Ny Fandrobana ny Ala Tropikaly
INDRAY andro, hono, nisy fehy lehibe maitso nilenodenoka, nanodidina ny planetantsika. Hazo isan-karazany no nahaforona azy io, ary ony lehibe maro no nandravaka azy.
Mitovy amin’ny tranom-boly fitaratra voajanahary goavana, izy io koa dia faritra kanto sy nisy zavatra maro samihafa. Nonina tao ny antsasaky ny karazam-biby sy ny karazam-borona ary ny karazam-bibikely, teto an-tany. Kanefa, na dia faritra feno karazan-javatra indrindra teto an-tany aza izy io, dia narefo koa — narefo kokoa tsy araka ny nieritreretana azy.
Toa nidadasika — ary toa tsy hety ho ripaka mihitsy — ny ala tropikaly, araka ny iantsoantsika azy ankehitriny. Tsy izany anefa no izy. Ny ala tropikaly tany amin’ireo nosy Caraïbes no nanomboka nanjavona voalohany. Vao tamin’ny 1671 — folo taona talohan’ny naha-lany tamingana ny vorona dodoa — dia nosoloan’ny tany fambolem-pary ny alan’i Barbade. Nahita fahavoazana nitovy tamin’izany ny nosy hafa tao amin’ilay faritra, ka izany dia santatry ny fironana maneran-tany izay nihafaingana tamin’izao taonjato faha-20 izao.
Tsy mandrakotra afa-tsy 5 isan-jato monja amin’ny velaran’ny tany ny ala tropikaly amin’izao andro izao, nefa 12 isan-jato izany, raha ampitahaina amin’ny tamin’ny zato taona lasa. Ary ala be velarana kokoa noho i Angletera, na 130 000 kilaometatra toradroa, no kapaina na dorana, isan-taona. Mandrahona ny ala tropikaly — miaraka amin’ny mponina ao aminy — hitovy fiafarana amin’ny dodo, io taham-pandripahana mahatsiravina io. “Tsy misy afaka milaza, amin’ny fomba azo antoka, fa hanjavona amin’ny taona toy izao na izao ny ala, kanefa, raha tsy miova ny tarehin-javatra, dia hanjavona tokoa izy io”, hoy ny fampitandreman’i Philip Fearnside, mpanao fikarohana momba ny ala tropikaly, any Brezila. Nanao tatitra toy izao i Diana Jean Schemo, nandritra ny volana Oktobra tamin’ny taon-dasa: “Ny fanazavana azo tato anatin’ireo herinandro faramparany dia toa manondro fa lehibe kokoa noho ny tavy natao tany Indonezia ny any Brezila, amin’itỳ taona itỳ. Nisy tanàn-dehibe maro tany Indonezia tena rakotra setroka, izay niely tany amin’ny tany hafa koa. (...) Nitombo 28 isan-jato noho ny tamin’ny taon-dasa ny fanaovana tavy tao amin’ny faritr’i Amazonia, araka ny fanazavana nomen’ny zana-bolana, ary ireo isa azo tamin’ny 1994 momba ny fandripahana ala, isa azo farany indrindra, dia mampiseho fitomboana 34 isan-jato, nanomboka tamin’ny 1991.”
“Hazo maniry an’efitra”
Nahoana no ripaka haingana aoka izany ny ala tropikaly, izay saika tsy nisy nanimbinana, zato taona lasa izay? Tato anatin’ireo 50 taona farany, dia tsy nihena firy ny alan’ny tany tsy mafana tsy mangatsiaka, izay mandrakotra ny 20 isan-jaton’ny velaran’ny tany. Inona no mahatonga ny ala tropikaly ho mora simba toy izany? Ny antony dia satria karazana ala tsy manam-paharoa izy io.
Milaza i Arnold Newman, ao amin’ilay bokiny hoe Tropical Rainforest, fa nolazalazaina tamin’ny fomba nifanentana tsara hoe “hazo maniry an’efitra” ny ala tropikaly. Manazava izy fa any amin’ny faritra sasany ao amin’ny debok’i Amazone sy any Bornéo, dia “mahagaga ny isian’ny ala lehibe maniry eo amin’ny fasika somary fotsy madio, mihitsy aza”. Na dia mety tsy haniry eo amin’ny fasika aza ny ankamaroan’ny ala tropikaly, dia efa ho izy rehetra kosa no maniry eo amin’ny nofon-tany tena tsy misy tsiro firy sy tena manify. Na dia mety hahatratra roa metatra aza ny hatevin’ny nofon-tany ao amin’ny alan’ny tany tsy mafana tsy mangatsiaka, ao amin’ny ala tropikaly kosa, dia mahalana izy io vao mihoatra ny dimy santimetatra. Ahoana koa no mba hahafahan’ny zavamaniry mirobona indrindra hitombo tsara ao amin’ny faritra tsy misy tsiron-tany firy toy izany?
Hitan’ireo mpahay siansa ny fanazavana an’io zavatra saro-pantarina io, tamin’ireo taona 1960 sy 1970. Hitan’izy ireo fa mivelona amin’ny tenany ara-bakiteny ilay ala. Ny ankamaroan’ny tsiron-tany ilain’ireo zavamaniry dia azony avy amin’ny lafika rantsankazo sy ravinkazo izay mandrakotra ny fanambanin’ilay ala. Lo haingana io lafika io noho ny hafanana sy ny hamandoana tsy an-kijanona ary ny fiasan’ny vitsikazo sy ny olatra ary ny zavamananaina hafa. Tsy misy zavatra verivery fotsiny mihitsy; averina ampiasaina avokoa ny zava-drehetra. Hatramin’ny 75 isan-jaton’ny ranonorana voarainy mihitsy aza no averin’ny ala tropikaly ampiasaina, ka avadiny ho hatsembohana lasa etona izay avoakan’ny tendrony. Atỳ aoriana, dia manondraka ilay ala indray ny rahona niforona tamin’izany.
Misy lafiny mampahalemy an’io rafitra mahatalanjona io anefa. Raha simba be loatra izy io, dia tsy afaka ny ho tafaverina amin’ny laoniny indray. Kapao ny hazo ao amin’ny faritra kely amin’ny ala tropikaly, dia ho tafaverina amin’ny laoniny indray izy io, ao anatin’ny taona vitsivitsy; fa faritra lehibe ange kapaina e, mety tsy ho tafarina intsony mihitsy izy io. Mikaoka ny tsiron-tany ny orana mikija, ary mandoro ny sosona nofon-tany manify ny danik’andro. Ary amin’ny farany, dia bozaka matevina sisa no afaka maniry eo.
Tany sy hazo ary hamburgers
Tamin’ireo tany an-dalam-pandrosoana tsy ampy tany volena, ireo faritra goavana tao aminy, rakotra ala tsy vaky lay, dia toa vonona hotrandrahina. Vahaolana “mora” ny nampirisika tantsaha nahantra sy tsy nanan-tany mba hikapa ny ampahany tamin’ny ala sy hanisy fefy izany — mitovitovy amin’ny nataon’ny mpiavy eoropeana izay niorim-ponenana tany Andrefan’i Amerika. Ny vokany anefa dia fahavoazana, na ho an’ny ala, na ho an’ireo mpamboly sy mpiompy.
Ny fahitana an’ilay ala tropikaly mirobona dia toa hoe haniry eo avokoa izay rehetra ambolena eo. Kanefa, raha vantany vao voakapa ireo hazo, tsy ela dia manjavona ilay toa fahafahana hamokatra tsy misy fetra. Manazava ilay olana i Victoria, vehivavy afrikana izay mamboly eo amin’ny tanimboly kely nalain’ny fianakaviany avy tamin’ny ala, vao haingana.
“Vao avy nikapa sy nandoro ny hazo tao amin’itỳ ampahan’ny ala itỳ ny rafozan-dahiko mba hahafahako hamboly voanjo sy mangahazo ary akondro vitsivitsy. Tokony hahazo vokatra tsara dia tsara aho amin’itỳ taona itỳ, kanefa, rehefa afaka roa na telo taona, dia ho lany tsiro ny tany ary ho voatery hikapa ampahany hafa amin’ilay ala indray izahay. Asa mafy ilay izy, kanefa izay no hany fomba hahavelomanay hatrany.”
Misy 200 tapitrisa, fara fahakeliny, ny mpamboly sy mpiompy mpanao tavy, toa an’i Victoria sy ny fianakaviany! Ary noho izy ireo no mahatonga ny fandripahana ny 60 isan-jaton’ny ala tropikaly, isan-taona. Tsy afa-manoatra ireny mpamboly mpitety ala ireny, na dia maniry hampiasa fomba fambolena sy fiompiana mora kokoa aza izy ireo. Noho izy ireo miatrika tolona isan’andro mba hahavelomana, dia hitan’izy ireo ho haitraitra izany fitsimbinana ny ala tropikaly izany.
Raha mikapa ny ala ny ankamaroan’ny mpamboly sy mpiompy mba hambolena, ny hafa kosa manao izany mba hisian’ny ahitra ho an’ny bibiny. Antony hafa lehibe mahatonga fandripahana ala ny fiompiana biby amin’ny faritra midadasika, any amin’ny ala tropikaly any Amerika Afovoany sy Amerika Atsimo. Mazàna no miafara any Amerika Avaratra ny henan’omby avy amin’ireny andiam-biby ireny. Any mantsy, ny hotelin’ny sakafo maika dia mila hena mora vidy be dia be hanaovana hamburgers (mofo boribory nosisihana hena voaendy).
Mahita olana mitovy amin’ny an’ny mpamboly sy mpiompy madinika anefa ny mpiompy vaventy. Mahalana vao ampy an’ireo biby mandritra ny dimy taona mahery ny ahitra izay mipoitra avy eo anivon’ny lavenon’ny ala tropikaly. Mety hahazoan’ny olom-bitsy tombony ny famadihana ny ala tropikaly ho hamburgers, kanefa azo antoka fa iray amin’ireo fomba famokaran-tsakafo faran’izay mandanilany foana indrindra noforonin’ny olombelona, izy io.b
Zavatra hafa lehibe mandrahona ny ala tropikaly ny fitrandrahana ala. Tsy voatery handripaka ny ala tropikaly foana ny fitrandrahana azy. Mahatonga ny ala ho tafaverina haingana amin’ny laoniny ny fomba fijinjan’ny kompania sasany karazan-kazo vitsivitsy mba hamidy. Kanefa, mitrandraka be loatra ny androatokon’ny ala mirefy 45 000 kilaometatra toradroa, ny kompania mpanao hazo, isan-taona, hany ka hazo 1 amin’ny 5 monja no tsy voakasika.
“Tafintohina aho rehefa mahita ala mahatalanjona ripaka noho ny fitrandrahana tsy voafehy”, hoy ny fitarainan’i Manuel Fidalgo, manam-pahaizana momba ny zavamaniry. “Na dia marina aza fa mety hisy zavamaniry sy hazo hafa haniry eo amin’ilay faritra notrandrahina, dia dimbin’ala no ilazana ny zavamaniry vaovao maniry eo — vitsy kokoa ny karazan-javamaniry ao amin’izany. Hila taonjato na arivo taona maro mihitsy aza, vao ho afaka ny ho tafaverina amin’ny laoniny indray ilay ala taloha.”
Manafaingana ny fandripahana ny ala amin’ny fomba hafa koa ireo kompania mpitrandraka ala. Ireo lalana namboarin’izy ireo indrindra no ahafahan’ireo mpiandry omby sy mpamboly sy mpiompy mpitety ala mitsofoka any an’ala. Indraindray ny sisan-javatra navelan’ireo mpitrandraka ala no mampiredareda ireo afo, izay mandripaka ala bebe kokoa noho ny tenan’izy ireo mihitsy aza. Tany Bornéo, dia afo toy izany iray monja no nandrava tanteraka ala iray tapitrisa hektara, tamin’ny 1983.
Inona no atao izao mba hiarovana ny ala?
Eo anoloan’ireo fandrahonana ireo, dia misy ezaka atao izao mba hitsimbinana ireo ala sisa tavela. Goavana dia goavana anefa ilay asa. Afaka miaro faritra kely mitokana amin’ny ala tropikaly ireo valam-pirenena, kanefa mbola mitohy foana ao anatin’ny faritry ny vala maro ny fihazana sy ny fitrandrahana ala ary ny fanaovan’ny mpamboly sy mpiompy, tavy. Tsy manam-bola firy holanina amin’ny fitantanana ny vala ireo tany an-dalam-pandrosoana.
Mora voataonan’ireo kompania iraisam-pirenena ny fitondram-panjakana sahirana mafy ara-bola mba hivarotra zo hitrandraka ala — amin’ny toe-javatra sasany dia izany no anisan’ny fananam-pirenena vitsy azo ampiasaina mba handoavana trosa amin’ny firenena vahiny. Ary dia tsy mahita haleha ireo mpamboly sy mpiompy an-tapitrisany maro, mpitety ala, afa-tsy ny mitsofoka lalina kokoa hatrany ihany ao anaty ala tropikaly.
Ny fiarovana ny ala tropikaly ve no zava-dehibe eto amin’ny tontolo iray ianjadian’ny olana maro aoka izany? Inona no hafointsika raha manjavona ireo ala tropikaly?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny dodo dia vorona lehibe, mavesatra, tsy manidina, izay lany tamingana tamin’ny 1681.
b Noho ny fanoherana niely patrana, dia tsy nanafatra henan’omby mora vidy avy tamin’ireo tany tropikaly intsony ny hotely sasany ho an’ny sakafo maika.