Kilimandjaro — Ny Tampon’i Afrika
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY KENYA
VAO 150 taona lasa izay, ny afovoan-tanin’i Afrika dia mbola tsy voasoritra teo amin’ny sarintany, tamin’ny ankapobeny. Ho an’ny tontolo tany ivelan’i Afrika, dia mbola tsy voazaha sady nifono zava-miafina itỳ kontinenta lehibe itỳ. Tamin’ireo fitantarana maro nivoaka tsikelikely avy tatỳ Afrika Atsinanana, dia nisy iray toa hafahafa indrindra tamin’ny Eoropeana. Tatitra iray ilay izy, nataona misionera alemà nantsoina hoe Johannes Rebmann sy i Johann L. Krapf, izay nilaza fa tamin’ny 1848, izy ireo dia nahita tendrombohitra iray tany akaikin’ny ekoatera, tendrombohitra avo aoka izany, hany ka fotsy noho ny oram-panala ny tendrony.
Tsy vitan’ny hoe noraisina tamim-pisalasalana fa natao fihomehezana koa ilay fitantarana hoe tatỳ Afrika tropikaly, dia nisy tendrombohitra rakotra oram-panala ny tendrony. Kanefa, nanaitra ny faniriana ta hahafanta-javatra sy ny fahalianan’ny manam-pahaizana manokana momba ny jeografia sy ny mpizaha tany mbola tsy fantatra ireo fitantarana momba ny tendrombohitra goavana iray, ary tamin’ny farany izy ireo dia nanamafy ny tatitra nataon’ireo misionera. Tena nisy tokoa, tatỳ Afrika Atsinanana, tendrombohitra volkanika rakotra oram-panala ny tendrony, nantsoina hoe Kilimandjaro. “Tendrombohitry ny Fahalehibeazana” no nahazoan’ny olona sasany ny hevitr’izy io.
‘Tampon’i’ Afrika
Amin’izao andro izao, dia malaza noho ny hakantony misongadina tsara sy ny haavony mahazendana i Kilimandjaro lehibe. Vitsy ny zavatra taza-maso mampahatsiahy sary hoso-doko sady tsy hay hadinoina toy ny andian’elefanta miraoka ahitra eo am-pamakivakiana ny tany lemaka maina sady mamovoka atỳ Afrika, miaraka amin’i “Kili” goavana rakotra oram-panala ny tendrony, tazana manjavozavo manerinerina erỳ aoriana lavitra erỳ.
I Kilimandjaro no tendrombohitra avo indrindra atỳ amin’ny kontinenta afrikana ary anisan’ireo volkano matory lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao. Atsy Tanzania no misy azy io, eo atsimon’ny ekoatera avy hatrany ary mifanila amin’ny sisin-tanin’i Kenya. Teo ny tany no namoaka zavatra volkanika maherin’ny efatra arivo tapitrisa metatra toratelo, ka nahaforona io tendrombohitra io sy ireo tendrony ao anaty rahona.
Manasongadina ny hakadirin’ilay tendrombohitra ny fitokanany. Mijoro irery sy mihatakataka izy, miainga avy eo amin’ny faritry ny Masai, izay faritra karakaina feno akata ary tokony ho 900 metatra ambonin’ny haavon’ny ranomasina, ka miakatra hatrany amin’ny 5 895 metatra be izao! Tsy mahagaga raha lazalazaina hoe ny tampon’i Afrika i Kilimandjaro indraindray.
Nantsoina koa hoe “Tendrombohitry ny Mpandeha Manao Andiany” i Kilimandjaro, satria nety ho tazana hatrany amin’ny an-jatony kilaometatra maro na taiza na taiza ireo sarontendrony feno oram-panala sy ny vongan-dranomandriny lehibe, mova tsy fanilo lehibe fotsy mamirapiratra. Tamin’ireo taonjato lasa, dia matetika ny tendrony feno oram-panala no nitari-dalana ireo mpandeha nanao andiany izay nitodi-doha nivoaka ny afovoan-tany efitra tatỳ Afrika, nivesatra entana toy ny ivoara sy volamena ary andevo.
Ireo tendrony mahazendana
Tampony volkanika roa no mahaforona an’i Kilimandjaro. I Kibo no tendrony volkanika lehibe indrindra; rakotra ranomandry sy oram-panala mandrakariva ny tendrony kanto kitsoloha. Eo atsinanany no misy ny tendrony faharoa, antsoina hoe Mawenzi, izay miakatra hatrany amin’ny 5 150 metatra ary izy io no tampon-tendrombohitra avo indrindra fahatelo atỳ Afrika, manarakaraka an’i Kibo sy ny Tendrombohitra Kenya. Mifanohitra amin’ireo tehezan’i Kibo misolampy malefaka, i Mawenzi dia tendro mikitoantoana manam-bika kanto erỳ, misy rindrim-bato maranidranitra mitsatoka be eo amin’ny lafiny rehetra. Lemaka misolampy iray midadasika izay iparitahana vongam-bato no mampifandray ireo tendron’i Kibo sy i Mawenzi eo amin’ny haavo 4 600 metatra. Eo andrefan’i Kibo no misy an’i Shira, izay sisan-javatra nihotsaka avy tamin’ny volkano fahiny iray ary nokaohin’ny rivotra sy ny rano hatramin’ny ela be, ka mahaforona lembalemba ngazana mahavariana, eo amin’ny 4 000 metatra ambonin’ny haavon’ny ranomasina, ankehitriny.
Sangan’asa eo amin’ny tontolo iainana
Faritra samy hafa voafaritry ny haambo sy ny rotsakorana ary ny zavamaniry no mahaforona ny ekôsisteman’i Kilimandjaro. Rakotra ala mikitroka tsy simban’ny fandrosoana, dia ala mikitroka izay ivezivezen’ny andian’elefanta sy karazan’omby dia, ireo tehezany ambany kokoa. Misy karazan-drajako maromaro mipetraka eny an-tendron’ny ala eny, ary indraindray misy mpitsidika afaka mahatsinjo indray miserana karazan’antilopan-tendrombohitra kely saro-tahotra, izay vetivety aoka izany dia manjavona any anatin’ny kirihitra mikirindro.
Eo ambonin’ilay ala no misy ny faritry ny karazan’anjavidy. Ireo hazo antitra naolakolaky ny rivotra mitsoka mafy sy ny taona, dia ravahan’ny tahom-bolon-kazo izay toy ny volombava fotsy lavan’ny lahiantitra. Eo no mivelatra ny tehezan-tendrombohitra ary mirobona ny karazan’anjavidy goavana. Mahatonga ilay faritra ho tsara tazanina erỳ ny bozaka matevina elanelanin’ny salohim-boninkazo mareva-doko.
Mbola ambony kokoa noho ny fetra anirian’ny hazo no misy ireo tanety ngazana. Misolo toerana ny hazo ny zavamaniry manam-bika hafakely antsoina hoe senecio, izay mahatratra efatra metatra ny haavony, sy ny lobelia, izay toy ny laisoa na ny aritisao lehibe. Manodidina ny vongam-bato sy ny sosom-bato mipoitra etỳ ivelany no anirian’ny voninkazo mandrakizay izay toy ny mololo sady maina ny fahatsapana azy ary izy ireny no mba manome loko an’ilay faritra, izay raha tsy izany dia hivolombatolalaka sady ho mangirangirana toy ny volafotsy.
Any ambony kokoa, dia ny faritra mampiavaka ny tendrombohitra no misolo toerana ireo tanety ngazana. Vasobasoka ny lokon’ny tany, manopy volontakatra sy volombatolalaka antitra. Vitsy ny zavamaniry afaka maniry eo amin’io faritra tsy misy zavatra firy sady maina io. Eo amin’io toerana io no mifandray i Kibo sy i Mawenzi, ireo tendro roa lehibe indrindra, amin’ny alalan’ny tandavan-kavoana lehibe izay tany hay maina vatoana sady avo toerana. Tafahoatra be ny maripana eo, mahatratra hatramin’ny 38 degre Celsius mandritra ny andro ary midina tampoka ho ambany be noho ny zero degre amin’ny alina.
Farany, dia tonga eo amin’ny faritry ny tampony isika. Mangatsiaka sady madio ny rivotra eo. Hita ho fotsy madio ireo vongan-dranomandry lehibe sy sarontendro feno oram-panala mifanolotra amin’ny lanitra manga be, ary mahafinaritra erỳ ny lokony mifangarika amin’ny tany matrok’ilay tendrombohitra. Kely kokoa ny rivotra ary tokony ho antsasaky ny oksizena hita eo amin’ny haavon’ny ranomasina ny oksizena ananany. Eo an-tampon’i Kibo izay fisaka no misy ny vava volkano, izay saika boribory tanteraka ary manana savaivo 2,5 kilaometatra. Ao anatin’ilay vava volkano, ao amin’ny tena afovoan’ilay tendrombohitra, no misy lava-davenona goavana iray izay mirefy maherin’ny 300 metatra ny sakany ary milentika 120 metatra any anaty tendan’ilay volkano. Misy setroka mahamay misy solifara mivoaka avy ao amin’ny lavaka kely ary miakatra moramora mamonjy ny rivotra mamanala, ka manaporofo ny fisafotofotoana izaitsizy any amin’ny lalina be any anatin’ilay volkano matory, izany.
Mamela an’i Kilimandjaro hamorona ny toe-taniny manokana ny hakadiriny sy ny habeny. Mipaka amin’ilay tendrombohitra ny rivotra mando, izay mitsoka avy any amin’ny Oseana Indiana sy miditra afovoan-tany ary mamakivaky tany iva somary karakaina. Mivily miakatra ilay rivotra mando ary manjary ranoka ka miteraka orana. Izany dia mahatonga ireo tehezan-tendrombohitra ambany kokoa, ho tany lonaka ho an’ireo voly kafe sy fambolena izay mamelona an’ireo olona mipetraka manodidina ny fototr’ilay tendrombohitra.
Fahavitana nianika an’i “Kili”
Ninonino foana ny olona nipetraka teo amin’ny manodidina an’i Kilimandjaro hoe ireo tehezany dia fonenan’ny fanahy ratsy izay hitondra fahavoazana ho an’iza na iza mitady hanatona ny tendrony rako-dranomandry. Nisakana ny olona teo an-toerana tsy hiezaka hanatratra ny tampony izany. Tamin’ny 1889 vao nisy Alemà roa mpizaha tany mbola tsy fantatra, nianika ilay tendrombohitra ary nijoro teo an-tampon’ilay toerana avo indrindra atỳ Afrika. Tamin’ny 1912 vao voanika ilay tendrony faharoa, i Mawenzi, izay sarotra anihina kokoa, raha eo amin’ny lafiny teknika.
Amin’izao andro izao dia misokatra ho an’iza na iza salama tsara ny fianihana an’i Kilimandjaro, ary tena tian’ireo mpitsidika an’i Afrika Atsinanana. Nandamina tsara ny zava-drehetra ho an’ireo maniry hianika ilay tendrombohitra ireo manam-pahefana ao amin’ny valam-pirenena atsy Tanzania. Azo atao ny manofa akanjo sy fitaovana. Efa vonona ny mpitondra entana sy ny mpitari-dalana voaofana, ary misy trano fandriam-bahiny maromaro manolotra ny zavatra ilaina mampiadana, manomboka eo am-piandohan’ny dia iray fianihana ilay tendrombohitra ka hatreo amin’ny fiafarany. Misy trano bongo kely voaorina tsara amin’ny haambo samy hafa eo amin’ilay tendrombohitra, ary manome toerana fatoriana sy fialofana ho an’ny mpianika izy ireny.
Mahazendana sady mampisaintsaina ny fahitan’ny tena mihitsy an’i Kilimandjaro. Afaka miombon-kevitra tsy amim-pisalasalana amin’izao teny momba an’Andriamanitra izao ny tena: “Mampiorina ny tendrombohitra amin’ny heriny Izy”. (Salamo 65:6). Eny, avo sady mitokana eo ambonin’i Afrika i Kilimandjaro, izay mijoro ho porofo manerinerina ny amin’ny herin’ilay Mpamorona Lehibe.
[Sarintany, pejy 16]
(Jereo ny gazety)
AFRIKA
Kenya
KILIMANDJARO
Tanzania