FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/11 p. 5-7
  • Fanalana Sarona ny Fototry ny Fitenenan-dratsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanalana Sarona ny Fototry ny Fitenenan-dratsy
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fomba anombohany
  • Ny fahefan’ny mpampahory
  • Teny Mandratra Ovana ho Teny Manasitrana
    Mifohaza!—1996
  • Miezaha mba Tsy Hanao Teny Maharary
    Mifohaza!—2013
  • Ry Lehilahy, Omeo Voninahitra ny Vadinareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Aoka Isika Hanao Teny Mampahery
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/11 p. 5-7

Fanalana Sarona ny Fototry ny Fitenenan-dratsy

“Avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.” — MATIO 12:34.

TOKONY ho roa arivo taona lasa izay, dia nanambara ireo teny etsy ambony i Jesosy Kristy. Eny, matetika ny tenin’ny olona iray no manome taratry ny fihetseham-po sy ny antony manosika azy lalina indrindra. Mety ho mendri-piderana ny teniny. (Ohabolana 16:23). Etsy an-danin’izany, dia mety ho feno fitaka izy io. — Matio 15:19.

Hoy ny vehivavy iray mikasika ny vadiny: “Toa misafoaka tampoka eo izy, ary ny fiaraha-monina aminy dia matetika no tahaka ny fandehanana mamakivaky saha feno vanja milevina — tsy fantatrao mihitsy hoe inona no hiteraka fipoahana iray.” Milazalaza tarehin-javatra mitovy amin’izany momba ny vadiny, i Richard. “Vonon-kiady foana i Lydia”, hoy izy. “Tsy miresaka fotsiny izy; mandevilevy amim-pilana ady aoka izany izy, ka manondro ahy amin’ny rantsantanany toy ny hoe zaza aho.”

Mazava ho azy fa mety hipoaka ny fifandirana, na dia ao anatin’ny fanambadiana tsara indrindra aza, ary ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia samy milaza zavatra izay hanenenany any aoriana. (Jakoba 3:2). Mihoatra noho izany anefa ny fitenenan-dratsy ao anatin’ny fanambadiana; tafiditra amin’izany ny teny manivaiva sy manakiana izay kendrena mba hanapahana, na hifehezana, ny vadin’ny tena. Indraindray ny teny mandratra dia miafina ao ambadiky ny fisehoana ivelany ho malemy fanahy. Ohatra, nilazalaza toy izao ny amin’ny lehilahy iray izay nalefa-piteny, kanefa ratsy fanahy tao anatiny tao, i Davida mpanao salamo: “Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.” (Salamo 55:21; Ohabolana 26:24, 25). Na maneho fitiavan-kampijaly na voasarontsarona ny teny henjana amin’ny fisehoany etỳ ivelany, dia afaka mandrava fanambadiana.

Ny fomba anombohany

Inona no mahatonga ny olona iray hampiasa fitenenan-dratsy? Amin’ny ankapobeny, dia avy amin’izay hitan’ny olona iray sy izay reny no iandohan’ny fampiasana fitenenana toy izany. Any amin’ny tany maro, dia heverina ho azo ekena sy ho mampihomehy mihitsy aza ny fanesoesoana sy ny fanevatevana ary ny teny fampietrena.a Ny lehilahy indrindra no mety ho voataonan’ny fampitam-baovao, izay matetika no nampiseho ny “tena” lehilahy ho manjakazaka sy tia ady.

Mitovy amin’izany koa, fa olona maro, izay mampiasa teny fanambaniana, no notezaina tao amin’ny tokantrano izay namoahan’ny ray na ny reny tsy tapaka ny fahatezerany, ny lolompony, sy ny famingavingany. Noho izany, hatramin’ny fahakeliny, izy ireo dia nahazo ilay hafatra hoe ara-dalàna io karazam-pitondran-tena io.

Mety hiana-javatra mihoatra noho ny fomba fiteny fotsiny ny zaza iray notezaina tao anatin’ny rivo-piainana toy izany; mety handray fomba fijery voaolana momba ny tenany sy ny hafa koa izy. Ohatra, raha anaovana teny henjana ilay zaza, dia mety hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny izy rehefa mihalehibe, mety hanjary ho tezitra mihitsy aza. Ahoana anefa raha sendra mandre an-drainy mamelively ny reniny amin’ny teny izy? Na dia mbola tena kely aza ilay zaza, dia afaka mandray ny fomba fanamavoan’ny rainy ny vehivavy. Mety hianaran’ny zazalahy iray avy amin’ny fitondran-tenan’ny rainy ny hoe mila mifehy ny vehivavy ny lehilahy ary koa fa ny fomba hahazoana hifehy dia ny fampitahorana na ny fandratrana ny vehivavy.

Ny ray na ny reny tezitra dia mety hamolavola zaza tezitra, izay avy eo dia hanjary ‘hasiaka’ rehefa mihalehibe, ary hanao ‘fahadisoana be’. (Ohabolana 29:22). Amin’izany no amindrana ny teny mandratra avy amin’ny taranaka iray ho lovan’ny taranaka manaraka. Noho ny antony tsara no nanomezan’i Paoly torohevitra toy izao ho an’ireo ray: “Aza mampahasosotra ny zanakareo”. (Kolosiana 3:21). Mendrika ny homarihina fa ilay teny grika nadika hoe “mampahasosotra” dia afaka manana ilay heviny hoe “manomana sy mandrisika ho amin’ny ady”, araka ny Theological Lexicon of the New Testament.

Mazava ho azy fa tsy manala tsiny ny fandevilevena ny hafa, amin’ny teny na amin’ny fomba hafa, ny hery mitaonan’ny ray aman-dreny; tena manampy anefa izany mba hanazavana ny fomba hahatongavan’ny fironana hanao teny henjana hanjary ho latsa-paka lalina. Mety tsy hampijaly ara-batana ny vadiny ny tovolahy iray, kanefa mampijaly azy amin’ny teniny sy ny fiovaovan’ny toetrany ve izy? Ny fandinihan-tena dia mety hampiharihary amin’ny olona iray fa nandray ny fomba fanamavoan’ny rainy ny vehivavy izy.

Miharihary fa mihatra amin’ny vehivavy koa ireo fotopoto-pitsipika etsy ambony. Raha mampijaly ny vadiny amin’ny teniny ny reny iray, dia mety hitondra ny vadiny amin’ny fomba mitovy amin’izany ny zanakavavy iray, rehefa manambady izy. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Aleo mitoetra any an-efitra toy izay amin’ny vehivavy tia ady sady foizina.” (Ohabolana 21:19). Na dia izany aza, dia ny lehilahy no mila mitandrina indrindra ny amin’io raharaha io. Nahoana?

Ny fahefan’ny mpampahory

Mazàna ny lehilahy no manana fahefana lehibe kokoa noho ny an’ny vadiny, ao amin’ny fanambadiana. Saika izy foana no matanjaka kokoa ara-batana, ka mahatonga ny fandrahonana handratra ara-batana ho vao mainka hampahatahotra.b Fanampin’izany, dia matetika ny lehilahy no manana fahaiza-miasa tsara kokoa, manana fahaiza-mamelon-tena tsy miankina kokoa amin’ny hafa, sy tombontsoa ara-bola bebe kokoa. Noho izany, dia azo inoana fa hahatsiaro ho voafandrika sy irery ny vehivavy iray velivelezina amin’ny teny. Mety hiombon-kevitra amin’ny fanambaran’i Solomona Mpanjaka hendry toy izao izy: “Hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ny masoandro; ary indro ny ranomason’ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ny tànan’ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.” — Mpitoriteny 4:1.

Mety ho sanganehana ny vehivavy iray raha mivadibadika be ny vadiny — mbetika maneho fiahiana, mbetika manakiana. (Ampitahao amin’ny Jakoba 3:10.) Ankoatra izany, raha mpamelona ara-nofo mahafa-po ny vadiny, ny vehivavy iray, izay lasibatry ny teny henjana, dia mety hahatsiaro tena ho meloka noho ny fieritreretana fa misy zavatra tsy mety ao amin’ny fanambadiany. Mety hanome tsiny ny tenany mihitsy aza izy noho ny fitondran-tenan’ny vadiny. “Tsy misy hafa amin’ny vehivavy velezina ara-batana”, hoy ny fieken’ny vehivavy iray, “dia nihevitra foana aho hoe avy tamiko no nahatonga izany.” Hoy ny vehivavy hafa iray: “Nanjary nino aho fa raha niezaka mafy kokoa hahatakatra ny fiheviny sy ‘hanam-paharetana’ aminy aho, dia hahita fiadanana ny tenako.” Mampalahelo fa matetika no mitohy ilay fitondrana amin’ny fomba ratsy.

Mampalahelo tokoa fa lehilahy maro no mampiasa amin’ny fomba ratsy ny fahefany amin’ny fanapahana ilay vehivavy izay mety ho nanaovany voady fa ho tiany sy hokolokoloiny. (Genesisy 3:16). Inona anefa no azo atao momba ny tarehin-javatra toy izany? “Tsy ta handao azy aho”, hoy ny vehivavy iray, “fa tiako fotsiny izy hitsahatra tsy hampijaly ahy.” Taorian’ny nanambadiany sivy taona, dia miaiky toy izao ny lehilahy iray: “Takatro fa ao anatin’ny fifandraisana anaovana fampijaliana amin’ny alalan’ny teny aho ary [takatro] fa izaho ilay mpampijaly. Te hiova tanteraka aho, fa tsy ta handao ny vadiko.”

Misy ny fanampiana ho an’ireo izay manana fanambadiana nampahorian’ny teny mandratra, araka ny hasehon’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Miharihary fa toy izany no nitranga tamin’ny taonjato voalohany. Manao fanamarihana ny The New International Dictionary of New Testament Theology fa “ho an’ny Grika, dia iray tamin’ireo fahaiza-miaina ny nahafantarana ny fomba nanevatevana ny hafa na ny fomba nahazakana ny fanevatevana ny tena”.

b Mety ho dingana ho amin’ny herisetra an-tokantrano ny fanafihana amin’ny teny. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 21:18.) Hoy ny mpanolo-tsaina iray ny vehivavy voavely: “Ny vehivavy tsirairay izay mitady ny hahazoana didy fiarovana azy amin’ny kapoka, ny fanindronana amin-java-maranitra, na ny fanakendana, mahatandindomin-doza ny ainy, dia efa nanana, ho fanampin’izany, tantara lava nampanaintaina momba ny fampijaliana tsy ara-batana.”

[Teny notsongaina, pejy 6]

Mampalahelo fa lehilahy maro no mampiasa amin’ny fomba ratsy ny fahefany amin’ny fanapahana ny vehivavy izay mety ho nanaovany voady fa ho tiany sy hokolokoloiny

[Sary, pejy 7]

Voataonan’ny fomba ifampitondran’ny ray aman-dreniny ny zaza iray

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara