tapany voalohany tamin’itỳ taonjato itỳ, dia nisy firongatry ny aretin-torimaso nandrava ny kontinenta afrikana. Teo anelanelan’ny 1902 sy 1905, ilay aretina dia namono olona tokony ho 30 000 teny akaikin’ny Farihy Victoria. Tao anatin’ireo am-polony taona nanaraka izany, ilay aretina dia nihanaka nankany Cameroun, Ghana, sy Nizeria. Tany amin’ny tanàna kely maro, dia ny ampahatelon’ny olona no voa, ka nitaky fanesorana ny olona tamin’ny ambaratonga lehibe avy teny amin’ny lohasaha maro manamorona renirano. Nisy ekipa afaka nifindrafindra toerana, nitsabo olona ana hetsiny maro. Efa tamin’ny faran’ireo taona 1930 vao nanjavona ka nitsahatra ilay valanaretina.

Amin’izao andro izao ilay aretina dia mamely olona 25 000 eo ho eo isan-taona. Araka ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, dia olona maherin’ny 50 tapitrisa any amin’ireo tany 36 any atsimon’i Sahara no mety ho voan’ilay aretina. Na dia mahafaty aza ny aretin-torimaso raha tsy voatsabo, dia misy fanafody hitsaboana azy io. Vao haingana izao dia nisy fanafody vaovao iray antsoina hoe eflornithine namboarina mba hitsaboana ilay aretina — fanafody voalohany toy izany tao anatin’ny 40 taona.

Nirotsaka tamin’ny ady naharitra ela hiadiana tamin’ny lalitra tsetse sy ny aretina entiny ny olombelona. Tamin’ny 1907, dia nanoratra toy izao i Winston Churchill momba ny ezaka manokana iray mba hamongorana ny lalitra tsetse: “Misy harato tsara dia tsara iray tenomina tsy amim-panenenana manodidina azy.” Amin’ny fanaovana jery todika, dia miharihary fa nisy lavaka be teo amin’ilay “harato tsara dia tsara” noresahin’i Churchill. Manambara toy izao ilay boky hoe Foundations of Parasitology: “Hatramin’izao, ny 80 taona namongorana ny tsetse dia tsy nisy fiantraikany firy teo amin’ny fielezan’ny tsetse.”

Teny iarovana azy

Nanoratra toy izao ilay poety amerikana atao hoe Ogden Nash: “Tamin’ny fahendreny no nanaovan’Andriamanitra ny lalitra, ary avy eo dia hadinony ny nilaza tamintsika ny antony.” Na dia marina aza fa i Jehovah Andriamanitra no Mpamorona ny zava-drehetra, dia azo antoka fa tsy marina ny hoe manadino izy. Zavatra maro no avelany hotadiavintsika manokana. Ahoana àry ny amin’ny lalitra tsetse? Misy zavatra tokony holazaina ve mba hiarovana an’io toa ratsy fanahy io?

Angamba ny fiarovana azy mafy indrindra hatramin’izao dia ny hoe niasa mba hiarovana ny biby dia tera-tany afrikana sisa tavela ny anjara asany eo amin’ny fandringanana biby fiompy. Mitovy amin’ny tany lava volon’ny faritra andrefana amin’i Etazonia ireo velaran-tany midadasika eto Afrika — ilay tany ihany dia mahavelona biby fiompy. Noho ny lalitra tsetse anefa, ireo biby fiompy dia matin’ny trypanosomes izay tsy mamono an’ireo biby tera-tany mihinam-bilona.

Olona maro no mino fa raha tsy noho ny lalitra tsetse, dia ho efa ela no nosoloan’ny andiam-biby fiompy ny biby dia maro sisa tavela eto Afrika. “Manohana ny tsetse aho”, hoy i Willie van Niekerk, mpitari-dalana ao amin’ny vala fiarovana ny biby dia any Botswana. “Foany ny tsetse dia hiely patrana ny biby fiompy, ary ny biby fiompy no mpanimba an’i Afrika, mitrongy ilay kontinenta ho tonga tany karakaina goavana.” Izao no teny nanampiny: “Tsy maintsy mijanona eto ilay lalitra.”

Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no miombon-kevitra amin’izany. Tsy mampiaiky firy ny olona izay mijery ny zanany na ny biby fiompiny mararin’ny trypanosomiase izany fanaporofoan-kevitra izany. Izany koa dia tsy mampiaiky an’ireo izay manjohy hevitra fa mila biby fiompy mba hohaniny i Afrika.

Na dia izany aza, dia tsy isalasalana fa mbola misy zavatra be dia be tokony hianarana momba ny anjara asa tanan’ny lalitra tsetse eo amin’ny natiora. Na dia toa mahery aza ny fiampangana azy io, dia angamba izao aloha loatra mba hanaovana fanatsoahan-kevitra.

Miresaka lalitra ihany isika, fa iny misy iray vao nanidina niditra ny efitrano. Miala tsiny aho fa ta hahazo antoka raha tsy tsetse ilay izy.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]

Lalitra tsetse: ©Martin Dohrn, The National Audubon Society Collection/PR

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara