Fijerena An’izao Tontolo Izao
Fihenan’ny Mpiangona
Heverina fa any Etazonia, amin’ireo notezaina tao amin’ny fiangonana protestanta lehibe nandritra ny 30 taona lasa, dia latsaka ny antsasany no mitoetra ao amin’ny fivavahany rehefa lehibe. Olona tombanana ho 78 tapitrisa any Etazonia no Protestanta “anarany fotsiny”. Midika izany fa milaza tena ho Batista, Episkopaliana, Metodista, Presbyteriana, na ao amin’ny fiangonana protestanta hafa izy ireo, kanefa tsy anisan’ny fiangonana eo an-toerana na mandeha miangona.
Mpivarotra Taolana
“Teren’ny tsy fananana ny mponina any Kaboul rotidrotiky ny ady ka mihady taolan’olona mba hamidy hampiasaina amin’ny sakafon’akoho”, hoy ny tatitra nataon’ny filazam-baovao Reuters. Ampiasaina mba hanaovana sakafom-biby sy savony ary menaka fandrahoana, ny taolana, izay be kalsioma sy fôsifaty ary karbônetra. Ahazoana 2 400 FMG eo ho eo, izay vola be ihany ao amin’io tanàna mahantra be io, ny karana iray milanja tokony ho enina kilao. “Mandeha io varotra io”, hoy i Faizdeen, 14 taona. “Na dia matetika aza aho no mahazo taolam-biby, dia ny an’olona no mora hita kokoa eto.” Mampalahelo fa nahatonga an’io entam-barotra be mineraly io ho mora azo, ny ady an-trano an-taonany maro any Afghanistan.
Tsy Famantaranandro Fotsiny
Tany Rio de Jainero, dia mpianatra 77 no tsy nahazo nandray anjara tamin’ny fanadinana, rehefa nahitana famantaranandro nampiasaina hanaovana hosoka tamin’ny fanadinana fidirana any amin’ny oniversite teny aminy, hoy ny tatitra nataon’ny gazety O Globo. Nitovy be tamin’ny fanenon’ny fitaovana kely milaza antso an-telefaonina ny an’ireo famantaranandro, saingy tsy nandray nomeraon-telefaonina akory izy ireny, fa nanome ny valiny marina tamin’ireo fanontaniana fitsapam-pahaizana. Lazain’ilay gazety fa nandoa hatramin’ny 14 000 dolara (67 200 000 FMG eo ho eo) avy ireo mpianatra mba hahazoana ireo famantaranandro. Mahaliana fa efa tamin’ny 1987 ny filan-kevi-pitantanana amin’ny fanadinana any Angletera sy Pays de Galles no nampitandrina ny mpampianatra mba hanao andry maso an’ireo mpanao hosoka mampiasa famantaranandro manana ordinatera.
Fahitan-javatra Mivilana
Ny ankamaroan’ny olona mijery fitaratra dia manaiky fa izay sary hitany eo no mampiseho ny tenany. Misy anefa olona voan’ny aretina izay mahatonga azy hahita sarin’ny tenany mivilana rehefa mijery fitaratra izy. “Izy io dia aretina mampifantoka ilay olona amin’ny lafiny iray amin’ny vatany, izay heveriny fa tena ratsy tarehy be, nefa zavatra ara-dalàna izao, raha ny marina”, hoy ny The Province, any Colombie britannique, Kanada. Milaza i Eric Hollander, mpitsabo aretin-tsaina any New York, fa mety ho fadiranovana mafy tokoa noho ny kilema an’eritreritra fotsiny ireo olona voan’ilay aretina, ka tokony ho 25 isan-jato amin’izy ireo no mitady hamono tena.
Vavaka Alefa Amin’ny Alalan’ny Fitaovana Elektronika
Efa hatramin’ny ela no nivory teo amin’ny Rindrina Fitomaniana any Jerosalema ireo Jiosy tia fivavahana mba hitomany sy hanolotra vavaka. Matetika ireo mpivavaka no manoratra vavaka eo amin’ny taratasy kely ary dia mametraka azy ireny eo amin’ireo tsefaka eo amin’ilay rindrina. Ankehitriny anefa, dia afaka mandefa vavaka amin’ny alalan’ny fitaovana elektronika mandalo amin’ny Internet ny Jiosy maneran-tany. Araka ny gazetiboky Computerworld, ireo mpiasa ao amin’ny Virtual Jerusalem Web dia manangona ireo vavaka, manao pirinty azy ireny, ary mitondra azy ireny mankany amin’ny Rindrina Fitomaniana, izay “hakan’Andriamanitra azy ireny, araka ny lovantsofina jiosy”.
Mihamitombo ny Elanelan’ny Fidiram-bola
Araka ny tatitra vao haingana nataon’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana sosialy, dia 83 isan-jaton’ny fidiram-bolan’izao tontolo izao no lasan’ny 20 isan-jaton’ny mponina manankarena indrindra. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fitambaran’ny haren’ny mpanapitrisa 358 eo amin’izao tontolo izao dia mira sanda amin’ny fitambaran’ny fidiram-bolan’ny olona 2 400 000 000 mahantra indrindra. Tamin’ny 1960, ny salan’ny fidiram-bola isan-taonan’ny olona nipetraka tany amin’ny firenena mandroso dia nihoatra 5 700 dolara (27 360 000 FMG eo ho eo) tamin’ny an’ny olona nipetraka tany amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana. Tamin’ny 1993 anefa, dia nitombo ho 15 400 dolara (73 920 000 FMG eo ho eo) ilay elanelan’ny salan’ny fidiram-bola isan-taonan’ny olona tsirairay tany amin’ny firenena mandroso sy tany amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana.
Fijinjana Manan-tantara
“Sambany teo amin’ny tantaran’i Sina vao nahavita tsara kokoa noho ny vitan’ny olona teny amin’ny saham-barimbazaha, ny milina”, hoy ny tatitra nataon’ny filazam-baovao Reuters. Voalazan’izy io fa milina fijinjana maherin’ny 800 000 no nampiasaina. Nampidirina voalohany tany Sina talohan’ny 1300 al.f.i. tany ho any ny varimbazaha, ary vanona tsara ny fambolena azy tany amin’ireo toeram-pambolena kely an’ny fianakaviana — fambolena nataon-tanana ny ankamaroany — nanomboka tamin’izany fotoana izany. Kanefa, noho i Sina mahaforona maherin’ny 20 isan-jaton’ny mponina maneran-tany, saingy tsy manana afa-tsy ny 7 isan-jaton’ny tany azo volena, dia “dodona ny hampitombo be ny fampiasana milina eny amin’ny tanimboly ao amin’ilay firenena ireo tompon’andraikitra momba ny fambolena”, hoy ilay tatitra.
Ireo Fahasahiranan’ny Fiantohana ny Klerjy
Ny ankamaroan’ny fiangonana dia manana fiantohana ankapobe miaro azy ireo amin’ny fitakiana onitra noho ny nitondrany fahavoazana tamin’olona na ny fananany. Kanefa, nanomboka nanaisotra ny fiantohana amin’ny “fitondran-tena ratsy eo amin’ny lahy sy ny vavy” ataon’ny klerjy, ny kompaniam-piantohana sasany any Etazonia, hoy ny tatitra nataon’ny National Underwriter. Nilaza toy izao i John Cleary, lehiben’ny mpanolo-tsaina ao amin’ny Church Mutual Insurance Company: “Maro (...) amin’ireo fanekem-piantohana no tsy hampiditra ny fitondran-tena ratsy eo amin’ny lahy sy ny vavy, satria zavatra iniana atao izy io, tena heloka bevava.” Ankoatra izany, dia nolazain’i Donald Clark, Jr., mpisolovava misolo tena fivavahana maro samihafa, fa ireny fiovana eo amin’ny fiantohana ireny dia toa milaza fa “angamba mety handrava kokoa noho ny vokatra entin’ny loza araka ny natiora ny voka-dratsiny ara-bola entin’ireny karazana zava-doza ataon’olona ireny”. Nanomboka tamin’ny 1984, ny Church Mutual, iray amin’ireo mpiantoka fiangonana lehibe any Etazonia, dia nahazo fitakiana onitra teo anelanelan’ny 1 500 sy 2 000 noho ny fitondran-tena ratsy teo amin’ny lahy sy ny vavy, araka ny voalazan’Atoa Cleary.
Mahay Be ny Mpianatra any Singapour
Mpianatra maherin’ny antsasa-tapitrisa avy tany amin’ny firenena 41 samy hafa no nanao fitsapam-pahaizana naharitra 90 minitra mba hampitahana ny hatsaran’ny fanabeazana maneran-tany. Ny vokatra azo? Toa tondroin’ireo naoty tamin’ilay fitsapam-pahaizana fa i Singapour no mamokatra mpianatra mahay indrindra amin’ny matematika sy siansa. Manaraka an’i Singapour, dia i Korea Atsimo, i Japon, i Hong-Kong, i Belzika, ny République tchèque, ny République slovaque, i Soisa, i Holandy, sy i Slovénie, no firenena folo ambiny izay loha laharana tamin’ny naoty tamin’ny matematika. I Singapour, ny République tchèque, i Japon, i Korea Atsimo, i Boligaria, i Holandy, i Slovénie, i Aotrisy, sy i Hongria ary i Angletera no nahazo naoty tsara indrindra tamin’ny siansa. Ahoana no nahatonga firenena iray tsy misy mponina afa-tsy 3 400 000 eo ho eo monja, toa nisongona ny firenena sisa rehetra eo amin’izao tontolo izao? Angamba noho ny filofosana mafy. Mandany adiny 4,6 isan’andro, amin’ny antsalany, amin’ny fanaovana enti-mody ny mpianatra any Singapour, fa mandany adiny 2 ka hatramin’ny adiny 3 kosa ny firenena hafa rehetra, hoy ny tatitra nataon’ny Asiaweek.
Vola avy Tany An-danitra Ve?
Faly erỳ ny mponina tany Overtown, faritanàna mahantra any Miami, Florida, rehefa nisy vola toa nilatsaka avy tany an-danitra. Raha ny marina anefa, dia tsy mana avy tany an-danitra akory ilay izy fa ampahany tamin’ny lelavola 3,7 tapitrisa dolara latsaka teo amin’ny arabe teny ambany, rehefa nidona tamin’ny arabe teo ambonin’ilay faritanàna ny kamiao mifono vy iray. Tombanan’ny polisy fa olona 100, fara fahakeliny, no nihazakazaka nandraoka vola, kanefa azo inoana fa maro kokoa noho izany ireo olona. Araka ny The New York Times, “ny polisin’i Miami dia nanome 48 ora an’ireo nitana ireo vola, mba hamerenana izany fa tsy hampangaina ho nangalatra”. Tamin’ny fotoana nahataperan’ilay famindram-po anefa, dia olona telo monja no namerim-bola, ary mbola tsy ampy 500 000 dolara ilay izy. Voalaza fa niteny toy izao ny tanora iray 18 taona: “Teny an-tokotanin’ny olona ilay izy no nitontona. K’inona àry no hampoizinareo fa hataony?”
Hazonina Hafana ny Marary Mandritra ny Fandidiana
Ny efitrano fandidiana any amin’ny hopitaly izay hazonina hangatsiaka mba hisakanana ny fitomboan’ny bakteria entin’ny rivotra, dia mampitombo avo telo heny ny mety hidiran’ny otrikaretina, hoy ny vokatry ny fandinihana vaovao nataon’i Daniel Sessler, anestezista, ao amin’ny Oniversiten’i Kalifornia. “Tsy dia ny bakteria mihevaheva eny amin’ny rivotra loatra akory no mahatonga ny fidiran’ny otrikaretina ao amin’ny ratra”, hoy ny Dr. Sessler, “fa ny fihenan’ny herin’ilay marary hahatohitra bakteria eo amin’ny hoditra na ao anatin’ny vatana.” Afaka mampidina ny hafanan’ny vatan’ny marary hatramin’ny 15 degre Celsius ambanin’ny zero, ny efitrano fandidiana izay mangatsiaka. Ary mampihena ny fikorianan’ny ra mahazo oksizena, izay tena ilaina amin’ny fiadiana amin’ny fidiran’ny otrikaretina, ny hatsiakan’ny vatana. Lazain’i Sessler fa “tsy miasa tsara tsotra izao ireo sela sy enzyma mampisy ny hery fanefitra, rehefa mangatsiaka ny vatana”. Hitan’i Sessler sy ireo mpiara-miasa aminy fa fanampin’ny fihenan’ny fidiran’ny otrikaretina, ny marary nohazonina ho ara-dalàna ny hafanan’ny vatany nandritra ny fandidiana dia nijanona tao amin’ny hopitaly, latsaka efa ho telo andro noho ny marary tsy nohazonina hafana.
Tsy Miasa mba Hahasoa ny Vahoaka
Any Japon, dia 49 isan-jaton’ny olona notsapain-kevitra no nilaza fa ireo manam-pahefana ao amin’ny fitondram-panjakana dia miasa ho an’ny tenany voalohany indrindra, hoy ny tatitra nataon’ny Mainichi Daily News. Fito isan-jato monja tamin’ireo namaly fanontaniana no nihevitra fa miasa mba “hahasoa ny vahoaka” ny mpiasam-panjakana ambony, ary 3 isan-jato monja no nilaza fa miasa ho an’ny tanindrazana izy ireny. Japoney vitsy dia vitsy no nilazalaza ny mpiasam-panjakana ambony any aminy ho olona mazoto na tso-po. Natao tamin’ny Desambra lasa teo ilay fanadihadiana, taorian’ny taona iray nipoiran’ny raharaha nahafa-baraka maromaro izay nahavoarohirohy ny sasany tamin’ireo mpiasam-panjakana ambony indrindra any Japon.