FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/7 p. 18-19
  • Mifanaraka ve ny Siansa sy ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mifanaraka ve ny Siansa sy ny Baiboly?
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy ara-tsiansa ve ny fahagagana?
  • Manohitra ny siansa ve ny Baiboly?
  • Fahalalana avy amin’ny loharano ambony kokoa
  • Misy Vokany eo Amin’ny Fiainanao ny Siansa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mifanaraka Amin’ny Siansa ve io Boky Io?
    Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra
  • 4. Mifanaraka Amin’ny Siansa
    Mifohaza!—2007
  • Ahoana no Fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Siansa?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/7 p. 18-19

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Mifanaraka ve ny Siansa sy ny Baiboly?

MANOMBOKA amin’ny fiaramanidina sy ny baomba ataomika ka hatramin’ny sela novana fototarazo sy ny fanamboarana ondry avy amin’ny sela iray, ny taonjato faha-20 iainantsika dia vanim-potoana anjakan’ny siansa. Ireo mpahay siansa dia nametraka olona teny amin’ny volana, namongotra ny nendra, nitondra fiovana tanteraka teo amin’ny fambolena, ary nanome fitaovana fifandraisan-davitra eo no ho eo, maneran-tany, ho an’ny olona an’arivo tapitrisany maro. Koa tsy mahagaga àry raha toa ka, rehefa miteny ny mpahay siansa, dia mihaino ny olona. Inona kosa anefa no mba lazain’ny mpahay siansa momba ny Baiboly? Ary inona indray kosa no ambaran’ny Baiboly amintsika momba ny siansa?

Tsy ara-tsiansa ve ny fahagagana?

“Ireo olona manam-pisainana mifototra amin’ny siansa dia mino fa ny ‘vokatra rehetra dia misy antony mahatonga azy’. Mihevitra izy ireo fa misy fanazavana ara-dalàna tanteraka ny zava-drehetra”, hoy ny nambaran’ny encyclopédie maoderina iray. Manaiky an’ireo fitsipika ara-tsiansa naorina koa ny mpianatra ny Baiboly. Miaiky anefa izy ireo fa matetika ny Baiboly no miresaka momba ny fisehoan-javatra mahagaga izay tsy azo hazavaina ara-tsiansa, mifanaraka amin’ny fahalalana amin’izao fotoana izao. Ohatra ny amin’izany ny masoandro izay tsy nihetsika tamin’ny andron’i Josoa sy ny nandehanan’i Jesosy teo ambony rano. (Josoa 10:12, 13; Matio 14:23-34). Kanefa, aseho ho vokatry ny herin’Andriamanitra, izay miasa amin’ny fomba ambony noho ny lalàn’ny natiora, ireny fahagagana ireny.

Zava-dehibe io hevitra io. Raha toa ny Baiboly nanantitrantitra fa afaka mandeha eo ambony rano tsy misy fanampian’Andriamanitra ny olona, na azo aato tsy misy antony ny toa fandehanan’ny masoandro mamakivaky ny lanitra, dia toa mety hifanohitra amin’ny zava-misy ara-tsiansa izy io. Kanefa kosa, rehefa milaza izy fa avy amin’ny herin’Andriamanitra ny fisehoan-javatra toy izany, dia tsy tena manohitra ny siansa izy, fa mitarika ilay dinidinika ho amin’ny sehatra mbola tsy azon’ny siansa ny heviny.

Manohitra ny siansa ve ny Baiboly?

Etsy an-danin’izany, ahoana ny amin’ny firesahan’ny Baiboly momba ny fisehoan-javatra mahazatra eo amin’ny fiainan’ny olona, na ny filazany fohy momba ny zavamaniry na biby na zava-nitranga araka ny natiora? Mahaliana fa, amin’ny raharaha toy ireo, rehefa heverina ny teny manodidina, dia tsy misy porofo ny amin’ny fanoheran’ny Baiboly ny zava-misy ara-tsiansa eken’ny maro.

Ohatra, matetika ny Baiboly no mampiasa fiteny poetika izay manome taratry ny fomba fahatakaran-javatra nananan’ny olona niaina an’arivony taona tany aloha. Rehefa miresaka momba an’i Jehovah mively na manefy ny habakabaka “izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina” ny bokin’ny Joba, dia milazalaza tsara ny habakabaka ho toy ny fitaratra metaly izay mandefa taratra mamirapiratra. (Joba 37:18). Tsy tokony horaisina ara-bakiteny akory ilay fanoharana, toy ny tsy handraisana ara-bakiteny ny fanoharana ny tany hoe manana ‘vodiandry’ na ‘vato fehizoro’. — Joba 38:4-7.

Tena zava-dehibe izany satria mpivaofy teny maro no nandray ara-bakiteny ny fanoharana toy izany. (Jereo ny 2 Samoela 22:8; Salamo 78:23, 24.) Nanatsoaka hevitra izy ireo fa ny Baiboly dia mampianatra zavatra toy izao manaraka izao, nalaina avy tao amin’ny The Anchor Bible Dictionary:

“Ny tany onenan’ny olombelona dia heverina ho zavatra boribory mafy, angamba kapila na diska, mitsinkafona eo ambony rano be tsy misy fetra. Mifanitsy amin’io rano eo ambany kokoa io dia misy rano faharoa, tsy misy fetra koa, any ambony. Avy amin’ilay rano faharoa, dia misy rano mirotsaka, miendrika orana, amin’ny alalan’ny lavaka sy fantsona nandoaka ilay fitahirizan-drano any an-danitra. Ny volana sy ny masoandro ary ny fahazavana hafa dia mipetaka eo amin’ny rafitra iray mibiloka manao andohalambo eo ambonin’ny tany. Io rafitra io no ilay ‘habakabaka’ (rāqîa‛) ao amin’ny fitantarana momba ny mpisorona.”

Mazava fa tsy mifanaraka amin’ny siansa maoderina io fanoharana io. Moa ve anefa izy io fanombantombanana marina ny fampianaran’ny Baiboly ny amin’ny habakabaka? Tsy izany velively. Manambara ny The International Standard Bible Encyclopaedia fa ny filazalazana an’izao rehetra izao araka ny fahitan’ny Hebreo azy, “raha ny marina dia miorina bebe kokoa amin’ny hevitra nanjaka tany Eoropa nandritra ny Vanim-potoan’ny Haizina, fa tsy amin’ny fanambarana tena izy na inona na inona ao amin’ny T[estamenta] T[aloha]”. Avy taiza ireo hevitra tamin’ny Vanim-potoan’ny Haizina ireo? Araka ny nohazavain’i David C. Lindberg tao amin’ny The Beginnings of Western Science, tamin’ny ankapobeny izy ireo dia niorina tamin’ny haitontolon’i Aristote, filôzôfa grika fahiny. Ny asa soratr’i Aristote no fototry ny ankamaroan’ny zavatra nianarana tamin’ny Vanim-potoan’ny Haizina.

Ho tsy nisy heviny sady ho nahavery hevitra ny nampanoratan’Andriamanitra ny Baiboly amin’ny fiteny izay hahasarika mpahay siansan’ny taonjato faha-20. Ny Baiboly dia tsy feno raikipohy ara-tsiansa, fa fanoharana toa hitan’ny maso nalaina avy tamin’ny fiainana andavanandron’ny olona izay nanoratra azy ireny voalohany — filazalazana izay velombelona sady manan-kery tsy lany andro, na dia amin’izao andro izao aza. — Joba 38:8-38; Isaia 40:12-23.

Fahalalana avy amin’ny loharano ambony kokoa

Mahaliana anefa fa, ao amin’ny Baiboly, dia misy filazana sasany tena hita fa mampiseho taratra fahalalana ara-tsiansa izay tsy fantatry ny olona velona tamin’izany fotoana izany. Milazalaza an’Andriamanitra ho ‘mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ny habakabaka ary manantona ny tany amin’ny tsy misy’, i Joba. (Joba 26:7). Ilay hevitra hoe mihantona “amin’ny tsy misy” ny tany dia tena tsy mitovy amin’ny anganon’ny ankamaroan’ny olona fahiny, izay nilaza fa nipetraka teo ambony elefanta na soka-dranomasina izy io. Ny Lalàn’i Mosesy dia mirakitra zavatra takina ara-pahasalamana, lasa aloha be raha oharina amin’ny fahalalana ara-pitsaboana tamin’izany fotoana izany. Ireo fitsipika momba ny fanokanan-toerana ny olona nahiahina ho voan’ny habokana sy momba ny fandrarana ny fikasihana faty dia tsy isalasalana fa namonjy ny ain’ny Isiraelita maro. (Levitikosy 13; Nomery 19:11-16). Mifanohitra tanteraka amin’izany, ny fomba fitsaboan’ny Asyriana dia lazalazaina ho “fifangaroan’ny fivavahana sy ny fisikidianana ary ny fanompoana demonia”, ary nahafaoka fitsaboana tamin’ny alalan’ny dikin’alika sy fivalanan-dranon’olona.

Araka ny mety hantenaina avy amin’ny boky ara-tsindrimandrin’ny Mpamorona, ny Baiboly dia mirakitra fanazavana marina ara-tsiansa izay mazava fa lasa lavitra. Izany no izy, na dia tsy novesaran’ny fanazavana ara-tsiansa izay ho tsy nisy heviny na ho nampisafotofoto ny sain’ny olona fahiny mihitsy aza, izy io. Tsy mirakitra zavatra na inona na inona manohitra ny zava-misy ara-tsiansa eken’ny maro ny Baiboly. Etsy an-danin’izany, ny Baiboly dia mirakitra zavatra maro izay tsy mifanaraka amin’ny teôria tsy voaporofo, toy ny teôrian’ny evolisiona.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Ny fanazavan’i Joba hoe ‘mihantona amin’ny tsy misy’ ny tany dia manondro fahalalana tsy nananan’ny olona niara-belona taminy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

NASA

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara