Ny Fiheveran’ny Baiboly
Azo Avotana ve ny Fanambadiana Rehefa Nisy Fanitsakitsaham-bady?
“Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia [manitsakitsa-bady, NW ]”. — MATIO 19:9.
TAMIN’IZANY teny izany no nanomezan’i Jesosy Kristy lalana ny Kristiana hifidy ny hisaraka amin’ny vady tsy mahatoky.a Kanefa, ahoana raha mifidy ny hitsimbina ny fanambadiana ilay vady tsy manan-tsiny, ka manapa-kevitra ny hanorina indray ny fifandraisan’izy ireo ilay mpivady? Inona avy ireo zava-manahirana miandry an’ilay mpivady, ary ahoana no ahafahany miatrika amim-pahombiazana azy ireny? Aoka hojerentsika ny fomba anampian’ny Baiboly mba hamaliana ireo fanontaniana ireo.
Trano rava iray
Tsy maintsy takatsika aloha ny halehiben’ny fahavoazana ateraky ny fanitsakitsaham-bady. Araka ny nohazavain’i Jesosy Kristy, ny fikasan’ilay Loharanon’ny fanambadiana dia hoe ‘tsy ho roa intsony, fa ho nofo iray ihany’ ny lehilahy sy ny vadiny. Hoy ny teny nanampiny: “Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” Eny, ny fanambadiana dia natao hampikambana ny olombelona amin’ny fomba tsy azo sarahina. Rehefa mivadika amin’ny voadim-panambadiana amin’ny alalan’ny fanitsakitsaham-bady ny olona iray, dia vokany mampanaintaina no aterak’izany. — Matio 19:6; Galatiana 6:7.
Manaporofo izany ny fahorian-tsaina mahazo ilay vady tsy manan-tsiny. Azo ampitovina amin’ny vokatra ateraky ny rivo-mahery izay mandrodana trano, ny vokatra ateraky ny fanitsakitsaham-bady. Nanao izao fanamarihana izao ny Dr. Shirley P. Glass: “Nilaza tamiko ny marary maromaro nokarakaraiko, fa ho mora kokoa tamin’izy ireo ny hiaritra raha maty ny vadin’izy ireo.” Marina fa mety tsy hitovy hevitra amin’izany ny olona maty vady sasany. Kanefa, miharihary fa miteraka alahelo faran’izay mafy ny fanitsakitsaham-bady. Misy olona tsy sitrana tanteraka mihitsy tamin’ny famadihana azy.
Rehefa heverina izany fahoriana izany, dia mety hisy olona hanontany hoe: ‘Tsy maintsy mamarana ny fanambadiana ve ny fanitsakitsaham-bady?’ Tsy voatery ho izany. Ny filazana nataon’i Jesosy mahakasika ny fanitsakitsaham-bady dia mampiseho fa ilay vady mahatoky dia manana safidy araka ny Soratra Masina ny hisaraka, nefa tsy voatery hanao izany izy. Ny mpivady sasany dia manapa-kevitra ny hanorina indray sy hanamafy izay nomontsamontsanina, amin’ny fanaovana ireo fiovana ilaina — na dia tsy misy na inona na inona manala tsiny ny fanitsakitsaham-bady aza.
Mazava ho azy fa tsara kokoa ny manao ireo fiovana ilaina eo amin’ny fifandraisan’ny mpivady, raha mbola samy mahatoky amin’izy samy izy ny mpivady. Kanefa, na dia nisy aza ny fanitsakitsaham-bady, dia misy vady tsy manan-tsiny sasany mifidy ny hitsimbina ilay fanambadiana. Tsy tokony hanorina ny fanapahan-kevitra toy izany amin’ny hevi-dravina ilay vady tsy manan-tsiny, fa tokony handanjalanja kosa ny ho vokatr’izany izy. Azo inoana fa hasiany fiheverana ny amin’izay ilain’ny zanany ary koa ny amin’izay ilain’ny tenany manokana eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pihetseham-po sy ara-batana ary ara-bola.b Ho fahendrena koa ny hiheverany raha azo avotana ny fanambadiany.
Azo avotana ve ilay fanambadiana?
Alohan’ny hanandramana hanorina indray ny trano iray ravan’ny rivo-mahery, dia tsy maintsy faritan’ilay mpanorina, raha azo averina amin’ny laoniny ilay izy na tsia. Toy izany koa, alohan’ny hiezahana hanorina indray ny fifandraisana ravan’ny fanitsakitsaham-bady, ny mpivady — indrindra fa ilay vady mahatoky — dia haniry hanombana araka ny fijerena ny zava-misy raha mety ho tafaverina amin’ny laoniny ao amin’ilay fanambadiana ny fifandraisana akaiky sy ny fitokiana.
Ny anton-javatra iray tokony hoheverina dia ny hoe mampiseho fibebahana amim-pahatsorana ve ilay vady meloka, sa kosa izy mbola manitsakitsa-bady ‘ao am-pony’ ihany. (Matio 5:27, 28). Na dia mampanantena ny hiova aza izy, moa ve izy misalasala ny hamarana tampoka ilay fifandraisany maloto ara-pitondran-tena? (Eksodosy 20:14; Levitikosy 20:10; Deoteronomia 5:18). Mbola mitady fitia amim-behivavy ihany ve izy? Ny vadiny ve no omeny tsiny noho ny fanitsakitsaham-bady nataon’ny tenany? Raha izany no izy, dia tsy azo inoana fa hahomby ireo ezaka hatao mba hamerenana amin’ny laoniny ny fitokiana ao amin’ilay fanambadiana. Etsy an-danin’izany, raha mamarana ilay fiarahana tsy ara-dalàna izy, sy manaiky ny andraikiny tamin’ny ratsy nataony, ary mampiseho fa vonona tanteraka ny hanorina indray ilay fanambadiana, ny vadiny dia mety hahita fototra hanantenana ny mety hahatafaverina amin’ny laoniny, indray andro any, ny tena fitokiana marina. — Matio 5:29.
Afa-tsy izany koa, moa ve afaka ny hamela heloka ilay vady mahatoky? Tsy midika akory izany fa tsy tokony haneho ny ratram-po lalina tsapany momba izay nitranga ny tenany, na koa tokony hanao toy ny hoe tsy misy na inona na inona niova, izy. Midika kosa izany fa hiezaka izy, rehefa mandeha ny fotoana, ny tsy hanohy hitahiry fahatezerana maharitra. Mitaky fotoana ny famelan-keloka toy izany, nefa dia afaka manampy amin’ny fametrahana fototra mafy hanorenana indray ilay fanambadiana.
Fanesorana ireo “potipoti-javatra”
Rehefa avy nanapa-kevitra ny hanavotra ny fanambadiany ilay vady mahatoky, inona avy ireo dingana manaraka mety hataon’ilay mpivady? Tsy misy hafa amin’ny tsy maintsy anesorana ireo “potipoti-javatra” manodidina ny trano iray simba be tamin’ny rivo-mahery, dia toy izany koa no tsy maintsy anesorana ny ‘potipoti-javatra’ manodidina ilay fanambadiana. Azo atao ihany izany raha mifamboraka ny fihetseham-pony izy mivady. Hoy ny Ohabolana 15:22: “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy [resaka tsiambaratelo, NW ]”. Ny teny hebreo nadika hoe “resaka tsiambaratelo”, dia milaza tsy mivantana fifandraisana akaiky, ary adika izy io hoe ‘antokon’olona mifandray akaiky’ ao amin’ny Salamo 89:7 (NW ). Tsy fifampiresahana marivo fotsiny àry no tafiditra amin’izany, fa fifampiresahana mafana sy ilazana ny marina kosa, izay ampihariharian’ny andaniny roa ny fihetseham-pony lalina indrindra. — Ohabolana 13:10, NW.
Ohatra, amin’ny toe-javatra sasany ilay vady mahatoky dia mety hanana fanontaniana fanampiny hapetraka amin’ny vadiny. Ahoana no niandohan’ilay fiarahana. Hafiriana no naharetan’izy io? Iza koa no mahafantatra ny amin’izy io? Marina fa haharary an’ilay mpivady ny firesahana momba ireny andinindininy ireny. Kanefa, mety hoheverin’ilay vady mahatoky fa tena ilaina amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fitokiana, ny fahafantarana ny zavatra toy izany. Raha izany no izy, dia ho tsara indrindra ny hamalian’ilay vady tsy nahatoky, amin’ny filazana ny marina sy amim-panehoam-piheverana. Tokony hohazavainy amim-pitiavana sy amin-katsaram-panahy ilay raharaha, amin’ny fihazonana ao an-tsaina fa ny zava-kendren’ilay fifanakalozan-kevitra dia ny hanasitrana fa tsy ny handratra. (Ohabolana 12:18; Efesiana 4:25, 26). Izy roa dia samy hila ny hampiasa fahamalinana sy fifehezan-tena ary fihainoana amim-pahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa, rehefa mifamboraka ny fihetseham-pony momba izay nitranga.c — Ohabolana 18:13; 1 Korintiana 9:25, NW; 2 Petera 1:6, NW.
Ireo izay Vavolombelon’i Jehovah dia mety haniry hangataka fanampiana avy amin’ireo loholon’ny kongregasiona. Mazava ho azy, fa ho an’ny Kristiana, ny fahotana lehibe toy ny fanitsakitsaham-bady dia tsy maintsy lazaina avy hatrany any amin’ny loholona, izay miahy ny amin’ny fahasalamana ara-panahin’ilay mpivady sy ny an’ny kongregasiona. Angamba ilay mpanitsakitsa-bady nampiseho fibebahana marina fony izy nihaona tamin’ireo loholona, hany ka navela hijanona tao amin’ny kongregasiona. Amin’ny toe-javatra toy izany, ireo loholona dia afaka manome fanampiana mitohy ho azy mivady. — Jakoba 5:14, 15.
Fanorenana indray
Rehefa avy nampitony ny fihetseham-pony araka izay fetra farany azony natao ilay mpivady, dia tsara toerana izy ireo mba hanorina indray ireo lafin-javatra tena lehibe eo amin’ny fanambadiany. Mbola ilaina foana ny fifampiresahana amim-pahatsorana. Rehefa hita hoe aiza no misy fahalemena, dia tsy maintsy atao ireo fiovana mifanentana.
Ilay vady meloka, voalohany indrindra, no hila hanao fiovana. Kanefa, ilay vady mahatoky dia tsy maintsy manao ny anjarany eo amin’ny fanatanjahana ireo lafiny mampahalemy an’ilay fanambadiana. Tsy midika akory izany hoe noho ny fahadisoany no nahatonga ilay fanitsakitsaham-bady na hoe azo alan-tsiny izy io — tsy misy fialan-tsiny azo ekena ho an’ny fanaovana fahotana toy izany. (Ampitahao amin’ny Genesisy 3:12; 1 Jaona 5:3.) Izany kosa dia midika fotsiny fa mety ho nisy zava-manahirana nilaina nalamina tao amin’ilay fanambadiana. Ny fanorenana indray dia tetik’asa ifarimbonana. Moa ve ilaina ny hanatanjahana ireo toetra sarobidy sy tanjona iombonana? Moa ve natao tsirambina ireo asa ara-panahy? Io fomba ampiasaina mba hahitana ireo fahalemena lehibe sy mba hanaovana ireo fiovana ilaina io, dia tena zava-dehibe eo amin’ny fanorenana indray fanambadiana iray niharam-pahavoazana lehibe.
Fikojakojana
Na dia ny trano iray vita tsara aza dia mitaky fikojakojana tsy tapaka. Koa zava-dehibe toy inona àry ny hikojakojana ny fifandraisana naorina indray. Ilay mpivady dia tsy tokony hamela ny fandehan’ny fotoana hanimba tsikelikely ny fahavononany hifikitra amin’ireo fanapahan-keviny vaovao. Tsy tokony hanjary ho kivy izy ireo rehefa mahita tsy fahombiazana madinika, toy ny fiverenana indray ho amin’ny fahazarana tsy mifampiresaka firy. Tokony hanao dingana avy hatrany kosa izy ireo mba hiverenana indray amin’ilay fahazarana tsara, ary hanohy handroso. — Ohabolana 24:16; Galatiana 6:9.
Ambonin’ny zava-drehetra, ralehilahy sy ny vadiny dia tokony hanome ny laharam-pahamehana ho an’ny fanaovan-javatra ara-panahy mahazatra azy ireo, ka tsy hamela na oviana na oviana azy io na ny fanambadiany hosongonan’ny asa hafa. Hoy ny Salamo 127:1: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.” Afa-tsy izany koa, dia nampitandrina toy izao i Jesosy: “Izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika. Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.” — Matio 7:24-27.
Eny, raha odian-tsy hita ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly noho izy ireo sarotra ampiharina, dia mbola ho mora voan’ny fitsapana mahery vaikan’ny fahatokiana manaraka indray, ilay fanambadiana. Kanefa, raha mifikitra amin’ireo fari-pitsipiky ny Baiboly eo amin’ny raharaha rehetra ralehilahy sy ny vadiny, dia hahazo ny fitahian’Andriamanitra ny fanambadian’izy ireo. Hanana koa ilay fandrisihana faran’izay mahery ho amin’ny fahatokian’ny mpivady izy ireo — dia ny faniriana hampifaly ilay Loharanon’ny fanambadiana, i Jehovah Andriamanitra. — Matio 22:36-40; Mpitoriteny 4:12.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy antony marim-pototra mahatonga ny olona iray mety hifidy ny hisaraka amin’ny vady nanitsakitsaka. Mba hahitana fandinihana amin’ny an-tsipiriany momba io raharaha io, dia jereo “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Fanitsakitsaham-bady: Hamela Heloka sa Tsy Hamela?” ao amin’ny Mifohaza! tamin’ny Oktobra-Desambra 1995.
b Ny fanadinadinana iray dia manombana fa ny taham-panitsakitsaham-bady ataon’ny lehilahy dia avo roa heny noho ny ataon’ny vehivavy. Kanefa, mihatra amin’ny fomba mitovy ireo fotopoto-pitsipika dinihina, raha lehilahy kristiana ilay vady tsy manan-tsiny.
c Mba hahazoana fanazavana momba ny fahaiza-mihaino, dia jereo ny Mifohaza! Jolay-Septambra 1994, pejy faha-6-9, sy ny Aprily-Jona 1995, pejy faha-10-13.