FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/12 p. 11-12
  • Fomba Enina Hiarovana ny Fahasalamanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Enina Hiarovana ny Fahasalamanao
  • Mifohaza!—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Enina Hitandroana ny Fahasalamana
    Mifohaza!—2003
  • Zavatra Fito Azonao Atao mba ho Azo Antoka sy Hahasalama ny Sakafo Hohaninao
    Foto-kevitra Hafa
  • Fomba Dimy Hanatsara ny Fahasalamanao
    Mifohaza!—2015
  • Aoka ny sakafonao ho azo antoka
    Mifohaza!—1990
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/12 p. 11-12

Fomba Enina Hiarovana ny Fahasalamanao

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY NIZERIA

ARAKA ny nolazain’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), dia tokony ho ny 25 isan-jaton’ny olona mipetraka atỳ amin’ny tontolo an-dalam-pandrosoana no tsy afaka mahazo rano azo antoka. Mihoatra ny 66 isan-jato — 2 arivo tapitrisa sy sasany fara fahakeliny — no tsy manana fitandroana fahadiovana ampy. Ny vokatr’izany ho an’ny maro, dia aretina sy fahafatesana.

Ao amin’ny tarehin-javatra toy izany, dia zava-tsarotra ny fihazonana fahadiovana tsara. Kanefa, raha ataonao fomba fiaina ny fahadiovana, dia hiaro ny tenanao amin’ny aretina maro ianao. Indreto misy fepetra enina azonao raisina mba hiarovana ny tenanao sy ny fianakavianao amin’ny mikraoba izay mety hiditra ao anatinao sy hahatonga tsy fahasalamana.

1. Sasao amin’ny rano sy ny savony ny tananao aorian’ny nikasihana diky sy alohan’ny handraisana sakafo.

Fomba iray lehibe hisorohana aretina ny fanaovana izay ahazoana antoka fa misy foana ny rano sy ny savony mba hahafahan’ny mpikambana rehetra ao amin’ny fianakavianao hanasa ny tanany. Ny rano sy ny savony dia manala ny mikraoba amin’ny tanana — raha tsy izany, dia mety ho tonga any amin’ny sakafo na ao am-bava, ireo mikraoba. Koa satria manao tanana am-bava matetika ny ankizikely, dia zava-dehibe ny hanasana ny tanany matetika, indrindra alohan’ny hanomezana sakafo azy.

Zava-dehibe indrindra ny hanasanao ny tananao amin’ny savony rehefa avy tany an-kabine ianao, sy alohan’ny handraisanao sakafo, ary aorian’ny namafanao ny fitombenan’ny zazakely na ny ankizy iray vao avy nivoaka.

2. Mampiasà kabine.

Mba hisorohana ny fielezan’ny mikraoba, dia iankinan’ny aina ny hanariana ny diky araka ny tokony ho izy. Aretina maro, indrindra ny aretim-pivalanana, no avy amin’ny mikraoba ao amin’ny dikin’olombelona. Mety ho tonga ao amin’ny rano fisotro na ny sakafo, eny amin’ny tanana, na eo amin’ny fitaovana sy faritra hikarakarana na handrosoana sakafo, ireny mikraoba ireny. Rehefa mitranga izany, dia mety hitelina ireo mikraoba ny olona ka hanjary harary.

Mba hanampiana amin’ny fisorohana izany, dia mampiasà kabine. Tokony hatao lavitra ny trano sy ny toerana misy ny rano ny dikim-biby. Mety ho gaga ianao hahafantatra fa ny dikin-jazakely sy ny dikin’ankizikely dia mampidi-doza kokoa noho ny an’ny olon-dehibe. Koa na dia ireo ankizy aza dia tokony hampianarina hampiasa kabine. Rehefa mivoaka any amin’ny toeran-kafa ny ankizy, dia tokony hesorina avy hatrany sy hariana any an-kabine na halevina ny dikin’izy ireo.

Tokony hohazonina ho madio sy hisarona ny kabine.

3. Mampiasà rano madio.

Ny fianakaviana manana rano madio betsaka, rano mandeha amin’ny raobine, dia mahalana kokoa vao marary raha oharina amin’ny fianakaviana tsy manana izany. Ireo izay tsy manana rano mandeha amin’ny raobine dia afaka miaro ny fahasalamany amin’ny fihazonana ireo fantsakana hisarona sy amin’ny fihazonana ny rano maloto ho lavitra ny misy ny rano hosotroina, handroana, na hisasana. Zava-dehibe koa ny hihazonana ny biby ho any ivelan’ny trano sy lavitra ny rano fisotro.

Fomba iray hafa hiarovanao tena amin’ny aretina ny fihazonana ho madio araka izay azo atao ny siny sy ny tady ary ny sinibe ampiasaina mba hakana sy hitahirizan-drano. Tsara kokoa, ohatra, ny manantona ny siny, toy izay hamela azy io eo amin’ny tany.

Ny rano fisotro tahirizina ao an-trano dia tokony hohazonina ao anaty fitoeran-drano madio sy misarona. Tokony ho amin’ny zinga na kaopy madio no hakana rano avy ao anatin’io fitoeran-drano io. Aza avela hisy olona hanatsoboka ny tanany ao anaty rano fisotro, na hisotro mivantana ao amin’ilay fitoeran-drano.

4. Ampangotrahy ny rano fisotro, raha tsy hoe avy ao amin’ny famatsian-drano azo antoka mandeha amin’ny raobine angaha izy io.

Mazàna ny rano mandeha amin’ny raobine no rano fisotro azo antoka indrindra. Azo inoana kokoa ho misy mikraoba ny rano avy amin’ny toeran-kafa, na dia mety ho madio aza no fijery azy.

Mamono mikraoba ny fampangotrahana rano. Koa rehefa manovo rano avy amin’ny kamory, renirano na sinibe ianao, dia fahendrena ny mampangotraka azy io sy mamela azy io hangatsiaka avy eo, alohan’ny hisotroana azy. Zava-dehibe indrindra ho an’ireo zazakely sy ankizikely ny rano fisotro tsy misy mikraoba, satria tsy mahatohitra mikraoba kokoa izy ireo raha oharina amin’ny olon-dehibe.

Raha tsy afaka mampangotraka ny rano fisotro ianao, dia tahirizo ao anaty fitoeran-drano plastika tantera-pahazavana na natao tamin’ny fitaratra, izy io. Avy eo, dia avelao hitanina andro mandritra ny roa andro ilay fitoeran-drano, alohan’ny hampiasana ilay rano.

5. Hazòny ho madio ny sakafonao.

Tokony hodiovina tsara ireo sakafo hanina manta. Tokony handrahoina tsara ny sakafo hafa, indrindra fa ny hena sy ny akoho amam-borona.

Tsara indrindra ny hihinanana ny sakafo, fotoana fohy aorian’ny nandrahoana azy; amin’izay dia tsy hanam-potoana hihasimbana izy io. Raha voatery mitahiry sakafo masaka mandritra ny adiny dimy mahery ianao, dia tokony hihazona azy io ho mafana, na hanao azy io ao anaty vata fampangatsiahana. Alohan’ny hihinanana azy, dia tokony hohafanaina tsara izy io

Mazàna ny hena manta no misy mikraoba, koa tsy tokony havelanao hikasika sakafo efa nandrahoinao izy io. Rehefa avy nikarakara hena manta ianao, dia diovy ny fitaovana sy ny faritra rehetra ao an-dakozia izay voakasik’izy io.

Tokony hohazonina ho madio foana ny faritra ikarakarana sakafo. Tokony hisarona sy hohazonina tsy ho tratran’ny lalitra, ny voalavo, ny totozy na ny biby hafa, ny sakafo.

6. Dory na aleveno ny fako avy ao an-trano.

Tia manatody eo amin’ny fakofakon-tsakafo ny lalitra, izay mampiely mikraoba. Koa tsy tokony hariana amin’ny tany àry ny fako avy ao an-trano. Tokony halevina, hodorana, na hariana amin’ny fomba hafa isan’andro izy io.

Amin’ny fampiharanao ireo toro lalana ireo, dia afaka manampy amin’ny fiarovana ny tenanao sy ny fianakavianao amin’ny aretim-pivalanana, kôlerà, tefoedra, fidiran’ny kankana, fahapoizinana avy amin’ny sakafo ary aretina hafa maro, ianao.

[Sary nahazoan-dalana]

Loharanon-kevitra: Facts for Life, avoakan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza sy ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Siansa sy ny Fanabeazana ary ny Kolontsaina, ary koa ny OMS.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara