Manontany ny Tanora Hoe...
Nahoana Aho no Tsy Mahay Mianatra?
“Tsy te hody hifanatri-tava tamin’ny ray aman-dreniko aho”, hoy ny tsaroan’i Jessica. “Tsy nahomby indray aho tamin’ny taranja maromaro.”a Teo amin’ny faha-15 taonany, i Jessica dia kinga saina sady tsara tarehy. Tahaka ny tanora maro anefa, dia sahirana be izy raha ny amin’ireo naotiny hifindrany kilasy.
MATETIKA ny naoty ratsy any an-tsekoly no vokatry ny fihetsika tsy miraika eo anoloan’ny fianarana na eo anoloan’ny mpampianatra ny tena. Tsy izany anefa no izy raha ny amin’i Jessica. Hitany tsotra izao ho faran’izay sarotra ny mahatakatra hevitra teoria fotsiny. Mazava ho azy fa nanasarotra ny hahombiazan’i Jessica tamin’ny matematika izany. Ary nanasarotra ny hahaizany taranja hafa ny fahasahiranana namaky teny.
Etsy an-danin’izany, i Maria dia tsy mahay manoratra tsara ara-pitsipi-panoratana. Manafina foana ireo fanazavana fohy raisiny an-tsoratra any amin’ny fivoriana kristiana izy satria menatra noho ny fahadisoany ara-pitsipi-panoratana. Tsy misy donto saina anefa na i Jessica na i Maria. Mahay olona aoka izany i Jessica, hany ka izy no mpanelanelana, na mpamaha olana, notendren’ny sekoly rehefa mipoitra ny disadisa eo amin’ireo mpiara-mianatra aminy. Ary raha ny amin’ny fianarana, i Maria dia anisan’ireo mpianatra sangany mahaforona ny 10 isan-jaton’ny kilasy misy azy.
Ilay olana: manana aretina mahakasika ny fianarana i Jessica sy i Maria. Mino ireo manam-pahaizana fa 3 ka hatramin’ny 10 isan-jato eo ho eo amin’ny ankizy rehetra no mety hanana fahasahiranana mitovy amin’izany eo amin’ny fianarana. I Tania, izay 20 taona mahery kely ankehitriny, dia mijaly vokatr’ilay antsoina hoe trouble hyperkinétique avec déficit de l’attention (THADA).b Hoy izy: “Sahirana mafy aho any amin’ny fivoriana kristiana, amin’ny fianarana manokana, sy amin’ny vavaka, noho ny tsy fahaizako mihaino tsara na mipetraka tsara akory aza. Miantraika eo amin’ny fanompoako izany satria miovaova foto-kevitra haingana loatra aho, hany ka tsy misy maharaka ahy.”
Rehefa tsy miaraka amin’ny fipelipelehana lava ilay aretina dia antsoina hoe trouble avec déficit de l’attention (TADA). Matetika no lazalazaina ho mpanonofy antoandro ireo olona voan’io aretina io. Mikasika an’ireo izay voan’ny TADA, dia nilaza toy izao ny Dr. Bruce Roseman, neurologue: “Mipetraka eo anoloan’ny boky iray mandritra ny 45 minitra izy ireo, ary tsy misy zavatra mitranga.” Noho ny antony sasany, dia sahirana be izy ireo mifantoka.
Mino ireo mpanao fikarohana ara-pitsaboana fa tato ho ato izy ireo dia nanomboka nahatakatra izay mahatonga ireny olana ireny. Kanefa, mbola betsaka no tsy fantatra. Ary tsy hoe mazava foana ireo fetra mampisaraka ny aretina sy ny kilema samihafa izay manembantsembana ny fianarana. Na inona na inona antony marina miteraka aretina manokana iray na anarana omena azy io — na olana eo amin’ny famakian-teny, ny fitadidiana, ny fihainoana tsara, na ny fipelipelehana lava — ilay aretina dia afaka manembantsembana ny fianaran’ny olona iray ka miteraka fijaliana tsy hoe kely akory. Raha manana kilema mahakasika ny fianarana ianao, ahoana no ahafahanao miezaka handresy azy io?
Ilay zava-tsarotra amin’ny fiatrehana ilay izy
Diniho i Jessica, izay notononina teo amin’ny teny fampidirana. Tapa-kevitra ny handresy ny kilemany mahakasika ny famakian-teny izy, ka niezaka hatrany hamaky boky samy hafa. Tonga ny fiovana lehibe rehefa nahita boky misy poezia izay naharevo azy izy. Nahazo boky nitovy tamin’izy io izy, boky izay nankafiziny koa ny famakiana azy. Tatỳ aoriana dia nanjary liana tamin’ny fitohitohizam-boky misy tantara izy, ary tsikelikely dia nanjary tsy olana firy ny famakian-teny. Ny fianarana tokony horaisina dia hoe misy vokany ny faharetana. Afaka mandresy kilema mahakasika ny fianarana koa ianao na, fara faharatsiny, afaka manao fandrosoana lehibe ho amin’izany rehefa tsy milavo lefona. — Ampitahao amin’ny Galatiana 6:9.
Ahoana ny amin’ny fiatrehana olana momba ny hoe fohy fitadidiana? Fanalahidy lehibe iray amin’ny famahana ilay olana ilay fitenenana hoe: “Loharanon’ny fitadidiana ny famerenana”. Hitan’i Nicky fa nanampy azy hitadidy zavatra ny famerenana am-bava amin’ny tenany ny zavatra reny sy novakiny. Andramo izany. Mety hanampy anao koa izany. Zava-dehibe ny hoe tamin’ny andron’ny Baiboly ny olona dia nanonona ireo teny, na dia rehefa namaky teny irery aza. Araka izany, i Jehovah dia nandidy an’i Josoa, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, hoe: “Tsy maintsy mamaky [ny Lalàn’Andriamanitra] amin’ny feo iva andro aman’alina ianao”. (Josoa 1:8, NW; Salamo 1:2, NW ). Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fanononana ireo teny? Satria nampiasa vavahadin-tsaina roa — momba ny fandrenesana sy ny fahitana — ny fanaovana izany ka nanampy hamela soritra lalina kokoa tao an-tsain’ilay mpamaky.
Ho an’i Jessica, dia asa goavana koa ny fianarana matematika. Kanefa, niezaka izy hianatra an’ireo lalàna matematika tamin’ny famerenana azy ireny — indraindray dia nandany hatramin’ny antsasak’adiny isaky ny lalàna iray. Tamin’ny farany dia nisy vokany ireo fiezahany. Koa mamerena, mamerena, mamerena! Fanao mampiseho fahendrena ny mihazona taratasy sy pensilihazo eo akaikinao rehefa mihaino ao an-dakilasy na mamaky teny mba hahafahanao handray an-tsoratra.
Tena zava-dehibe ny iheveranao ny fianarana ho adidy. Ataovy ho fahazarana ny mijanona aorian’ny fianarana ka miresaka amin’ireo mpampianatra anao. Ataovy izay hahafantarana azy ireo. Lazao azy fa manana olana momba ny fianarana ianao, nefa tapa-kevitra ny handresy azy io. Ho dodona ny hanampy ny ankamaroan’ireo mpampianatra. Koa ataovy izay hahazoana ny fanampiany. Nanao izany i Jessica ka nahazo fanohanana nilaina mafy avy tamin’ny mpampianatra nangoraka iray.
Mianara ny hifantoka
Manampy koa ny famerana tanjona sy fomba famalian-tsoa ho an’ny tenanao. Afaka manosika anao hifantoka ny famerana tanjona voafaritra tsara iray — toy ny hoe famitana ampahany amin’ny enti-mody — alohan’ny handefasana ny televiziona na ny mozika tianao indrindra. Ataovy azo antoka fa araka ny antonona ireo tanjona feranao. — Ampitahao amin’ny Filipiana 4:5, NW.
Afaka manampy indraindray ny fanaovana fanovana mampandroso eo amin’ny toe-javatra misy anao. Nataon’i Nicky izay hipetrahana teo aloha teo akaikin’ny mpampianatra tao an-dakilasy mba hifantohany tsara kokoa. Hitan’i Jessica ho nahasoa ny fanaovana ny enti-mody niaraka tamin’ny mpianatra mazoto iray. Mety ho hitanao fa manampy ny fanaovana tsotra fotsiny ny efitranonao ho mahafinaritra sy mampiadana.
Fampihenana ny fipelipelehana
Raha mirona hipelipelika lava ianao, dia mety ho fitsapana mahamay ny fianarana. Kanefa, milaza ny manam-pahaizana sasany fa azo tarihina ho amin’ny fampiasan-tena ara-batana ny fipelipelehana lava. “Mihamitombo ny porofo”, hoy ny fanamarihan’ny U.S.News & World Report, “fa ny fahafahan’ny olona tsirairay hahatakatra tsara fanazavana vaovao sy hitadidy fanazavana taloha dia mihatsara amin’ny alalan’ny fiovana biolojika ao amin’ny atidoha ateraky ny fampiasam-batana.” Noho izany, ny fampiasan-tena araka ny antonona — filomanosana, fihazakazahana, filalaovana baolina, fitaingenana bisikilety, fisosana amin’ny skateboard, sy ny toy izany — dia tsara ho an’ny vatana sy ny saina. — 1 Timoty 4:8.
Fanafody no omena amim-pahazarana ho amin’ny aretina mahakasika ny fianarana. Lazaina fa 70 isan-jato eo ho eo amin’ny tanora voan’ny THADA nomena fanafody manaitaitra no nahita vokany tsara. Anao sy an’ny ray aman-dreninao ny fanapahan-kevitra hoe hanaiky fitsaboana amin’ny alalan’ny fanafody ianao sa tsia, aorian’ny handinihana ny hamafin’ilay olana, ny vokany ratsy mety hitranga, sy ny anton-javatra hafa.
Tano ny hajan’ny tenanao
Na dia tsy heverina ho olana ara-pihetseham-po aza ny fahasahiranana eo amin’ny fianarana, dia afaka ny hisy vokany ara-pihetseham-po izy io. Afaka miteraka mora foana fahatsiarovan-tena ho tsy mendrika ny fitambaran’ny tsy fankasitrahana sy ny fitsikerana tsy an-kijanona avy amin’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra, ny naoty ratsy na ambany any an-tsekoly, sy ny tsy fananana namana akaiky. Manafina io fihetseham-po io ao ambadiky ny fihetsika mampiseho fahatezerana sy fandrahonana ny tanora sasany.
Tsy voatery hamoy ny fahatsiarovanao tena ho mendrika anefa ianao noho ny olana mahakasika ny fianarana.c “Ny zava-kendreko”, hoy ny matihanina iray miara-miasa amin’ny tanora manana olana mahakasika ny fianarana, “dia ny hanova ny toe-tsainy eo anoloan’ny fiainana — avy amin’ny hoe ‘Dondrona aho, ary tsy mahay manao zavatra tsara’ (...) ho amin’ny hoe ‘Eo am-pandresena olana iray aho, ary afaka manao zavatra betsaka kokoa noho izay noheveriko hatramin’izay hoe ho vitako.’ ”
Na dia tsy afaka manao zavatra firy momba ny toe-tsain’ny hafa aza ianao, dia afaka manan-kery eo amin’ny anao ianao. Nanao izany i Jessica. Hoy izy: “Rehefa nitsara ny tenako niorina tamin’izay nolazain’ny ankizy tany an-tsekoly sy ny anaram-bosotra nomeny aho, dia ta handositra hiala ny sekoly. Ankehitriny anefa aho dia miezaka hinia tsy hahalala izay lazain’izy ireo ka hanao hatrany ny tsara indrindra vitako. Mafy ilay izy, ary tsy maintsy mampahatsiahy ny tenako hatrany aho, kanefa mandaitra ilay izy.”
Tsy maintsy niady tamin’ny zava-misy hafa i Jessica. Mpianatra tena nahay be ny zokiny lahy. “Nanimba ny fahatsiarovako tena ho mendrika izany”, hoy i Jessica, “mandra-pitsahatro tsy nampitaha ny tenako taminy.” Koa aza mampitaha ny tenanao amin’ireo iray tam-po aminao. — Ampitahao amin’ny Galatiana 6:4.
Hanampy anao koa hanana fomba fijery zavatra araka ny tokony ho izy ny firesahana amin’ny namana iray azo itokiana. Haneho tsy fivadihana ny tena namana iray ka hifikitra aminao eo am-piezahanao hihatsara. (Ohabolana 17:17). Etsy an-danin’izany, ny namana sandoka iray dia, na hanambany anao, na hanome anao fomba fijery nasandratra tsy araka ny tokony ho izy momba ny tenanao. Noho izany, dia fidio amim-pitandremana ireo namanao.
Raha manana olana mahakasika ny fianarana ianao, dia azo inoana fa hahazo fanitsiana betsaka kokoa noho ny tanora hafa. Aza avela hanome anao fomba fijery tsy manorina momba ny tenanao anefa izany. Jereo araka ny fomba fijerin’Andriamanitra ny famaizana, ho toy ny zavatra sarobidy be. Tadidio fa ny famaizana omen’ny ray aman-dreninao dia porofon’ny hoe tia anao izy ireo ka maniry ny hanome anao izay tsara indrindra. — Ohabolana 1:8, 9; 3:11, 12; Hebreo 12:5-9.
Tsia, tsy voatery hanakivy anao ny olana mahazo anao momba ny fianarana. Afaka manao zavatra momba azy ireny ianao ka hanana fiainana ahitam-bokatra. Vao mainka anefa misy antony lehibe kokoa hananana fanantenana. Nampanantena Andriamanitra fa hitondra tontolo vaovao feno fahamarinana izay haha-tondraka ny fahalalana sy haha-foana ny aretina rehetra ara-tsaina sy ara-batana. (Isaia 11:9; Apokalypsy 21:1-4). Koa aoka ianao ho tapa-kevitra ny hianatra misimisy kokoa momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany, ary manaova zavatra mifanaraka amin’izany fahalalana izany. — Jaona 17:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany.
b Jereo, aza fady, ireo fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Comprendre les enfants difficiles” ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Novambra 1994, sy ilay lahatsoratra hoe “Votre enfant est-il dyslexique?” ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Aogositra 1983.
c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Les jeunes s’interrogent... Comment conserver le sentiment de sa dignité?”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Jolay 1983.
[Sary, pejy 13]
Raiso ho adidy ny fianarana