FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/10 p. 12-14
  • Inona no Maha-ratsy ny Fitadiavam-bola?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Maha-ratsy ny Fitadiavam-bola?
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny “onjan’ny ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo”
  • “Ta-hanan-karena”
  • ‘Filentehana ao amin’ny fahaverezana’
  • Fahazoana fahaiza-mandanjalanja
  • Ny Vola ve no Fototry ny Ratsy Rehetra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ahoana no Fiheveranao ny Vola?
    Mifohaza!—2015
  • Vola
    Mifohaza!—2014
  • Ahoana no Tokony Hiheverana ny Vola?
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/10 p. 12-14

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Maha-ratsy ny Fitadiavam-bola?

“NY VOLA tokoa no zava-dehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao.” Izany no nolazain’i George Bernard Shaw, mpanoratra tantara an-dampihazo anglisy. Mitovy hevitra aminy ve ianao? Angamba mitovy kokoa amin’ny an’i Tanya, 17 taona, ny fihevitrao. Hoy izy: “Tsy ta hanan-karena aho, fa ta hahatsapa tsy fananana ahiahy ara-bola fotsiny.” Toy izany koa ny fiheveran’i Avian tanora ny vola: Tsy hoe ny zava-dehibe indrindra eto an-tany akory, fa zavatra ilaina mba hahatratrarana zava-kendrena iray. Hoy izy: “Tena ilaina ny vola hahazoako ireo zavatra ilaiko, toy ny fitafiana sy ny fitaterana.”

Fantatrao ve fa milaza hevitra mitovy amin’izany ny Baiboly? Ao amin’ny Mpitoriteny 7:12, dia milaza izy io fa “fialokalofana ny vola”. Nolazalazaina ho “fahavalo lehiben’ny fahasambaran’olombelona” ny fahantrana. Ary ny fananam-bola ampy dia afaka miaro ny tena — fara fahakeliny amin’ny ampahany sasany — amin’ny zava-manahirana entin’ny fahantrana matetika. Afaka manamaivana ny vokatr’ireo loza tsy ampoizina koa ny vola. “Milaza ny Baiboly fa ‘ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo antsika rehetra’ ”, hoy i Phyllis tanora. “Tsy fantatsika mihitsy hoe amin’ny fotoana toy inona no mety hisy zava-tsarotra ho tonga amintsika, koa mila manam-bola tahiry àry isika.” (Mpitoriteny 9:11). Ary raha mety ho toa zava-dehibe aminao ny vola ankehitriny, dia mety hanana anjara asa lehibe kokoa mihitsy aza izy io eo amin’ny hoavinao.

Ny “onjan’ny ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo”

Kanefa, raha ara-dalàna sy tsy ratsy ny fanahiana kely ny hanam-bola ampy, ho an’ny tanora sasany kosa, ny vola dia mila ho zavatra mitazona tafahoatra ny saina. Rehefa nanontaniana ny tanora maherin’ny 160 000 hoe: “Inona no irinareo indrindra eo amin’ny fiainana?”, dia nilaza ny 22 isan-jato hoe: “Ny hanan-karena.”

Tsy isalasalana fa io filana mafy hanam-bola io dia ampitomboin’izay antsoin’ny gazetiboky Newsweek hoe “onjan’ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo”, izay nanenika izao tontolo izao. “Olona tena tia fatratra zavatra ara-nofo sy mirona be ho amin’ny lamaody aho”, hoy i Martin, 18 taona. “Mino mafy aho fa arakaraka ny volanao ny zavatra azonao. Araka izany, dia mandany vola be hividianana ireo zavatra tiako aho.” Tsy i Martin ireny no tanora “mandany vola be”. Manao tatitra toy izao ny U.S.News & World Report: “Tamin’ny taon-dasa, dia tanora 12 ka hatramin’ny 19 taona [teto Etazonia] no nanaram-po nandany vola be tsy nisy toy izany, ka 109 arivo tapitrisa dolara no tontalin’ny laniny tamin’ny fividianan-javatra. Fitomboana 38 isan-jato izany raha oharina amin’ny tamin’ny 1990.”

Avy aiza anefa no ahazoan’ny tanora ny vola ividianana ireo zavatra vaovao rehetra ireo, dia fitafiana sy disques compacts ary fitaovana kely maoderina amin’ny ordinatera? Hoy ny U.S.News & World Report: “Tokony ho ny antsasak’ireo tanora rehetra 16 ka hatramin’ny 19 taona no manana asa tapa-potoana.” Raha voalanjalanja hatrany ny asa aorian’ny ora fianarana, dia mety hisy tombontsoa azo avy aminy, toy ny fampianarana ny tanora hahay handray andraikitra. Kanefa, mazava fa manao zavatra amin’ny fomba tafahoatra ny tanora sasany amin’io lafiny io. Izao no fanamarihan’ny gazetiboky Newsweek: “Hitan’ireo psikôlôgy sy ireo mpampianatra fa misy fihenjanana eo amin’ireo mpianatra [miasa]. Tsy manam-potoana firy hanaovana entimody izy ireo, ary ireo mpampianatra, izay mahita tsy tapaka mpianatra trotraka izay miady mafy mba tsy hatory, dia matetika loatra no mampidina ny fari-pahaizana takina, ho setrin’izany.”

Na dia izany aza, dia tanora miasa vitsy ihany no vonona hamoy ny loharanon’ny fidiram-bolany. “Zava-dehibe ny fianarana”, hoy i Vanessa tanora, “saingy zava-dehibe toy izany koa ny vola. Tsy ahazoam-bola ny entimody.” Tena zava-dehibe ve ny fitadiavam-bola aminao? Ny fitadiavam-bola be ve no tanjonao lehibe indrindra eo amin’ny fiainana?

“Ta-hanan-karena”

Mivaofy ireo fanontaniana ireo indrindra ny Baiboly. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” — 1 Timoty 6:9, 10.

Azo antoka fa nahalala tsara izay nolazainy i Paoly. Talohan’ny nahatongavany ho Kristiana, izy dia iray tamin’ireo mpitarika ara-pivavahana fantatra hoe “ny Fariseo”, izay lazalazain’ny Baiboly ho “fatra-pitia vola”. (Lioka 16:14). Na dia izany aza, dia tsy nanameloka ny fitadiavam-bola amin’izao fotsiny ilay apostoly. Nanome fampitandremana ho an’ireo izay “ta-hanan-karena” kosa izy, na araka ny ilazan’ny fandikan-teny iray hafa azy hoe ho an’ny olona “tapa-kevitra ny hanan-karena”. (Phillips). Inona anefa no dia maha-ratsy aoka izany ny fanaovana izany?

Araka ny nohazavain’i Paoly, ny olona toy izany dia “latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika”. Milaza hevitra mitovy amin’izany ny Ohabolana 28:20 rehefa milaza hoe: “Izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.” Nangalatra ny tanora sasany, noho ny fieritreretany fa tsy ampy ny volany.

Marina aloha fa tsy hieritreritra ny hangalatra ny ankamaroan’ny tanora. Ny sasany anefa dia mety hanana fitondran-tena mety hampidi-doza toy izany. Manao tatitra toy izao ny Christianity Today: “Mino ny manam-pahaizana sasany fa nanjary ny fahazaran-dratsy nitombo haingana indrindra teo amin’ny zatovo ny filokana miteraka olana.” Tao amin’ny toerana iray tany Etazonia, dia “efa ho ny 90 isan-jaton’ny zatovo no nividy tsy ara-dalàna karatra loteria fony izy tao amin’ny kilasy talohan’ny taona famaranana, tany amin’ny lise”. Mampiasa fomba tafahoatra kokoa mihitsy aza ny tanora sasany. “Sarotra ny mahita asa mahafa-po”, hoy i Matthew, 16 taona. “Koa azoko tamin’ny fanaovana fandraharahana sy fivarotan-javatra ny ankamaroan’ny volako. (...) Indraindray dia nivarotra [zava-mahadomelina] aho [taloha].”

‘Filentehana ao amin’ny fahaverezana’

Marina aloha fa mety hanome fahatsapana fahafahana ho an’ny olona iray ny fananam-bola. Araka ny anazavan’i Paoly azy anefa, amin’ny farany ny fikatsaham-bola dia tena afaka mahatonga olona iray ho andevon’ny “filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana”. Eny, raha vao mahazo vahana ao aminao ny fitiavam-bola, dia afaka manjaka amin’izay ny fitsiriritana sy ny fialonana manosika hamono olona ary ny fanirian-dratsy hafa. (Ampitahao amin’ny Kolosiana 3:5.) Nanamarika ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazetiboky ’Teen fa ny zatovo sasany dia mety hanjary hitsiriritra aoka izany ny fiarakodia sy ny fitafiana ananan’ny tanora hafa, “hany ka manjary kivy izy ireo”. Indraindray ny fitsiriritana toy izany dia “manjary lalina ka manjary fahatsapana rikoriko amin’ny tena”, hoy ny anampin’ilay lahatsoratra, “ary tsy afaka mieritreritra zavatra hafa ankoatra izay zavatra tsy ananany ny zatovo iray”.

Mariho àry fa tsy vitan’ny hoe afaka mahatonga olona iray ho “latsaka amin’ny fakam-panahy” fotsiny ny fanirian-karena, fa afaka mahatonga azy ‘hilentika ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana’ koa. Hoy ny fanamarihan’i Albert Barnes, mpivaofy teny ara-baiboly: “Ny sary ao an-tsaina dia ny an’ny vakin-tsambo, eo amin’izay ilentehan’ny sambo miaraka amin’izay rehetra ao anatiny. Tena faharavana tanteraka ilay izy. Simba tanteraka ny fahasambarana, ny hatsaran-toetra, ny laza, ary ilay olona.” — Ampitahao amin’ny 1 Timoty 1:19.

Mety àry ny ilazan’i Paoly fa ny “fitiavam-bola [izay maharevo tanteraka] no fototry ny ratsy rehetra”. Ho vokatr’izy io, dia maro no efa “voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be”. Raiso, ohatra, ny tanora iray izay andeha hantsointsika hoe Rory. Nanomboka niloka izy teo amin’ny faha-12 taonany. “Fomba iray nahazoam-bola nefa tsy nilana nanaovana na inona na inona izy io”, hoy ny tsaroany. Tsy ela dia dolara an-jatony maro ny trosan’olona tany aminy, ary nanao tsirambina ny namany sy ny fianakaviany ary ny fianarany izy. “Niezaka hiala tamin’ilay izy aho”, hoy izy niaiky, nefa tsy nahomby foana izy. Nanohy “nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be” izy, mandra-pitadiny fanampiana, teo amin’ny faha-19 taonany. Tsy mampitombo resaka, araka izany, ilay mpanoratra atao hoe Douglas Kennedy rehefa miantso ny fikatsaham-bola hoe “fanandraman-javatra manakorontana anaty”, ao amin’ilay bokiny hoe Chasing Mammon.

Fahazoana fahaiza-mandanjalanja

Araka izany, dia mifandray amin’izay ilaina ankehitriny, toy ny tamin’ny taonjato maro lasa izay, ny torohevitr’i Solomona manao hoe: “Aza manasa-tena hanan-karena, aza entina amin’izany ny fahendrenao. Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ny lanitra.” (Ohabolana 23:4, 5). Mihelina ihany ny harena ara-nofo, koa hadalana ny hanaovana ny fikatsahan-karena ho ny zava-kendrenao lehibe eo amin’ny fiainana. “Tsy tiako ny ho voafandrika ao amin’ny tanjona miahy fatratra ny zavatra ara-nofo ranofotsiny”, hoy ny tanora kristiana iray antsoina hoe Maureen. “Fantatro tsotra izao fa ny fahasalamako ara-panahy no hafoiko, raha voatazona ao amin’ny fitadiavam-bola fotsiny aho”, hoy izy.

Marina aloha fa tena ilaina ny vola. Ary hamela anao hikarakara ireo zavatra ilain’ny tenanao ny fanananao fidiram-bola ampy — ary mety hamela anao hanampy ara-bola ny hafa mihitsy aza indraindray. (Efesiana 4:28). Mianara miasa mafy mba ho afaka hahazo vola amim-pahamarinana. Afa-tsy izany koa, dia mianara ny fomba itahirizana sy itantanana ary andaniana ny volanao amim-pahakingan-tsaina. Kanefa, aza atao ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana mihitsy ny vola. Miezaha hanana ilay fomba fijery voalanjalanja nambaran’ny mpanoratra ny Ohabolana 30:8, izay nivavaka hoe: “Aza manome ahy alahelo na harena”. Amin’ny fanaovana ny tombontsoa ara-panahy ho loha laharana hatrany, dia ho afaka hahazo ny karazan-karena tsara indrindra ianao. Araka ny ilazan’ny Ohabolana 10:22 azy hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.”

[Sary, pejy 13]

Tanora maro no maniry hahazo vola mba hahafahan’izy ireo haharaka ny namany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara