FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/9 p. 18
  • Fiarovana ny Bibidia eny Amin’ny Arabe

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiarovana ny Bibidia eny Amin’ny Arabe
  • Mifohaza!—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Nihena 73 Isan-jato ny Biby any An’ala tao Anatin’ny 50 Taona: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Inona no Atao Rehefa Mitohana ny Fifamoivoizana?
    Mifohaza!—2007
  • Lalana Romanina Sangan’asa Ahatsiarovana ny Injeniera Fahiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Lalana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/9 p. 18

Fiarovana ny Bibidia eny Amin’ny Arabe

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

ALIKADIA iray hetsy sy karazan-tsokina sy bitro mitovy isa amin’izany no maty eny amin’ny arabe eto Grande-Bretagne isan-taona, ary blaireaux 40 000 sy vorondolo 5 000 ary saobakaka maherin’ny iray tapitrisa no maty toy izany koa. Ny zavona amin’ny ririnina sy ny haizina dia anisan’ny mahatonga ireo fiara mirimorimo eny amin’ny lalam-be handripaka bibidia. Matetika no misy mpamily mivily tampoka mba tsy hamonoana biby iray, saingy manimba ny fiarany izy ireo amin’izany na mifandona amin’ny fiara mifanena aminy mihitsy aza. Indraindray izany dia miteraka famoizana ain’olona. Taorian’ny voina nahavoazana biby iray, dia mpamily maro no azon’ny fikorontanana anaty, ary araka ny tatitry ny polisy, dia an-jatony maro no tsy afaka manohy ny diany intsony.

Eny amin’ny lalam-be sasany eto Grande-Bretagne, ny manam-pahefana dia nametaka takelaka manokana mamerina tara-pahazavana mba hampitahorana ny diera hiala amin’ny arabe. Rehefa miantefa amin’ireo takelaka mamerina tara-pahazavana ny jiron’ny fiara iray, dia toy ny mason’ny alikadia ny fisehoan’izy ireo! Any an-toeran-kafa, dia nambolena lavitra kokoa tsy toy ny mahazatra avy teo amin’ny arabe ireo hazo mba hahafahan’ny mpamily hahita tsara kokoa izay bibidia rehetra erỳ anoloany. Any Etazonia, dia misy mpamily sasany nametaka tamin’ny fiarany, fitaovana misioka izay mamoaka feo manana hatetik’onja ambony rehefa mandeha mihoatra ny 55 kilaometatra isan’ora ilay fiara. Mamoaka feo 60 desibela amin’ny hatetik’onja tsy ren’ny sofin’olombelona saingy ren’ny bibidia mazava tsara, ny rivotra mitsofoka ao amin’ilay fitaovana. Hita ho nandaitra indrindra teo amin’ny biby manan-tsofina mitodika mankany anoloana, ilay fitaovana. Nanao tatitra ny polisy fa nidina 50 isan-jato ny fifandonana tamin’ny diera tamin’ny andrana iray nampiasana ilay fitaovana misioka.

Ahoana no azonao analavirana ny loza sy ny famonoana tsy amin’antony ny bibidia eny amin’ny arabe? Rehefa mitondra fiara ianao, indrindra fa amin’ny ririnina na amin’ny alina, dia mandehana mora ary tandremo ireo filazana eny amin’ny arabe izay mampitandrina anao fa misy biby ao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara