FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/3 p. 26-29
  • Ny Kristiana sy ny Saranga

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Kristiana sy ny Saranga
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny mety ho niandohan’ny rafi-tsaranga teto Inde
  • Ny saranga eo amin’ny tontolo maoderina
  • Ny misioneran’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana sy ny saranga
  • Ny saranga ao amin’ireo fiangonana amin’izao andro izao
  • Fihetsik’ireo tsy faly
  • Ny tena fomba kristiana
  • Ilaina ny fomba fisaina araka ny tontolo vaovao
  • Karazan’Olona Manao Ahoana no Sitrakao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Inona no Holazainao Amin’ny Hindoa Iray?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
Mifohaza!—1998
g98 8/3 p. 26-29

Ny Kristiana sy ny Saranga

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY INDE

INONA no tonga ao an-tsainao rehefa mandre ilay fitenenana hoe “rafi-tsaranga”? Angamba ianao mieritreritra an’i Inde sy ireo olona an-tapitrisany maro tsy manan-tsaranga — ny very saranga. Na dia tafiditra ao anatin’ny fivavahana hindoa aza ny rafi-tsaranga, dia nisy Hindoa tia fanavaozana, niady mba hamongorana ireo vokatra nentin’izy io teo amin’ny ambany saranga sy ny very saranga. Rehefa heverina izany, inona no holazainao raha mandre ianao fa ampiharina ao amin’ny fiangonana mihambo ho Kristiana mihitsy aza, ny rafi-tsaranga?

Ny mety ho niandohan’ny rafi-tsaranga teto Inde

Tsy hoe mampiavaka an’i Inde irery akory ny fanasokajiana ny olona araka ny saranga, izay ahitana olona sasany mihevi-tena ho ambony. Samy efa nahita fanavakavahan-tsaranga tamin’ny endriny iray na hafa avokoa ny kontinanta rehetra. Izao anefa no nahatonga ny rafi-tsaranga eto Inde ho hafa: Maherin’ny 3 000 taona lasa izay, dia nanjary nampidirina tao amin’ny fivavahana ny fanjakazakana ara-tsosialy.

Na dia tsy fantatra amin’ny fomba azo antoka aza ny niandohan’ny rafi-tsaranga, dia misy fahefana sasany milaza fa tao amin’ny sivilizasiona tranainy tao amin’ny Lohasahan’i Indus, any Pakistan ankehitriny, no nipoiran’izy io. Toa manondro ny arkeôlôjia fa resin’ny foko avy tany avaratra-andrefana ireo mponina voalohany indrindra tao, nandritra ilay antsoina mahazatra hoe “fifindra-monin’ny Aryana”. Tao amin’ilay bokiny hoe The Discovery of India, i Jawaharlal Nehru dia miantso io fifindra-monina io hoe “ny fanakambanana sy fampifangaroana kolontsaina lehibe voalohany”, izay nipoiran’ireo “firazanana sy ny kolontsaina fototra karàna”. Tsy niteraka fitoviana ara-pirazanana anefa io fampifangaroana io.

Hoy ny The New Encyclopædia Britannica: “Hazavain’ny tera-tany any Inde fa ny fisampantsampanan’ireo saranga, na varnas, efatra, vokatry ny fifanambadian’ny samy hafa saranga (izay voarara ao amin’ny asa soratra hindoa momba ny foto-pitsipika fototra mifehy ny fiainana), no nahatonga ny fihamaroan’ireo saranga (jātis, midika ara-bakiteny hoe ‘fahaterahana’). Mihevitra kokoa anefa ny mpanao teôria maoderina fa nipoitra avy tamin’ny tsy fitovian’ny fombafomba ara-pianakaviana sy ny firazanana ary ny anton-draharaha sy ny fahaizana manokana, ny saranga. Manam-pahaizana maoderina maro no mihevitra fa filamatra araka ny teôria fotsiny momba ny sosialy sy fivavahana ny rafi-tsaranga fototra, ary nanantitrantitra izy ireo fa angamba efa nisy hatramin’ny andro fahiny mihitsy aza ny fizarazarana maron’ny fiaraha-monina karàna ho saranga sy sampan-tsaranga efa ho 3 000.”

Nandritra ny fe-potoana elaela, dia nisy ny fifanambadian’ny samy hafa saranga, ary tsy dia niharihary firy ny fitsarana an-tendrony taloha niorina tamin’ny volon-koditra. Nipoitra tatỳ aoriana tao amin’ny fivavahana ireo fitsipika henjana mifehy ny saranga, voalaza ao amin’ireo soratra masina Veda sy ny Fehezan-dalàn’i Manu (na Lalàn’i Manu), olon-kendry hindoa. Nampianarin’ny Brahmanes fa teraka tao anatin’ny fahadiovana izay nampiavaka azy tamin’ny ambany saranga, ny ambony saranga. Nalentik’izy ireo tsikelikely tao an-tsain’ny Shudras, na ireo avy amin’ny saranga ambany indrindra, ilay finoana hoe sazy avy amin’Andriamanitra noho ny ratsy natao nandritra ny androm-piainana teo aloha ny asany ambany, ary hanjary ho very saranga izy ireny raha mitady hihoatra ny fefin’ny saranga. Mety hahatonga ny olona iray ambony saranga ho very saranga ny fanambadiana Shudra, ny fiaraha-misakafo aminy, ny fiombonana fantsakana aminy, na ny fidirana ao amin’ny tempoly falehany.

Ny saranga eo amin’ny tontolo maoderina

Taorian’ny nahazoan’i Inde fahaleovan-tena tamin’ny 1947, dia namolavola lalàm-panorenana iray ny fitondram-panjakana ivelan’ny fivavahana, ary voalaza ao amin’io lalàm-panorenana io fa heloka bevava ny fanavakavahan-tsaranga. Neken’ny fitondram-panjakana fa nailikilika nandritra ny taonjato maro ny Hindoa ambany saranga, ka namoaka lalàna izy hoe hanokanan-toerana ao amin’ny fitondram-panjakana sy toeran’olom-boafidy, ary koa toeram-pahefana ao amin’ny fampianarana, ny olona avy amin’ny saranga sy foko voasokajy.a Teny iray ilazana ireo antokon’olona hindoa ireo ny hoe “Dalit”, izay midika hoe “iharan’ny tsindry hazo lena, voahosihosy”. Hoy anefa ny matoam-baovao an-gazety vao haingana: “Mitaky ny Zony [anjarany amin’ny asa sy ao amin’ny oniversite] ny Kristiana Dalit.” Inona no nahatonga izany?

Manome fanampiana be dia be ho an’ny Hindoa ambany saranga ny fitondram-panjakana, satria hoe niharan’ny tsy rariny vokatry ny rafi-tsaranga izy ireny. Natao àry ny fanjohian-kevitra hoe tsy afaka manantena hahazo ireny fanampiana ireny ny fivavahana tsy nanaraka ny rafi-tsaranga. Kanefa, noho izy ireo ambany saranga, na tsy fikasika, na dia niova finoana aza, hoy ny Kristiana dalit, dia iharan’ny fanavakavahana koa izy ireo, tsy avy amin’ny Hindoa ihany, fa avy amin’ny ‘namany kristiana’ koa. Marina ve izany?

Ny misioneran’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana sy ny saranga

Hindoa maro no voatariky ny misionera portogey sy frantsay ary britanika, katolika na protestanta, hiova finoana, nandritra ny fanjanahan-tany. Nisy olona avy tamin’ny saranga rehetra tonga Kristiana anarana, ka ny mpitory teny sasany nahasarika ny Brahmanes, ny hafa nahasarika ny Tsy Fikasika. Inona no vokatry ny fampianarana sy ny fitondran-tenan’ny misionera teo amin’ilay finoana latsa-paka lalina ny amin’ny saranga?

Momba ny Britanika teto Inde, dia milaza i Nirad Chaudhuri, mpanoratra, fa tao am-piangonana, “ny mpivavaka karàna dia tsy nahazo niara-nipetraka tamin’ny Eoropeana. Tsy voasaron’ny Kristianisma ny fiheveran’ny Britanika ny firazanany ho ambony, dia fiheverana niorenan’ny fanapahany teto Inde”. Nampiseho fihetsika toy izany koa ny misionera iray tamin’ny 1894, ka nanao tatitra tamin’ny Filan-kevitry ny Misiona any Ivelan’i Etazonia hoe “fanangonana fakon’olona hankao amin’ny Eglizy” ny fitarihana ny ambany saranga hiova finoana.

Mazava àry fa ny fiheveran’ny misionera tany am-boalohany ny firazanany ho ambony sy ny fifangaroan’ny fomba fisainan’ny Brahmanes tamin’ny fampianaran’ny eglizy dia tompon’andraikitra lehibe tamin’ny fanarahan’ny Kristiana anarana maro an-karihary eto Inde ny rafi-tsaranga.

Ny saranga ao amin’ireo fiangonana amin’izao andro izao

Hoy ny Arseveka katolika George Zur, fony izy nandaha-teny tao amin’ny Kaonferansin’ny Eveka Katolikan’i Inde, tamin’ny 1991: “Tsy ny Hindoa ambony saranga ihany, fa ny Kristiana ambony saranga koa, no mitondra ireo vao niova finoana avy amin’ny saranga voasokajy, ho toy ny ambany saranga. (...) Misy toerana voatokana ho azy ireo ao amin’ny fiangonana sy ny toeram-pandevenana. Tsy ankasitrahana ny fifanambadian’ny samy hafa saranga. (...) Mahazo vahana eo anivon’ny klerjy ny fanavakavahan-tsaranga.”

Hoy i M. Azariah, evekan’ny Fiangonan’ny Faritra Atsimon’i Inde, izay Fiangonana Protestanta Mitambatra, ao amin’ilay bokiny hoe The Un-Christian Side of the Indian Church: “Ny Kristiana (dalit) avy amin’ny Saranga Voasokajy àry dia ampiharan’ny namany kristiana fanavakavahana sy fampahoriana, ao anatin’ny fiangonana maro samihafa, tsy noho ny fahadisoany akory fa noho ny saranga nahaterahany, na dia zafy, zafiafy, na zafin-dohalika kristiana aza izy ireny. Mbola mitana foana ny fitsarany an-tendrony momba ny saranga ny Kristiana ambony saranga izay vitsy an’isa ao amin’ny Fiangonana, na dia taorian’ny taranaka maro nifandimby aza, ary tsy nisy vokany akory teo aminy ny finoana sy ny fanao kristiana.”

Hitan’ny famotopotorana nataon’ny fitondram-panjakana, fantatra hoe Vaomiera Mandal, momba ireo olana mahazo ny ambany saranga eto Inde, fa ireo mitonona ho Kristiana any Kerala dia voazarazara “ho vondrom-pirazanana maro samihafa, miorina amin’ny saranga niaviany. (...) Na dia taorian’ny niovany finoana aza, ny ambany saranga dia mbola entina toy ny Harijansb ihany. (...) Nitarika fombafomba ara-pivavahana tao amin’ny trano samy hafa ireo mpikambana syriana sy pulaya avy amin’ny Fiangonana iray ihany”.

Hoy ny tatitra nataon’ny Indian Express tamin’ny Aogositra 1996, momba ny Kristiana dalit: “Any Tamil Nadu, dia avakavahana tsy avela hiara-monina amin’ny ambony saranga izy ireo. Any Kerala, dia mpiasa tsy manan-tany izy ireo, amin’ny ankapobeny, ary miasa ho an’ny Kristiana syriana sy ny ambony saranga hafa manan-tany. Tsy hisy mihitsy izany hoe Dalits sy Kristiana syriana hiara-misakafo na hifanambady izany. Amin’ny toe-javatra maro, ny Dalits dia mivavaka ao amin’ny fiangonany manokana, antsoina hoe ‘fiangonan’ny Pulaya’ na ‘fiangonan’ny Paraya’.” Anarana ilazana sampan-tsaranga ireo. Atao amin’ny teny frantsay hoe “paria” ny hoe “paraya”.

Fihetsik’ireo tsy faly

Misy antokona lahika mpanao fihetsiketsehana, toy ny FACE (Forum Manohitra ny Fanararaotana ny Kristiana), mitady ny hahazoan’ny Dalits kristiana fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Ny hahazoan’ny olona niova ho Kristiana fanampiana ara-bola no zavatra ahina voalohany indrindra. Ny fomba fitondrana ao am-piangonana anefa no ahin’ny hafa. Tao amin’ny taratasy iray nalefany tany amin’ny Papa Jean-Paul II, dia olona tokony ho 120 no niara-nanao sonia ka nilaza fa “nanaraka ny Kristianisma [izy ireo] mba ho afaka tamin’ny rafi-tsaranga”, kanefa tsy avela hiditra ao amin’ny fiangonana ao an-tanàna na handray anjara amin’ny fotoam-pivavahana akory izy ireo. Noterena izy ireo hanorina trano manaraka ny arabe tokana iray, izay tsy diavin’ny Kristiana ambony saranga na oviana na oviana — sady tsy hisy mompera handia eo mihitsy! Hoy ny vehivavy katolika iray, izay sahiran-kevitra toy izany koa: “Tena zava-dehibe amiko ny hianaran’ny zanako lahy any amin’ny kolejy tsara iray. Mbola zava-dehibe kokoa amiko anefa ny haneken’ny mpiray finoana aminy [katolika] fa mitovy zo amin’izy ireo izy.”

Raha mbola miezaka hanatsara ny toe-piainan’ny Kristiana dalit ny sasany, dia olona maro kosa no miha-tsy manam-paharetana intsony. Misy antoko politika toy ny Vishwa Hindu Parishad (Fikambanan’ny Hindoa Maneran-tany), miezaka hitarika ireo olona niova ho Kristiana mba hiverina ao amin’ny vala hindoa. Nanao tatitra ny Indian Express, ny amin’ny fotoam-pivavahana iray nisy mpanatrika 10 000, nahitana fianakaviana “kristiana” maherin’ny 600 toy izany niverina nanaraka ny Hindoisma indray.

Ny tena fomba kristiana

Raha mba nampianatra ny fampianaran’i Kristy miorina amin’ny fitiavana mantsy ny misioneran’ireo fiangonana, dia tsy ho nisy ny “Kristiana brahmane”, ny “Kristiana dalit”, na ny “Kristiana paraya”. (Matio 22:37-40). Tsy ho nisy ny fiangonana mitokana ho an’ny Dalits na ny tsy fetezana hiara-misakafo noho ny fanavakavahana. Inona izany fampianarana ara-baiboly manafaka izay mandresy ny fanavakavahan-tsaranga izany?

“Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra (...), Izay tsy mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly”. — Deoteronomia 10:17.

“Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” — 1 Korintiana 1:10.

“Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.

Ampianarin’ny Baiboly fa nanao ny olombelona rehetra avy tamin’ny lehilahy iray Andriamanitra. Lazainy koa fa izay rehetra taranak’io lehilahy io, dia tokony ‘hitady an’Andriamanitra ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy’. — Asan’ny Apostoly 17:26, 27.

Nanameloka an-kitsirano ny fanavakavahan-tsaranga i Jakoba, izay nanoratra teo ambanin’ny tsindrimandry, rehefa nanomboka nitsofoka tsikelikely tao anatin’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany izy io. Hoy izy: “Raha izany no izy, dia mifanavakavaka ianareo; ary sain-dratsy no entinareo manombantombana.” (Jakôba 2:1-4, Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara). Tsy mamela ny hisian’ny rafi-tsaranga, na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona, ny fampianarana kristiana marina.

Ilaina ny fomba fisaina araka ny tontolo vaovao

Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro no nampiseho fahavononana hanova ny zavatra ninoany sy ny fitondran-tenany taloha izay nianarany avy tamin’ny fivavahana maro samy hafa. Ny fampianaran’ny Baiboly dia nanaisotra tao am-pony sy tao an-tsainy, ny fiheveran-tena ho ambony na ambany, izay nipoitra tamin’ny fanjanahan-tany, na tamin’ny firazanana, ny fanavakavaham-bolon-koditra, na ny rafi-tsaranga. (Romana 12:1, 2). Takany mazava tsara ny hevitr’izay antsoin’ny Baiboly hoe “tany vaovao”, izay ‘hitoeran’ny fahamarinana’. Fahatsinjovan-javatra be voninahitra re izany ho an’ny olona sesehena mijaly eto an-tany! — 2 Petera 3:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny hoe “saranga voasokajy” dia teny ofisialy ilazana ny saranga ambany eo anivon’ny Hindoa, na ny very saranga, ny Tsy Fikasika, izay tsy nomena tombontsoa ara-tsosialy sy ara-bola.

b Teny noforonin’i M. K. Gandhi ilazana ny ambany saranga, izy io. Ny heviny dia hoe “Olon’i Hari”, iray amin’ireo anaran’ilay andriamanitra atao hoe Vishnu.

[Teny notsongaina, pejy 29]

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”

Asan’ny Apostoly 10:34, 35

[Efajoro/Sary, pejy 27]

Inona no Tsapa Amin’izany?

Eny, inona no tsapa amin’ny hoe entin’ny olona mihambo ho Kristiana ho toy ny very saranga ny tena? Avy tamin’ny saranga ambany tao amin’ny Hindoisma, fantatra hoe Cheramar na Pulaya, ny razamben’ny Kristiana iray, no voatarika hiova finoana. Mitantara toy izao zava-nitranga iray taona maromaro lasa izay tany Kerala, fanjakana niaviany, io Kristiana io:

Nasaina hanatrika fampakaram-bady iray aho. Maromaro tamin’ny olona nasaina tonga tao no mpiangona. Rehefa nahita ahy tao amin’ilay fanasana izy ireo, dia niteraka tabataba tokoa izany, ary nilaza ireo izay avy tao amin’ny Fiangonana Syriana Ortodoksa fa tsy hijanona tao amin’ilay fanasana izy ireo, raha tsy nandeha aho, satria tsy hiara-misakafo amin’ny “pulayan” izy ireo. Rehefa tsy nety nanaiky ilay fitakiany niharo fampitahorana ny rain’ilay nampakarina, dia samy tsy nety nijanona tao amin’ilay fanasana izy rehetra. Rehefa lasa izy ireo, dia naroso ny sakafo. Tsy nety nanaisotra ny ravin’akondro nihinanako anefa ireo nandroso sakafo, ary tsy nety nanadio ny latabatro.

[Sary]

Fiangonana fahita any atsimon’i Inde, izay tsy misy afa-tsy ny ambany saranga ihany no miangona ao

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara