Nohatanjahina mba Hiatrika ny Fisedrana ho Avy
NOTANTARAIN’I EDWARD MICHALEC
Nisafoaka ilay “shérif”-n’i Wharton, any Texas, Etazonia. Nitondra ahy faninefany ho any am-ponja izy ka nilelalela hoe: “Fa maninona ialahy no tsy manaraka ny baiko?”
“Manan-jo tanteraka hanao izany aho”, hoy ny valin-teny tonga ho azy teo am-bavako. Vao mainka naharomotra ilay “shérif” izany, ary nanomboka nikapoka ahy tamin’ny anjamby mifono hoditra izy. Nisy polisy hafa koa nirotsaka an-tsehatra ka namely ahy tamin’ny vodin’ny basy poletany.
EFA ho 60 taona lasa izay no nitrangan’izany. Rehefa manao jery todika aho dia afaka mahita fa nampiasa tarehin-javatra toy izany i Jehovah Andriamanitra mba hampiofanana ahy hiatrika ilay zava-tsarotra hoe iray tamin’ireo hany Vavolombelon’i Jehovah roa teto Bolivia, tany iray mitovy habe amin’i Frantsa atỳ Amerika Atsimo, ny tenako. Ny zavatra niainako dia mety hanampy anao hahita ny fomba azon’i Jehovah anatanjahana anao rehefa miatrika fisedrana isan-karazany ianao.
Tamin’ny 1936, raha mbola niasa tao amin’ny trano fanamboarana radio simba tao Boling, any Texas, aho, dia nandre lahateny iray tamin’ny fampielezam-peo. Lahateny nataon’i Joseph F. Rutherford, izay prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izany, ilay izy. Niresaka momba ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olombelona mankatò ny lahateniny. Tena nanintona ahy ilay izy. (Matio 6:9, 10; Apokalypsy 21:3, 4). Tatỳ aoriana, dia nahita boky sasany nosoratan’i Rutherford, tao amin’ny fitahirizam-bokinay manokana, aho, ka nanomboka namaky azy ireo.
Ny renikeliko dia nanjary nanahy ny amin’ny fahalianako tamin’izay nantsoiny hoe “ireny bokim-pivavahana tonta rehetra ireny”. Nanafina azy ireny izy ary nandrahona ny handoro azy ireny. Rehefa nanoratra tany amin’ny Fikambanana Watch Tower aho mba hahazoana famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny L’Âge d’Or, anarana taloha iray niantsoana ny Mifohaza!, dia nangataka an’i William Harper, avy tao amin’ny Kongregasionan’i Wharton izay niforona vao haingana, ny Fikambanana, mba hitsidika ahy. Tsy ela, ny renikeliko sy ny rahalahiko sy ny zandriko lahy tsy iray reny tamiko ary ny tenako, dia samy niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Rahalahy Harper. Nony afaka kelikely, dia nanamarika ny fanoloran-tenanay ho an’i Jehovah tamin’ny batisa anaty rano avokoa izahay rehetra.
Tamin’ny 1938, i Shield Toutjian, solontenan’ny Fikambanana nitety faritany, dia nitsidika ny tranonay tao Boling ka nanao lahateny ara-baiboly. Feno hipoka ilay efitranonay — nisy olona nijoro mihitsy aza teny amin’ny fidirana mankamin’ireo efitra ilany. Ny Rahalahy Toutjian dia niresaka momba ny fiaretan’ny mpaminany Jeremia teo amin’ny fitoriana tamin’ny olona tamin’ny androny, na dia teo aza ny fanoherana. (Jeremia 1:19; 6:10; 15:15, 20; 20:8). Tamin’ny alalan’ny lahateny toy izany, dia nanatanjaka anay ho amin’ny fisedrana hatrehinay i Jehovah.
Fanapahan-kevitra iray sy ireo vokany
Tsy ela dia takatro fa nila nandray fanapahan-kevitra aho. Tany aloha, dia nanao fianarana momba ny varotra aho ary nitady laza teo amin’ny tontolon’ny varotra. Nanana orinasa mpivarotra radio sy mpanamboatra radio simba aho ary niasa ho an’ny kompania iray momba ny telefaonina, ka nametraka ireo taribin-telefaonina. Izao anefa dia nanomboka takatro fa tafiditra amin’ny tena fahombiazana eo amin’ny fiainana ny fampifaliana an’ilay Mpamorona antsika, dia i Jehovah Andriamanitra. Koa nakatoko àry ilay orinasako ary nanavao trano fiara iray aho. Tamin’ny 1 Janoary 1939, dia nanatevin-daharana antokona mpisava lalana, mpanompo manontolo andro, tao akaikin’i Three Rivers, any amin’ny Zaran-tanin’i Karnes, any Texas, aho.
Tamin’ny Septambra 1939, dia nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa tany Eoropa. Nanararaotra ilay tarehin-javatra ny mpanohitra mba hanendrikendrehana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza izy ireo fa izahay dia anisan’ny cinquième colonne (antokon’olona miray tsikombakomba amin’ny fahavalo), na mpitsikilo ho an’ireo Fanjakan’ny Axe (ireo firenena mpiray dina tamin’i Alemaina). Maro no nino izany fiampangana diso izany ka nanomboka nampisy olana taminay. Nandritra ny fiandohan’ireo taona 1940, dia naiditra am-ponja intsivy na impolo aho, anisan’izany ilay voalaza terỳ aloha, fony nikapoka ahy mafy dia mafy ilay shérif sy ireo lefiny. Nila fikarakarana ara-pitsaboana aho taorian’izay.
Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa tatỳ aoriana, dia vonona ny tsy hitory lehilahy iray voampanga ho niloka tsy ara-dalàna io shérif io, ho takalon’ny fitadiavany sitraka tamin’ilay lehilahy — tsy maintsy nikapoka ahy imbetsaka ilay lehilahy vaventy, mpiasa tamin’ny fitrandrahana solitany. Ho vokany, indray andro raha teny am-panolorana gazety teny amin’ny arabe aho, dia namely ahy tamin’ny rojo vy ilay lehilahy! Nisy lefitr’ilay shérif nipoitra, nefa tsy nisambotra azy io izy ireo fa izaho no nogadrany! Tatỳ aoriana, dia nilaza tamiko ny antony namelezany ahy tsy ahoan-tsy ahoana ilay nanafika ahy, ka niala tsiny tamiko.
Fianarana azo avy tamin’ny fisedrana
Tena nanatanjaka ny finoako an’Andriamanitra ny fiatrehana fisedrana toy izany. Voalohany aloha, dia tsy tadidiko ho nahatsapa fanaintainana aho tamin’ny nikapohana ahy, fa ny tena tadidiko kosa dia ilay fahatoniana sy fiadanana tsapako taorian’izany. (Asan’ny Apostoly 5:40-42). Araka izany, dia nianatra ny hanao izay nampirisihan’ny apostoly Paoly toy izao aho: ‘Aoka hifaly amin’ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana’. (Romana 5:3). Taorian’izany, rehefa tsaroako ireo kapoka nahazo ahy, izany dia nahatonga ahy ho tapa-kevitra, noho fanampian’i Jehovah, ny tsy hamela na oviana na oviana an’izay solontenan’i Satana rehetra, hampangina ahy.
Ambonin’izany, dia nahazo fianarana sarobidy hafa iray aho. Nahatonga fofona an’ilay shérif ilay fanamarihana nataoko tsy nisy fahaiza-mandanjalanja hoe: “Manan-jo tanteraka hanao izany aho.” Tatỳ aoriana, dia nifanandrina tamiko indray izy, ka tamin’itỳ indray mitoraka itỳ dia nisafoaka ny anao lahy satria tsy mety miditra amin’ny ady ny Vavolombelona. (Isaia 2:4). Niezaka ny hahatonga fofona ahy izy ka nanontany hoe: “Handeha ve ialahy raha antsoina hanompo ny tanindrazan’ialahy?”
Noho izaho efa nahazo ilay fianarana ny amin’ny fahaiza-mandanjalanja izao, dia namaly aho hoe: “Raha azoko antoka fa izany no sitrapon’i Jehovah, dia tena handeha aho.” Nampitony ny fahatezerany izany valin-teny izany, ary tsy nisy zavatra hafa niseho.
Fiofanana ho amin’ilay asako mandritra ny androm-piainako
Ny zavatra misongadina iray teo amin’ny fiainako dia ny nanatrehako ny kilasy fahatelon’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, tamin’ny 1944. Io sekoly io dia manolotra fandaharam-piofanana mandritra ny dimy volana, ho amin’ny asa misionera. Talohan’ny nanatrehako an’io sekoly io, dia naharaiki-tahotra ahy ny niteny teo anatrehan’ny antokona mpihaino. Tena nanampy ahy anefa ny nahavoatery ahy nanao lahateny tsy tapaka teo anatrehan’ny mpianatra tokony ho zato, izay matetika no natao teny ivelany, teny amin’ny teatira an-kalamanjana. I Maxwell Friend, ilay mpampianatra anay handahateny ampahibemaso, dia nanapaka ny teniko ka niantsoantso hoe: “Rahalahy Michalec a, tsy reko ny teninao!” Nanjary takatro taorian’izany fa tena nanana feo avo tokoa aho.
Rehefa avy nanambara i Nathan H. Knorr, izay prezidàn’ny sekoly tamin’izany, fa i Bolivia no nanendrena ahy ho misionera, dia tadidiko ny nananarany ahy hoe: “Hahita olona manetry tena maro ianao any. Aoka ianao ho be fitiavana sy hanam-paharetana ary ho feno fiheverana azy ireny.” Koa satria mbola nitohy ihany ny Ady Lehibe Faharoa, dia voatery niandry nandritra ny fotoana kelikely izahay talohan’ny hiainganay ho any amin’ny tany nanendrena anay. Tamin’ny farany, tamin’ny 25 Oktobra 1945, izaho sy i Harold Morris — mpiray kilasy tamiko — dia tonga tao amin’ny Seranam-piaramanidin’i El Alto, izay mivoaka kely an’i La Paz, renivohitr’i Bolivia, no misy azy. Izahay mirahalahy ihany àry no hany Vavolombelona roa teto amin’itỳ tany lehibe indrindra fahatelo atỳ Amerika atsimo itỳ.
Niainga avy teo amin’ny seranam-piaramanidina, izay 4 100 metatra ambonin’ny ranomasina no misy azy, dia nisy aotobisy nitondra anay nidina ho any La Paz renivohitra, izay mivelatra eo amin’ny fanambanin’ny lohasaha midadasika iray sy eo amin’ny ilany roa amin’izy io. Zava-tsarotra ny nizatra niaina tany amin’ny haambo mihoatra lavitra ny telo kilaometatra ambonin’ny ranomasina.
Fiandohana kely sy nisafotofoto
Avy hatrany dia nanomboka nitsidika olona isan-trano izahay. Tsara fanahy sy nanam-paharetana taminay izy ireo raha mbola niady mafy tamin’ny tsy fahaizanay firy ny teny espaniola izahay. Tsy ela izahay dia samy nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantrano 18 ka hatramin’ny 20 isan-kerinandro. Enim-bolana tatỳ aoriana, tamin’ny 16 Aprily 1946, dia nisy antokon’olom-bitsy falifaly niara-nivory taminay ho amin’ny fankalazana ny nahafatesan’i Kristy fanao isan-taona. Fotoana fohy taorian’izay, dia tonga ny misionera efatra fanampiny izay nahazo diplaoma avy any Gileada, ka anisan’izany i Elizabeth Hollins, izay lasa vadiko tatỳ aoriana.
Tsy ela, izaho sy ny Rahalahy Morris dia nanomboka nitsidika tanàna hafa, anisan’izany i Cochabamba sy i Oruro, izay ny tanàna lehibe indrindra faharoa sy fahatelo teto Bolivia tamin’izany. Rehefa nanao tatitra tamin’ny Rahalahy Knorr momba ny fahalianana hitanay sy ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly voapetrakay aho, dia nanolo-kevitra ny hitsidihanay ireny tanàna ireny isaky ny telo volana eo ho eo izy, mba hanampiana an’ireo naneho fahalianana. Lasa Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana ny maro tamin’ireny olona sariaka sy tia mandray vahiny ireny.
Koa satria vao roa taona lasa no nifaranan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nandia korontana politika i Bolivia. Ny fifandrafiana politika sy ny tahotra ny fipoiran’ny Nazia indray tany Amerika Atsimo dia nitarika ho amin’ny fihetsiketsehana an-dalambe, izay mora nampirongatra herisetra, sy vonoan’olona. Nandritra ny fahavaratry ny taona 1946, dia nisy namono ny prezidàn’i Bolivia, ary nisy nanantona teo amin’ny poteau-n-jiro nanatrika ny lapam-panjakana ny fatiny. Indraindray, ny herisetra dia nahatonga ny olona ho tsy afaka nivoaka ny tranony akory aza.
Raha teny ambony aotobisy namakivaky ilay kianja lehibe indrindra i Elizabeth indray andro, dia nahita tovolahy telo nahantona tamin’ny tsato-kazo. Nihorohoro izy ka somary nikiaka kely. Hoy ny mpandeha iray: “Raha tsy tianao izay hitanao dia ahodino ny lohanao.” Ny fisehoan-javatra toy izany dia nandentika tao aminay ny ilana hiantehitra tanteraka amin’i Jehovah.
Teo anivon’ny fisafotofotoana anefa, dia namaka tao amin’ireo fo manetry tena ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tamin’ny Septambra 1946, dia naorina tao La Paz ny biraon’ny sampana iray, ary ny tenako no voatendry ho mpiandraikitra ny sampana. Natao tranon’ny misionera koa ny fitambaran’efitra nohofana izay efa nasiana ny birao. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa niforona ny kongregasiona voalohany teto Bolivia, dia natao toeram-pivorianay koa io fitambaran’efitra io.
Tamin’ny 1946, dia nanomboka nanao lahateny ampahibemaso koa izahay. Ilay efitrano malalaky ny Tranombokim-pokonolona tao an-tanànan’i La Paz no azonay tamin’ilay voalohany. Ny lehilahy iogoslavy sariaka iray izay niara-nianatra taminay dia nanao filazana voaloa vola tao amin’ny gazety teo an-toerana mba hampandrenesana momba ilay lahateny. Feno dia feno ilay efitrano malalaka. Koa satria mbola niady mafy tamin’ny tsy fahaizako ny teny espaniola aho, dia saikatsaikatra be hanao ilay lahateny. Noho ny fanampian’i Jehovah anefa dia nahitana fahombiazana ilay fivoriana. Lasa iny ny voalohany tamin’ireo fitohitohizan-dahateny efatra nataonay tao amin’ilay efitrano malalaka.
Tamin’ny 1947, dia nahazo misioneran’i Gileada enina fanampiny izahay, ary nisy efatra hafa koa tamin’ny 1948. Ireo trano azonay nohofana dia tsy nisy kojakojan-javatra maoderina mampiadana firy. Ankoatra ny fanarahana ny fandaharam-potoananay misionera be zavatra natao, dia tsy maintsy niasa tapa-potoana izahay misionera voalohandohany tatỳ aoriana, mba hahazoana vola hanoloana ny fitafianay efa tonta. Zava-tsarotra koa ny fandehanana isan-tanàna. Matetika aho no nandeha tamin’ny hadilanana nangatsiaka teny an-tendrombohitra, tao andamosin’ny kamiao tsy nitafo. Nanohy nanome anay fampaherezana manatanjaka anefa i Jehovah tamin’ny alalan’ny fandaminany.
Tamin’ny Martsa 1949, ny Rahalahy Knorr sy i Milton Henschel, sekreterany, dia tonga avy tany New York ary nitsidika ireo tranon’ny misionera telo tao La Paz sy i Cochabamba ary i Oruro. Nampahery toy inona moa ny nandre vaovao momba ny fitomboana goavana nisy tany amin’ny tany maro sy ny fanitarana ny Trano Betela sy fanontam-pirinty vaovao teo an-dalam-panorenana tany amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Brooklyn! Nanolo-kevitra ny hanananay trano sy Efitrano Fanjakana tany afovoany kokoa amin’i La Paz ny Rahalahy Knorr. Nilaza taminay koa izy fa mbola hisy misionera fanampiny halefa.
Tatỳ aoriana, tamin’ny 1949, dia nanao ny fivoriamben’ny fizaran-taninay voalohany izahay, tao amin’ny tanànan’i Oruro. Fampaherezana ho an’ny maro tamin’ireo rahalahinay sy anabavinay vaovao ny hoe sambany vao niara-nivory. Tamin’izany i Bolivia no nahatratra tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana 48 sy nanana kongregasiona telo.
Ilay namako mahatoky
Vokatry ny niarahanay nanompo tamin’ny naha-misionera tao anatin’ny taona maro, dia nanjary nifankahalala sy nifankatia izaho sy i Elizabeth. Tamin’ny farany, tamin’ny 1953, dia nivady izahay. Nanomboka ny fanompoan’ny mpisava lalana tamin’ny Janoary 1939 tahaka ahy izy. Sarotra taminy koa ireny taona tany am-boalohany nanaovana ny asan’ny mpisava lalana ireny. Noho ny asa fitoriany tamin-kerim-po, dia naiditra am-ponja koa izy, ka nampandehanina namakivaky ireo arabe tahaka an’ireny mpanao heloka bevava rehetra ireny.
Miaiky i Elizabeth fa natahotra izy fony nandray anjara tamin’ny filaharana ho fampahafantarana ka nilanja takelaka nisy soratra hoe: “Ny Fivavahana dia Fitaka sy Fanambakana”. Nataony anefa izay nasain’ny fandaminan’i Jehovah hatao tamin’izany fotoana izany. Araka ny filazany dia nataony ho an’i Jehovah izany. Ireo fanandraman-javatra ireo dia nanatanjaka azy ho amin’ireo fisedrana izay niaretany nandritra ireny taona tany am-boalohany teto Bolivia ireny.
Fanendrena samihafa
Nandritra ny taona vitsivitsy taorian’ny fanambadianay, dia nandany ny ankabetsahan’ny fotoananay tamin’ny asa fitetezam-paritany izahay. Tsy vitan’ny hoe nitsidika an’ireo kongregasiona efatra teto Bolivia fotsiny izahay fa teo koa ireo groupes isolés rehetra nisy olona liana, ary koa ny tanàna rehetra nisy mponina maherin’ny 4 000. Ny zava-nokendrenay dia ny hahita sy hanolokolo izay fahalianana rehetra tamin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, teo amin’ireo olona nipetraka tany amin’ireny toerana ireny. Nampientana ny nahita fa tany antenatenan’ireo taona 1960, dia saika nisy kongregasiona avokoa ny tanàna kely rehetra notsidihinay folo taona lasa.
Tetsy an-danin’izany, dia nanana zava-nanahirana ara-pahasalamana ny tenako ary nanampy trotraka izany ny haambo ambony misy an’i La Paz. Koa, tamin’ny 1957, dia nisy rahalahy hafa iray niandraikitra ny sampana, fa izaho sy i Elizabeth kosa dia notendrena ho any amin’ny tranon’ny misionera any Cochabamba, tanàna ao amin’ny lohasaha iray izay ambany kokoa ny haambony. Tamin’ny fivorianay voalohany, dia misionera vitsivitsy no teo fa tsy nisy teratany boliviana na dia singany iray aza. Tamin’ny fotoana nandaozanay an’i Cochabamba anefa, 15 taona tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny 1972, dia nisy kongregasiona roa tao. Misy kongregasiona 35 ankehitriny ao amin’ilay lohasahan’i Cochabamba, izay misy mpitory ilay Fanjakana 2 600 mahery!
Tamin’ny 1972, dia nifindra teto Santa Cruz atỳ amin’ny faritra iva tropikaly izahay. Mbola mipetraka eto ihany izahay, ao amin’ny efitra vitsivitsy ao ambonin’ny Efitrano Fanjakana. Fony tonga teto izahay, dia nanana kongregasiona roa koa i Santa Cruz, fa ankehitriny kosa dia 45 mahery, izay misy mpitory maherin’ny 3 600 mandray anjara amin’ny fanompoana kristiana.
Fahafinaretana toy inona moa ny anay izay nitoetra tamin’ny fanendrena anay ho misionera nandritra ireny 50 taona mahery ireny ka nahita ny fanangonana ny vahoakan’i Jehovah 12 300 eo ho eo eto Bolivia! Tena nahafinaritra anay tokoa ny nanampy an’ireny olo-malalanay ireny.
Fiainan-tsambatra eo am-panompoana ny hafa
Talohan’ny niaingako ho amin’ny nanendrena ahy ho misionera, dia hoy i Hayden C. Covington, mpanolo-tsaina momba ny lalàna an’ny Fikambanana Watch Tower, izay mpiray fiaviana amiko avy any Texas: “Ed a, manana toerana betsaka azo ivalamparana isika any Texas. Any amin’ny tranon’ny misionera anefa ianao dia hifanizina amin’ny hafa. Hidika ho fanaovana fiovana izany.” Marina ny azy. Zava-tsarotra ny miara-mipetraka amin’ny hafa ao amin’ny trano tery. Izany anefa dia iray monja amin’ireo zava-tsarotra maro atrehin’ny misionera kristiana.
Koa raha mieritreritra ny hiala amin’ny misy anao mba hanompo an’i Jehovah any amin’ny faritra hafa ianao, dia tadidio fa ny fiainan’ny tena mpanara-dia an’i Kristy dia fiainana hanompoana ny hafa. (Matio 20:28). Tokony hanomana ny sainy mba hanaiky hanana fiainana feno fandavan-tena, noho izany, ny misionera iray. Misy hafa mety hieritreritra fa hahazo laza izy ireo. Angamba mety ho izany — rehefa manao veloma an’ireo namana sy havana any an-tanindrazana. Hanjavona anefa izany rehefa tonga ao amin’ny faritra manodidina ny tanàna kely na tanàna mahantra, izay hanendrena azy, ny olona iray. Inona no torohevitra omeko?
Rehefa tojo fahasahiranana, toy ny zava-manahirana ara-pahasalamana, fahatsapana ho tafasaraka amin’ny fianakavianao, na angamba fahasahiranana eo amin’ny fifanarahana amin’ny rahalahinao kristiana ao amin’ny asa nanendrena anao, ianao, dia ekeo ho anisan’ny fampiofanana anao izany rehetra izany. Raha manao izany ianao, dia hovalian-tsoa amin’ny farany, araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly toy izao: ‘Rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia ilay Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, no hamita ny fampiofanana anareo sy hampiorina ary hampitoetra anareo.’ — 1 Petera 5:10, NW.
Maty tamin’ny 7 Jolay 1996 i Edward Michalec raha mbola nasiana fanitsiana farany mba havoaka itỳ lahatsoratra itỳ.
[Sary, pejy 21]
Teto Bolivia tamin’ny 1947
[Sary, pejy 22, 23]
Mazàna no natao teny ivelany ny kilasy fianarana nandahateny ampahibemaso, araka ny aseho amin’itỳ sarin’ny “amphithéâtre” ao Gileada, izay nalaina tatỳ aoriana, itỳ
[Sary, pejy 25]
Miaraka amin’ny vadiko