Nomena Rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Gresy
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA!
TAO amin’ny iray tamin’ireo toriteniny, dia hoy ny pretra ortodoksa tao amin’ny vohitr’i Gazi, any Kreta: “Manana efitrano eto amin’ny vohitra misy antsika mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Mila ny fanohananareo aho mba hanesorana azy ireo.” Indray takariva, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nisy olon-tsy fantatra nanamontsana ireo varavarankelin’ilay Efitrano Fanjakana sy nitifitra azy io. Araka izany, dia nipoitra indray ny raharaha iadian-kevitra momba ny fahalalahana ara-pivavahana tany Gresy.
Ireo fisehoan-javatra ireo dia nanosika Vavolombelona efatra teo an-toerana hanao fangatahana tamin’ny Ministeran’ny Fanabeazana sy ny Raharaha Ara-pivavahana mba hahazo fahazoan-dalana hanao fivoriana ara-pivavahana; izy ireo dia i Kyriakos Baxevanis, i Vassilis Hatzakis, i Kostas Makridakis, sy i Titos Manoussakis. Nantenainy fa hiantoka ny fiarovan’ny polisy amin’ny farany ny fananana fahazoan-dalana. Kanefa, tsy nandeha mora toy izany ilay izy.
Nandefa taratasy tany amin’ny etamazaoron’ny polisy mpitandro filaminana tao Héraclion ilay pretra, nanintona ny sain’ny manam-pahefana tamin’ilay Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny fari-piadidiany, ary nangataka ny hampiharana fameperana sy ny handrarana ny fivorian’izy ireo. Nitarika famotorana sy fakana am-bavany nataon’ny polisy izany. Tamin’ny farany, dia nitory ny Vavolombelona ho nanao heloka ilay mpampanoa lalàna, ka nentina teo anoloan’ny fitsarana ilay raharaha.
Tamin’ny 6 Oktobra 1987, ny Fitsarana Ady Heloka tao Héraclion dia nanafaka madiodio ireo olona efatra notorina, ary nilaza fa “tsy nahavita ny heloka niampangana azy, izy ireo, satria malalaka ny mpikambana amin’ny fivavahana iray mba hitarika fivoriana (...), tsy misy ilana fahazoan-dalana”. Na dia izany aza, dia nangataka fitsarana ambony ilay mpampanoa lalàna, roa andro tatỳ aoriana, ka nentina teo anoloan’ny fitsarana ambony ilay raharaha. Tamin’ny 15 Febroary 1990, dia nohelohin’io fitsarana io hatao roa volana an-tranomaizina sy handoa sazy tokony ho 100 dolara, ireo Vavolombelona. Nanaraka izany, dia nampakarin’ireo notorina tany amin’ny Fitsarana Tampony Grika ilay raharaha.
Tsy nety nandinika ilay fangatahana fitsarana ambony ny Fitsarana Tampony tamin’ny 19 Martsa 1991 ary nanohana ny fanamelohana. Maherin’ny roa taona tatỳ aoriana, tamin’ny 20 Septambra 1993, rehefa nambara ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony, dia nakaton’ny polisy tamin’ny fomba ofisialy ilay Efitrano Fanjakana. Araka ny nahariharin’ny tahirin-taratasin’ny polisy, dia ny Eglizy Ortodoksa tany Kreta no tao ambadik’io fanaovan-javatra io.
Nitranga io tarehin-javatra io satria mbola manan-kery any Gresy ihany ny lalàna sasany lany era tamin’ny 1938, natao hameperana ny fahalalahana ara-pivavahana. Lazain’izy ireo fa raha maniry hanao toerana fanaovana fanompoam-pivavahana ny olona iray, dia tsy maintsy hananany ny fahazoan-dalana avy amin’ny Ministeran’ny Fanabeazana sy ny Raharaha Ara-pivavahana, ary koa avy amin’ny evekan’ny Eglizy Ortodoksa eo an-toerana. Nandritra ny am-polony taona maromaro dia niteraka fahasahiranana maro ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ireny lalàna lany andro ireny.
Fahalalahana ara-pivavahana sy zon’olombelona
Rehefa fantatr’ireo Vavolombelona efatra fa notohanan’ny Fitsarana Tampony ny fanamelohana azy ireo, dia nanao fangatahana tamin’ny Vaomiera Eoropeana Momba ny Zon’olombelona any Strasbourg, Frantsa, izy ireo tamin’ny 7 Aogositra 1991. Nohamafisin’ireo mpanao fangatahana fa ny fanamelohana azy ireo dia nandika ny Andininy faha-9 amin’ny Fifanarahana Eoropeana, izay mitandro ny fahalalahana eo amin’ny fisainana, ny feon’ny fieritreretana sy ny fivavahana, ary koa ny zo hampiseho ny fivavahan’ny tena, ka hanao izany samirery na miaraka amin’ny hafa ary ampahibemaso na manokana.
Tamin’ny 25 May 1995, dia tonga tamin’ny fanapahan-kevitra iombonana ireo mpikambana 25 tao amin’ilay Vaomiera fa nandika ny Andininy faha-9 amin’ny Fifanarahana Eoropeana i Gresy tamin’io raharaha io. Nambarany tamin’ny fomba ofisialy fa tsy afaka ny hifanaraka amin’ny toe-tsain’ny fahalalahana ara-pivavahana ilay fanamelohana, sady tsy ilaina ao amin’ny firenena iray demokratika. Raha ny amin’ny maha-azo ekena ilay raharaha, dia izao koa no nolazain’io fanapahan-kevitra io: “Ireo mpanao fangatahana (...) dia anisan’ny fikambanana iray izay fantatra hatraiza hatraiza ny fombafomba sy ny fanaony ara-pivavahana ary nomen-dalana any amin’ny tany eoropeana maro.” Tamin’ny farany, dia nalefan’ilay Vaomiera tany amin’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona, ilay raharaha.
Tsy azo sakanana ny Vavolombelon’i Jehovah
Tapaka fa hatao ny 20 May 1996 ny fihainoana. Olona maherin’ny 200 no tao amin’ilay efitra fitsarana, anisan’izany ny mpianatra sy mpampianatra avy tamin’ny oniversite teo an-toerana, mpanao gazety sy Vavolombelon’i Jehovah maromaro avy tao Gresy, Alemaina, Belzika sy Frantsa.
Nohamafisin’Atoa Phédon Vegleris, profesora efa misotro ronono tao amin’ny Oniversiten’i Atena sady mpisolovavan’ny Vavolombelona fa, tsy vitan’ny hoe nandika ny Fifanarahana Eoropeana fotsiny ny tetika nampiasaina sy ireo didim-pitsarana navoakan’ireo fahefam-pirenena tany Gresy, fa nandika koa ny Lalàm-panorenana grika. “Koa ny lalàm-pirenena sy ny fampiharana izany àry no nodinihin’ilay Fitsarana.”
Ny mpisolovavan’ny fitondram-panjakana grika dia mpitsara iray avy amin’ny Filan-kevi-panjakana, izay tsy niresaka momba ireo zava-nisy akory, fa nanisy firesahana kosa ny amin’ny toerana noraisin’ny Eglizy Ortodoksa tany Gresy, ny fifamatorana akaiky nananany tamin’ny Fitondrana sy ny vahoaka, ary izay lazainy fa ilana hifehezana ireo fivavahana hafa. Ankoatra izany, dia nolazainy fa nahomby ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fampitomboana be dia be ny isan’izy ireo, nanomboka tamin’ny 1960. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia voahaika tamim-pahombiazana ny fanaovan’ny Eglizy Ortodoksa am-pihi-mamba!
Notohanana ny fahalalahana ara-pivavahana
Havoaka ny 26 Septambra ny didim-pitsarana. Lehibe ny fitaintainana, indrindra teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Namaky tamin’ny feo mafy ny didim-pitsarana ny Lehiben’ny Rantsana amin’ny Fitsarana Ambony, Atoa Rudolf Bernhardt: Ny Fitsarana, voaforon’ny mpitsara sivy, dia miombon-kevitra mba hanambara fa nandika ny Andininy faha-9 amin’ny Fifanarahana Eoropeana i Gresy. Rehefa avy nandinika tamim-pitandremana koa izy io dia nanome lela vola tokony ho 17 000 dolara an’ireo mpanao fangatahana mba hanonerana ny lany. Ny zava-dehibe indrindra, dia nahafaoka antony maro mendrika homarihina, manohana ny fahalalahana ara-pivavahana, ilay didim-pitsarana.
Nomarihin’ny Fitsarana fa ny lalàna grika dia mamela ny “fitsabahan’ireo fahefana ara-politika sy ara-panjakana ary ara-piangonana be loatra amin’ny fampiharana ny fahalalahana ara-pivavahana”. Nanampy teny izy fa ilay fomba fanaovan-javatra takina mba hahazoana fahazoan-dalana dia nampiasain’ny Fanjakana “mba hampiharana fepetra henjana na manakantsakana mihitsy teo amin’ny fanarahan’ireo fikambanana sasany tsy ortodoksa ny zavatra inoany ara-pivavahana, indrindra indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah”. Nahariharin’io fitsarana iraisam-pirenena io mihitsy ireo paika feno hasiahana nampiasain’ny Eglizy Ortodoksa nandritra ny am-polony taona maro.
Nohamafisin’ilay Fitsarana fa “ny zo ho amin’ny fahalalahana ara-pivavahana, araka ny iantohana azy ao amin’ilay Fifanarahana, dia manilika izay mety ho zon’ny Fanjakana hamaritra na ara-dalàna na tsia ny zavatra inoana ara-pivavahana na ny fomba ampiasaina hanehoana izany zavatra inoana izany”. Nilaza koa izy io fa “mifanaraka tsara amin’ny famaritana ny hoe ‘fivavahana fantatra’, araka ny fepetra apetraky ny lalàna grika, ny Vavolombelon’i Jehovah (...) Io dia neken’ny Fitondram-panjakana rahateo”.
Tsy vazivazy fotsiny
Nandritra ireo andro vitsivitsy nanaraka, dia nampahafantarin’ny ankamaroan’ireo gazety lehibe mivoaka any Gresy tamin’ny besinimaro io raharaha io. Tamin’ny 29 Septambra 1996, dia nanome fanazavana toy izao ny nomerao manokana mivoaka alahady amin’ny gazety Kathimerini: “Na dia niezaka tsy niraharaha izany ho toy ny ‘vazivazy fotsiny’ aza ny Fanjakana Grika, dia zava-misy tena izy, izay noraketina an-tsoratra ara-dalàna teo amin’ny ambaratonga iraisam-pirenena, ny ‘tehamaina teo amin’ny tarehy’ izay azony avy tamin’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona ao Strasbourg. Nampahatsiahivin’ilay Fitsarana an’i Gresy ny Andininy faha-9 amin’ny Fifanarahana Momba ny Zon’olombelona, ary niombon-kevitra izy [ny Fitsarana] mba hanameloka ny amboaran-dalàn’i Gresy.”
Tamin’ny 28 Septambra 1996, dia nanoratra ilay gazety mpivoaka isan’andro any Atena atao hoe Ethnos, fa ny Fitsarana Eoropeana dia “nanameloka an’i Gresy, ary nandidy azy handoa ny vola lanin’ireo olom-pireneny izay tojo fahavoazana satria Vavolombelon’i Jehovah.”
Nadinadinina tamin’ny fandaharana tamin’ny radio Atoa Panos Bitsaxis, iray tamin’ireo mpisolovavan’ireo mpanao fangatahana, ka hoy izy: “Miaina amin’ny taona 1996 isika, eo an-katoky ny taonjato faha-21, ary miharihary fa tsy tokony hisy fanavakavahana, filam-baniny, na fitsabahan’ny fitondrana, mifandray amin’ny fampiharana ny zo fototra momba ny fahalalahana ara-pivavahana. (...) Fahafahana tsara ho an’ny fitondram-panjakana izao mba handinihana indray ny fomba fiasany sy hampitsaharana izao fanavakavahana tsy misy heviny izao, izay tsy mitondra na inona amin’izao andro maoderina izao.”
Ny didim-pitsarana navoaka tamin’ilay raharaham-pitsarana Manoussakis sy ny Hafa nifanandrina tamin’i Gresy dia manome antony hanantenana fa hanao izay hampifanarahana ny amboaran-dalàny amin’ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Eoropeana ny Fanjakana grika, ka ho afaka ny hahazo fahalalahana ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah, tsy misy fitsabahan’ny fitondrana na ny polisy na ny fiangonana. Ankoatra izany, itỳ no didim-pitsarana faharoa navoakan’ny Fitsarana Eoropeana manameloka ny fahefam-pitsarana any Gresy, amin’ny raharaha mahakasika ny fahalalahana ara-pivavahana.a
Fantatra hatraiza hatraiza fa mankatò ireo “fahefana ambony” ara-pitondram-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny raharaha rehetra tsy mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Romana 13:1, 7, NW ). Tsy mandrahona ny filaminam-bahoaka izy ireo na amin’ny lafiny inona na amin’ny lafiny inona. Mifanohitra amin’izany, fa mampirisika ny olona tsirairay ho tonga olom-pirenena mpankatò lalàna sy hanana fiainana milamina kosa ny zavatra vita an-tsoratra sy ny fanompoana ampahibemaso ataon’izy ireo. Fivavahana mahitsy ara-pitondran-tena sady be mpahalala izy ireo, ary mandray anjara be dia be amin’ny fiadanan’ireo mpiara-monina aminy ireo mpikambana ao aminy. Ny fahatapahan-kevitr’izy ireo hanohana ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony ao amin’ny Baiboly sy ny fitiava-namana ananany, araka ny aseho indrindra amin’ny asa fampianarana Baiboly ataony, dia misy vokany mahasoa any amin’ny tany maherin’ny 200 misy azy ireo.
Antenaina fa ireo didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Eoropeana dia hitondra fahalalahana ara-pivavahana lehibe kokoa ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo antokom-pivavahana hafa vitsy an’isa any Gresy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny didim-pitsarana voalohany, navoaka tamin’ny 1993, dia ny raharaham-pitsaran’i Kokkinakis nifanandrina tamin’i Gresy. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1993, pejy faha-27.
[Sary, pejy 27]
Ilay Efitrano Fanjakana tany am-boalohany nakaton’ny polisy tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 20 Septambra 1993
[Sary, pejy 27]
Ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona ao Strasbourg
[Sary, pejy 28]
Ireo Vavolombelona voakasika: T. Manoussakis, V. Hatzakis, K. Makridakis, K. Baxenavis