FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/1 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Hetraketraka—Ny Antony sy ny Vokany
    Mifohaza!—2003
  • Hetraketraka—Olana Eran-tany
    Mifohaza!—2003
  • Mpampijaly Kely — Tena Ratsy Ve?
    Mifohaza!—1997
  • Ahoana Raha Misy Mampijaly ny Zanako?
    Ho An’ny Fianakaviana
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/1 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Mpampijaly Kely — Tena Ratsy Ve? Misaotra anareo noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Mpampijaly Kely — Tena Ratsy Ve?” (8 Aprily 1997). Any am-pianarana, dia mampietry an’izay malemy indrindra ny rehetra, ary izaho koa dia voataona hanao toy izany. Nanampy ahy be dia be anefa ilay torohevitra nomena ao amin’io lahatsoratra io hoe tokony hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, mba hitanako ny tenako tsy hanao toy izany intsony. Misaotra anareo indray.

M. N., Frantsa

Fito ambin’ny folo taona aho, ary misaotra anareo indrindra noho ilay lahatsoratra. Valin’ny vavaka nataoko ilay izy, ary tena nampahery ahy. Nanampy ahy be dia be hanao ireo fiovana tena nilaina teo amin’ny fitondran-tenako ny nahafantarako fa mankahala ny fanaon’ireo mpampijaly kely i Jehovah. Nisy vokany lalina teo amiko koa ny Fitsipika Volamena sy ny ohatra navelan’i Jesosy, ary manampy ahy hanao zavatra araka ny mety.

V. T., Italia

Vao haingana izay, tao amin’ny efitra fiandrasana iray, dia sendra nandray Mifohaza! iray aho ka nahita io lahatsoratra nosoratana tamin’ny fomba tsara dia tsara io. Tena takatro tokoa ny fanimbana maharitra ateraky ny fanaon’ny mpampijaly kely. Ny anadahiko dia nampijaly [ahy, anabaviny] tamin’ny teny sy teo amin’ny ara-pihetseham-po ary ara-batana. Raha nampahafantarina ny toetrany izy, dia nanainga soroka, nihomehy, ary nilaza fa vazivazy fotsiny ilay izy. Nilaza tamiko izy fa avy tamiko ny olana, satria tsy nahay nandray vazivazy aho! Fony aho 13 taona, ary izy 15 taona, dia nanomboka nandrahona ny hanao fihetsika vetaveta tamiko izy. Niaina tao anatin’ny tahotra azy mandrakariva aho, satria zokiko izy, lehibe kokoa ary natanjaka lavitra noho izaho! Tsy niaro ahy mihitsy ny ray aman-dreniko. Misaotra, ry Mifohaza!, noho ny firesahana momba ireo raharaha lehibe eo amin’ny fiainana. Fantatro fa tena ilana herim-po izany. Heveriko fa nanohina fon’olona maro tamin’io lahatsoratra io ianareo.

B. S. M., Etazonia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara