Avy Amin’ny Mpamaky
Fomba Fiaina Tsy Mahasalama Nankasitrahako ilay lahatsoratra hoe “Fomba Fiaina Tsy Mahasalama — Manao Ahoana ny Halafony?” (8 Aogositra 1997). Amin’ny maha-tanora kristiana ahy, dia miatrika fakam-panahy maro aho. Nanokatra ny masoko anefa io lahatsoratra io, ka nahatakarako fa ny fanarahana ny foto-pitsipiky ny Baiboly no hanalavirantsika aretina sy ratram-po.
R. K., Etazonia
Tsy Fahasalamana Nihetsi-po aho noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Ahafahako Miatrika Aretina Mafy?” (8 Jolay 1997). Mahatalanjona ahy i Jason sy i Ashley ary i Carmen, izay niatrika tamim-pahombiazana ny aretina nahazo azy ireo.
R. D., Frantsa
Tena azo ampiharina sy mandrisika ary mandaitra tokoa ny torohevitra nomenareo. Nampahery ahy indrindra indrindra ny tantaran’i Ashley. Mpitory Vavolombelon’i Jehovah manontolo andro, aho. Ny fieritreretana hoe misy olona maniry mafy hirotsaka ao amin’ny fanompoana manontolo andro, nefa tsy afaka noho ny antony ara-pahasalamana, dia nampirisika ahy haharitra amin’izany, na dia eo aza ireo zava-manahirana ahy.
D. I., Albania
Hatramin’ny nahafantarako hoe voan’ny aretin’i Crohn aho, dia niditra hopitaly impolo mahery ary nilana fandidiana indroa. Kanefa, nandritra ireo efa-taona farany, dia nanompo tatỳ amin’ny faritany mitokana aho, atỳ an-tanin’olona. Ary na dia mbola tsy tonga lafatra aza ny fahasalamako, dia nihatsara be kosa. Fampaherezana lehibe ho ahy ireo lahatsoratra ireo.
G. H., Ekoatera