Avy Amin’ny Mpamaky
Fampijaliana Amin’ny Teny Ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Teny Mandratra Ovana ho Teny Manasitrana” (8 Novambra 1996) dia tsy inona fa anisan’ireo lahatsoratra maro be nampiseho ny fiahian’i Jehovah antsika tokoa. Ireo lahatsoratra momba ny hoe “De l’aide pour les alcooliques et leurs familles” (22 May 1992, frantsay), “Les femmes méritent le respect” (8 Jolay 1992, frantsay), “De l’aide pour les enfants du divorce” (22 Aprily 1991, frantsay), sy ny hoe “La violence au foyer cessera-t-elle un jour?” (8 Febroary 1993, frantsay), dia nanohana ahy avokoa nandritra ireo taona maro nijaliako ara-pihetseham-po teo an-tanan’ny vady alkaolika. Latsa-dranomaso noho ny hafaliana sy ny alahelo aho teo am-pamakiana ireo lahatsoratra ireo. Ny foko dia diboky ny fankasitrahana an’Andriamanitra, izay mahafantatra ny tahotra sy ny fanaintainana ary ny fikorontanana anaty lalina indrindra ao amintsika.
J. C., Kanada
Nanohina ahy lalina ireo lahatsoratra ireo. Nilazalaza araka ny tena izy ny tarehin-javatra nisy ahy niaraka tamin’ny vadiko izy ireo. Afaka manaiky tsy amim-pisalasalana ny fehezanteny tsirairay aho. Mitondra ny vehivavy amim-pitiavana tokoa ianareo, ary izany dia manamafy amiko fa itỳ ilay fandaminana ampiasain’i Jehovah.
P. S., Alemaina
Nampirisika ahy hanohy hiady amin’ny fahalemeko, amin’ny fifehezana ny lelako, ireo lahatsoratra ireo. Fantatro ankehitriny ny fomba tokony hitondrako ny vadiko. Nanganohano ny ranomasoko teo am-pamakiana ireo lahatsoratra ireo.
G. I., Aotrisy
Mpidoroka Taloha Velom-pankasitrahana aho noho ilay lahatsoratra hoe “Namerina Tamiko ny Fiainako ny Fahamarinana”. (8 Novambra 1996). Sivy ambin’ny folo taona aho, ary na dia mpisava lalana maharitra, na evanjelisitra manontolo andro, aza aho, dia nahatsapa indraindray fa nisy zavatra sasany tsy haiko nohararaotina. Nanampy ahy hahita ny maha-hevi-dravina fotsiny ny fanintonan’izao tontolo izao, ny zavatra niainan’i Dolly Horry.
R. M. A., Bolivia
Tiako ny hilaza aminareo fa nanohina ahy tokoa io lahatsoratra io. Teo am-pamakiako ny tantaram-piainan’i Dolly Horry, dia nikoriana teo amin’ny tavako ny ranomasoko. Angatahiko amim-bavaka ny mba hanosehan’io lahatsoratra io olon-kafa ao anatin’ny fomba fiainan’i Dolly taloha, hitodika ho amin’ny fiainana misy heviny ankehitriny.
O. S. O., Nizeria