Mankaleo Anao ve ny Asanao?
AZO inoana fa miasa adiny valo eo ho eo ianao isan’andro. Fotoana lava loatra izany ary ampaham-piainana be loatra afoy ho amin-javatra mankaleo! Kanefa, asa betsaka amin’izao taonjato faha-20 izao no dridralava ary tsy azon’ny mpiasa ireharehana manokana firy.
Koa handray soa betsaka ianao raha manao izay hahatonga ny asanao hahaliana. Mahazo fifaliana betsaka kokoa avy amin’ny fiasana ianao ary mianatra ny fanalahidin’ny fanaovana izay hahatonga ny asa na inona na inona hataonao amin’ny hoavy, hahaliana kokoa. Andeha àry isika handinika fomba vitsivitsy hanatanterahana izany.
Manaova zavatra amin-kafanam-po
Misy boky sasany manoro hevitra ny hiasanao toy ny hoe ankafizinao izy io. Raha manao toy izany ianao, dia tena mety hanjary hankafy azy io tokoa ianao.
‘Kanefa, tsy ho afaka ny hafana fo amin’ny asako mihitsy aho!’, hoy ny mety ho valin-teninao. Ny asanao dia mety hitaky fanaovan-javatra amim-pahazarana hentitra, toy ny asa tohy vakana. Na mety ho efa nanao io asanao io efa hatramin’ny taona maro aoka izany ianao, hany ka mihevitra fa tsy ho afaka hanavao ny fahalianana amin’izy io. Kanefa, ny tetika tsotra toy ny fitsikiana sy ny fijoroana mahitsy dia mety hanampy mba hanehoanao hafanam-po kokoa amin’ny asanao.
Mety hanampy koa ny fifantohanao tanteraka amin’izay ataonao. Aza manao zavatra amin’ny fomba azo lazaina hoe mandeha ho azy, ary aza mieritreritra ny fotoam-pisakafoana, ny faran’ny herinandro, na ny asa iray hafa mbola hatao mihitsy aza, eo am-panaovanao ny asa. Fahendrena mazàna ny mifantoka tanteraka amin’izay asa ataonao izao. Ny vokany? Mety hanjary hankafy ilay asa ianao ary ho toa mandeha haingana ny fotoana amin’izay.
Mitranga ho azy izany rehefa revo tanteraka amin’ny fanaovan-javatra iray tena tianao ny tenanao. Mety ho afaka hahazo vokany mitovy amin’izany ianao amin’ny fanerena ny tenanao hifantoka tanteraka amin’ny asa tsy mahafinaritra anao, raha ny ara-dalàna.
Manaova araka izay fara herinao
Afaka manampy mba hahitanao fahafaham-po amin’ny asanao ny fanaovana araka izay fara herinao. Mazava ho azy fa izany dia mifanohitra amin’ilay hevitra be mpanaraka hoe rehefa tsy mahaliana anao ilay asa, dia tokony hataonao fotsiny izay hahazara fa vita azy. Kanefa azo inoana fa handany ny herinao sy hanampy fanahiana sy havizanana ho anao ny fanaovana tsirambina, ny fangatahana andro lava ary ny fanaovana ala safay. Amin’ny toe-javatra sasany, dia tena mety ho noho ny tsy fiasana amim-pahazotoana no mahatonga ny olona iray ho feno fihenjanana sy fanahiana ary ho trotraka rehefa mody avy miasa.
Araka ny lazain’ny Baiboly, dia mahatonga ny fotoana ialam-boly hahafinaritra kokoa mihitsy aza ny fiasana mafy amin’ny tetik’asa iray. “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ny fisasarany.” (Mpitoriteny 2:24). Ho an’ny sasany, izany dia mety hitovy amin’ny teny faneva lany andro, kanefa ny hafa dia mampihatra io foto-pitsipika tsy tontan’ny ela io. Manaiky izy ireo fa “tsy misy mahasoa” tokoa noho ny tokony hankafizan’izy ireo ny vokatry ny asany mafy. Miaiky toy izao ilay boky hoe The Joy of Working (Ny Fifaliana Miasa): “Miteraka fahatsapana fahafaham-po anaty manafana ny fo ny asa iray vita tsara.”
Koa ataovy amin’ny fomba faran’izay tsara azonao atao ny asanao, ary dia tsy isalasalana fa hahatsapa ho mahazo hery ianao. Manaova betsaka kokoa noho ny faran’izay kely fotsiny, dia tena mety hahatsapa ho sambatra kokoa ianao. Ny asa lehibe indrindra no ataovy voalohany, dia hankafy kokoa ny fiatoana amin’ny sakafo sy ny faran’ny herinandro ianao, noho ny olona izay nandrera-tena tamin’ny fangatahana andro lava. — Ampitahao amin’ny Estera 10:2; Romana 12:11; 2 Timoty 2:15.
Aza mifaninana amin’ny hafa, fa miezaha mafy kosa hihoatra ny tenanao. (Galatiana 6:4). Mametraha fari-pitsipika vaovao, tanjona vaovao. Miezaha mafy hanao tsara kokoa noho ny tsara indrindra nataonao. Ao anatin’ny asan’ny vehivavy iray ny fanjairana dridralava, asa izay ailiky ny hafa hoe tsy mahaliana mihitsy. Nanao karazana lalao io vehivavy io mba hanisana ny fotoana laniny. Tsy nitsahatra nanara-maso ny vokatra vitany isan’ora izy, ary avy eo dia niezaka nampitombo izany. Tena mankafy ilay asany tokoa izy satria miezaka mafy hamokatra araka izay tena mety ho vitany. — Ohabolana 31:31.
“Ravaho” ny asanao
Nanoro hevitra toy izao ny Dr. Dennis T. Jaffe sy ny Dr. Cynthia D. Scott: “Hevero hoe trano foana ny asanao. Mifindra ao ianao ary mijery ny bikany sy ny rafiny. Avy eo, dia taitra ny fahaizan’ny tenanao hamoron-javatra. Mamoron-kevitra ny amin’izay hampiasanao ilay toerana ianao, mandravaka azy io ary manova ilay trano ho tokantranonao manokana. Ataonao ahitana taratry ny maha-ianao anao izy io.”
Ny ankamaroan’ny asa dia omena anao miaraka amin’ny filazalazana ankapobe momba ny fitsipika sy ny toro lalana. Ny tsy fanaovana afa-tsy izay antenaina dia toy ny fipetrahana ao amin’ny trano foana. Tsy ahitana taratry ny maha-izy ny olona ao. Kanefa, raha asianao ny fiangalianao manokana ilay asanao, dia mety hanjary hahaliana lavitra tokoa. Tsy hisy olona roa “handravaka” asa iray amin’ny fomba mitovy. Ny mpandroso sakafo iray izao dia hitadidy ny sakafo fidin’ireo mpihinana tsy tapaka ao aminy. Ny iray hafa dia ho tsara fanahy sy hahalala fomba indrindra. Samy mankafy ny asany izy roa ireo satria asiany taratry ny maha-izy azy, ao amin’izay ataony.
Aza mitsahatra mianatra
Fomba iray hafa hahitam-pifaliana amin’ny asa, ny mianatra. Ilay boky hoe Tension Turnaround dia manazava fa arakaraka ny ihalehibeazantsika no itomboan’ny fahaizan’ny atidohantsika mampiasa fanazavana. Izany dia manazava ny antony mahatonga ny zavatra iray nanaitaitra antsika teo aloha, ho mety hankaleo antsika ankehitriny. Ny vahaolana dia ny manome fahafaham-po ny hetahetan’ny atidohantsika fanazavana vaovao amin’ny alalan’ny fianaran-javatra vaovao.
Mety hitarika ho amin’ny fanomezana anao asa manintona kokoa, rehefa mandeha ny fotoana, ny fianaran-javatra betsaka kokoa momba ny asanao. Kanefa, na dia tsy mitranga aza izany, ilay hoe mianatra mihitsy dia hahatonga ny asanao hahaliana sy hahafa-po kokoa. Manazava toy izao i Charles Cameron sy i Suzanne Elusorr, mpanoratra: “Mampitombo ny fatokianao ny fianaran-javatra, satria mampitombo ny fahaizanao. Tsy vitan’izany anefa fa misy fiantraikany koa eo amin’ny fihetsikao ankapobe eo anoloan’ny fiainana, izy io. Izao izany: azo vahana ireo olana, azo resena ireo zava-manahirana, azo ahena ny tahotra, ary zavatra maro kokoa tsy araka ny eritreretinao no azo tanterahina.”
‘Kanefa, efa nianatra izay rehetra tokony ho fantatra momba ny asako aho, efa ela izay!’, hoy ny mety ho fanoheranao. Raha izany no izy, ho afaka hianatra zavatra izay tsy mifandray mivantana amin’ny asanao ve ianao? Ohatra, mety hanapa-kevitra ianao ny hianatra bebe kokoa momba ny fifandraisan’ny samy olombelona na momba ny fitaovana ampiasainao. Angamba ianao afaka mianatra ny fomba fanoratra tsara kokoa taratasy ofisialy na ny fomba fitarihana tsara kokoa fivoriana iray. Afaka mianatra ny fomba mandaitra indrindra hifampiraharahana amin’ireo lehibe ianao.
Ahoana no fomba hianaranao ireo zavatra ireo? Angamba ny kompania iasanao manolotra fampianarana izay azonao andraisan-tsoa. Na mety hanana ireo boky ilainao indrindra ny efitra famakiam-boky iray. Kanefa, aza odian-tsy hita ireo loharanom-panazavana tsy miharihary firy. Mety handraisana fianarana ny fandinihana olona eo am-piasana sy ny fanamarihana ny lafiny mampahatanjaka sy mampahalemy azy. Afaka miana-javatra avy amin’ny fahadisoanao ianao, ary afaka miana-javatra avy amin’ny fahombiazanao koa, amin’ny fandinihana izay zavatra vitanao tsara. Afaka mampianatra anao zavatra mety ho tsy novakinao tao amin’ny boky na renao nandritra ny fampianarana mihitsy ny zavatra ianaranao avy amin’ny fanandraman-javatra hitan’ny tenanao sy avy amin’ny fandinihanao ny hafa.
Fanoloran-kevitra vitsivitsy farany
Misy fomba iray hafa azonao iheverana ny asanao. Mety hanapa-kevitra ianao fa mendrika zavatra tsara kokoa — fa ny hafa no nahazo ny fahafahana tsara rehetra, fa tsy mba nomena fahafahana hanao ilay asa tena irinao hatao mihitsy, ianao. Mety hiresaka tsy misy farany amin’ny olon-kafa mitovy hevitra aminao ianao, ary mety hanjary hiaiky ianao fa marina daholo izany rehetra izany.
Kanefa, mety ho tsy marina izany. Olona maro mankafy ny asany no nianatra ny hankafy azy io. Ny olona iray mankafy ny fanaovana mari-trano dia mety koa hanjary hankafy ny fitondrana aotobisy. Nahoana? Satria ampiasany fahaiza-mamoron-javatra ilay asa, ka manome azy fifaliana sy fahafaham-po izany.
Koa ario ny eritreritra mijery lafy ratsin-javatra izay mahatonga ireo andro fiasana hanjombona, raha oharina amin’ny faran’ny herinandro. Aza mandanilany fotoana ijerena indray ny tsy fahombiazanao tamin’ny lasa, ka haminavina izay tsy fetezan-javatra ho avy manaraka, sy hanahy ny amin’izay heverin’ny hafa momba anao. Ilay asa eo anatrehanao jerena. Ampifantohy tanteraka ao amin’izy io ny sainao. Miezaha hanjary ho revo amin’izy io toy ny haharevo anao amin’ny fialam-boly tianao indrindra. Manaova araka izay fara herinao, ary mahazoa fahafinaretana amin’ny asa vita tsara.
[Efajoro/Sary, pejy 11]
Aza Atao Tsirambina ny Asanao
Milaza ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 27:23, 24, hoe: “Fantaro tsara ny tarehin’ny ondry aman-osinao, ary miahia tsara ny andian’ny bibinao; fa ny harena tsy ho mandrakizay; ary moa haharitra ho amin’ny taranaka rehetra va ny satroboninahitra?” Inona no dikan’izany?
Midika izany fa ny harena sy ny toerana ambony (satroboninahitra), raha ananana aza, dia matetika no hita fa mihelina. Noho izany, ny mpiandry ondry iray tamin’ny andron’ny Baiboly dia naneho fahendrena raha nanisy fiheverana tamin-jotom-po ny fikarakarana ny ondriny, izany hoe ‘niahy tsara ny andian’ondriny’. Araka ny asehon’ireo andinin-teny telo manaraka, dia tsy fananana ahiahy ara-nofo ho an’ilay mpiasa sy ny fianakaviany no ho vokany. — Ohabolana 27:25-27.
Ahoana ny amin’izao andro izao? Matetika ny olona no maniry mafy hahazo harem-be na toerana ambony izay, araka ny fanantenany, dia hamela azy ireo ho afaka hiala amin’ny asany amin’izao fotoana izao. Manao planina araka ny zava-misy ny sasany; ny hafa manonofinofy fotsiny. Na ahoana na ahoana, dia tsy fahendrena ny manamavo na manao tsirambina ny anton’asan’ny tena amin’izao fotoana izao. Io no loharanom-bola azo ianteherana amin’izao fotoana izao, ary mety hitohy ho toy izany. Fahendrena lavitra ny hiahiana ny amin’ny ‘andiam-bibin’ny tena’, ka hifantohana tanteraka amin’ny sehatr’asa azo ianteherana ananan’ny tena. Azo inoana fa hiteraka tsy fananana ahiahy ankehitriny sy amin’ny hoavy, ny fanaovana izany.