Ny Rano sy ny Fahasalamanao
“TSY afaka miantehitra amin’ny hamafin’ny hetaheta tsapanao ianao mba hilaza aminao ny habetsahan-drano ilain’ny vatanao”, hoy ny fanazavan’ilay gazetiboky hoe Health. Kanefa, tena mila misotro rano be dia be isika ho an’ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-pihetseham-po, ary ho an’ny fisehoantsika ivelany mihitsy aza. Manary rano tsy an-kijanona ny vatantsika amin’ny alalan’ny hatsembohana sy ny ranomaso ary ny fivalanan-drano, ary koa ny fofonaintsika. Tsy maintsy soloana io rano very io. Toy inona ny habetsahany ilaina? Boky maro no manoro hevitra ny hisotroana rano imbalon’ny vera, fara fahakeliny — roa litatra eo ho eo — isan’andro.
Nahoana? Tena ilaina ny rano mba hitondrana otrikaina eran’ny vatantsika sy mba hanesorana ny loto. Tena ilaina izy io mba hihazonana ny hafanan’ny vatantsika ho ara-dalàna, sy hampahalama tsara ny fifampikasohan’ny tonon-taolantsika. “Na dia ny tsy fahampian-drano faran’izay kely aza dia afaka mahatonga anao hahatsapa havizanana (...) na ho marary”, hoy ny fanamarihan’ny Health. “Anton-javatra odian-tsy hita mazàna, nefa miteraka havizanana, ny fahaverezan-drano.” Manoro hevitra toy izao ilay gazetiboky: “Aoka ianao tsy ho voafitaky ny hoe ranon-javatra koa ny kafe sy ny dite vazaha, ny zava-pisotro tsy misy alkaola nefa misy kafeina sy ny zava-pisotro misy alkaola; raha ny marina, dia mandray anjara amin’ny fahaverezan-drano izy ireny.” Mampitombo ny habetsahan’ny fivalanan-drano ny kafeina sy ny alkaola ka mahatonga ny vatana hanary rano.
Fanampin’izany, dia “mila rano ny hoditrao mba halefaka hatrany”. Mba hanampiana azy amin’izany, dia azo atao koa ny manosotra zavatra tsy mampahamaina ny hoditra. Kanefa tsy hoe manampy hamandoana amin’ny hoditrao akory ireny zavatra fanosotra ireny. Mamela rakotra manify izay manampy hihazona ny hamandoana efa ao amin’ny hoditra kosa, izy ireny. Manjary zava-dehibe kokoa ny fihazonana io hamandoana ao amin’ny hoditra io, rehefa mandroso fahanterana isika, satria tsy mahazona rano firy ny hoditsika, arakaraka ny itomboan’ny taonantsika.
Mampalahelo fa, any amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao, dia ezaka lehibe no tsy maintsy atao vao mahazo rano madio ampy. Tsy very maina anefa izany ezaka izany. Na ahoana na ahoana, dia misotroa rano betsaka, ary hararaoty io fomba tsotra io mba hahatonga ny fisehoanao ivelany sy ny fahasalamanao ho ny tsara indrindra!