Mijinja Aina Tanora Maro ny Ady
NY FAHAZAZANA dia heverina ho fotoana mahafinaritra. Fotoana ahatsapana ho tiana sy arovana. Fotoan’ny fahatsorana. Ny tanora dia antenaina hilalao sy hianatra ary hampitombo ireo toetra izay hanampy azy ireo ho tonga olon-dehibe mandray andraikitra. Ny ankizy dia tsy natao hovonoina, no sady azo antoka fa tsy natao ho tonga mpamono olona. Amin’ny fotoan’ny ady anefa, dia maro be ny zavatra mitranga nefa tsy nantenaina hitranga.
Mampalahelo fa mitombo maneran-tany ny ady, ary mamono tanora maro, sady manimba ny ankizy no manimba ny fahazazana. Tamin’ny 1993, dia nisy ady niseho tany amin’ny tany 42, raha mbola nisy herisetra ara-politika nitranga tany amin’ny tany 37 hafa. Misy ankizy miaina any amin’ny tsirairay amin’ireo tany 79 ireo.
Tanora maro ankehitriny no mbola tsy nahalala mihitsy ny fandriampahalemana. Tamin’ny faramparan’ny 1995, dia nisy ady efa naharitra 30 taona mahery tany Angola, 17 taona tany Afghanistan, 11 taona tany Sri Lanka, ary 7 taona tany Somalia. Tany amin’ny toerana samy hafa, ireo mpanao politika dia niresaka tamim-panantenana momba ny “fandrosoana ho amin’ny fandriampahalemana”, kanefa ny fandrosoana tsy hay tohain’ny ady dia mbola nanohy nanimba fiainan’olona maro be ihany.
Efa nanimba foana ny ankizy ny ady, kanefa ny fiovan’ny toetran’ny ady tato ho ato dia nitarika ho amin’ny fitomboan’ny isan’ny sivily maty, anisan’izany ny ankizy. Nandritra ireo fifandonana tamin’ny taonjato faha-18 sy faha-19 sy nandritra ny tapany voalohany tamin’itỳ taonjato itỳ, saika ny antsasak’ireo niharan-doza dia sivily avokoa. Tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, nanomboka tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1945, dia nitombo ho androatokon’ireo maty tamin’ny ady ny isan’ny sivily maty, ka anisan’ny nahatonga izany ny fandatsahana baomba be dia be tamin’ireo tanàna.
Tamin’ny faramparan’ireo taona 1980, ny fahafatesan’ireo sivily dia niakatra hatramin’ny 90 isan-jato! Ny antony iray nahatonga izany dia ny ady nanjary nivoatra kokoa. Tsy miady mifanatrika eo amin’ny saha fiadiana iray intsony ireo andian-tafika. Ny ankamaroan’ireo ady ankehitriny dia tsy ifanaovan’ireo tany fa ady an-trano. Fanampin’izany, dia misy eo amin’ireo vohitra sy tanàn-dehibe ny ady, ka eo anivon’ny herisetra sy ny fiahiahiana, ny mpamono dia tsy manavaka loatra ny fahavalo sy ny mpitazana tsy manan-tsiny.
Navesatra ny vokany teo amin’ireo ankizy. Notombanana fa nandritra ireo folo taona farany monja, araka ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza, ny ady dia namono ankizy roa tapitrisa sy nahatonga ankizy hafa efatra ka hatramin’ny dimy tapitrisa ho kilemaina. Ny ady dia nahatonga ankizy maherin’ny iray tapitrisa ho kamboty ary namela 12 tapitrisa tsy hanam-ponenana. Noho ny ady, dia misy ankizy folo tapitrisa nanjary nikorontana ara-tsaina.
Feno boky momba ny ady ireo tranom-boky. Izy ireny dia mandinika ny fomba sy ny antony nanaovana ireo ady, milazalaza ireo fitaovam-piadiana sy ny tetik’ady nampiasaina ary koa mitadidy ireo jeneraly nitarika ny famonoana. Ireo sarimihetsika dia mampitombo ny fahataitairana fa mampihena kosa ny fijaliana hita amin’ny ady. Ireny boky sy sarimihetsika ireny dia tsy miresaka firy ny amin’ireo tsy manan-tsiny niharan-doza. Ireo lahatsoratra manaraka dia mandinika ny fomba nampiasana ireo ankizy mba ho mpiady, sy ny maha-olona mora voa indrindra azy amin’ireo niharan-doza rehetra, ary ny antony ilazantsika fa afaka mifaly amin’ny hoavy mamirapiratra iray ireo ankizy ankehitriny.