Tsy Maty Aho Tamin’ny Fianjeran’ny Fiaramanidina Zotra 801
NIJERY teo am-baravarankely aho teo am-pidinan’ny fiaramanidina nandehananay, izay hipetraka teto Guam. ‘Hafahafa izy izany’, hoy aho an’eritreritra. ‘Toa maizina loatra izy izany.’ Marina aloha fa efa nihoatra ny misasak’alina tamin’izay, ary tsy nahafahana nahita tsara ny orana nikija. Kanefa, aiza ireo jiro nahazatran’ilay nosy sy ny arabe nazavan’ny seranam-piaramanidina? Ny hany zavatra hitako dia jiro nanjavozavo, avy teo amin’ny elatr’ilay fiaramanidina goavana nitondra anay.
Nanao ilay fanambarana nahazatra ny iray tamin’ireo mpikarakara ny mpandeha mba hampahafantarana anay fa hipetraka ilay fiaramanidina, ary reko naka toerana tsara ny kodiarana ahazoan’ilay fiaramanidina mandia tany. Tampoka teo, dia injay nisy feo mafy, rehefa nikasika ny tany ilay fiaramanidina nitondra anay. Tsy voafehy intsony ilay fiaramanidina fa nironjina tampoka, ary namikitra tamin’ny fitehenan-tanana ireo mpandeha sady nikiakiaka hoe: “Fa misy inona?”
Fotoana fohy taorian’izay, ilay Boeing 747 nitondra anay dia nidona mafy tamin’ny tehezan-kavoana iray, dimy kilaometatra avy eo amin’ny seranam-piaramanidina, ary niharihary fa diso kajy ilay mpanamory. Niisa 228 ny tontalin’ny maty, mpandeha sy mpiasa tao amin’ilay fiaramanidina, vokatr’io lozam-piaramanidina nitranga tamin’ny 6 Aogositra 1997 io. Anisan’ireo olona 26 monja tsy maty aho.
Talohan’ny niakarako tao amin’ilay fiaramanidina tany Séoul, any Korea, dia nisy solontenan’ny zotra ana habakabaka nanova ny nomeraon’ny toerako, anisan’ny seza kilasy ambany kokoa, ka nanome ahy ilay hany toerana tavela, tao amin’ny kilasy voalohany. Faly be aho ka niantso an-telefaonina an’i Soon Duck, vadiko, izay tokony hitsena ahy teny amin’ny seranam-piaramanidina eto Guam. Hita fa nandraisako soa lehibe lavitra tsy araka ny nanampoizako azy mihitsy io fanovan-toerana io.
Ilay fianjerana sy ny fisehoan-javatra taorian’izany
Koa satria tsy afaka nahita tsara ireo mpanamory ilay fiaramanidina, dia nety ho tsy nahafantatra izay loza nananontanona izy ireo. Haingana be ny fitrangan-javatra! Vao teo aho no niomana hiatrika ny loza ratsy indrindra, ary ny zavatra nanaraka fantatro dia hoe teo amin’ny tany aho, tany ivelan’ilay fiaramanidina, fa mbola nifatotra teo amin’ny toerako ihany. Angamba nisy fotoana tsy nahatsiarovako tena.
‘Nofy ve izao?’, hoy aho, nanontany tena. Rehefa takatro fa tsy izany no izy, ny eritreritro voalohany dia hoe ahoana no handraisan’ny vadiko ilay vaovao momba ilay fianjeram-piaramanidina. Tatỳ aoriana, dia nilaza tamiko izy fa tsy very fanantenana mihitsy izy. Na dia rehefa nandre olona nilaza aza izy, tao amin’ilay seranam-piaramanidina, fa mpandeha fito monja no tsy maty, dia ninoany fa anisan’ireo fito ireo aho.
Nizara efatra ilay fiaramanidina nitondra anay, ary niparitaka eran’ilay faritra nikitoantoanan’ny ala nikirindro ireo tapany efatra. Niparitaka hatraiza hatraiza ireo faty. Nirehitra ny tapany sasany tamin’ilay fiaramanidina, ary nandre fipoahan-javatra aho, narahin’ny taraina sy ny tomany nampihorohoro. Nisy feo nitalaho hoe: “Vonjeo! Vonjeo!” Tao amin’ny ahitra nirefy 1,8 metatra no nianjeran’ilay seza nisy ahy, ary noho ny hazavana nampahatahotra avy tamin’ireo afo, dia afaka nahita havoana nideza aho, teo akaiky teo. Tokony ho tamin’ny 2.00 maraina tamin’izay, ary mbola avy foana ny orana.
Ankona loatra aho, hany ka tsy nieritreritra akory raha nety ho naratra aho, raha tsy rehefa nahamarika ny hodi-dohan’ny ankizivavy iray, nikirazorazo teo amin’ny hatony. Avy hatrany dia nikasika ny lohako aho, ka hitako fa, hay, naratra aho, teo ambony masoko havia. Nanomboka nitsapa ny sisa amin’ny vatako aho, ka nahita ratra kely maro kokoa. Kanefa, soa ihany fa tsy nisy natahorana izy ireo, na dia iray aza. Nanaintaina anefa ny tongotro, ka nahatonga ahy tsy ho afa-nihetsika. Tapaka avokoa izy roa.
Rehefa tonga tany amin’ny hopitaly aho, tatỳ aoriana, dia nolazalazain’ny dokotera hoe “madinika” ireo ratra nahazo ahy. Ary izany tokoa no izy, raha oharina amin’ny an’ireo olon-kafa tsy maty. Nosintonina avy tao amin’ny tapatapa-piaramanidina ny lehilahy iray, efa tsy nisy tongotra intsony. May be ireo hafa, anisan’izany ny olona telo izay tsy maty tamin’ilay fianjerana, nefa maty ihany tatỳ aoriana, taorian’ny herinandro maro niaretana fanaintainana izaitsizy.
Nanahy noho ny lelafo
Tsy ireo ratra nahazo ahy no nampanahy ahy, fa ny hoe ho tonga teny amiko ara-potoana ve ireo mpamonjy, sa tsia. Potika saika manontolo mihitsy ilay tapany afovoan’ilay fiaramanidina, izay nisy ilay seza kilasy ambany kokoa, saika nipetrahako. Nirehitra ny sisa tavela taminy, ary nijalijaly mafy ireo mpandeha voatana tao anatiny, teo am-pialana aina. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny kiakiakany niantso vonjy.
Teo akaikin’ny lohan’ilay fiaramanidina no tafapetraka ny seza nisy ahy. Tokony ho indray nanakatra avy teo amin’ilay tapatapa-piaramanidina aho. Rehefa nanalava tenda aho, nijery ny tany aoriako, dia afaka nahita ny lelafo. Nanahy aho hoe fotoana fohy monja dia ho tonga teny amiko ny lelafo, kanefa, soa ihany fa tsy tonga teny mihitsy izy ireo.
Voavonjy ihany tamin’ny farany!
Ela ny fandehan’ireo minitra. Adiny iray mahery izay no lasa. Tamin’ny farany, tokony ho tamin’ny 3.00 maraina, dia hitan’ny mpamonjy vitsivitsy ilay toerana nianjeranay. Reko izy ireo niresaka teo an-tampon’ilay havoana, sy naneho ny hagagany noho izay hitany. Niantso ny iray tamin’izy ireo hoe: “Misy olona ve ao?”
“Eny”, hoy aho, nikiakiaka. “Vonjeo aho!” Nisy mpandeha hafa koa namaly ilay antso. Nisy mpamonjy iray niantso ny iray hafa hoe “Ted”. Koa nanomboka nikiakiaka aho hoe: “Ted a, atỳ aho!” sy hoe: “Ted a, avia vonjeo izahay!”
“Hidina izahay izao! Andraso kely fotsiny”, hoy ny valin-teny.
Na dia nety ho namonjy olona maro tsy ho main’ny lelafo aza ny orana nikija, dia nampananosarotra ny fidinana ilay tehezan-kavoana nalama, kosa. Ho vokany, dia mbola nisy adiny iray be izao indray koa vao tonga teny amin’ireo olona tsy maty ireo mpamonjy. Toy ny hoe tsy ho tonga teny amiko mihitsy ry zareo.
“Indreto izahay fa tonga”, hoy ny mpamonjy roa, nitondra jiro. “Aza matahotra.” Tsy ela izy ireo dia narahin’ny mpamonjy roa fanampiny, ary niara-niezaka nibata ahy izy ireo. Nandray ahy teo amin’ny sandriko ny roa, ary ny roa hafa nihazona ny tongotro. Faran’izay naharary ny nentina tamin’izany fomba izany, indrindra satria tsy nitsaha-nibolisatra teo amin’ny fotaka, izy ireo. Rehefa nandeha kelikely, dia napetrany aho. Lasa naka filanjana ny iray tamin’izy ireo, ary nentina tany amin’izay nahafahan’ny helikopteran’ny miaramila nitondra ahy ho eo an-tampon’ilay havoana, aho, ho any amin’ny fiara iray mpitondra marary.
Nahita ny vadiko aho, rehefa ela ny ela!
Tamin’ny 5.30 maraina aho vao tonga tao amin’ny efitra fitsaboana vonjy aina. Noho ny ratra mafy nahazo ahy dia tsy navelan’ireo dokotera niantso an-telefaonina aho. Koa tamin’ny 10.30 maraina, efa ho adiny sivy taorian’ny nianjeran’ilay fiaramanidina, vao fantatry ny vadiko hoe tsy maty tamin’ilay fianjerana aho. Namana iray, izay nahita ny anarako teo amin’ny lisitr’ireo olona tsy maty, no nilaza taminy.
Rehefa navela hijery ahy ny vadiko tamin’ny farany, tokony ho tamin’ny 4.00 tolakandro, dia tsy nahatadidy azy avy hatrany aho. Donton’ny fanafody fampitonena fanaintainana ny saiko. “Misaotra noho ny nahavelomanao”, no teniny voalohany. Tsy tadidiko izay resaka nifanaovanay, fa nilazana aho, tatỳ aoriana, hoe namaly, hono, aho hoe: “Aza misaotra ahy. Jehovah no isaory.”
Fihazonana laharam-pahamehana
Raha teo an-dalam-pahasitranana aho, tao amin’ilay hopitaly, dia efa nahazatra ahy ilay fanaintainana. Tamin’ny 1987, herintaona latsaka taorian’ny nifindrako nanketo Guam, avy tany Korea, dia nianjera avy teny ambony kombarika, teny amin’ny rihana fahatelo tamin’ny fanorenana iray, aho, ka tapaka ny tongotro roa. Hita ho fiolahana lehibe teo amin’ny fiainako izany. Nampirisika ahy mafy hianatra Baiboly ny zokiko vavy, Vavolombelon’i Jehovah. Nanome ahy fahafahana hanao izany ny fe-potoana naharitra enim-bolana nakako aina. Ho vokany, iny taona iny ihany aho dia nanolotra ny fiainako ho an’i Jehovah Andriamanitra, ary nanamarika izany tamin’ny batisa tao anaty rano.
Nanomboka tamin’ny fotoana nianjeran’ilay fiaramanidina, dia nieritreritra momba ny andinin-teny iray tiako indrindra aho, dia izao izany: “Fa katsaho aloha ny fanjakany [ny an’Andriamanitra] sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33). Raha teo an-dalam-pahasitranana aho, taorian’ilay fianjeram-piaramanidina, dia nanana fahafahana nanombana indray ny maha-zava-dehibe ny fiainako.
Nandentika tao an-tsaiko, tamin’ny fomba tena nahery, ny maha-sarobidy ny fiainana ilay fianjeran’ny fiaramanidina Zotra 801. Tena nety ho faty mora foana tamin’iny aho! (Mpitoriteny 9:11). Araka izany, dia nila fandidiana maromaro aho mba hanitsiana ny tsy nety tamin’ny tenako, ary nandany iray volana mahery nakana aina tao amin’ilay hopitaly, aho.
Ankehitriny, dia maniry hampiseho amin’ilay Mpamorona antsika Lehibe aho fa tena ankasitrahako ny fanomezany mahatalanjona, dia ny fiainana, anisan’izany ny fandaharana nataony mba hahazoan’ny olombelona fiainana mandrakizay eto an-tany zary paradisa. (Salamo 37:9-11, 29; Apokalypsy 21:3, 4). Takatro fa ny fanohizana mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainako no fomba tsara indrindra hampisehoako izany fankasitrahana izany. — Nisy nanome.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]
US Navy/Sipa Press