FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/12 p. 4-7
  • Iza no Mipetraka any Amin’ny Faritra Ara-panahy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Mipetraka any Amin’ny Faritra Ara-panahy?
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Jehovah, ilay Andriamanitra Tsitoha
  • Anjely, mpanompon’Andriamanitra mahery
  • Satana sy ireo demonia, fahavalon’Andriamanitra sy ny olona
  • Aiza ireo razana?
  • Fiverenana ho amin’ny vovoka
  • Iza no Monina any Amin’ny Tsy Hita Maso?
    Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
  • Aiza ny Razantsika?
    Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
  • Tsy avy Niaina sy Maty Teto An-tany Akory Ireo Fanahy (Esprits)
    Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?
  • Inona no Nambaran’ny Mpaminany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/12 p. 4-7

Iza no Mipetraka any Amin’ny Faritra Ara-panahy?

NANJARY “tsenabe” ho an’ireo zavatra inoana sy fanekem-pinoana ara-pivavahana, izao tontolo izao. Atsy Afrika fotsiny, dia misy antokom-pivavahana an’arivony maro, ka ny tsirairay dia manana ny heviny manokana momba izay mitranga any amin’ny faritra ara-panahy. Kanefa, mba hahazoana filazalazana mazava sy marina, dia ilaintsika ny mitodika any amin’ny Baiboly. Ampahafantariny ireo fanahy — ny tsara sy ny ratsy — izay mipetraka any amin’ny faritra ara-panahy. Asehony koa hoe iza no azontsika angatahana amim-pahombiazana fanampiana sy fiarovana.

Jehovah, ilay Andriamanitra Tsitoha

Ireo fivavahana nentim-paharazana atsy Afrika dia mampianatra fa misy Andriamanitra tsitoha iray manam-pahefana ambonin’ny razana sy ireo andriamanitra. Hoy ilay boky hoe African Mythology: “Tsy isalasalana fa saiky ny rehetra amin’ny vahoaka afrikana, raha tsy izy rehetra mihitsy aza, dia mino Fisiana Tampony iray, ilay mpamorona ny zava-drehetra.” Hoy ilay boky hoe African Religion in African Scholarship: “Koa satria Andriamanitra no mpifehy tanteraka an’izao rehetra izao, ireo fisiana hafa rehetra sy ny hery rehetra dia misy, vokatry ny Fisiany. Zony ara-dalàna ny fahefana sy ny hery feno.”

Eken’ny Baiboly fa misy Ilay manjaka fara tampony any amin’ny faritra ara-panahy. Izy io dia lazalazainy ho “Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly”. — Deoteronomia 10:17, fanamarihana ambany pejy.

Manerana an’i Afrika dia misy anarana sy anaram-boninahitra an-jatony maro omena an’ilay heverina fa fara tampony. Inona anefa no lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny anaran’Andriamanitra? Nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” (Salamo 83:18). Miseho maherin’ny in-7 000 io anarana masina io ao amin’ny firaketana an-tsoratry ny Baiboly, na dia nanolo azy io tamin’ny anaram-boninahitra toy ny hoe “Andriamanitra” na “Tompo” aza ny mpandika ny Baiboly sasany.

Noho i Jehovah tsitoha eo amin’ny hery, dia afaka manampy antsika izy. Izy dia milazalaza ny tenany ho “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW ] sy fahamarinana, mitahiry [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW ] ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka”. — Eksodosy 34:6, 7; 1 Samoela 2:6, 7.

Anjely, mpanompon’Andriamanitra mahery

Ela be talohan’ny namoronan’i Jehovah ny olombelona, na ny tany mihitsy aza, dia namorona ireo persona ara-panahy tany an-danitra izy. Milaza ny Baiboly fa fony Andriamanitra “nanorina ny tany (...) [dia] nihoby avokoa ireo [anjely] zanak’Andriamanitra”. (Joba 38:4-7). Misy anjely an-tapitrisany maro. I Daniela mpanompon’i Jehovah dia nanoratra ny amin’ny fahitana iray momba ireo zavatra any an-danitra, ka tao amin’ilay fahitana izy dia nahita fa “arivoarivo no nanompo [an’Andriamanitra], ary alinalina no nitsangana teo anatrehany”. — Daniela 7:10.

Ny persona ara-panahy voalohany noforonin’i Jehovah dia ilay nanjary fantatra hoe Jesosy Kristy. (Jaona 17:5; Kolosiana 1:15). Talohan’ny niainany ho olombelona teto an-tany, i Jesosy dia niaina tany an-danitra tamin’ny naha-zavaboary ara-panahy mahery. Taorian’ny nahafatesany tamin’ny naha-olombelona, i Jesosy dia natsangana hankany an-danitra, izay nanohizany niaina indray amin’ny maha-zavaboary ara-panahy mahery. — Asan’ny Apostoly 2:32, 33.

Manana hery lehibe i Jesosy any an-danitra. Ao amin’ny Joda 9, i Jesosy izay fantatra koa hoe Mikaela, dia antsoina hoe “arikanjely”, izay midika fa izy no anjely ambony indrindra, na lehibe indrindra. (1 Tesaloniana 4:16). Manana fahefana amin’ny tany koa izy. Nomen’i Jehovah “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy”. (Daniela 7:13, 14). Na dia eo aza ny fahefana lehibe ananany, dia mitoetra ho manaiky an’i Jehovah Rainy, i Jesosy. — 1 Korintiana 11:3.

Na dia manompo an’i Jehovah aza ireo anjely mahatoky, dia manompo an’ireo mpanompon’Andriamanitra eto an-tany koa izy ireo. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Tsy fanahy manompo va [ny anjely] rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena?” (Hebreo 1:14). Miahy manokana ny hianaran’ny olona ny fahamarinana momba an’i Jehovah, izy ireo. Ny apostoly Jaona dia nahita tao amin’ny fahitana, “anjely iray (...) nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, nanao tamin’ny feo mahery hoe: Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy”. — Apokalypsy 14:6, 7.

Satana sy ireo demonia, fahavalon’Andriamanitra sy ny olona

Mampalahelo fa tsy ny anjely rehetra akory no nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra. Nisy nikomy taminy, ka tonga fahavalon’Andriamanitra sy ny olombelona. I Satana Devoly no ilay mpikomy lehibe indrindra.

Na dia maro aza amin’izao andro izao no mandà ny fisian’i Satana, dia tsy misy kosa mandà ny fisian’ny faharatsiana. Ny hoe mino ny faharatsiana kanefa sady tsy mino fa misy antony mahatonga azy io, dia mitarika ho amin’ny “zava-manahirana tsy azo ialana”, hoy ny fanamarihan’ilay boky hoe The Death of Satan. “Isika dia mahatsapa ny fisian-javatra iray izay tsy anomezan’ny kolontsaintsika antsika intsony voambolana ilazana azy.”

Mifanohitra amin’izany fa ny Baiboly dia tena manana ilay voambolana sady milaza mazava tsara ny fahamarinana momba ny loharanon’ny faharatsiana. Hazavainy fa ireo zavaboary anjely izay noforonin’i Jehovah dia marina sy tsara avokoa; tsy namorona anjely ratsy fanahy na iza na iza izy. (Deoteronomia 32:4; Salamo 5:4). Na dia izany aza, ireo anjely dia nomena fahaizana hifidy ny tsara na ny ratsy, sahala amin’ny olombelona. Ny iray tamin’ireny zanaka ara-panahy lavorary ireny dia nampitombo faniriana feno fitiavan-tena handrombaka ny fanompoam-pivavahana izay an’i Jehovah ara-drariny. Tamin’izany no nahazoany ilay anarana hoe Satana, izay midika hoe “Mpanohitra”. (Ampitahao amin’ny Jakoba 1:14, 15.) Tsy mpifetsifetsy fotsiny toy ny ampianarin’ny fivavahana afrikana sasany akory i Satana; ary izy koa dia tsy “mpiambina olona” izay miaro ireo manao fanatitra tsy tapaka aminy. Asehon’ny Baiboly ho feno faharatsiana sy halozana tanteraka izy.

Nisy anjely hafa nanatevin-daharana tamin’ny fikomian’i Satana tamin’Andriamanitra. Fahavalon’ny olona eto an-tany koa ireny anjely demonia ireny. Feno halozana sy faharatsiana koa izy ireny. Tamin’ny andro lasa, dia nataon’izy ireny moana sy jamba ny olona sasany. (Matio 9:32, 33; 12:22). Ny hafa, anisan’izany ny ankizy, dia nasian’izy ireo tamin’ny aretina na tamin’ny aretin-tsaina. (Matio 17:15, 18; Marka 5:2-5). Mazava fa tsy hisy olona misaina haniry hanana fifandraisana na inona na inona amin’i Satana na amin’ireny demonia ireny.

Aiza ireo razana?

Olona an-tapitrisany maro atsy Afrika sy any an-toeran-kafa no mino fa tsy fifaranan’ny fiainana akory ny fahafatesana fa tetezamita fotsiny, na fiampitana ho amin’ny fiainana any amin’ny faritra ara-panahy, ilay toeran’ireo andriamanitra sy ny razana. I John Mbiti, manam-pahaizana manokana momba ny fivavahana afrikana, dia nanoratra toy izao momba ny finoana ny razana izay antsoiny hoe “maty mbola velona”: “Ireny no ‘fanahy’ mahaliana indrindra ny vahoaka afrikana (...). Izy ireny dia mahafantatra sy liana amin’izay mitranga ao amin’ny fianakaviana [eto an-tany]. (...) Izy ireny no mpiambina ireo raharaham-pianakaviana, ireo fomban-drazana, ireo fitsipika harahina, sy ireo asa. Ny fanotana amin’ireo raharaha ireo amin’ny farany dia fanotana amin’ireo razambe izay, amin’izany toerana izany, dia miasa ho toy ny polisy tsy hita mason’ireo fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Koa satria izy ireny mbola ‘olona’ ihany, dia ireo maty mbola velona àry no antokon’olona tsara indrindra mpanelanelana amin’ny olona sy Andriamanitra: fantatr’izy ireny izay ilain’ny olombelona, vao ‘haingana’ izy ireny no teto niaraka tamin’ny olombelona, sady afaka mampiasa amin’ny fomba feno ireo fitaovana fampitana resaka amin’Andriamanitra izy ireny.”

Inona anefa no lazain’ny Baiboly momba ny toetran’ny maty? Asehony fa tsy misy izany “maty mbola velona” izany. Na velona, na maty, ny olona — fa tsy izy roa miaraka mihitsy. Ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra fa ny maty dia tsy afaka mandre, mahita, miteny, na mieritreritra. Ny maty dia tsy afaka manao ny asan’ny polisy eo amin’ny velona. Hoy ny Baiboly: “Ny maty (...) tsy mba mahalala na inona na inona (...). Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela (...). Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [fasana] izay alehanao.” (Mpitoriteny 9:5, 6, 10). “Miverina ho amin’ny taniny [ny olona]; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” — Salamo 146:4.

Fiverenana ho amin’ny vovoka

Raha hitanao fa sarotra ny manaiky izany, dia hevero izay nitranga tamin’i Adama, ilay lehilahy voalohany. Namolavola an’i Adama avy tamin’ny “vovo-tany” i Jehovah. (Genesisy 2:7). Rehefa tsy nankato ny didin’i Jehovah i Adama, dia fahafatesana no sazy. Hoy Andriamanitra taminy: “[Hiverina] any amin’ny tany [hianao]; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” — Genesisy 3:19.

Talohan’ny namoronan’i Jehovah an’i Adama avy tamin’ny vovoka, dia tsy nisy i Adama. Koa rehefa ‘niverina tamin’ny tany’ izy, dia nanjary tsy nanana aina indray izy, toy ny vovoka. Tsy niampita nankany amin’ny faritra misy ireo fanahin’ny razana akory izy. Tsy nankany an-danitra na nankany amin’ny afobe izy. Rehefa maty izy, dia izay no farany ho azy.

Mitovy amin’izany ve ny mitranga amin’olombelona hafa eo amin’ny fahafatesana? Eny, izany tokoa. Milaza toy izao ny Baiboly: “Izy rehetra [ny olombelona sy ny biby] samy mankamin’ny fitoerana iray: avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.” (Mpitoriteny 3:20). Ny Baiboly dia tena mampanantena fa hofohazin’Andriamanitra ho amin’ny fiainana ao amin’ny tany zary paradisa ny olona maty, saingy mbola amin’ny hoavy izany fotoana izany. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15). Mandra-pahatongan’izany dia tsy tokony hatahotra ny maty isika na hanao sorona ho azy, satria sady tsy afaka manampy antsika izy ireny no tsy afaka manisy ratsy antsika.

Irin’i Satana sy ireo demoniany ny hamitaka ny olona momba ny toetran’ireo razany efa maty, koa ampandrosoany ilay lainga hoe manohy miaina ny olona aorian’ny fahafatesana. Amin’ny alalan’ireo tantara tsy marina no fomba iray anaovan’izy ireo izany. (1 Timoty 4:1). Izy ireo koa dia mampiasa fahitana sy nofy ary mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy, mba hamitahana ny olona hieritreritra fa nifampiresaka tamin’ny maty izy ireo. Tsy ny maty anefa no ifandraisana. Ireo demonia izay mihambo ho olona efa maty kosa ilay izy. Izany no antony anamelohan’i Jehovah mafy ireo izay manontany amin’ny maty, na mivantana izany, na tsy mivantana, amin’ny alalan’ny fomba hafa toy ny fisikidianana. — Deoteronomia 18:10-12.

[Sary, pejy 6]

Amin’ny alalan’ny fahitana sy ny nofy ary ireo mpanelanelana amin’ ny tontolo ara-panahy, no amitahan’ ireo demonia ny olona sy ampitahorany azy

[Sary, pejy 7]

Mba hamitahana ny olona, dia mihambo ho ireo efa maty ny demonia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara