Fomba Fiaina Tsy Mahasalama — Manao Ahoana ny Halafony?
“MPANAPAKA ny olona rehetra ny aretina”, hoy ny ohabolana danoà iray. Na iza na iza azon’ny aretina mitaiza dia tsy hisalasala hanamarina fa mety ho lozabe tokoa io “mpanapaka” io! Kanefa, mety ho gaga ianao hahafantatra fa matetika kokoa ny aretina no tahaka ny vahiny asaina fa tsy tahaka ny mpanapaka. Lazain’ny U.S. Centers for Disease Control and Prevention (Foibe Amerikana Misahana ny Fanaraha-maso sy ny Fisorohana Aretina) fa ny 30 isan-jaton’ireo andro lanin’ny marary any amin’ny hopitaly dia noho ny aretina sy ratra ho azo nosorohina. Ny antony? Fomba fiaina tsy mahasalama sy mampidi-doza. Diniho ireto ohatra sasany ireto.
FIFOHANA SIGARA. Voan’ny emphysème (aretin’ny havokavoka) i Ira, 53 taona — vokatry ny nifohany sigara hatramin’ny efa ho efapolo taona. Mba hitsaboana ny aretiny, dia mila tsy an-kiato vatsin’oksizena an-tavoahangy izy, ka tokony ho 400 dolara (1 980 000 FMG eo ho eo) isam-bolana no lany amin’izany. Tamin’ny 1994, dia nitentina 18 000 dolara (89 100 000 FMG eo ho eo) ny faktioran’ny nidirany hopitaly sivy andro noho ny aretiny, ka nanjary maherin’ny 20 000 dolara (99 000 000 FMG eo ho eo) ny tontalin’ny lany tamin’ny fikarakarana ny fahasalaman’i Ira tamin’io taona io. Na dia izany aza, dia tsy mahatsapa ny maha-maika ny hialany amin’ny sigara i Ira. “Efa ao amiko ao ilay faniriana mafy tsy mampino”, hoy izy.
Tsy maningana akory ny an’i Ira. Na dia eo aza ny loza fantatra tsara entin’ny fifohana sigara, dia mifoka sigara 15 000 tapitrisa eo ho eo isan’andro ny olona maneran-tany. Any Etazonia, dia tombanana ho 50 000 tapitrisa dolara no lany isan-taona amin’ny fikarakaram-pahasalamana noho ny aretina mifandray amin’ny fifohana sigara. Midika izany fa tamin’ny 1993, tamin’ny antsalany, isaky ny fonosan-tsigara novidina, dia sahabo ho 2,06 dolara (10 197 FMG eo ho eo) ny fandaniana ara-pitsaboana nifandray tamin’ny fifohana sigara.
Rehefa teraka ny zaza iray, dia afaka manomboka miavosa ny fandaniana ara-pitsaboana mifandray amin’ny fifohana sigara. Raha tsy hanonona afa-tsy ohatra iray monja aza isika, dia hitan’ny fandinihana iray tany Etazonia fa avo roa heny ny mety hahasima ny zaza nateraky ny reny nifoka, ka izany dia mety hitaky hatramin’ny fandidiana efatra mandra-pahatongan’ilay zaza eo amin’ny faharoa taonany. Ny lany amin’ny fikarakarana ara-pitsaboana sy ireo fandaniana mifandray amin’io aretina io, amin’ny antsalany, mandritra ny androm-piainana, dia 100 000 dolara (495 000 000 FMG eo ho eo), isaky ny olona. Mazava ho azy fa tsy azo refesina amin’ny vola ny ratram-po noho ny fahazoana kilema ara-batana hatrany am-bohoka.
Misy milaza fa ny halafon’ny fikarakaram-pahasalamana amin’ny fifohana sigara dia voaonitry ny hoe tsy ela velona mba hanangonana ireo fanampiana omen’ny Fiantohana Sosialy ny mpifoka maro. Kanefa, araka ny fanamarihan’ny The New England Journal of Medicine, “dia azo iadian-kevitra io fanatsoahan-kevitra io; ambonin’izany, ny ankamaroan’ny olona dia hanaiky fa ny fahafatesana aloha be vokatry ny fifohana sigara dia tsy fomba iray manaja ny maha-olona hoenti-mifehy ny fandaniana amin’ny fikarakaram-pahasalamana”.
FIBOBOHANA ALKAOLA. Nampifandraisina tamin’ny aretina maromaro ny fibobohana alkaola, anisan’izany ny cirrhose (aretin’aty), ny aretim-po, ny aretim-bavony, ny fery, sy ny aretin’ny sarakaty. Mety hahatonga ny olona iray ho mora voan’ny areti-mifindra toy ny pnemonia koa izy io. Any Etazonia, isan-taona dia “10 000 tapitrisa dolara no ampiasaina mba hitsaboana olona tsy mahafehy ny toakany”, hoy ny Dr. Stanton Peele.
Matetika no misy fiantraikany eo amin’ny tsaika ao am-bohoka ny alkaola. Isan-taona, any Etazonia fotsiny, dia zaza an’aliny maro no teraka kilemaina noho ny nisotroan-dreniny toaka fony izy bevohoka. Nahitana aretina mitondra takaitra ny sasany amin’ireo zaza ireo, ary matetika no mijaly noho ny kilema ara-batana sy ara-tsaina. Notombanana ho 1,4 tapitrisa dolara, amin’ny antsalany, no lany amin’ny fitsaboana mandritra ny androm-piainany, ny zaza tsirairay azon’io aretina io.
Koa satria mampihena ny fifehezana ny fahataitairana hanao zavatra ny alkaola, dia matetika ny fisotroana tafahoatra no mandray anjara amin’ny fipoahan’ny herisetra, izay mety hiteraka ratra mitaky fitsaboana. Eo koa ny fahavoazana tsy hay kosehina ateraky ny olona mitondra fiara raha mbola mamo. Diniho ny vokany teo amin’i Lindsey, ankizivavy valo taona, izay voatery nosokirina avy teo amin’ny seza aoriana tamin’ny fiaran-dreniny, rehefa avy nandona azy ireo ny mpamily mamo iray. Nandany fito herinandro tany amin’ny hopitaly i Lindsey ary nila fandidiana maromaro. Maherin’ny 300 000 dolara (1 485 000 000 FMG eo ho eo) no lany tamin’ny nitsaboana azy. Soa ihany aza fa mba tafavoaka velona izy.
FIDOROHANA ZAVA-MAHADOMELINA. Tombanan’ny mpanao fikarohana iray fa 67 000 tapitrisa dolara no lany isan-taona any Amerika, vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina. I Joseph A. Califano, Jr., prezidàn’ny Center on Addiction and Substance Abuse (Foibe Miady Amin’ny Fiankinan-doha Amin’ny Zava-mahadomelina) ao amin’ny Oniversite Columbia any New York, dia misarika ny saina ho amin’ny lafiny hafa andaniam-bola amin’ilay olana, manao hoe: “Ireo zazakely mamon-drongony, zavatra tsy fahita firy folo taona lasa izay, no mameno hipoka ny sampam-pitsaboana zaza menavava, sampana izay andoavana 2 000 dolara [9 900 000 FMG eo ho eo] isan’andro. (...) Mety handaniana 1 tapitrisa dolara vao hahatonga ny zaza velona tsirairay ho olon-dehibe.” Fanampin’izany, hoy ny fanamarihan’i Califano, “ny tsy nandehanan’ny reny bevohoka hisafo talohan’ny hiterahana sy ny tsy nampitsaharany ny fidorohana zava-mahadomelina no nahatonga ny ankamaroan’ny fandaniana efa ho 3 arivo tapitrisa dolara, lanin’ny Medicaid tamin’ny fikarakarana marary tany amin’ny hopitaly, nifandray tamin’ny fampiasana zava-mahadomelina, tamin’ny 1994”.
Manampy trotraka ilay tarehin-javatra mampalahelo ny vidiny tsy tambo isaina efain’olombelona noho io faharatsiam-pitondran-tena io. Adin’ny mpivady, ankizy atao tsirambina, sy vola aman-karena mihalany, no anisan’ny olana mpahazo ny fianakaviana rotidrotiky ny fidorohana zava-mahadomelina.
FANAOVANA FIRAISANA AMIN’NY OLONA SAMY HAFA. Olona maherin’ny 12 tapitrisa any Etazonia no voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana (MST) isan-taona, ka mahatonga an’i Etazonia hanana ny tahan’ny MST ambony indrindra amin’ireo tany mandroso. Antsoin’i David Celentano, avy ao amin’ny Johns Hopkins University School of Hygiene and Public Health, hoe “henatra ho an’ny firenena” izany. Tokony ho 10 000 tapitrisa dolara isan-taona no lany mivantana amin’ireo aretina ireo, tsy tafiditra amin’izany ny SIDA. Ny zatovo indrindra no mety ho voa. Ary tsy mahagaga izany! Araka ny tatitra iray, mandra-pahatongany eo amin’ny kilasy famaranana, dia tokony ho ny 70 isan-jaton’izy ireo no efa nanao firaisana ary efa ho ny 40 isan-jatony no niray tamin’ny olona efatra, fara fahakeliny.
Ny SIDA ihany dia efa zava-doza eo amin’ny fikarakaram-pahasalamana. Teo am-piandohan’ny taona 1996, ny fomba fitsaboana nandaitra indrindra teo am-pelatanana — fanafody mampihena ny fiasan’ny protéase (karazana anzima) nampiarahina tamin’ny fanafody mahazatra taloha kokoa — dia nitentina teo anelanelan’ny 12 000 dolara sy 18 000 dolara (59 400 000 FMG sy 89 100 000 FMG eo ho eo) isan-taona, isaky ny olona. Ny ampahany kely fotsiny amin’ny vidiny efaina noho ny SIDA anefa izany. Anisan’izany vidiny efaina izany ny hoe tsy afa-mamokatra intsony ilay olona voan’ny SIDA ary eo koa ireo maka fotoana tsy hiasana na tsy hianarana mba hikarakarana azy. Tombanana fa amin’ny taona 2000, dia handritra eo anelanelan’ny 356 000 tapitrisa dolara sy 514 000 tapitrisa dolara maneran-tany — mira sanda amin’ny fandaniana tanteraka ny toe-karena manontolon’i Aostralia na i India — ny VIH sy ny SIDA.
HERISETRA. Fony izy minisitry ny Fahasalamana tany Etazonia, i Joycelyn Elders dia nanao tatitra fa 13 500 tapitrisa dolara no lany tamin’ny fitsaboana vokatry ny herisetra, tamin’ny 1992. Hoy ny nomarihin’i Bill Clinton, prezidàn’i Etazonia: “Ny iray amin’ireo antony mahatonga ny fikarakarana ny fahasalaman’ny Amerikana ho lafo aoka izany dia noho ny hopitaly sy ny efitra fanomezana fitsaboana maika eto amintsika feno olona voaratra sy voatifitra.” Noho ny antony tsara àry no iantsoan’ny The Journal of the American Medical Association ny herisetra any Etazonia hoe “zavatra ilana fikarakarana maika momba ny fahasalamam-bahoaka”. Nanohy toy izao ilay tatitra: “Na dia tsy aretina amin’ny heviny ‘mahazatra’ aza ny herisetra, dia misy fiantraikany lalina eo amin’ny fahasalaman’ny tsirairay sy ny fahasalamam-bahoaka izy io, mitovy amin’ny an’ny aretina ara-batana maro — angamba mihoatra mihitsy aza.”
Lazain’ny tatitra iray nataon’ny hopitaly 40 any Colorado fa ny salan’ny vola lany ho an’ny olona tsirairay niharam-pahavoazana tamin’ny herisetra, nandritra ny sivy volana voalohany tamin’ny 1993, dia 9 600 dolara (47 520 000 FMG eo ho eo). Maherin’ny antsasak’ireo nampidirina hopitaly no tsy nanam-piantohana, ary maro tamin’izy ireo no tsy afaka na tsy nety nandoa ny fandaniana taminy. Niteraka hetra ambony kokoa, saram-piantohana ambony kokoa, sy faktioran’ny hopitaly lafo kokoa ny tarehin-javatra toy izany. Hoy ny tatitra nataon’ny The Colorado Hospital Association: “Samy manefa isika rehetra.”
Fiovan’ny fomba fiaina
Araka ny fomba fijerin’olombelona, dia manjombona ny fanantenana hanafoana ny fironana eo amin’ny fomba fiaina tsy mahasalama. “Tsy Saha Edena akory i Amerika ary tsy hahaisotra na oviana na oviana ny fidorohana zavatra manandevo rehetra isika”, hoy ny tatitra iray nataon’ny Oniversite Columbia. “Arakaraka ny ifehezantsika an’ireny fidorohana ireny anefa no hahazoantsika zazakely salama kokoa maro be, fihenan’ny herisetra sy ny heloka bevava, fihenan’ny hetra, fihenan’ny lany amin’ny fikarakaram-pahasalamana, tombony be kokoa, mpianatra mahay kokoa, sy olona vitsy kokoa voan’ny SIDA.”
Efa hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Baiboly no fanampiana lehibe indrindra eo amin’ny fanatratrarana izany tanjona izany. Tsy boky toy ny mahazatra akory ny Baiboly. Ara-tsindrimandrin’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ny olombelona, izy io. (2 Timoty 3:16, 17, NW ). I Jehovah no “nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao”. (Isaia 48:17). Mahasoa ny fotopoto-pitsipika velabelarina ao amin’ny Baiboly, ary mijinja soa lehibe ireo izay mandeha manaraka ny toroheviny.
Ohatra, mpifoka be i Esther taloha.a Taorian’ny nanombohany niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanasa azy handany andro iray hitsidihana ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Brooklyn, New York, ilay nampianatra azy Baiboly. Teo am-boalohany, dia nisalasala i Esther. Fantany fa tsy mifoka sigara ny Vavolombelon’i Jehovah, koa nanontany tena izy hoe ahoana no hahafahany hiaraka amin’izy ireo indray andro maninjitra. Koa nanisy sigara iray tao anaty poketrany i Esther, tamin’ny fanjohian-kevitra hoe raha sendra mahatsapa faniriana mafy hifoka izy, dia hitsaitsaika fotsiny hankany amin’ny efitra fivoahana. Araka ny efa noeritreretiny indrindra, taorian’ny fitsidihana iray, dia nankany amin’ny efitra fivoahana ho an’ny vehivavy i Esther ary namoaka ny sigarany. Tamin’izay anefa izy dia nahamarika zavatra. Nadio tsy nisy pentina ilay efitra, ary nadio ny rivotra. “Tsy afaka tsotra izao nandoto ilay toerana tamin’ny fifohana ilay sigara aho”, hoy ny tsaroan’i Esther, “koa nariako tao an-kabine ilay izy. Ary izay no sigara farany noraisiko!”
Maneran-tany, dia olona an-tapitrisany maro tahaka an’i Esther no mianatra ny miaina mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Mandray soa ny tenany, ary manjary loharanon-karena tsara kokoa ho an’ny fiaraha-monina misy azy izy ireo. Ny zava-dehibe indrindra, dia manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona azy, izy ireo. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 27:11.
Na dia tsy afaka mampisy indray “Saha Edena” iray aza ny ezaka tsara indrindra ataon’ny olombelona, dia milaza ny Baiboly fa hanao izany Andriamanitra. Hoy ny ambaran’ny 2 Petera 3:13: “Isika, araka ny teny fikasany [ny an’Andriamanitra], dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” (Ampitahao amin’ny Isaia 51:3.) Ao amin’io tany vaovao io, dia tsy hampanahy intsony ny fikarakaram-pahasalamana, satria hankafy fiainana ao anatin’ny fahasalamana tonga lafatra ny olombelona — araka ny nikasan’Andriamanitra azy hatrany am-piandohana. (Isaia 33:24). Ho tianao ve ny hianatra misimisy kokoa momba ny fampanantenan’Andriamanitra? Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy tena anarany.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
© 1985 P. F. Bentley/Black Star