Ilay Diako Lavitra avy Tamin’ny Fiainana sy ny Fandripahana Tany Kambodja
NOTANTARAIN’I WATHANA MEAS
NY TAONA 1974 tamin’izay. Niady tamin’ny Khmers rouges tany Kambodja ny tenako, izay komandy tao amin’ny tafika kambodjiana. Nahazo babo miaramila khmer rouge iray izahay, tao amin’ny ady iray. Nanova ny fiainako izay nolazain’izy io tamiko momba ny tetik’i Pol Pota ny amin’ny hoavy, ka nahatonga ahy hanomboka dia lavitra iray, ara-bakiteny sy ara-panahy.
Mamelà ahy anefa hitantara aminareo ny niandohan’ilay diako. Teraka tamin’ny 1945 aho, tany Phnom Penh, any Kampuchéa (Kambodja), araka ny ahafantarana azy amin’ny fiteny khmer. Nanjary nitana toerana ambony tao amin’ny polisy miafina ny reniko, tatỳ aoriana. Polisy manokana ho an’ny Printsy Norodom Sihanouk, izay nanapaka tao amin’ilay tany, izy. Koa satria izy irery no nitaiza ahy, ary feno be ny fandaharam-potoanany, dia nahatsiaro ho voatery hametraka ahy tao amin’ny tempoly bodista iray izy, mba hahazoako fanabeazana.
Ny fitaizana bodista azoko
Valo taona aho fony nandeha nipetraka tany amin’ny lehiben’ny moanina bodista. Nanomboka tamin’io taona io ka hatramin’ny 1969, dia indraindray aho nipetraka tany amin’ny tempoly, indraindray tany an-trano. Mpanompon’i Chuon Nat, ilay moanina bodista nanam-pahefana indrindra tany Kambodja tamin’izany fotoana izany, aho. Nandritra ny fotoana elaela, dia sekreterany aho, ary nanampy azy tamin’ny fandikana ilay boky masina bodista hoe “Ireo Harona Telo” (Tipitaka, na Tripitaka amin’ny teny sanskrit), avy tamin’ny fiteny karàna tranainy ho amin’ny fiteny kambodjiana.
Voaray ho moanina aho tamin’ny 1964, ary nitoetra ho moanina hatramin’ny 1969. Nandritra io fe-potoana io, dia nisy fanontaniana maro nanahiran-tsaina ahy, toy ny hoe: Nahoana no misy fijaliana be dia be aoka izany eto amin’izao tontolo izao, ary ahoana no nanombohan’izany? Hitako fa nanandrana fomba maro mba hampifaliana ireo andriamaniny ny olona, kanefa tsy fantany akory ny fomba hamahan’ny andriamaniny ireo olana nahazo azy ireo. Tsy afaka nahita valiny nahafa-po tao amin’ny asa soratra bodista aho, ary toy izany koa ireo moanina hafa. Nanjary diso fanantenana aoka izany aho, hany ka nanapa-kevitra ny handao ilay tempoly, ary dia nitsahatra tsy ho moanina intsony aho.
Tamin’ny farany, tamin’ny 1971, dia niditra tao amin’ny tafika kambodjiana aho. Nalefa nankany Vietnam aho tamin’ny 1971 tany ho any, ary noho izaho nahita fianarana, dia nasondrotra ho amin’ny gradin’ny solietnà, ka notendrena ho ao amin’ny sokajy voaofana manokana. Niady tamin’ny tafiky ny Khmers rouges komonista sy ny an’ny Viêt-cong izahay, tamin’izany fotoana izany.
Ny ady sy ireo fiovana tany Kambodja
Nanjary miaramila menavazana mafy fo noho ny ady aho. Lasa zatra nahita olona maty saika isan’andro aho. Nandray anjara tamin’ny ady niisa 157 ny tenako manokana. Indray mandeha, raha tany anatiny be tamin’ny ala mikitroka izahay, dia voahodidin’ny Khmers rouges nandritra ny iray volana mahery. Maherin’ny 700 no maty taminay. Nisy 15 teo ho eo no sisa tsy maty taminay — anisan’izy ireo aho, ary naratra. Kanefa tafavoaka velona ihany aho.
Indray mandeha koa, tamin’ny 1974, dia nahazo babo miaramila khmer rouge iray izahay. Rehefa naka am-bavany azy aho, dia nilaza tamiko izy fa nitetika ny handripaka ny olona ambony rehetra tao amin’ny fitondrana teo aloha, anisan’izany ireo tao amin’ny tafika, i Pol Pot. Nilaza tamiko izy mba hamela ny zava-drehetra ka handositra. Hoy izy: “Ovao foana ny anaranao. Aza avela hisy hahalala hoe iza ianao. Modia dondrina sy tsy mahay. Aza milaza na amin’iza na amin’iza momba ny fiainanao taloha.” Taorian’ny namelako azy hiverina hody tany aminy, dia niraikitra tao an-tsaiko io fampitandremana io.
Nilazana izahay miaramila fa niady ho an’ny tanindrazanay izahay, ary anefa namono Kambodjiana izahay. Anisan’ny firenenay ny Khmers rouges, ilay antoko komonista nitady hahazo fahefana. Raha ny marina, ny ankamaroan’ny mponina sivy tapitrisa tany Kambodja dia Khmers, na dia tsy anisan’ny Khmers rouges aza ny ankamaroany. Hadalana ilay izy tamiko. Namono mpamboly tsy nanan-tsiny, izay sady tsy nanana basy no tsy liana tamin’ilay ady, izahay.
Nahavaky fo foana ny fiverenana avy tany an’ady. Nisy zaza amam-behivavy nitsena anay, niandry tamim-pitebitebena mba hijery raha niverina ny vadiny, na ny rainy. Voatery nilaza tamin’ny ankamaroan’izy ireo aho fa maty ny havany. Tamin’izany rehetra izany, dia tsy nanome fampiononana ahy ny fahazoako ny hevitry ny Bodisma.
Tsaroako izao ny niovan’ny toe-javatra tany Kambodja. Talohan’ny 1970, dia somary nandry feizay sy nilamina ihany ilay tany. Tsy nanana basy ny ankamaroan’ny olona; voararan’ny lalàna ny fananam-basy, raha tsy hoe nanana fahazoan-dalana angaha ny tena. Tsy dia nisy firy ny fandrobana, na ny halatra. Taorian’ny nanombohan’ilay ady an-trano anefa, rehefa nikomy i Pol Pot sy ny tafiny, dia niova ny zava-drehetra. Nisy basy hatraiza hatraiza. Na dia tanora 12 na 13 taona aza dia nampiofanina hanao raharaha miaramila, ka nianatra nitifitra sy namono. Nampiaiky ny ankizy sasany hamono ny ray aman-dreniny ny mpanohana an’i Pol Pot. Hoy ny miaramila tamin’ireo ankizy: “Raha tia ny tanindrazanareo ianareo, dia tsy maintsy mankahala ny fahavalonareo. Raha miasa ho an’ny fitondram-panjakana ny ray aman-dreninareo, dia fahavalontsika izy ireo ka tsy maintsy vonoinareo ho faty — raha tsy izany dia hovonoiny ho faty ianareo.”
I Pol Pot sy ny fanesorany izay tsy tiany
Tamin’ny 1975, dia nandresy tamin’ilay ady i Pol Pot, ary dia tonga firenena komonista i Kambodja. Nanomboka nanaisotra ny mpianatra sy ny mpampianatra rehetra sy ny olona ambony rehetra tao amin’ny fitondrana ary ny olon-kafa rehetra nahita fianarana, i Pol Pot. Raha nanao solomaso ianao, dia nety ho faty, satria noheverina ho nahita fianarana! Nanery ny ankamaroan’ny olona hiala tao amin’ireo tanàn-dehibe sy tanàna ny fitondran’i Pol Pot, ka namindra azy ireo nankany ambanivohitra mba hamboly sy hiompy. Tsy maintsy nanao akanjo mitovy ny rehetra. Tsy maintsy niasa adiny 15 isan’andro izahay, nisakafo ambany foitra, tsy nahazo fanafody na akanjo, ary natory adiny 2 na 3 monja. Nanapa-kevitra ny hanainga aho, dieny mbola tsy tara loatra.
Tadidiko ny torohevitr’ilay miaramila khmer rouge. Nariako avokoa ny sary sy ny tahirin-taratasy ary ny zava-drehetra nety ho niampanga ahy. Nihady lavaka iray aho ka naleviko tao ny tahirin-taratasiko sasany. Avy eo dia nandeha niankandrefana namonjy an’i Tailandy aho. Nampidi-doza ilay dia. Tsy maintsy nanalavitra toeram-pisavana aho, ary tena nitandrina be nandritra ny ora tsy nahazoana nivezivezy tamin’ny alina, satria ny miaramila khmers rouges ihany no nahazo nivezivezy, raha nanana fahazoan-dalana ofisialy.
Nankany amin’ny faritra iray aho, ka nipetraka elaela tao amin’ny namana iray. Avy eo dia namindra ny olona rehetra tao amin’io toerana io nankany amin’ny toeran-kafa ny Khmers rouges. Nanomboka nandripaka ny mpampianatra sy ny dokotera izy ireo. Niara-nandositra tamin’ny namana telo aho. Niafina tany amin’ny ala mikitroka izahay, ary nihinana izay voankazo hitanay teny amin’ny hazo. Tatỳ aoriana, dia tonga tao amin’ny vohitra kely iray tao amin’ny provansin’i Battambang aho, ary nisy namako tao. Gaga aho fa hitako tao koa ilay miaramila taloha nanoro hevitra ny amin’ny fomba handosirana! Koa satria nanafaka azy aho, dia nanafina ahy tao anaty lavaka iray nandritra ny telo volana izy. Nasainy nandatsaka sakafo ho ahy, saingy tsy hijery ny tao an-davaka, ny zaza iray.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia afa-nandositra aho, ary hitako ny reniko sy ny nenitoako ary ny anabaviko, izay nandositra namonjy ny sisin-tany tailandey koa. Fotoana nampalahelo ahy tamin’izay. Narary ny reniko, ary tamin’ny farany dia maty noho ny aretina sy ny tsy fahampian-tsakafo tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana, izy. Kanefa, nisy tara-pahazavana sy fanantenana ihany namiratra teo amin’ny fiainako. Nihaona tamin’i Sopheap Um, ilay vehivavy lasa vadiko, aho. Niara-nandositra tamin’ny nenitoako sy ny anabaviko izahay, niampita ny sisin-tany tailandey, ary niditra tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana naorin’ny Firenena Mikambana. Novidin’ny fianakavianay lafo ilay ady an-trano tany Kambodja. Namoy havana 18 izahay, anisan’izany ny zandriko lahy sy ny zaobaviko.
Fiainam-baovao tatỳ Etazonia
Nohamarinina ny fiavianay rehefa tao amin’ilay tobin’ny mpitsoa-ponenana izahay, ary niezaka nitady olona hanohana anay ny ONU mba hahafahanay hankatỳ Etazonia. Ela ny ela ka nahita izy ireo! Tamin’ny 1980, dia tonga tany Saint Paul, any Minnesota, izahay. Fantatro fa nila nianatra teny anglisy haingana araka izay azoko natao aho, raha tiako ny handroso tao amin’ilay taniko vaovao. Nandefa ahy tany an-tsekoly nandritra ny volana vitsivitsy monja ilay nanohana ahy, na dia tokony hianatra ela kokoa aza aho. Nahitany asa kosa aho, dia asan’ny mpiandry varavarana tao amin’ny hotely fatoriana iray. Voafetra anefa ny teny anglisy haiko, hany ka niteraka fahadisoana nahatsikaiky izany. Nasain’ilay tompon’ny hotely haka tohatra aho, kanefa fitoeram-pako no nentiko tany aminy!
Fitsidihana nampahatahotra
Tamin’ny 1984, dia niasa alina aho, ary natory tamin’ny antoandro. Nipetraka tao amin’ny faritra iray nisian’ny fifankahalana be dia be teo amin’ny Aziatika sy ny mainty hoditra izahay. Fahita nahazatra ny heloka bevava sy ny zava-mahadomelina. Indray maraina, dia namoha ahy tamin’ny folo maraina ny vadiko, ka nilaza tamiko fa nisy lehilahy mainty hoditra iray tao am-baravarana. Natahotra izy, satria noheveriny fa tonga handroba anay ilay lehilahy. Nanarangarana teo am-baravarana aho, ary indro nijoro teo ny lehilahy mainty hoditra iray nitafy tsara sady nitondra kitapo, ary nisy vazaha iray niaraka taminy. Toa tsy nisy zavatra hafahafa ny zavatra hitako.
Nanontaniako izy hoe inona no namidiny. Nampiseho gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tamiko izy. Tsy azoko ny resaka. Nanandrana ny handa tsy handray azy ireo aho, satria volana vitsivitsy talohan’izay, dia voafitaka aho handoa 165 dolara (890 000 FMG teo ho eo), ho vidin’ny boky dimy nitambatra nentin’ny mpivarotra protestanta iray. Kanefa, nampiseho tamiko ireo sary tao amin’ireo gazety ilay lehilahy mainty hoditra. Nahafinaritra sy tsara tarehy erỳ ireo sary! Ary nitsiky be sady sariaka ilay rangahy. Koa nanome 1 dolara (5 400 FMG eo ho eo) aho ho fandraisana anjara, ary dia noraisiko ireo gazety.
Tokony ho tapa-bolana tatỳ aoriana, dia niverina izy, ary nanontany ahy raha nanana Baiboly kambodjiana aho. Raha ny marina tokoa, dia tena nanana iray izay azoko tao amin’ny fiangonana nazareana iray aho, na dia tsy azoko aza ny heviny. Nampiaiky volana ahy anefa ny nahita lehilahy roa samy hafa firazanana tonga teo am-baravarako. Avy eo, dia nanontany ahy izy hoe: “Tianao ve ny hianatra teny anglisy?” Mazava ho azy fa tiako, saingy nohazavaiko fa tsy nanam-bola handoavana ny fianarana aho. Nolazainy tamiko fa hampianatra ahy maimaim-poana izy, amin’ny fampiasana zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly. Na dia tsy fantatro aza hoe solontenan’ny fivavahana inona izy, dia hoy aho anakampo: ‘Fara faharatsiny mba tsy mila mandoa vola aho, ary hianatra hamaky sy hanoratra teny anglisy aho.’
Fianarana teny anglisy sy Baiboly
Nandeha moramora ilay fianarana. Nasehony ahy ny Genesisy, boky voalohany ao amin’ny Baiboly, ary avy eo dia nolazaiko tamin’ny teny kambodjiana ilay izy hoe “Lo ca bat”. Niteny indray izy hoe “Baiboly”, dia hoy aho hoe “Compee”. Nanomboka nanao fandrosoana aho, ka vao mainka voatosika hianatra. Nentiko tany am-piasana ny diksionerako anglisy-kambodjiana, ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray, ny Baiboly Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, sy ny Baiboliko kambodjiana. Nandritra ny fiatoana no nianarako sy nahaizako teny anglisy iray isaky ny nandeha, tamin’ny nampitahako ireo zavatra vita an-tsoratra. Naharitra telo taona io fianarana izay nandeha moramora io, nampian’ny lesona isan-kerinandro. Rehefa ela ny ela anefa, dia afaka namaky teny anglisy aho!
Mbola nankany amin’ny tempoly bodista sy namela sakafo ho an’ireo razambe ihany ny vadiko. Mazava ho azy fa ny lalitra no hany nandray soa tamin’izany! Nanana fahazaran-dratsy maro latsa-paka lalina izay azoko tao amin’ny tafika sy ny Bodisma, aho. Fony aho moanina, ny olona dia nitondra fanatitra, anisan’izany ny sigara. Ninoan’ny olona fa raha nifoka ireo sigara ny moanina, dia toy ny hoe ireo razambeny no nifoka. Noho izany, dia nanjary nandevozin’ny nicotine aho. Avy eo koa, tao amin’ny tafika, dia nisotro be loatra aho, ary nifoka ôpiôma mba hahazoako herim-po hoentina niady. Noho izany, rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly aho, dia tsy maintsy nanao fiovana be dia be. Tamin’izay no nahitako fa fanampiana lehibe ny vavaka. Tao anatin’ny volana vitsivitsy monja, dia resiko ireo fahazaran-dratsiko. Nahafaly ny fianakaviako erỳ izany!
Lasa Vavolombelona vita batisa aho tamin’ny 1989, tany Minnesota. Tokony ho tamin’izay fotoana izay no nahafantarako fa nisy antokona Vavolombelona niteny kambodjiana ary koa Kambodjiana maro teto Long Beach, atỳ Kalifornia. Rehefa avy niara-nidinika momba izany izahay mivady, dia nanapa-kevitra ny hifindra hanketo Long Beach. Tena zava-dehibe indrindra io fiovan-toerana io! Natao batisa aloha ny anabaviko, avy eo ny nenitoako (izay 85 taona ankehitriny) sy ny vadiko. Nanaraka koa ireo zanako telo. Tatỳ aoriana, dia nanambady Vavolombelona ny anabaviko, ary loholona ao amin’ny kongregasiona io vadiny io ankehitriny.
Tatỳ Etazonia, dia nandia fisedrana maro izahay. Nahita fahasahiranana ara-bola mafy sy tsy fahasalamana izahay, kanefa tamin’ny nifikiranay tamin’ireo foto-pitsipiky ny Baiboly, dia nihazona ny fitokianay tamin’i Jehovah izahay. Nitahy ireo ezaka nataoko teo amin’ny lafiny ara-panahy izy. Tamin’ny 1992, dia voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana tao amin’ny kongregasiona aho, ary tamin’ny 1995, dia tonga loholona teto Long Beach.
Ankehitriny, ilay dia lavitra nanomboka fony aho moanina bodista ary avy eo dia komandy tany amin’ny sahan’ady tany Kambodja rotidrotiky ny ady, dia nifarana tamim-pilaminana sy tamim-pahasambarana teto amin’itỳ fonenanay sy taninay vaovao itỳ. Ary manana ny finoanay vaovao an’i Jehovah Andriamanitra sy i Kristy Jesosy izahay. Mankarary ny foko ny mahafantatra fa mbola mifamono ihany ny olona any Kambodja. Vao mainka izany tokony hanosika anay mianakavy hiandry sy hanambara ilay tontolo vaovao nampanantenaina, izay hitsaharan’ny ady rehetra sy hitiavan’ny olona marina tokoa ny mpiara-belona aminy, toy ny tenany! — Isaia 2:2-4; Matio 22:37-39; Apokalypsy 21:1-4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mpitarika komonista tao amin’ny tafiky ny Khmers rouges i Pol Pot tamin’izany fotoana izany, ary nandresy tamin’ilay ady io tafika io ka nandray an-tanana ny fitondrana an’i Kambodja.
[Sarintany/Sary, pejy 16]
(Jereo ny gazety)
VIETNAM
LAOS
TAILANDY
KAMBODJA
Battambang
Phnom Penh
Nandritra ireo taona naha-moanina bodista ahy
[Sary nahazoan-dalana]
Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.
[Sary, pejy 18]
Miaraka amin’ny fianakaviako, any amin’ny Efitrano Fanjakana